FPMA FOIBE

https://fpma.church
pastedGraphic.png

FOTOAM-BAVAKA FPMA

VEILLEE DE PRIERE FPMA

BOKIN’I DANIELA – LIVRE DU PROPHETE DANIEL

Alatsinainy 24 mey 2021

Lundi 24 mai 2021

I DANIELA SY IREO NAMANY (Dan. 1) – DANIEL ET SES AMIS (Dan. 1)

Amin’ny Anaran’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina – Au Nom du Dieu le Père, le Fils et le Saint-Esprit. Amen !

Tenin’Andriamanitra – Parole de Dieu :

Hoy ny Teny : « Dia nataon’Andriamanitra nahita fitia sy famindram-po tamin’ilay lehiben’ny tandapa i Daniela » (Daniela 1, 9) – La Parole dit : « Dieu gagna à Daniel la bienveillance et la compassion du chef des eunuques » (Daniel 1, 9)

Vavaka tarihin’i(Prière dirigée par)Pasteur Donald GIZY 

Teny fampidirana – Introduction

Hira (cantique) 461, 1-2 : Aoka ho an’Andriamanitra ny fanendrena ny lalanao :

  1. Aoka ho an’Andriamanitra ny fanendrena ny lalanao. 

Fa hovimbininy ianao amin’ny lalan-tsarotra :

Fa toky tsy mamitaka 

Ny Tenin’Andriamanitra. 

  1. Fa inona no azonao amin’ny fiahiana ? 

Tsy afaka ory ianao noho ny fisentoana :

Na be herehina ianao, 

Ho be ny alahelonao.

FIZARANA 1– PARTIE 1 

Teksta 1– Texte 1 : Dan. 1, 1-8 : 

1 Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda, no nankanesan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, tany Jerosalema sy nanaovany fahirano azy. 2 Ary ny Tompo nanolotra an’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda, mbamin’ny fanaka sasany tao an-Tranon’Andriamanitra ho eo an-tanany, ka nentiny ho any amin’ny tany Sinara ireny, ho ao an-tranon’andriamaniny. Koa ny fanaka dia nampidiriny tao amin’ny trano firaketan’andriamaniny. 

1 La troisième année du règne de Jojakim sur Juda, Nebucadnetsar, le roi de Babylone, marcha contre Jérusalem et en fit le siège. 2 Le Seigneur livra entre ses mains Jojakim, le roi de Juda, et une partie des ustensiles de la maison de Dieu. Nebucadnetsar emporta les ustensiles dans le pays de Shinear, dans le temple de son dieu. Il les mit dans la maison du trésor de son dieu.

3 Ary ny mpanjaka nandidy an’i Aspenaza, lehiben’ny tandapany, hitondra ny sasany amin’ ny Zanak’Isiraely, dia amin’ny zanak’andriana na amin’ny ambony firazanana, 4 dia zatovo izay tsy nisy kilema, fa tsara tarehy sady kanto amin’ny fahendrena rehetra sy manam-pahalalana ary mazava saina ka miendrika hitoetra ao an-dapan’ny mpanjaka sady nasainy nampianarina ny taratasy sy ny tenin’ny Kaldeana. 5 Ary ny mpanjaka nampanokana hanina ho an’ireo isan-andro avy tamin’ny haniny sy avy tamin’ny divay izay fisotrony mba hamelomana azy telo taona, ary rehefa afaka izany, dia hitoetra eo anatrehan’ny mpanjaka izy.

3 Le roi donna l’ordre à Ashpenaz, le responsable de ses eunuques, de faire venir quelques Israélites de sang royal ou de famille noble. 4 Ce devaient être de jeunes garçons sans défaut physique, beaux, doués de perspicacité et de sagesse, instruits et intelligents, capables de servir dans le palais du roi. On leur enseignerait la littérature et la langue des Babyloniens. 5 Le roi leur réservait pour chaque jour une portion des plats servis à sa table et du vin de ses banquets. Il voulait les former pendant trois ans à la suite desquels ils entreraient à son service. 

