541 – He, izany hira manako re

1. He, izany hira manako re,
Ilay zaza very tonga amin-dRay !
He, falifaly izay mandre,
Ilay efa maty velona indray !

2. lndro ny Rainy lasa nankao,
He, fa miteny : « Peratra soa,
Soloy ny lamba, kapa alao »
Ilay efa maty velona indray !

3. He, izany hoby an-tranon-dRay,
Fa voavonjy ilay nania !
Hobio, ry tany sy lanitra,
Ilay efa maty velona indray !

4. O, ry anjely an-dapa soa,
Miraisa hina hanandra-peo,
Aza mangina, fa mba lazao,
Ilay efa maty velona indray !

549 – Jesosy no asandratro

1. Jesosy no asandratro
Fa Izy no Mpanavotro !
Ny tànany nanafaka
Ny aiko tao an-davaka ;
Ny rafiko ho ketraka,
Izaho afa-kenatra
Fa manana ny Tompoko
lzay mandako sy aroko !

Fiv : Ry foko ô, ankalazao
Jesosy, lzay Mpamonjinao !

2. Ny tsiron’ny fiainana
Ananako sahady re,
Fa efa mby an-tànana
Ny famonjena lehibe !
Ny ranon’aina azoko,
Ny mofon’aina haniko,
Sakafo mahatanjaka
Mamelona ny reraka !
Ry foko ô, sns…

3. Ny rany no anjarako,
Ny ainy no fananako ;
Ny lanitra ho lovako,
Ny tany dia hilaozako ;
Ny ota tsy hanaraka
Ny ady dia ho tapaka,
Ny aloka ho tapitra
Fa ao ny tena zavatra !
Ry foko ô, sns…

4. Ny hanitry ny lanitra
Mamerovero fatratra,
Ny kalon’ny voavotra
Manatsika ahy hiakatra !
Ny tavan’ny Mpamonjiko
No tsinjon’ny fanahiko,
Ny tavany manafaka
Ny haizina ao anatiko !
Ry foko ô, sns…

5. Ny masoko mibanjina
Tahaka ny mpiambina
Maniry ny Mpamonjiko
Ho tafahaona amiko !
Izaho hovimbininy
Hipetraka eo anilany,
Hanao ny hiran-danitra
Sy honina finaritra !
Ry foko ô, sns…

548 – He, Jehovah no Mpiandry ahy

1. He, Jehovah no Mpiandry ahy,
Tsy mba misy atahorako;
Raha izy no mitondra ahy
Ahi-maitso no handriako.
Eny, fa ny tany karankaina,
Dia hody saha lonaka,
:,: Ary ao amoron-dranon’aina
Hialan’ny foko sasatra :,:

2. He, Jehovah no Mpitarika ahy
Amin-dalam-pahamarinana,
Koa tsy ho kivy ny fanahy
Amin’ny alo-pahafatesana
Hianao, ry Tokiko irery,
No hiara-dia amiko.
:,: Ka ny tsorakazonao mahery
No hanafaka ny tahotro :,:

3. Amelaranao latabatra aho
Eo imasom-pahavaloko;
Namboaranao kapoaka aho,
Ka mahery sady afa-po;
Eny, indrafo tsy hita lany
No hiaraka amiko izao
:,: Mandra-pahatongako ho any
Hanatrehako ny tavanao :,:

547 – Ry Jeso Masoandronay ô!

1. Ry Jeso Masoandronay ô,
Ny haizin’ny fo lasa tokoa,
Fa tonga aty anatinay izao
Mazava lehibe !

Fiv : Eny, Jeso Zoky be fitia,
Soa lehibe no nentinao taty ;
Avy izahay mba hisaotra Anao
Noho ny fitiavanao !

2. Vangianao ny tokantrano
Ka menatra ery, kaody sy lao ;
Ny fomba ahitana angano
Izay tsy mba sitrakao.
Eny, Jeso sns…

3. Mpanjaka Fiadananay ô,
Ekena tokoa ny herinao ;
Ny sabatry ny firenena
Hatao fangady izao !
Eny, Jeso sns…

4. Ry Jeso Tompo tia anay ô,
Misaotra Anao izahay izao
Fa henika ny hasoavanao
Izao tontolo izao !
Eny, Jeso sns…

546 – Haleloia, Haleloia!

1. Haleloia, haleloia!
Jeso no Mpamonjiko,
Haleloia, haleloia!
Afaka ny heloko.
Sambatra aho tretrika aho
Ahy re ny lanitra,
Haleloia, haleloia!
Jeso no Mpanavotra.

