421 – Andriamanitra ô, Ray Mpamindra fo

1. Andriamanitra ô, Ray Mpamindra fo
Avy mankalaza Anao tokoa izahay,
N’inon’inona midona, zavatra manko,
Eo ambany elatrao matoky izahay.

Fiv : Mamindrà fo amiko,
Andriamanitra ô!
Avelao ny heloko Jeso
Mpamonjy ô!
Hazavao ny lalako Fanahy Masina ô!
Fa izay no fahasambaran’ny fanahiko.

2. Jeso Kristy Tompo sy Zokinay,
Miaraka Aminao afa-tahotra tokoa,
Hetraketraky ny tany tsy hanimba anay,
Izay mialoka Aminao ho ampoky ny soa.
Mamindrà fo amiko, sns…

3. Ry Fanahy Masina Mpanavao,
Hazavao re, ny ao am-poko miafina ao,
Ka ny làlana ombako mba tarihonao
Ny ota mahazatra mba levony koa ho lao.
Mamindrà fo amiko, sns…

420 – Ry Raiko feno antra

1. Ry Raiko feno antra,
Inty aho fa ory;
Mijaly sy mahantra,
Ka tsy mahatraka akory.

Fiv : Jesosy no nilonjy,
Ny ota vitanao;
Ny rany mahavonjy,
Nomeny ho anao.

2. Nandao ny tavanao,
Nikaro-java-tsoa;
Korana sy lalao,
Sambo-drivotra avokoa,
Jesosy no nilonjy, sns…

3. Izaho fahavalo
Fa tsy narianao,
Ny loza natakalo
Hasambaram-baovao.
Jesosy no nilonjy, sns…

4. Hanompo no iriko
Fa zanaka nania,
Ry hany itokiako
Mba ho Tompoko doria.
Jesosy no nilonjy, sns…

419 – Ry Raiko ô! Ry Raiko ô!

1. Ry Raiko ô! Ry Raiko ô!
Efa nanota teo imasonao
Ity zanaka mahantranao;
Ninia niala teo an-tranonao.
Mangovitra ny feoko,
Torovana ny foko,
Kanefa tazako Hianao
Ka mamelà, mamelà, Raiko ô!

2. Ry Raiko ô! Ry Raiko ô!
Ho tanterahiko ny anjarako:
Mandao ny làlako taloha.
Izay nanalavitra ahy taminao
Tratrariko ny eo aloha,
Ilaozako ny lasa,
Inoako ny famindramponao
Ka mamelà, mamelà, Raiko ô!

3. Ry Raiko ô! Ry Raiko ô!
Atsory amiko ny tananao
Hamelona ny heriko
Fa reraka aho, ka tantanonao,
Ny fitiavanao, Ray ô!
Fanilo sady toky
Andraisako fiadanam-po,
Ka mamelà, mamelà, Raiko ô!

4. Ry Raiko ô! Ry Raiko ô!
Ho olom-baovao ity zanakao
Raha tonga eo akaikinao
Fa hosasan’i Jeso Tompo tia
Tsy tapitra ny antranao,
Fa manana amby ampy
Dia manantena aho izao
Ka mamelà, mamelà, Raiko ô!

418 – Amorony fo madio

1. Amorony fo madio
Aho ry Jehovah ô!
Ka havaozinao anio
Ny fanahiko izao.
Be ny ratsy vitako,
Ka ny heloko sasao;
Mamindrà fo amiko,
Ry Jehovah Tompo ô!

2. Amorony fo madio
Aho ry Jehovah ô!
Ka diovy ankehitrio
Ny fiainako izao
Simba ny fanahiko,
Ka amboary ho vaovao;
Aza esorina amiko
Ny fanahy Masinao.

3. Amorony fo madio
Aho, ry Jehovah ô!
Ka ny foko ahitsio,
Hamasino ho Anao.
Taminao dia taminao
No Mba nanotàko, Ray;
Ka ny heloko avelao,
Ny fanahiko ovay.

4. Amorony fo madio
Aho, ry Jehovah ô!
Ka ny fo omeko anio,
Raiso ho fanananao:
Fo mangorakoraka
Noho ny ratsy izay natao;
Fo miaiky heloka,
Ka mba raiso, Tompo ô!

416 – Mamindrà fo amiko

(Maintimolaly)
1. Mamindrà fo amiko,
Ry Jehovah Tompoko!
Fa miantra hanao,
Mamelà ny heloko.

