290 – Indreo fa mivory izao

1. Indreo fa mivory izao
Zatovo vonon-kanavao
Ilay fanekena tsara;
Mba raisonao, ry Rainay ô!
Ny fitarainanay izao,
Omeo toky tsara;
Henoy, fenoy
Aim-panahy mba ho sahy lalandava
Ho mpanaiky ny mazava.

2. Mandà ny ratsy izao,
Manaiky fa ho zanakao
Handia ny lalan’aina;
Ry Ray ô mba tsarovinao
Ireo voasoratrao
Ao amim-bokin’aina;
Tezao izao
Tsy ho resy fa handresy,
Ka omeo
Azy hery mahaleo.

3. Natsanganao ho zanakao
Sy ondry mba handrasanao,
Ka tena sarobidy;
Arovy re ny ondrinao
Tantano ny malalanao,
Ry Tompo izay nifidy
Anay handray
Lova soa tsy miova,
Ka hazony
Tsy handao Anao intsony!

289 – Hitsangana izao ‘zahay ry Tompo ô

1. Hitsangana izao
‘Zahay, ry Tompo ô!
Mba hanompoanayAnao
Ampionao izahay.

2. Ny fahotana be,
Izay vitanay taty,
Dia ibebahanay izao
Ka mamelà anay.

3. Ny tsy finoanay
No nijanonanay
Tsy nanatonanay Anao
Izay ela be izay.

4. Sasao madio izahay
Asio fo vaovao
Ho ao anatinay izao
Ry Jeso avotray!

5. Inoanay tokoa
Fa maty Hianao,
Hisolo olo-meloka
No nijalianao.

6. Mba manampia anay
Hiankina aminao
Fa tokinay ny avotrao
Natao tao Kalvary.

288 – Sambatra izay voafidy ho mpiasanao

1. Sambatra izay voafidy
Ho mpiasanao
Ka hanohy ireo adidy
‘Zay natombokao,
Ho mpitaiza ny fanahy
Toy ny vitanao
Ho mpiady tena sahy
Tarikao Jeso.

2. Dia mpiasa tsy an-tery
Ka mafana fo,
Te-hanangona ondry very
Marobe tokoa,
Te-hitaona ny tanora
Sy ny zaza koa,
Tsy hifidy asa mora,
Fa ho mpankato.

3. Hianao ry Jeso Tompo,
No nampianatra
Ny olonao mba hanompo
Tsy mitsahatra
Tsy handala ny talenta
‘zay natolotra;
Fa aina re no fetra
Entina manao.

4. Nefa tsy matoky tena
Fa malemy moa,
Ka dia mila fahendrena
Mila hery koa;
Ho mpiasa mahavita
‘Zay anjara ety,
Mandra-pody ao am-pita
Aminao ary.

287 – O! Miaingà izao, ry miaramila soa

1. O! Miaingà izao, ry miaramila soa,
Antsoin’ny Tomponao hiady hianao
Ny fahavalo ao kanefa mandrosoa,
:,: Mahery re no momba anao :,:

2. Izao tontolo izao izay feno fahotana
No iantsoana anao mba hotafihinao;
Indreo mihoraka ao ny fehin’i Satana,
:,: Jeso anefa momba anao :,:

3. Ny aizim-be izay mandrakotra ny tany
No iantsoana anao, ka ndeha mba savao;
Ny Tompo no tafio, alao ny hazavany,
:,: Diovy izao tontolo izao :,:

4. Ny fahoriam-be izay manarona eto
No iantsoana anao, ka moa ve handà ?
Ampiononinao ny ory sy misento,
:,: O! mazotoa, ka miaingà! :,:

5. Na inona hanjo, mbola ao ny famonjena;
Hahery hianao! Izay no antenao;
Ampiozinao tokoa izao ny fandresena,
:,: Mahery ilay arahinao :,:

6. O! Mahereza izao, ry miaramila soa!
Ny hatrotrahanao iareto sy zakao,
Jesosy no jereo, ka matokia tokoa,
:,: Fa Izy re no herinao :,:

286 – Ry Jeso Mpitarika Hendry

1. Ry Jeso Mpitarika Hendry!
Tsinjovy ny olom-boatendry;
Tolory ‘zay hevitra Hendry
Handinika sy hahakendry
Ry Tompo mpanjaka mahery;
Vangio raha ory sy tery,
Tohano raha mahatsiaro fery
Vimbino ndrao saraka irery.

2. Raha miasa dia miasa ny saina,
Kanefa ny tany no maina,
Ka mila ho kivy ny aina,
Tondray fandrao karankaina,
Ny mpiasa izay voafidy
Hamoa ny fo ‘zay mihidy,
Hitari-panahy saro-bidy,
Tantano hanaraka didy.

285 – Mivory maro eto ‘zahay navotanao

1. Mivory maro eto
‘Zahay navotanao
Ny saotranay no ento
Ho voninahitrao.
Mifaly sy mihoby
Mandray ny irakao.
Ka eto ny mitoby
Mangataka aminao.

2. Ry Kristy tena Andry
Sy Vatolampinay!
Ry Lohan’ny mpiandry
Sy Tompo tokinay!
Tohano mba hijoro
Ity mpanomponao,
Tinendry ho mpanoro,
Mpilaza hafatrao.

3. Handray ny asa mafy,
Koa aza ilaozanao;
Hitory, ho mpamafy,
Ka dia mba hazavao.
Vokiso lalandava
Ny saina tianao;
Omeo ny andro lava
Hanao ny asanao.

