272 – Faly izahay nandre

1. Faly izahay nadre
Havan-tia nanao hoe:
« Miaraha aminay
Trano soa halehanay »

2. Efa tonga izahay
Mba hivavaka aminao
Ry Jehovah Tomponay
Mitahia ny olonao!

3. Miandrandra Anao izahay
Ka ùangataka aminao
Hanomezanao anay
Soa avy aminao

4. Dia sambatra izahay
Fa mitoky aminao
Ka ho tanterahinay
Izay rehetra sitrakao

5. Hoderainay Hianao
Andro amana alina
Mbamin’ny Anaranao
Foto-piadanana

271 – Mba mivavaha raha vao maraina

1. Mba mivavaha raha vao maraina
Tsarovinao Ilay Mpanao anao
Izay niaro ny fanahy sy aina
Mba ho salama toy izao

Fiv : Tsarovy re ny Tomponao
Izay Mpiaro anao

2. Rehefa tonga koa ny antoandro
O! miambena tsara hianao
Fa manangoly saina isan’andro
Ilay devoly rafinao
Tsarovy re, sns…

3. Raha alina mangina, ka hatory
Tsarovy eo ny ota izay natao
Ka dia ifony mafy sy itsory
Fandrao maningotra anao
Tsarovy re, sns…

4. Na aiza na aiza hianao mitoetra
Satana fahavalo, ao tokoa
Ka aza kivy na mba manjoretra
Fa mivavaha tsy ho voa:
Tsarovy re, sns…

270 – Ry Tompo Izay nanangona

1. Ry Tompo izay nanangona
Anay ho vato velona!
Hazony tsy handao Anao
Ny vato voarafitrao
Fa maro no mandronjina
Handevona

2. Jesosy Fehizoro ô
Mpifehy mora sady to!
Tohano mafy izahay
Mba tsy hirodana indray
Fa indro ny mpisompatra
Mandrirotra

3. Ry Vato fampiraisana!
Tariho mba hikambana
Ny vato voapaika re
Ho tonga trano lehibe
Tsy zakan’ny mpandevona
Harodana

4. Ny Kristiana marobe
Mba ampiraiso tsara re
Hiray am-pitiavana
Ho velona finoana
Ka mba hiaraka hanao
Ny asanao

269 – He ! tianay ny monina eto

1. He ! tianay ny monina eto
Fa maminay ny valanao
Tsy tianay fa mampisento
Ny lavitra ny tranonao !

Fiv : He ! tianay ny monina eto
Fa maminay ny valanao !
Tsy tianay fa mampisento
Ny lavitra ny tranonao !

2. He ! tianay fa misy aina
Ry Tomponay, ny valanao !
Tsy tianay fa tany maina
Ny lavitra ny tranonao !
He! tianay, sns…

3. Fehezinao Mpiandry tia
Milamina ny valanao !
Tsy misy tsy mifankatia
Ny ondry izay tarihinao !
He tianay, sns…

4. Ny fanimban’ny fahavalo
Dia lavitra ny valanao,
Mitazan-davitra mandalo
Ny rafinao tsy tia Anao !
He! tianay, sns…

5. Ny fototra izay mahatsara
Ny valanao ry Tomponay,
Dia Hianao Mpiandry tsara
No miara-monina aminay !
He! tianay, sns…

268 – Jesosy no Mpiandry ny fiangonanay

1. Jesosy no mpiandry
Ny fiangonanay !
Ny feon’Izy irery
No feo fantatray
Ka tsy mba vala maro
Ny Fiangonanay :
Iray tsy hay zaraina
Tapahin-Tompo iray !

2. Iray no vatolampy
Izay iorenanay,
Iray no fehizoro
izay ikambananay,
Iray no mofon’aina
Fihinanay ety,
Iray no antenaina
Ho azonay ary !

3. Tabain’ny hevi-diso
Kanefa mbola iray,
Ny saina tsy mitovy
Tsy mahazara anay !
Fisoko maromaro
Kanefa vala iray :
Ny Tompo no mpiaro
Ny fiangonanay !

4. Ny teny samy hafa,
Ny fomba tsy miray
Tsy misy maharava
Ny fikambananay !
Ny fanenjehana aza
Vao mainka mampiray
Sy mahatsara laza
Ny fiangonanay !

5.Ry Jeso hatanjaho
Ny fiangonanao ;
Ny fony halalaho
Mba hitoeranao !
Izay firaisan-tsaina
Miseho hatrety
Velomy hanan’aina
Hitohy hatrary !

267 – He, ny andon’ny maraina

1. He, ny andon’ny maraina
Latsaka ao an-tsaha re,
Ka mamelona ny maina
Izay maniry rano be !
Ravoravo e ny tany,
Fa he, ny andro maina efa lany,
Ka mitsahatra ny fahantrany ;
Manaroka ny hazo be !

2. Ny fanahy karankaina
Misy rano velona,
Fa Jesosy andon’aina
Manome fiainana !
Velona ny jentilisa,
Ny tany hay dia tonga Paradisa ;
Marobe no efa voaisa
Handray ny lova masina !

3. Misy lalana mizotra
Izay mankao Ziona re,
Any no mitanjozotra
Ny vahiny marobe ;
Ka Ziona dia mivoha
Hidiran’ny navotan’ny Tsitoha ;
Ao no ivorian’ny mifoha,
Fa an’ny Tompo lehibe !

4. He, mikambana ny mino
Amim-pifaliam-be,
Ka ny hobiny maneno
Tahaka ny rano be !
Ao mitovy avokoa
Tsy misy tompo sy mpanompo koa ;
Eny, razana iray tokoa
Ny mponina ao Ziona re !