6 Ary tamin’ ireo dia nisy avy amin’ ny taranak’i Joda, dia i Daniela sy i Hanania sy i Misaela ary i Azaria. 7 Ary izy ireo nomen’ny lehiben’ny tandapa anarana, ka i Daniela nataony hoe Beltesazara, ary i Hanania nataony hoe Sadraka, ary i Misaela nataony hoe Mesaka, ary i Azaria nataony hoe Abednego. 

6 Il y avait parmi eux des Judéens: Daniel, Hanania, Mishaël et Azaria. 7 Le chef des eunuques leur donna des noms: à Daniel celui de Beltshatsar, à Hanania celui de Shadrak, à Mishaël celui de Méshak, et à Azaria celui d’Abed-Nego.

8 Ary i Daniela ninia tao am-pony tsy handoto ny tenany tamin’ny anjara-hanina avy tamin’ny hanin’ ny mpanjaka na tamin’ny divay izay fisotrony, ka dia nangataka tamin’ny lehiben’ny tandapa izy mba havelany tsy handoto ny tenany.

8 Daniel prit la ferme décision de ne pas se souiller en consommant les plats servis à la table du roi et le vin de ses banquets. Il demanda alors au chef des eunuques de ne pas l’obliger à se souiller. 

Fanazavana 1 – Explications 1 : tanora hebreo efa-dahy tany Babylona– quatre jeunes hébreux à Babylone 

Vavaka any an-tokan-trano– Prière à la maison : 

  • ho an’ny marary – pour les malades 
  • ho an’ireo vao namoy havana akaiky – pour ceux qui viennent de perdre un proche
  • ho an’ireo misedra olana ara-taratasy, ara-pivelomana, ara-pifandraisana – pour ceux qui endurent des épreuves admnistratives, pour survivre mais aussi relationnelles 

Mba – Pour qu’ils.

Vavaka tarihin’i(Prière dirigée par)Pasteur Donald GIZY 

Hira 461, 3 sy (et) 5 : Aoka ho an’Andriamanitra ny fanendrena ny lalanao : 

3. Lefero kely, maneke izay sitrak’Andriamanitra, 

Ny zavatra tinendriny :tsy maintsy mahasoa anao.

Isika nofinidiny, 

Ka tsy ho foiny indray. 

5. Dia aza atao fa ianao afoin’Andriamanitra,

Fa Izy dia mananatra ny zaza izay tiany.

Ka dia mba manomana azy 

Handova ny an-danitra.

FIZARANA 2– PARTIE 2 

Teksta 2– Texte 2: Dan. 1, 9-16 :

9 Dia nataon’Andriamanitra nahita fitia sy famindram-po tamin’ilay lehiben’ny tandapa i Daniela. 

  • 10 Ary hoy ilay lehiben’ny tandapa tamin’i Daniela : « Matahotra ny mpanjaka tompoko izay nampanokana ny hohaninareo sy ny hosotroinareo aho. Fa hanao ahoana raha mahita ny tarehinareo mahia noho ny an’ny zatovo namanareo izy : moa tsy hahameloka ahy amin’ny mpanjaka va ianareo, ka hotapahiny ny lohako » ? 
  • 11 Dia hoy i Daniela tamin’ny mpiadidy, izay notendren’ny lehiben’ny tandapa ho mpiadidy an’i Daniela sy i Hanania sy i Misaela ary i Azaria : 12 « Masìna ianao, izahao toetra hafoloana izahay mpanomponao, ary aoka homena hanin-kotrana hohaninay sy rano hosotroinay. 13 Dia aoka hizahana eo anatrehanao ny tarehinay sy ny tarehin’ny zatovo izay mihinana ny anjara avy amin’ny hanin’ ny mpanjaka, ary araka izay hitanao no ataovy amin’ny mpanomponao ». 

14 Ary nanaiky izany teny izany izy ka nizaha toetra azy hafoloana. 15 Ary nony tapitra ny hafoloana, dia hita fa mandimandina sy matavy aza ny tarehiny noho ny an’ny zatovo rehetra izay nihinana anjara avy tamin’ny hanin’ ny mpanjaka. 16 Dia najanon’ilay mpiadidy ny anjara-haniny sy ny divay hosotroiny, ka hanin-kotrana no nomeny azy. 

