279 – Raisonao, ry Tompo soa

1. Raisonao, ry Tompo soa
Izato asan-tananay
Fa nomenao avokoa
Izay rehetra anananay
Simba izahay rehetra
Sady very hatrizay
Nefa soa tsy misy fetra
No navalinao anay

2. Hianao nanetry tena
Tsy nitandro henatra
Be fiantra ka onena
Ny tra-pahoriana
Mba tsarovanay izany
Koa dia tahafinay
Nefa fiasana ihany
Ao an-tananao izahay

3. Arosoy sy ampitaro
Aminay ny teninao
Hazavao ny olo-maro
Izay tsy mahalala Anao!
Ny misaona mba vangio
Ny kamboty inatrao
Izahay izay taonga anio
Mba ataovy irakao

4. Eny, ry Mpamonjy tsara
Amboary izahay
Mba ho tonga mpanambara
Ny fitianao anay
Ary dia mba tahio
Izato fikambananay
Hafanao, ampirisiho
Hamasino izahay

278 – Mba ampio, ry Tompo soa

1. Mba ampio, ry Tompo soa
Izahay navotanao
Fa mikasa mba hanoa
Sy hanaraka Anao

Fiv : Hitanao, fa kely hery
Izahay mpanomponao
Tsy hefa raha irery
Koa mba tarihonao

2. Izahay manolo-tena
Mba hiasa ho Anao
Ka maniry, manantena
Fa hanampy Hianao
Hitanao fa kely hery, sns…

3. Tianay hiara-dia
Aminao rahatrizay
Ka tantano tsy hania
Amin’ny alehanay
Hitanao fa kely hery, sns…

277 – Indro, Tompo, vory eto

1. Indro, Tompo, vory eto
Anatrehanao izahay
Mba hanatitra ireto
Vokatry ny asanay

Fiv : :,: Raiso re, raiso re!
Ho fanati-tsitrakao :,:

2. Hianao no mampaniry
Sy mampisy vokatra
Izahay dia mpitahiry
Fa Anao ny zavatra
Raiso re, raiso re, sns…

3. Ary na tsy mendrika aza
Aoka tsy holavinao
Fa ho enti-mankalaza
Ny Anaran-tsoanao
Raiso re, raiso re, sns…

4. Raiso koa re, ry Tompo
Ho Anao ny tenanay
Amboary ho mpanompo
Mahafatra-po izahay
Raiso re, raiso re, sns…

276 – Ry Jehovah, Ray Mpahary

1. Ry Jehovah, RAy Mpahary
Sy Mpamelona anay
Tsapanay fa tsy manary
Hianao Mpitondra anay
He, mandratsa-pitahiana
Sesehena Hianao
Ka dia feno fifaliana
Izahay mpamonponao

2. Noteneninao ny tany
Notarihinao izahay
Ka nitobaka aoka izany
Izao ny vokatra azonay
Feno hika isan-taona
Ny fitiavanao anay
Ka aoreno tsy ho foana
Tompo ô! ny asanay

3. O! mba raiso re, ry Tompo
Izao fanatitray izao
Enga anie ka mba hitombo
Handrosoan’ny hanitrao
Raiso koa sy hmasino
Ny fonay hiasanao
Ny fanahy ampidino
Hampahery, hanavao

275 – Raisonao, ry Tompo soa

1. Raisonao ry Tompo soa,
Ny fanatitray izao;
Hamasino avokoa
Izay atolotray Anao;

Fiv : :,: Raiso re, ho Anao,
Ho fanati-tsitrakao! :,:

2. He, Anao, ry Tompo soa
Izay rehetra anananay
Ny harena, vola koa,
Taminao, Jehovah Ray.
Raiso re, sns…

3. Na dia kely aza, Tompo,
Ka tsy mendrika Anao,
Raiso ho entina hanompo
Sy hanao ny sitrakao.
Raiso re, sns…

4. Indro, Tompo, raiso koa
Tena, fo, fanahinay,
Mba ho fiasana koa
Eo an-tànanao izahay.
Raiso re, sns…

274 – Tao an-tany karankaina

1. Tao an-tany karankaina
Nisy olo-maro be
Tsy mba nampodina maina
Tao Jesosy nanome

2. Na dia mofo kely aza
Tonga nahavoky ireo
Fa nitombo mahagaga
Samy faly izy ireo

3. Fa ny herinao, ry Jeso
Izay namonjy fahizay
No miasa lalandava
Hahavoky soa anay

4. Dia tahio ny fambolena
Hahavokatra tokoa
Miantrà ny firenena
Tsy ho diso zava-tsoa

5. Na dia voky fatratra aza
Mora reraka izahay
Ao ambony ny mateza
Iankinan’ny ainay

273 – He! vokatra ny tany

1. He! vokatra ny tany
Jehovah Tompo ô!
Fa be tsy mety lany
Ny hasoavanao
Ny andro fararano
No ifalianay
Voataona ao an-trano
Ny vokatra azonay

Fiv : Soatra tsara entinay
Ho Anao tokoa
Ny olonao rehetra izao
Mifaly avokoa

2. Ny tany tsy misaona
Fa sambatra tokoa
Tsy tapaka isan-tokoa
Ny fanomezan-tsoa
Endrey, nahazo maina
Izao rehetra izao
Ny zava-manana aina
Mifaly aminao
Saotra tsara, sns…

3. Tontosa izay nirina
Nahazo izahay
Fa misy taona zina
Nataonao ho anay
Tsy diso isan-taona
Ny fitahianao
Ny olonao mihaona
Mba hankalaza Anao
Saotra tsara, sns…