4. Tahio mba ho salama
Hahefa ny Anao,
Ho iraka mafana
Ampian’ny herinao;
Mandrava manda mafy
Mba hampanjaka Anao,
Koa aoka mba hihafy,
Fa izay no sitrakao.

5. Ny fitaizam-panahy,
Adidy lehibe,
Ampio mba tsy hanahy
Ny asa marobe;
Ka dia tahio ny asa
Hataony ho Anao;
Ny fony no mikasa
Hanoa ny didinao.

284 – Mangataka aminao ny olonao, ry Tompo

1. Mangataka aminao ny olonao, ry Tompo
Mba hitahianao ny havan-tianay.
Izay atokanay hitondra sy hanompo
Ny fiangonanao; henoy ny vavakay.

2. Tafio ny herinao, fa tsy mehefa irery,
Fenoy hy hevitrao ho toy ny zanakao;
Mpitady ny mania, mpikaroka ny very,
Hitondra ireo ho tia ny valan’ondrinao.

3. Ny sainay hazavao hahazo fahendrena
Hahayhitondra izao vahoaka be izao;
Ampianaro koa mba tsy hatoky tena
Tolory saina soa hiankina Aminao

4. Raha ory, aza afoy, tohano sy onony;
Marary mba tsaboy, mahantra mba jereo;
Apetraka aminao ny ainy sy ny fony,
Ka mba tsinjovinao, arovy sy vonjeo.

283 – Manan-jara ry Jesosy ny mpanomponao

1. Manan-jara ry Jesosy !
Ny mpanomponao,
‘Zay natokanao hitondra
Ny Anaranao;
Nofidianao ho mpitory
Ny fitiavanao,
Nitokianao ho mpamory
Ny vahoakanao.

2. Izao no zara-fanompoako
Voatendrinao,
Ka ny mafy tsy ahoako
Hahefako izao;
Tsy hadosi-pahoriana
Ny mpiasanao,
Fa ny hazo fijaliana
Lova taminao.

3. Na ho voky na ho noana
Ny mpanomponao,
Tsy handao ny fanompoana
Nametrahanao;
Sitrakao ny fihafiana,
Ka mba tiako koa;
Zakanao ny tsi-fisiana,
Ka zakaiko koa.

4. Tsy ahiko ny handany,
Holanina koa,
Fa famoizan-tsoa no hany
Ahefana soa;
Na ny saiko na ny aiko,
Andro, vola koa,
Tsy mba misy holalaiko,
Foiko avokoa.

5. Nefa raha izaho irery
Tsy mahefa izao,
Ka mangataka ny hery
Eo an-tananao,
Aoka ho feno ny Fanahy
Ny mpanomponao
Mba ho tena lehilahy ( vehivavy)
Voahosotrao.

282 – Ry Jeso Tompo velona mpiandry sy mpamelona

1. Ry Jeso, Tompo velona
Mpiandry sy Mpamelona
Ny Fiangona-masinao
Atreho izahay izao

2. Indreto ( inty) mpanomponao vaovao
Atokanay , ka raisonao
Hanao ny raharahanao
Hamahana ny ondrinao.

3. Ny tany no nakana anay
Mihelina ny andronay
Ka vetivety izahay
Dia hody vovoka indray

4. Ry Jeso ô, Mpitia anay
Izay Mpanjaka hatrizay,
Endrey ny voninahitrao,
Manerana ny lapanao.

5. Ny deranao asandratra
Hitohy tsy hitsahatra
Hazava toy ny kintana
Ny tsara fanompoana

6. Mba raiso ny mpanomponao
Ka aoka hamboarinao
Ho mpanambara Mankato
Ny hafatrao, ry Tompo ô!

7. Omeo afo masina
Ny vava mampionona;
Ny sainao sy ny feonao
Omeo ny mpanomponao

8. Raha misy tafio-drivotra,
Tohano tsy hatahotra,
Hahery sy hisakana
Ny rafi-piangonana.

9. Ka mba ampirisihonao
Hanaraka ny dianao;
Tantano raha mbola aty,
Handresy ka ho tonga ary

10. Mba mamindra fo aminy,
Fa kely ny finoany ;
Ny Ranao masina anie
Hahafaka ny helony!

11. Ampio mba haharitra,
Raha mbola aty an-efitra
Raha avy ny hodiany,
Mba hazavao ny làlany!

12. Raha tonga ny harivany,
Ka ao ny ady farany,
Dia raiso ny mpanomponao
Hiala sasatra aminao;

281 – Vory eto izahay hihevitra ny asanao

1. Vory eto izahay
Hihevitra ny asanao
Tompo, manatreha anay
Ka asehoy ny sitrakao
Aoka Hianao no mba hitarik’anay
Ary ny Fanahinao hamelona aina anay

Fiv : Tompo, tahio izahay
Mba ho voninahitrao ny asa vitanay

2. Hahavita inona
Ny saina aman-kevitray?
Tena tsinontsinona
Ry Tompo ô Ny herinay
Koa mba midina eto afovoanay
Hanana aina masina ny fivorianay
Tompo, tahio izahay, sns…

3. Hianao no nanome
Ny asa hoheverinay
Tena adidy lehibe
No voatolotra anay
Enga anie ny sitrakao irery no hatao!
Aoka tsy ho vanona izay tsy sitrakao!
Tompo, tahio izahay, sns…

4. Areheto aminay
Ny afom-pitiavanao
Mba hahaizanay miray
Mitory ny anaranao
Hahavory marobe hanatona Anao
Hampamirapiratra ny voninahitrao!
Tompo, tahio izahay, sns…