9 Dieu gagna à Daniel la bienveillance et la compassion du chef des eunuques. 

  • 10 Ce dernier dit à Daniel : « Je redoute mon seigneur le roi. C’est lui qui a fixé ce que vous devez manger et boire. Pourquoi devrait-il vous voir arborer une moins bonne mine que les jeunes gens de votre âge ? A cause de vous, je risquerais ma tête auprès du roi ». 
  • 11 Daniel dit alors à l’intendant auquel le chef des eunuques avait confié la responsabilité de lui-même, Hanania, Mishaël et Azaria : 12 « Fais donc un essai avec tes serviteurs pendant 10 jours : qu’on nous donne des légumes à manger et de l’eau à boire. 13 On examinera ensuite devant toi notre apparence et celle des jeunes gens qui mangent les plats servis à la table du roi. Puis, agis avec nous, tes serviteurs, en fonction de ce que tu auras constaté ». 

14 Il leur accorda ce qu’ils demandaient et fit un essai avec eux pendant 10 jours. 15 Au bout de 10 jours, ils avaient meilleure apparence et avaient pris plus de poids que tous les jeunes gens qui mangeaient les plats servis à la table du roi. 16 L’intendant retirait donc les plats et le vin qui leur étaient destinés, et il leur donnait des légumes à la place.

Fanazavana 2 – Explications 2 : fizahan-toetra ny finoana– l’épreuve de la foi 

Vavaka any an-tokan-trano– Prière à la maison : 

  • ho an’ny ankohonantsika – pour nos familles 
  • ho an’ny Mpitondra antsika – pour nos dirigeants

Mba – Pour qu’ils.

Vavaka tarihin’i(Prière dirigée par)Pasteur Donald GIZY 

Hira 461, 4 sy (et) 6 : Aoka ho an’Andriamanitra ny fanendrena ny lalanao : 

4. Fa fantatr’Andriamanitra izay andro hifaliana,

Isika no hodioviny amin’ny fahoriana : 

Tsy maintsy hofantenana 

Vao afa-pahoriana. 

6. Misaora ny Anarany ka aza ketraka ianao,

Fa ho tanteraka aminao ny soa lazain’ny Teniny :

Fa toky tsy mamitaka 

Ny Tenin’Andriamanitra.

FIZARANA 3– PARTIE 3

Teksta 3– Texte 3 : Dan. 1, 17-21 :

17 Ary ireo zatovo efa-dahy ireo dia nomen’Andriamanitra fahalalana sy saina ny amin’ny taratasy sy ny fahendrena rehetra, ary i Daniela nahafantatra ny amin’ny fahitana sy ny nofy rehetra. 18 Ary nony tonga ny andro nasain’ny mpanjaka hampidirana azy, dia nentin’ilay lehiben’ ny tandapa niditra teo anatrehan’i Nebokadnezara izy. 19 Ary ny mpanjaka niresaka taminy, ka tsy nisy hita izay tahaka an’i Daniela sy i Hanania sy i Misaela ary i Azaria tamin’izy rehetra, ka dia nitoetra teo anatrehan’ny mpanjaka izy ireo. 20 Ary ny amin’ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra izay nanontanian’ny mpanjaka azy, dia hitany fa nanan-tombo im-polo heny noho ny ombiasy rehetra sy ny mpisikidy izay teo amin’ny fanjakany rehetra aza izy. 21 Ary i Daniela nahatratra ny taona voalohany nanjakan’i Kyrosy mpanjaka.

17 Dieu accorda à ces quatre jeunes gens de la connaissance et de la perspicacité dans tout ce qui concernait la littérature et la sagesse. De plus, Daniel était capable d’expliquer toutes les visions et tous les rêves. 18 Au moment fixé par le roi pour qu’on les lui amène, le chef des eunuques les présenta à Nebucadnetsar. 19 Le roi discuta avec eux et, parmi tous ces jeunes gens, il n’en trouva aucun comme Daniel, Hanania, Mishaël et Azaria. Ils furent donc admis au service du roi. 20 Sur tous les sujets qui réclamaient de la sagesse et de l’intelligence et sur lesquels il les interrogeait, le roi les trouvait dix fois supérieurs à tous les magiciens et astrologues présents dans tout son royaume. 21 Telle fut la situation de Daniel jusqu’à la première année de règne de Cyrus.

