319 – Mba iraho ny Fanahy ry Jesosy Tompo ô!

1. Mba iraho ny Fanahy
Ry Jesosy Tompo ô!
Mba hanampy sy hitahy
Ny mpiasa irakao.
Tany mafy no asaina,
Nefa kely izahay,
Marobe no tsy misaina,
Raha itorianay!
Tanteraho re ny toky,
lzay nomenao fahizay,
Ka mombà anay mpitory
Mandra-podimandrinay!

2. O, ry Masoandron’aina,
Hazavao ny namanay,
Mba fafazo andon’aina,
Fa efa toy ny tany hay;
Tapa-kazo no hajainy,
Ka tsy fantany ny To:
Feno aizina ny sainy,
Efa momoka sy lo;
Ny sikidy mahavery
No ataony solonao,
Sampy vato, hazo kely
No hajainy toa Anao.

3.vAverenonao ireny
Mba ho tonga olonao;
Tadiavo tsy ho very,
Raiso re, fa lovanao!
Entonao ny famonjena
Ka ovay ny fony izao;
Aoka hisy sesehena
Ny hanaiky ho Anao!
Dia hiova re ny tany
Ka hanjary lonaka,
Ary hisy voa mamy
lzay ho tena vokatra.

4 . Aoka re mba tsy ho rava
Ny mazava hitanay!
Mba handraso lalandava
Ny anjara-asanay.
Mba ho dera aman-daza
Ho Anao, ry Tomponay!
Hatanjaho ny mpiasa,
Dia tsy mba hety fay;
Aoka re ny olo-mino
Mba hamory ho Anao,
Ka hitombo be ny mpino
Hiandany Aminao.

318 – Mandrosoa, ry mpanarato

1. Mandrosoa, ry mpanarato,
Aza ketraka izao!
Mandrosoa tsy miato,
Jeso re no herinao.
Ka ny jentilisa maro,
Havana sy tapaka,
Mba toroy ampahafantaro
An’Ilay Mpanafaka!

2. Mandrosoa, ry mpanarato,
Miezaha fatratra,
Ka na iza hisahato,
Aza mba matahotra.
Notolorana adidy
Hianao, ka miasà!
Na ho mamy na mangidy,
Aza fay na mba mandà!

3. Mandrosoa, ry mpanarato,
Ao an-drano lalina!
Misy ve hitora-bato ?
Anehoy fitiavana!
Raha kivy ny mpanota
Noho ny haratsiny,
Ento any Gologota
Amin’ny Mpamonjiny.

4. Mandrosoa re no baiko
lzay mifehy ahy izao,
Ka ny tena sy ny aiko
Raiso, Tompo, ho Anao!
He, afoiko manontolo
lzay ananako izao,
Ary raisonao daholo
Mba ho voninahitrao!

317 – O, ry Rain’ny fahazavana tsy milentika!

1. O, ry Rain’ny fahazavana tsy milentika,
Avy izahay mitondra ny fisaorana,
Aloky ny fasanay no ipetrahanay
Nefa andro no nasolonao ny alinay !

2. Enga ka handroso tsara ny mazava e,
Mba ho fantatray tokoa Ilay manao hoe :
« Izaho no fahazavan’izao tontolo izao »,
Hanazava sy hanitsy izay alehanao !

3. Ny Fitarikandron’aina efa hita re,
Manazava na ny kely na ny lehibe,
Mahasoa, mahahendry, mahasambatra ;
Ka akory re ny andro izay hiposaka !

4. Mitsangàna, ry Ziona, ka mihazavà !
Voninahitry ny Tompo no miposaka ;
Atopazy manodidina ny masonao,
Ny haren’ny firenena tonga aminao !

316 – Maizina ny firenena

1. Maizina ny firenena,
Koa diso lalana,
Tsy mahita famonjena,
Tia zava-poana;
Endrey, ny haverezan-tsainy,
Lany foana ny ainy.

2. Lehibe ny aizin’ota,
Takona ny lalana
Handosiran’ny mpanota
Ny fahaverezana;
Indrisy, very re ny aina!
Injany ny feo mitaraina!

