327 – Isaoranay Anao

1. Isaoranay Anao
Ry Tomponay Tsitoha,
Ny nanomezanao
Mpiasa mahasoa.
Ka nony vao nandre
Lay antso taminao
Dia roso ka nandeha
Nanao ny asanao.

2. Natokany ho Anao
Ny taona maro be;
Ilay fitiavanao,
Nataony rehareha.
Na nisy ny manjo,
Tsy kivy re satria
Hianao ilay ao am-po
Nanao hoe: « Matokia »

3. Izay nataony anie
Hambininao tokoa,
Hitombo be dia be
Hitera-boka-tsoa.
Hianao ‘Lay Tompo tia
No angatahanay;
Tongava, manampia
‘Zay vitany ho anay.

4. Ka mba tsinjovinao,
Sikino hery indray
Ity mpanomponao,
Anio sy rahatrizay.
‘Lay teny taminao
Ho aminy anie:
Mpanompo sitrakao
Satria nahefa be.

326 – Atreho ny mpanomponao

1. Atreho ny mpanomponao
Izay mivory etoizao,
Ka efa nametrahanao
Adidy Masina hatao.

2. Hianao ‘zay Tompon’ezaka
Nifidy anay tsy mendrika,
Ka efa nampirisika
Handroso tsy hiherika.

3. ‘Ndrisy mpanompo tsy manao
‘Zahay izay nofinidinao,
Mpiasa tsy mba mahasoa,
Tompo ô! Mifona aminao.

4. Na dia kely aza izao
No azonay atolotra,
Aoka re mba ho sitrakao
Haroso ho fanatitra.

5. Dia saotra no omena Anao
Ka raiso re, ry Tomponay,
Ny fonay koa onenonao
Sy anjakao mandrakizay.