2. Haleloia, haleloia!
Ravoravo re ny fo.
Haleloia, haleloia!
Jeso re no soloko.
Afaka aho, afaka aho,
Levona ny otako;
Haleloia, haleloia!
Lanitra no lovako.

3. Haleloia, haleloia!
Matokia hianao.
Haleloia, haleloia!
Maty mba ho solonao
Jeso Tompo mahatoky,
Ry mpanota very ô.
Haleloia, haleloia!
Raiso ny famindram-po.

545 – Endrey izany hafaliana

1. Endrey izany hafaliana
Fa velona aina izahay !
Tanteraka ny faniriana
Ka dera ho Anao ry Ray !
Atolotray tokoa ny tena
Mba ho fanati-tsitrakao,
Satria manaiky sy ekena
Ho tonga olom-baovao !

2. Ny tanindrazanay malala,
Ry Jeso Tompo, anjakao !
Hiorina eto, tsy hiala
Ny fiadanana entinao !
Ny haizin’ota anie hisava,
Ny fahantrana koa handao
Fa ho tarafin’ny Mazava,
Hanjary tany vaovao !

3. Ny fiangonanao angony
Fanahy ô, ho tena iray
Ka tsy hizarazara intsony
Fa Ianao no mampiray !
Dia ho fanasina, fanilo
Ho an’izao tontolo izao !
Hijoro tsy handraraka ilo,
Hitafy toetra vaovao !

544 – Misaora an’i Jehovah

1. Misaora an’i Jehovah,
Miantsoa ny anarany,
Mitoria ny asany,
Amin’ny olombelona.

2. Ambarao ny fiantrany,
Lazao ny famindram-pony,
Fa mahagaga antsika
Ny fitiavany antsika,

3. Mpanota tsy naringana,
Very mana-Mpanavotra,
Maty ka nomeny aina,
Ho velona mandrakizay.

4. Ry Andriamanitray ô!
Ry Jesosy Mpamonjy ô!
Ry Fanahy Masina ô!
Vonjeo ny olona ory,

5. Fa zohy no itoerana,
Lava-bato no ierena
Fa indrafo no ifalian’
Ny mpivahiny mandalo.

543 – Mihoby ny fanahiko

1. Mihoby ny fanahiko
Fa voavonjy izao,
Ny ratran’ny Mpamonjiko
No misy aim-baovao !

Fiv : Ny ran’i Jesosy
No tena avotro,
Ka sambatra aho
Sy tretrika am-po !

2. Ny ratran’ny Mpamonjinao,
Ry foko, mba jereo
Fa hanasitrana anao
Ka ho fiainanao !
Ny ran’i jesosy, sns…

3. Mba mibitaha re, ry fo,
Ny gadra tapaka ;
Ny hajambana izay nanjo
Izao dia afaka !
Ny ran’i jesosy, sns…

537 – Endrey ny hamaroan’ ny soa

1. Endrey, ny hamaroan’ny soa
Nomenao Ray ho ahy koa!
Ny aiko, he, navotanao,
Ny heloko vonoinao.

Fiv : Eny, Raiko,
He! Ravoravo tokoa
Ity zanakao voavonjy re,
Ka velombelona ery.

2. He, azoko tokoa jeso,
Ilay perla soa, madio sy vao;
Ny zava-tsoan’ny tany re
Dia tsy ahoako tokoa.
Eny, Raiko, sns…

3. Tsy aiko ny hilaza izao
Hamisavisa re, ry Ray;
Ny fanomezan-dehibe
Dia tsy voatonoko koa.
Eny, Raiko, sns…

4. Ny foko no hidera izao,
Hisaotra sy hanaja Anao,
Hanoa, ho vonona hanao
Ny sitrakao rehetra.
Eny, Raiko, sns…

538 – Finaritra ny masoko

1. Finaritra ny masoko
Mijery ny Mpamonjiko,
Ny vavako hisokatra
Hidera ny Mpanavotro !

Fiv : Andro soa, andro soa,
Fa Jeso no Mpanavotra !
He, ravo ny fanahiko
Mihira ao anatiko !
Andro soa, andro soa,
Fa jeso no Mpanavotra !

2. Ho tiako ny Tompoko
Ambara-pahafatiko,
Fa Izy no Mpanafaka
Manaisotra ny heloko !
Fiv : Andro soa, sns…

3. Faingàna re, ry havako,
Hatòny e, ny Tomponao !
Andeha mba hiaraka
Hihira sy hivavaka !
Fiv : Andro soa, sns…