298 – Aina no fetra, ry Tompo mpanjaka

1. Aina no fetra, ry Tompo mpanjaka,
Aina no fetra anarahana Anao,
Ka ny faneva tsy maintsy ho zaka
Ny fanompoana tsy maintsy hatao !

Fiv : Indreto izahay hilanja faneva,
Ilay hazo izay nanavotana anay ;
An-tsitrapo no anoloranay tena
Ka tano mba ho Anao izahay !

2. Aina no fetra ho enti-manoa
Ilay Zanak’ondry nisolo anay ;
Fandavan-tena sy fanaovan-tsoa
No fianarana atolotra anay
Indreto izahay, hilanja faneva, sns…

3. Aina no fetra, ry Tompo malala
Aina no fetran’ny fitiavanay
Ka sanatria izay handao na hiala
Mandrakizay, ho Anao izahay !
Indreto izahay, hilanja faneva, sns…

4. Aina no fetra, ny nofo anefa
Mora mirona ho lavo indray,
Ka manampia, ry Mpandresy mahefa
O, mba tantano, hazony izahay !
Indreto izahay, hilanja faneva, sns…

5. Aina no fetra ka ampio, ry Fanahy !
Aina no fetra, vonjeo e, ry Ray !
Aina no fetra, izahay re no sahy ;
Aina no fetra, handresy izahay !
Indreto izahay, hilanja faneva, sns…

297 – Ry havanay malala!

1. Ry havanay malala!
Manolo-tena izao.
Fotoana mahafaly
Iraisan-tsika anio;
:,: Faly ‘zahay mandray anao :,:
Hiara-manompo ny Ray,
:,: Jeso anie mandray nao! :,:
Mba ho sakaizany tokoa.

2. Hajao ny fanekena,
Adidinao efao.
Ataovy tsy terena
Izay andraikitrao.
:,: Jereo Jeso ka matokia, :,:
Fa Izy no hiahy anao.
:,: Ka mandrosoa sy mifalia, :,:
Hanefa izay anjaranao.

296 – Ankehitriny, Jereo, ry Ray!

1. Ankehitriny,
Jereo, ry Ray!
Ny mpivahiny,
Miampy indray;
Ka manomeza hery
Ny fiangonanao,
Mba tsy hiasa irery
Ny olonao.

2. Avia hitahy
Ny olonao;
Ka ny Fanahy
Omeonao;
Ho hery izay handrava
Ny toetra ratsinay,
Ho jiro hanazava
Ny làlana.

3. Ry Tompo tia!
Tarihonao
Hifankatia
Ny olonao,
Mba tsy ho rava intsony
Ny fikambananay,
Hamantana ao ambony
Ny dianay.

295 – Miorena mafy tsara

1. Miorena mafy tsara
Amin’Ilay vatosoa
Mandrosoa, mifahara,
Mifikira mafy koa.
He! Ny Tompo manambara
Fa ho sambatra tokoa,
Ka ho tsara miafara
Ny mpanompo mahasoa.

2. Raha misy fahoriana
‘Zay midona aminao,
Raiso re ho fitahiana
‘Zay omen’ny Tomponao;
Fa ny lalam-pijaliana
‘Zay alehanao izao
Dia mamelom-paniriana
Hitomboan’ny herinao.

3. Miadia ny ady tsara,
Ho mpandresy hianao;
Tontosay izay anjara
Eo am-pelantananao;
Jeso Tompo no mijery
Sy mahita ny atao,
Koa tsy mba hisy very
‘Zay rehetra vitanao.

4. Ry Jesosy! hantajaho
‘Ty mpanolo-tenanao,
Miangavy, mitalaho,
Ka iteneno, Tompo ô!
Aoka re ho tena taho
‘Zay mikambana aminao,
Ka ny foko halalaho,
Diovy ho Tempolinao.

292 – Izahay natao batisa

1. Izahay natao batisa,
Voarain’ny Tomponay,
Ary efa voaisa
Mba ho zanaky ny Ray;
Voavelany tokoa
ny fahadisoanay
Nefa mbola mora resy
Mora simba izahay.

2. Na ny asa, na ny teny,
Na ny hevitra ao am-po,
Mbola tsy madio ireny,
Ka diovy, Tompo ô!
Mora aminay ny ratsy,
Sarotra aminay ny to;
Mba ampio tsy ho resy
Izahay, ry Tompo ô!

3. Raha mbola aty an-tany
Izahay izay zanakao,
Mba ampio tsy ho lany
Ny finoanay Anao.
Ry Jesosy Tompo soa,
Tano mafy izahay,
Mba ho azonay tokoa
Izay anjara lovanay.

291 – Efa tonga zana-dRay Tsitoha hianao

1. Efa tonga zana-dRay Tsitoha hianao,
Ry tanora, tamin’ny batisa masina;
Izany no tenin’ny Tompo

2. Koa aza manadino ny batisanao,
Zava-tsoa sarobidy efa azona;
Tamin’ny ranon’aina.

3. Famelana heloka sy fahasoavana
Fanavaozana ny fo sy fiadanana;
Samy nomen’ny Mpamonjy.

4. Dia arahonao Jesosy, fa Mpamonjinao;
Aoka hahafaly Azy ny fiainanao;
Tovy izay Sitrapony!

5. Mivavaha, miambena ao an-dalana!
Misy fahavalo fetsy ta-hamitaka
Ny ondrikelin’ny Tompo

6. Mahatoky ny Mpamonjy, aza kivy fo,
Izy hampionona, raha avy ny manjo;
Azy ny hery rehetra.

7. Ary raha tapitra ny andronao aty
Endrey ny fifalianao rehefa mby ary;
Amin’ny Tompo Jesosy!