2. Iza no mamindra fo
Toa an’ Andriamanitra?
Iza no Mpanavotra
Afa-tsy ny Zanany?

3. Jeso Kristy no mahay
Mamonjy ny mpanota
Izay miankina aminy
Ka tsy mandoka tena.

4. Aza mahafoy ahy,
Ry Jehovah Tompoko!
Mamindrà fo amiko,
Mamelà ny heloko.

415 – Mifona aminao izahay

1. Mifona aminao izahay,
Andriamanitra ô!
Mba mamelà ny helokay,
:,: Fa diso izahay. :,:

2. Mivavaka aminao izahay,
Ry Jeso Tompo ô !
Avoty ny ranao izahay,
:,: Fa very izahay. :,:

3. Mangataka aminao izahay,
Fanahay Masina ô !
Velomy ny fanahinay,
:,: Fa maty izahay. :,:

4. Jehovah ô! Izay iray,
Kanefa Telo koa,
Mba atokàny izahay,
:,: Ho olonao tokoa. :,:

414 – Jeso, Vatolampinay

1. Jeso Vatolampinay !
O! arovy izahay,
Ka ny fonay mba sasao,
Manafaha anay izao,
Mba tsy hisy izay hanjo
Olon-tsy mahitsy fo.

2. Tsy ny asa izay atao
Mahatò ny didinao ;
Tsy ny hazotoam-po
No mahazo manadio ;
Tsy ny ranomasonay
No mahafa-trosa anay.

3. Tsinontsinona izahay,
Sady be ny helokay ;
Ry Mpiaro lehibe,
Jeso Tompo ! Mamonje,
Fa miankina aminao
Izahay mpanomponao.

4. Tomoera aminay
Raha ho faty izahay,
Ary raha hiakatra ao
Mba hiseho aminao,
Jeso Vatolampinay !
O ! arovy izahay.

413 – Ry Mpamonjy, Tompo soa

1. Ry Mpamonjy, Tompo soa!
Avy izahay izao,
Mba hanaiky sy hanoa,
Ka hiverina aminao.
Hianao no ranon’ aina
Mahavelona ny fo;
Hianao no antenaina
Mba hanala ny manjo.

2. Indreto izahay mpanota
Efa diso taminao,
Mamonje sy manavota
Ny fanahinay izao.
Hianao no mahavonjy
Izay miankna aminao;
Koa raiso, ry Mpamonjy!
Ny fifonanay izao.

3. Ry Jesosy be fitia!
Mba tantano izahay,
Fa ho lavo sy hania
Raha tsy hazoninao.
Tsy mba misy mety very
Eo am-pelatananao,
Fa aminao no misy hery
Mahatanjaka ny fo.

4. Tompo ô! mba tanteraho
Izay rehetra mahasoa,
Ka ny otanay afaho,
Fa manimba anay tokoa.
Mampianara anay haniry
Mba hanao ny sitrakao,
Hahazoanay ny hery
Eo am-pelatananao.

412 – Jehovah Tompo ô!

1. Jehovah Tompo ô!
Indreto izahay
Mifona aminao ;
Fa be ny helokay :

Fiv : Henoy izao, ry Ray !
Henoy ankehitrio,
Henoy ny vavakay,
Henoy ka mba valio.
Ry Andriamanitray !
Mijere !
Jeso Kristy Tomponay !
Mamonje !

2. Vonjeo, vonjeo, ry Ray !
Vonjeo ho olonao;
Mifona izahay,
Isao ho zanakao :
Henoy izao, sns…

3. Mpanota izahay,
Mba mamelà anay;
Maloto ny fonay,
Sasao ho voadio :
Henoy izao, sns…

4. Jereo ny Zanakao
Misolo vava anay;
Ilay Malalanao
Mifona ho anay :
Henoy izao, sns…

411 – Ry Zanahary Tomponay

1. Ry Zanahary Tomponay,
Mpanao izao rehetra izao!
Tsinjovy re ny olonao,
Ka miantrà ny lovanao.

2. Ry Tokinay sy Tanjakay!
Mba mitalaho izahay;
Tsarovy re ny zanakao,
Ka mamelà ny helokay.

3. Ry Tomponay, Mpamonjy soa!
Tariho izahay izao
Hanompo sy hanoha Anao,
Ho voninahitrao tokoa.

4. Rehefa hody izahay,
Mba raiso ny fanahinay
Handray ny hasambarana
Atolotrao, Mpanavotray.