455 – Ny androm-pahasoavana

1. Ny androm-pahasoavana
Maneho zava-baovao;
Mahazo fahasambarana
Izao tontolo izao.
Ravoravo ny efitra maina
mbamin’ny tany karankaina;
He, torina ny teny soa,
Ka dia afaka avokoa
Ny olom-bery maniry ho velona.

2. Ka miandrandra ny lanitra
Ny malahelo izao:
Mihoby izy fa sambatra
Nahazo aina vaovao.
He, vahana ireo migadra,
Afaka ny midradradradra,
Mitsambikina ny mandringa,
Faingana izy sady kinga,
Ary mihoby ny lelan’ny moana.

3. Ny very no tadiavina
Mba hody amin’ny Ray;
Ny maty dia velomina
Ka ravo mandrakizay.
Izy dia mifady ny ota,
Noho ny lova tsy ho tonta,
Sady manaraka Azy Tompo,
Izay voaeso sy voahombo,
Ambara-podiny any an-danitra.

454 – Veloma no apetrako

1. Veloma no apetrako
Fa tapaka ny hevitro,
Handao ny fahazarako,
Fa Kristy no harahiko,

Fiv : Veloma hianao,
Ry izao tontolo izao!
Izaho tsy tamana aty,
Veloma hianao!

2. Ny làlan’ota hitako
Namono ny fanahiko,
Fa he, ery mba tazako
Ilay tany soa mamiko,
Veloma, sns…

3. Mpanota ô, nahoana
No tsy miaraka aminay?
Fa mbola misy toerana
Izay ho anao sy ho anay.
Veloma, sns…

4. Veloma, fa ao aloha ao
No tany izay honenako,
Ka maika aho mba hankao
Handray ny fitsaharako.
Veloma, sns…

5. Jerosalema tazako,
Ka velona ny hirako,
Fa any no honenako
Hidera ny Mpanjakako,
Ho any aho izao,
Ho any aho izao,
Izaho tsy tamana aty,
Ho any aho izao!

453 – Mihirà, ry mponina ao an-danitra

1. Mihirà, ry mponina ao an-danitra,
Tonga izao ny very fahizay,
Ka ny Rainy faly sy finaritra
mba handray ny zanany indray;

Fiv : Mihobia re ny lanitra,
Ka derao Andriamanitra
Eny mihobia, re, ry mino ô,
Ka hirao ny fihiram-baovao!

2. Mihirà, ry mponina ao an-danitra,
Fa ilay very dia hita izao,
Voaray ho zanak’Andriamanitra,
Efa tonga olona vaovao.
Mihobia, re, sns…

3. Mihirà, ry mponina ao an-danitra
Lehibe ny fifalianay,
Ka derao izao Andriamanitra,
Fa ny maty velona indray!
Mihobia, re, sns…

452 – Tompo ô, ovay ny foko

1. Tompo ô, ovay ny foko
Mba ho mora anarina
Toy ny an’ny zazakely
Tsotra sady marina :
:,: Tsy mialona, tsy maditra,
Fa manao ny sitrakao ! :,:

2. Zaza ka tsy te-hifidy
Izay homenao ahy anio,
Ny ho azoko ampitso
Dia ankinina aminao ;
:,: Koa tsy manahy aho
Fa efa niantohanao ! :,:

3. Zaza tsy maharo tena
Fa miankina amin-dray :
Tsy mahery, tsy mba hendry,
Ary tsy mahay mandeha ;
:,: Hianao no Raiko tia,
Raiko be fahari-po ! :,:

451 – Tompo ô! Tsy takatry ny saiko

1. Tompo ô! Tsy takatry ny saiko
Ny fitiavanao tsy nohajaiko
Kanjo io no hany antenaiko
Mba hamonjy ahy ‘zao
(hamonjy ‘zao)

Fiv : (Feo 1)
Tompo ô voababonao
Zanak’Andriamanitra
Mamy re!
‘Zany fitiavanao ry Jeso ô!
(Feo 2)
Tompo ô dia resinao ny foko ‘lay nanda
Voababonao tokoa tokoa
Ka nasandratrao ho zanak’Andriamanitra
Ho tarihinao an-danitra.
Mamy dia mamy re tsaroan’ny aiko ‘zao
Izany fitiavanao ry Jeso ô!

2. Ny fandavan-tenanao tsaroako,
Fa fandavan-tena nahitako
Ny fitiavanao izay inoako
Fa mambomba ahy izao.
(Mambomba izao)
Tompo ô, sns…

3. Ry Jesosy, tsy mba misy haiko
Afa-tsy manolotra ny aiko
Eo an-tananao ‘zay andrandraiko
Hampijoro ahy izao
(Hijoro izao)
Tompo ô, sns…