702 – An-danitra, an-danitra

1. An-danitra, an-danitra
Tempolin-Jehovah,
No hahitana Azy re,
Am-boninahitra!
:,: Ka masina i Jehovah,:,:
No hohiraina ao.

2. An-danitra, an-danitra
No mba hamiratra
Ny voninahi-dehibe
Hananantsika e!
:,: Raha tonga ny fihaonana:,:
Ao amin-Jehovah.

3. An-danitra, an-danitra
No ho finaritra
Ny tena izay nijaly be
Am-pahoriana
:,: Fa any no hifaly e:,:
Fahasambarana.

4. Ny fo sy ny fanahy e,
Ho faly anie,
Fa afaka ny entana,
Izay nivesarany;
:,: Ka fitsaharan-dehibe:,:
Omen’i Jehovah.

5. Tsy hain’ny lela anie
Hanonona izao
Ny soa antenaina e,
Raho anatrehany.
:,. Manenika ny lanitra:,:
Ny fitiavany.

6. Ry Jeso Kristy Tomponay
Tariho izahay,
Ka mamelà ny helokay,
Mba hitokianay,
:,: Fa tsy ho menatra izahay!:,:
Fa ao i Jehovah.

7. Raha avy ny hodianay
Eo anatrehany,
Mba ento, Jeso, izahay
Hankany Aminy!
:,: Mba ho anay mandrakizay:,:
Ny fitsaharana!

701 – Ny hiran’ny lanitra tsara tokoa

1. Ny hiran’ny lanitra tsara tokoa sy mahafinaritra re!
Henoy izany feon’ny olona maro izay faly tokoa mihira hoe:

Fiv : (feo 1)
Haleloia. Amen!
Haleloia. Amen!
Haleloia. Amen!
Haleloia. Amen!
(feo 2)
Ny dera aman-daza sy hery, anie,
Ho Anao, ry Zanak’ ondry
Ny dera aman-daza sy hery, anie,
Ho Anao, Anao, Amen!

2. Toy ny feon’ny rano mahery ny hira ataon’ny tra-bonjy ary;
Manerana ny lanitra ny fiderany, fa vita ny adiny mafy taty.
Haleloia, Amen! sns…
Ny dera aman-daza, sns…

3. Tsy mety mangina ny hiran’ny lanitra, velona mandrakizay!
Endrey ny fihaonana any an-danitra sy ny fiainana mandrakizay.
Haleloia, Amen! sns…
Ny dera aman-daza, sns…

700 – Ao ny andro lehibe

1. Ao ny andro lehibe
Misy fifaliam-be
Dia ny andro hahatongavana
Amin’ny fonenana
Feno fiadanana,
Tsy mba misy ota na heloka,
Any, tena andro malaza tokoa izay.
Jeso Ilay nandresy ny fasana,
Izy no hitantana
Ao am-pahafatesana,
Ka ho mora ny handehanana.

2. Ao ny andro lehibe
Misy fifaliam-be
Izay hihaonana any an-danitra
Afa-pahoriana,
Afa-pijaliana,
Sambatra tokoa sy tretrika.
Enga ka ho ao avokoa isika izao
Ka tsy hisy very na dia iray!
Tava miramirana,
Endrika mamiratra
No hananantsika mandrakizay.

3.Ao ny andro lehibe
Misy fifaliam-be
Hahitana an’Andriamanitra
Sy Jesosy Zanany
Mbamin’ny Fanahiny.
Hoby no hameno ny lanitra.
Serafima sy arkanjely no namana
Mankalaza Ilay feno indrafo.
Ny fitomaniana
Sy ny fisentoana
Tapitra, fa afaka ny manjo.

699 – Midera Anao ny olo-masina

1. Midera Anao ny olo-masina,
Naha ny fandresena nomenao:
Ry Jeso ô, Mpitari-dalana!
Haleloia! Haleloia!

2. Ory sy lao, fadiranovana,
Natao ho zava-tsinontsinona
Nefa ireo no tsy nivadi-po:
Haleloia! Haleloia!

3. Mafy ny ady aman-tafika,
Izay nihatra tao an-dàlana,
Fa Hianao no nitokiany:
Haleloia! Haleloia!

4.Indro! Mpandresy no idirany
Ao afovoan’ny ao an-danitra,
Handray ny satro-boninahitra:
Haleloia! Haleloia!

5. Mpanompo tsara sady mahasoa,
Midira am-pifalian’ny Tomponao;
He! Sambatra Izy, fa efa voaray:
Haleloia’ Haleloia!

6.Aoka ireo hotahafinay
Amin’ny ady iadiana,
Hiraisam-boninahitra aminy:
Haleloia! Haleloia!

7. Ankehitrio, anao ny fiderana,
Ry Ray sy Zanaka, Fanahy koa
Eran’ny tany aman-danitra:
Haleloia! Haleloia!

698 – Iza re ireto avy

1. Iza re ireto avy
Voatafy lamba soa,
Samy voasatro ka avy,
Satro-bolamena koa?
Avy taiza izy ireo,
Ka ho aiza izy izao?

2. Izy ireo dia voavonjy,
Voavela heloka;
Samy nino an’i Kristy
Fony mbola velona;
Be ny ratsy nentiny,
Fa izao dia sambatra.