Fanazavana 3 – Explications 3 : ny « sisa » tao an-dapan’i Babylona tonga vavolombelona eo anatrehan’izao tontolo izao– le résidu à la cour de Babylone pour témoigner devant le monde 

Vavaka any an-tokan-trano – Prière à la maison: 

  • ho an’ny Fiangonantsika – pour notre église
  • ho an’ny Mpitandrina antsika – pour nos pasteurs 

Mba – Pour qu’ils.

Vavaka tarihin’i(Prière dirigée par)Pasteur Donald GIZY 

Vavaka nampianarin’ny Tompo– Notre Père :

Rainay ô, izay any an-danitra,

Hohamasinina anie ny Anaranao,

Ho tonga anie ny Fanjakanao,

Hatao anie ny Sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay.

Ary mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay.

Dia aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy fa manafaha anay amin’ny ratsy.

Fa Anao ny Fanjakana sy ny Hery ary ny Voninahitra mandrakizay. Amen !

Notre Père qui es aux cieux,

Que ton Nom soit sanctifié,

Que ton Règne vienne,

Que ta Volonté soit faite sur la terre comme au ciel.
Donne-nous aujourd’hui notre pain de ce jour.
Pardonne-nous nos offenses comme nous pardonnons aussi à ceux qui nous ont offensés.
Et ne nous soumets pas à la tentation mais délivre-nous du mal.
Car c’est à Toi qu’appartiennent le Règne, la Puissance et la Gloire, pour les siècles des siècles. Amen !

Hira 427, 1-2 : Ho vavolombelonao :

1. Ho vavolombelonao na aiza na aiza no aleha 

Izay no faniriana vao sy hataoko rehareha. 

Ka raha asa no atao : inty tokoa fa vonona (ho vonona aho) 

Tsy hiala na handao : Tompo ô, iraho aho ! 

2. Ho vavolombelonao eran-tany raha ilaina 

Toy ny loharano vao izay mamelombelona aina. 

Hanasoa ny tany hay efa mihamaina taho (mihamaina),

Tompo ô, inty indray : alefaso, vonona aho.

FANDRAVONANA– CONCLUSION

Teksta– Texte: Gen. 39, 7-9 sy (puis) 11-12 ary (et) 16-23 :

7 Ary taorian’izany ny vadin’ny tompony nanopy ny masony hijery an’i Josefa ka nanao hoe : « Avia handry amiko ». 8 Dia nandà izy ka nanao tamin’ny vadin’ny tompony hoe : « Indro, ny tompoko tsy mahalala izay tandremako ato an-trano, fa izay rehetra ananany dia efa natolony ho andraikitro avokoa. 9 Tsy misy lehibe noho izaho raha amin’ity trano ity, ary tsy misy zavatra narovany amiko hafa tsy ianao ihany, satria vadiny ianao. Koa hataoko ahoana no hanao izany ratsy lehibe izany ka hanota amin’Andriamanitra » ? 

7 Après cela, la femme de son maître porta les yeux sur Joseph et dit : « Couche avec moi » ! 8 Il refusa et lui dit : « Mon maître ne prend connaissance de rien avec moi dans la maison, il m’a confié tous ses biens. 9 Personne n’est plus grand que moi dans cette maison et il ne m’a rien interdit, sauf toi parce que tu es sa femme. Comment pourrais-je commettre un aussi grand mal et pécher contre Dieu » ?

11 Ary tamin’ny indray andro dia niditra tao an-trano i Josefa hanao ny raharahany, ary sendra tsy nisy mpanompo tao an-trano tamin’izay. 12 Dia nisambotra azy tamin’ny akanjony ravehivavy ka nanao hoe : « Avia handry amiko ». Fa navelan’i Josefa teo an-tanany ny akanjony, dia nandositra izy ka nivoaka teny ala-trano. 

11 Un jour, il était entré dans la maison pour accomplir son travail et il n’y avait là aucun des gens de la maison. 12 Elle l’attrapa par son habit en disant : « Couche avec moi » ! Il lui laissa son habit dans la main et sortit. 

