320 – Manana fiorenana ny fiangonan’i Kristy

1. Manana fiorenana
Ny fiangonan’i Kristy;
Ela, fa he, tsy levona
Izy na maro na vitsy.
Vavan’ny olo-masina
Mety ho voatampina,
Nefa tsy maty ny feo.

2. Ny fiangona-masina
Trano tsy mety mikoa,
Izy no vato velona
Rafitry ny Ray Tsitoha;
Jeso no fehizorony,
Isika mirafitra aminy,
Monina ao ny Fanahy.

3. Nefa mba misy koa aty
Trano nataon-tànantsika
Ho voninahitr’i Kristy,
Mendrika ho tiantsika;
Fa ao no andrenesana
Ny tenin’Andriamanitra,
Mamin’ny olona mino.

4. Ao ny batisa masina,
Izay tena ranon’ny aina;
Ao ny Mpihaino vavaka,
Tokin’izay mitaraina;
Ao koa ny fandraisana,
Dia ny sakafo masina,
Tena aman-dran’i Jesosy.

5. Enga ka mba ho fantatra
Amin’ny tany rehetra
Ny loharano velona
Sady tsy mety ho ritra!
Raha ny lakolosy velona,
Faly izay mpivavaka,
Fa manantena hihaona.

6. Raiso, ry Kristy, ho Anao
Ny fideranay anio!
Ampandrosoy ny teninao,
Ny ondry very vorio
Mandra-pikambany hiray,
Amin’ny valanao indray,
Fa Hianao no Mpiandry.

325 – Ry Jehovah Tomposoa

1. Ry Jehovah Tomposoa
Vory eto izahay,
Ka mifaly avokoa,
Raisonao ny vavakay!
Andro fitokanan-trano,
Fifaliam-be izao,
Ampidino ny tsodrano
Avy ao an-danitrao.

2. Ry Jesosy! Mandrosoa,
Fa Anao ny tranonay,
Hiderana Anao tokoa,
Ka henoy ny hatakay!
Nefa tsy vatan-trano
No honenanao izao,
Fa ny fo no itokano,
Itoero, hafanao.

3. Ry Fanahy Mpanazava!
Anjakao tokoa ‘zahay,
Dia hazava lalandava
Ny fanahin-janakao;
Ka fenoy fanahy mino
Ho tempolinao tokoa,
Hatrizao dia hamasino
Ka hitombo sy hanoa.

323 – Vory ny mpanomponay

1. Vory ny mpanomponay
Eto anatrehanao.
Ry Jeso Tomponay!
He faly ny fonay,
Faly, faly, faly,
He! faly ny fonay,
Vory maro toy izao.

2. Mba atrehonao izahay,
Fa mitokana eto ‘zao
Ny trano ho Anao:
He faly ny fonay,
Faly, faly, faly,
He! faly ny fonay,
Vory maro toy izao.

3. Eto hitorianay
An’i Jeso Tomponay,
Mpamonjy lehibe:
He faly ny fonay,
Faly, faly, faly,
He! faly ny fonay,
Vory maro toy izao.

4. Eto hanomezanao
Tsara ny Fanahinao
Mba hanadio ny fo:
He faly ny fonay,
Faly, faly, faly,
He! faly ny fonay,
Vory maro toy izao.

5. Eto no hanananao
Laza saotra ho Anao;
Ny maro mba vonjeo:
He faly ny fonay,
Faly, faly, faly,
He! faly ny fonay,
Vory maro toy izao.

6. Aoka re ny tranonay,
Trano langonanay,
Mba ho templinao:
He faly ny fonay,
Faly, faly, faly,
He! faly ny fonay,
Vory maro toy izao.

324 – Ry Andriananaharinay

1. Ry Andriananaharinay,
Isaoranay ny Anaranao
Nambininao ny tranonay
Ka vita tsara ho Anao:
:,: Fenoy ny hamasinanao
Ny tranonay ho tranonao :,:

2. Ry Jeso! avy izahay
Hitokana ny tranonao,
Ny trano ‘zay naorinay
Ho voninahitrao anie:
:,: Fenoy ny hamasinanao
Ny tranonay ho tranonao :,:

3. Avia, Fanahy Masina ô!
Hitoetra eto aminay;
Ny aizinay mba hazavao,
Hanananay fo be fitia:
:,: Fenoy ny hamasinanao
Ny tranonay ho tranonao :,:

4. Mba raisonao ny deranay
‘Zay enti-mankalaza Anao;
Ny trano itokananay
Ekeo tokoa ho tranonao;
:,: Fenoy ny hamasinanao
Ny tranonay ho tranonao :,:

322 – Indro, Tompo, misy trano

1. Indro, Tompo, misy trano
Zay namboarinay ho Anao,
Angatahanay tsodrano,
Itokananay ho Anao.
Tompo ô, mba hamasino
Ho fihaonana Aminao,
Ho tempoly tian’ny mino,
Fivavahana aminao !

2. Diovy Tompo, mba ho trano
Zay hajaina ho Anao,
Ka omeo sy itokano
Mba ho fiderana Anao
Tompo Masina ô, idiro
Mba ho mendrika Anao
Ka aoka Ianao ho jiro
Zay hamirapiratra ao !

3. Mba tahio ry Ray mpitahy,
Ho tempoly masinao,
Ho Betelan’ny fanahy
Vavahady ho aminao
Itoero mba ho kianja
Mahamanina ny fo,
Mba ho trano mendri-kaja,
Mampivavaka ny fo !

4. Mandrosoa ka midira
Ho Mpanjaka tokana ao
Ka ny vavaka sy hira
Mba tahio ho sitrakao.
Nefa tsy ny trano ihany
No atolotray, ry Ray,
Indro koa mba itokany
Ho Anao ny tenanay !

321 – Ry Jesosy Tomponay

1. Ry Jesosy Tomponay
Ravoravo izahay;
Tonga izahay izao
Mba hihaona aminao:
Indro misy tranonao
Hitokananay izay.

2. Ka mangataka aminao
Izahay, ry Tompo ô!
Aoka mba horaisinao
Izay nataonay ho Anao,
Trano-fiangonana,
Trano fivavahana.

3. Aoka mba ho fantatray
Eto ny alehanay,
Fa vahiny izahay,
Ka ny tanindrazanay
Dia any aminao,
Koa mba tarihonao.

4. Aoka ny Anaranao
Mba hohamasininao
Aoka ny Fanahinao.
Mba ho tonga hanavao
Ny mpanota marobe,
Dia ho voavonjy re!

5. Ka ny fiadananao
Ampombay ny olonao,
Hampikambana ny fo,
Ka ho toy ny iray tamp-po,
Mba hifankatiavanay
Izao sy ho rahatrizay.