3. Maro be ny fahavalo
Niadiany taty,
Fa tsy misy izany intsony;
Afaka ny sarotra,
Afa-pahoriana,
He, ny hafaliany!

4. Miramirana tarehy,
Indreo, avy izy ireo
Mba hihoby an’i Kristy,
Tompo sy Mpanjaka koa,
Fa nahazo zava-tsoa.
Ka dia tretrika tokoa.

697 – Any ambony fonenana tsara

1. Any ambony fonenana tsara
Dia tsy mba misy itseran’ny fo;
Eny iriko ho tsara miafara
Hiara-manjaka aminao, ry Jeso.
Isaoranay ny Tomponay,
Raha ‘mby any’ dia faly tokoa
Isaoranay ny Anaranao soa!

2. Rehefa tonga ilay andro malaza
lzay hanatrehana Anao, ry Jeso!
Izao no heveriko ho tena laza:
Dia ny hidera Anao, Tompo ô!
Isaoranay ny Tomponay,
Raha ‘mby any tsy mba ory koa;
Isaoranay ny Anaranao soa!

3. Ao izany havana tena malala,
lzay mahafaly fa hita indray,
Nefa izay hampifaly tokoa
Dia ny mihaona aminao, ry Jeso!
Isaoranay ny Tomponay,
Raha ‘mby any tsy mba misy manjo;
Isaoranay ny Anaranao soa!

696 – Raha ho faty aho

1. Raha ho faty aho,
Ka handao ny havako,
Ary dia hisaonany,
Fa handeha hifaly aho;
Raha afaka ny aiko,
Dia ho finaritra aho.

2. He! Antsoiny aho,
Ha any an-danitra,
Dia faly ny foko
Sy ravo ny kiboko,
Fa azoko ny iriko
Sy nantenaiko ela.

3. Havelako ny tany,
Fa ela azoko tokoa
Ny fifaliam-be;
Lovako ny lanitra,
Dia tsy matahotra
Ny hafatesano aho.

695 – Ary an-koatra ary ilay Paradisa soa

1. Ary an-koatra ary,
Ilay Paradisa soa
Toa takona aty,
Kanefa ao tokoa,
Mamirapiratra ao,
Ny endriky ny Ray;
Jesosy Tompo ao
Miandry mba handray.

2. Tsy misy ny hanjo
Izay tafiditra ao;
Ny ranomaso koa
Tsy afaka hankao
Ny hazavana soa
Manelatrelatra ao;
Ny zava-mahasoa
Tsy misy izay tsy ao.

3. Anjely marobe
Mihira any koa;
Ireo olo-masina e
Mifaly avokoa.
Andeha re izao,
Sakaiza marobe,
Aria ny tahotrao,
Ka dia mizora re!

4. Raha misy loza ety,
Jereo ny Tomponao;
Fa Izy raha tety
Nitondra toy izao.
Ireo fahoriana aty
Odio tsy hita re,
Handraisantsika ary
Ny fiadanam-be.

694 – Enga ka hanana elatra soa

1. Enga ka hanana elatra soa
:,: Aho ety,:,:
Mba hanidinako avo tokoa
:,: Hody ery,:,:
Fo malahelo ny ratsy natao
No ela-tsoa hitondra hankao;
Hanana elatra aho anie
Mba hanidinako ao!

2. Trano mamiratra tsara iry,
:,: Raiko no ao,:,:
Na nahabe ahy aza ity,
:,: Mamiko ao; :,:
Havako maro no sambatra ao.,
Faly ny foko hankeny izao:
Enga ka hanana elatra aho,
Mba hanidinako ao!

3. Na dia an-danitra aza ery,
:,: Lavitra va?:,:
Raha tarihin’i Jeso ety,
:,: Ketraka va?:,:
Tsia, fa hiainga tokoa aho izao!
Indro akaiky ny làla-mankao:
Enga ka hanana elatra soa,
Mba hanidinako ao!

4. Andriamanitra Ray no ery.
:,: Tsara tokoa; :,:
Jesosy koa Ilay Mpamonjy tety,
:,: Zanaka soa; :,:
Ao ny Fanahy masina re!
Tapitra ao avokoa ny soa;
Hanana elatra aho anie,
Mba hanidinako ao!

693 – Ao ambony ny lapan’ny Ray

1. Ao ambony ny lapan’ny Ray,
Ao an-danitra feno ny soa.
Hasambarana mandrakizay,
Kristy soa iriko tokoa.

Fiv : ;,: Kristy soa, Kristy soa
No iriko ho ahy tokoa.:,:

2. Misy tsara ihany aty,
Mba ho santatra eto izao;
Fa tsy mety ho toy ny ary,
Ka iriko tokoamba ho ao.
Kristy soa, sns…

3. Ny voavotra ravo izao,
Afaka ota ka faly tokoa.
Afa-paty izay tonga ao,
Afa-doza, mahazo soa.
Kristy soa, sns…

4. Tsy ny lanitra be zava-tsoa,
Fa ny Tompo malalako ao;
Tsy mba tahotro hela tokoa.
Fa ny Tompo tsy foiko izao.
Kristy soa. sns…