16 Dia napetra-dravehivavy teo anilany ny akanjon’i Josefa, mandra-pahatongan’ny tompony tao an-trano. 17 Dia nilaza taminy izy araka ireo teny ireo ka nanao hoe : « Nanatona ahy ilay andevolahy Hebreo, izay nentinao ho eto amintsika, mba hisangy ahy. 18 Ary rehefa nanandratra ny feoko aho ka niantso, dia navelany eto anilako ny akanjony, ka lasa nandositra any ala-trano izy ». 19 Ary rehefa ren’ny tompony ny tenin’ny vadiny, izay niteny taminy ka nanao hoe : « Araka ireo teny ireo no nataon’ilay andevolahinao tamiko », dia nirehitra ny fahatezerany. 20 Ary ny tompon’i Josefa dia naka azy ka nanao azy tao an-trano-maizina, izay fitoeran’ny mpifatotra diso tamin’ny mpanjaka : dia nitoetra tao an-trano-maizina izy. 

16 Elle posa l’habit de Joseph à côté d’elle jusqu’à ce que son maître rentre à la maison, 17 et elle lui tint alors ce discours : « L’esclave hébreu que tu nous as amené s’est approché de moi pour abuser de moi. 18 Comme je me suis mise à crier, il a laissé son habit à côté de moi et s’est enfui dehors ». 19 En entendant les affirmations de sa femme qui lui disait : « Voilà ce que m’a fait ton esclave », le maître de Joseph fut enflammé de colère. 20 Il s’empara de Joseph et le mit en prison, à l’endroit où les prisonniers du roi étaient enfermés. Il resta donc là, en prison.

21 Nefa Ny TOMPO nomba an’i Josefa sy namindra fo taminy ka nampahita fitia azy teo imason’ny mpitandrina ny trano-maizina. 22 Dia natolotry ny mpitandrina ny trano-maizina ho andraikitr’i Josefa ny mpifatotra rehetra izay tao an-trano-maizina, ary izay rehetra nataony tao dia izy no antony. 23 Ny mpitandrina ny trano-maizina tsy mba nikarakara na inona na inona izay efa mby an-tanany, satria Ny TOMPO nomba an’i Josefa, ary izay nataony dia nambinin’Ny TOMPO.

21 L’Eternel fut avec Joseph et étendit sa bonté sur lui. Il lui fit gagner la faveur du chef de la prison. 22 Celui-ci plaça sous son autorité tous les détenus qui étaient dans la prison, et tout ce qu’on y faisait passait par lui. 23 Le chef de la prison ne s’occupait pas du tout de ce qui était sous la responsabilité de Joseph, parce que l’Eternel était avec lui et faisait réussir ce qu’il entreprenait.

Hira 427, 3 : Ho vaolombelonao : 

3. Ho vavolombelonao ao anaty fitsapana, 

Ka hijoro ho Anao na fefena na raràna.

Tsy hiahotra ny dia fa Ianao naniraka ahy (naniraka ahy),

Tsy hiahotra aho satria amiko Ianao Mpitahy.

Tso-drano – Bénédiction : 1 Pet. (1 Pi.) 5, 10-11 : 

10 Ary Andriamanitry ny Fahasoavana rehetra, izay efa niantso anareo ho any amin’ny Voninahiny mandrakizay ao amin’i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety ianareo, dia Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo. 11 Ho Azy anie ny Fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amen !

10 Le Dieu de toute grâce vous a appelés en [Jésus-]Christ à sa gloire éternelle. Après que vous aurez souffert un peu de temps, Il vous rétablira, Lui-même, vous affermira, vous fortifiera, vous rendra inébranlables. 11 A Lui soient [la gloire et] la puissance aux siècles des siècles ! Amen !

Fanirahana – Envoi : 

Mandehana amin’ny Fiadanana àry ka manompoa ny Tompontsika amin’ny Fifaliana. Isaorana anie Andriamanitra – Allez dans la Paix et servez notre Seigneur dans la Joie. Gloire soit rendue à Dieu. 

Amin’ny Anaran’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina – Au Nom du Dieu le Père, le Fils et le Saint-Esprit. Amen !