3. Mitsangàna izao, ry mino,
Mandehàna faingana,
Ento aminy ny jiro,
Atoroy ny lalana;
Hianao va tsy onena
Ny tsy manam-pamonjana ?

4. Dia ento ny mazava
Izay naseho taminao;
Mazotoa hampisava
Izany aizim-pito ao,
Ka ny namanao mahantra
Itorio ny Mpiantra.

5. Eny, tsara sy mahery
Ny filazantsara re!
Afaka ny olom-bery,
Sambatra ny mahare
Ka mitandrina tokoa
Izany teny mahasoa.

315 – Ry Ziona, mitsangàna, ka mihazavà izao

1. Ry Ziona, mitsangàna,
Ka mihazavà izao;
Andrandrao ny fahazavana,
lzay miposaka aminao.

2. Maizina ny firenena,
Amin-tany fantatrao,
Fa tsy manam-pamonjena,
Nefa ankohonanao.

3. Asandrato ny fanilo
Hanazava lavitra,
Mba ho marobe no hino
An’Andriamanitra.

4. Atopazy re ny maso!
Marobe ny zanakao,
Toy ny tany feno hazo
Eo anatrehanao.

5. Ry Jesosy, hotahinao
Anie ny lovanao;
Olo-maro izay irinao,
Taomy mora ho Anao.

314 – Injany, misy feo!

1. Injany, misy feo!
Ka iza no tsy mandre?
Ry Kristiana, raiso
Adidy lehibe.
Manerana ny tany
Ny antso avo izao,
Ho an’i Jeso Tompo
Izao tontolo izao.
Mihobia
Sy mitoria.
Ny teny mahafaly
Izay voarainareo
Izao no tena fetra;
Ho an’i Jeso soa.
Ny olona rehetra ho Azy
Avokoa.

2. Tsy ho antsika irery
Ny fahasoavam-be,
Fa ho an’ny olom-bery
Tsy an-kanavaka e!
Ny fiantran’ny Tompo
Tsy misy fetra, koa
Lazaonareo mpanompo
Lay fitiavan-tsoa.
Miasà.
Ka milazà
Ny teny mampionona
Mahafa-po;
Voarainareo ny baiko:
Ho an’i Jeso soa
Ny olona rehetra ho Azy
Avokoa.

3. Ny Tompo no milaza:
« Andeha mitoria, »
Ka na dia sarotra aza
Ny asa, matokia;
Fa tsy mandeha irery
Izay mitondra soa,
Fa omban’Ilay Mahery
Ny irany tokoa,
Ka sahia
Dia mitoria
Ny famonjena lehibe
Voarainareo;
Voatsangana ny saina:
Ho an’I Jeso soa
Ny olona rehetra ho Azy
Avokoa.

4. Ry Tompo sy Mpanjaka!
Ampio ny olonao
Hanoa sy hanahaka
Ka hankalaza Anao,
Dia aoka hokendreny
lzay katsahinao.
Ka hahita famonjena
lzao rehetra izao,
Ry Tsitoha!
Mba manehoa
Ny hery mahagaga izay
Anananao:
Tongava mba hanjaka,
Ka angony avokoa
Ny olona navotanao,
Ry Tompo soa!

313 – Miantrà ny firenena, ry Jesosy Tomponay !

1. Miantrà ny firenena,
Ry Jesosy Tomponay!
Ambarao ny famonjena
lzay nataonao fahizay;
Asehoinao ny hery
Namonjenao marobe;
:,: Ry Mpamonjy olom-bery!
Mamonje indray anie.:,:

2. Mba heveronao ny Nosy
Itoeranay izao;
Iantraonao, ry Jesosy,
Ny tsy mahalala Anao;
Iantrao ‘reo faritany
Anjakan’ny aizim-be,
:,: Mba ho tonga faingana any
Ny mazava lehibe.:,:

3. Be ny tany tsy voasa,
Vitsy ny mpanomponao;
Koa izahay mpiasa
Ao an-tanimbolinao
Mba omeo fo minia
Hankatò ny teninao,
:,: Ka aoka mba hikely aina
lzahay hiasa ao.:,:

4. Mankanesa, ry mpitory!
Ao an-tany lavitra ao,
Be tsy mahalala akory
An’i Jeso Tomponao,
He, ny fahantrany, indrisy!
He, ny hadalan’ny ao!
:,: Fa ny olona tsy misy
Hampianatra azy izao.:,:

5. Ny harena anomezo
Sy ny fahendrena koa.
Eny, Kristiana! Aelezo
lzay rehetra mahasoa;
Mankanesa re ‘zay tia
Ny Mpamonjy lehibe;
:,: Miantrà ka manampia
Ny mahantra marobe.:,:

312 – Mitoera, ry Jesosy

1. Mitoera, ry Jesosy
Ao an-tanimbolinao,
Ka amboary ‘zao ny voly
Mba hitombo sy hamoa !
Tomoera;;
Iasao ny Nosinay !

2. Mba onenonao ny lasy
Itoeranay izao,
Ka ovay ny Malagasy
Mba ho tena zanakao !
O, monena;;
Hazavao ny Nosinay !

3. Akekezo ireo mpania
Tafaverina aminao,
Ka tantano mba ho tia
Ny miresaka aminao !
O, tariho;;
Ho Anao ny Nosinay !

4. Dia fohazy ny mpitory
Mba hanao ny asanao,
Ka hamoha ireo matory
Mba handre ny sitrakao !
Hamasino;;
Ho Anao ny Nosinay !

5. O, Jesosy feno antra,
Dera, laza ho Anao !
Ny lohalika rehetra
Handohalika aminao !
Mitoera;;
Fa Anao ny Nosinay !

311 – Miely lavitra any ny olo-marobe

1. Miely lavitra any
Ny olo-marobe;
Koa lza no hankany;
Hamonjy azy re,
Hanorina sekoly,
Hitory teny koa.
Hamaky ny Baiboly,
Milaza zava-tsoa?

2. lndreny olona ory
Tsinjovy, ry zareo!
Tsy misy ny mpitory,
Ka moa hafoinareo ?
Tsarovy Jeso Tompo
Nandao ny lapa soa,
Ka tonga mba hanompo,
Nanolotra aina koa.

3. Ry Lohan’ny mpiandry!
Tendreo ny irakao,
Fa reraka ka mandry
Ny ondrikelinao;
lraho ny mpitory
Handeha ankehitrio,
Ka tsy handà akory
Hanao veloma anio.

4. Ny tia famonjena
Miaramila soa;
lzay manolo-tena
No iraka tokoa;
Na lavitra ny tany,
Hanendry tena hoe:
« lzaho no hankany,
lraho aho e! »

310 – Misy maro ao an-tsaha mitaraina

1. Misy maro ao an-tsaha mitaraina,
Ka ento ny Jiro mba hankao !
Tsy mba misy atoandro na maraina
Fa maizina re ny ao ;
Indro olo-maro be
No maniry mafy hoe :
Mba midina mankaty,
Itondray Baiboly re
Izy ireo fa ta handre
An’i Kristy Tompo soa !

Fiv : « Mandehana », hoy ny Tompo, « mandehana
Ho amin’izao tontolo izao ! »
Mitsangàna ary, eny, mitsangàna
Fa izy no homba anao !

2. Mandehana mba hitarika ny jamba,
Mba ampifalio ny ory fo ;
Ny mahantra ilazao fa misy lamba
Tsy miova, tsy mety lo ;
Jeso Mofon’aina soa
Sady Ranon’aina koa,
Asehoy ho hitany !
Tena Andriamanitra,
Tompo tao an-danitra,
Ambarao ho fantany !
« Mandehana », sns…

3. Mandehana hanatanjaka ny osa,
Omeo toky re ny ketraka ;
Ny anjaranao, ataovy ho tontosa
Ka aza dia reraka !
Mandehana ianao
Ka vitao ny asanao
Fa ny tambinao ary ;
Mbola any ihany re
ny handraisan-tamby be,
Dia rehefa tsy ety !
« Mandehana », sns…