Home > Cultes > Fpma Paris

Fpma Paris

May 19th, 2013
ASTUCES: REACTUALISER VOTRE PAGE EN CAS DE RAJOUT DE CHANTS PENDANT LE CULTE. BON CULTE

Fanompoam-pivavahana
Fandraisana katekomena

Alahady 19 May 2013

  • Feon’orga
  • Antoko Mpihira

Fifampiarahabana – Fiantsoana

  • Hira:

    3 - Isaorana anie Andriamanitsika

    1. Isaorana anie Andriamanitsika
    Fa fitahiam-be Omeny ho antsika
    Hatreo ambohoka
    Ka mandraka antitra,
    Isika henika
    Ny soan'ny lanitra

    2. Tsy mety tapitra na lany ny hareny,
    Tsy hita faritra ny sisa izay homeny;
    Fanahy sambatra
    Sy fo miadana
    No efa santatra
    Izay ananana.

    3. Ny Ray sy Zanaka sy ny Fanahy koa,
    Derain'ny masina ho Tompo iray tokoa;
    Andriamanitray
    Be fahasoavana
    No anateranay
    Izay fisaorana.
  • Vavaka fihaonana

SITRAPON’ANDRIAMANITRA

FIAIKEN-KELOKA

  • Mpitarika: (Vavaka)
  • Fiangonana:« Ry Rainay be Famindram-po ô, mitalaho aminao izahay; Mamelà ny helokay; Diovy izahay ho afa-pahotana ; Sasao izahay ho afa-keloka ; Ary havaozy ny fanahinay mba ho vonon-kanompo Anao. Ny fitiavan’i Jesosy Kristy Zanakao Mpamonjy anay no angatahanay Aminao. Amena. »
  • Hira:

Ry Andriamanitra Tompo Ray any an-danitra ô, mamindrà fo aminay !
Ry Jesosy Tompo Mpamonjy izao tontolo izao, mamindrà fo aminay !
Ry Fanahy Masina Tomponay Mpampionona ô, mamindrà fo aminay !

TENY FAMELAN-KELOKA SY FIHAVANANA

  • Mpitarika : (Teny famelan-keloka)
  • Fiangonana : Amen.

FANKALAZANA

  • Mpitarika : Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra
  • Fiangonana : Ary fiadanana ho ety ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany.
  • Hira:

    545 - Endrey izany hafaliana (1-3)

    1. Endrey izany hafaliana,
    Fa velona aina izahay;
    Tanteraka ny faniriana,
    Ka dera ho Anao ry Ray!
    Atolotray tokoa ny tena,
    Mba ho fanati-tsitrakao,
    Satria manaiky sy ekena
    Ho tonga olom-baovao.

    3. Ny fiangonanao angony,
    Fanahy ô, ho tena iray,
    Ka tsy hizarazara intsony
    Fa Hianao no mampiray.
    Dia ho fanasina, fanilo,
    Ho an'izao tontolo izao;
    Hijoro, tsy handraraka ilo,
    Hitafy toetra vaovao.

FAMAKIANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

  • Hira:

    319 - Mba iraho ny Fanahy ry Jesosy Tompo ô! (1-4)

    1. Mba iraho ny Fanahy
    Ry Jesosy Tompo ô!
    Mba hanampy sy hitahy
    Ny mpiasa irakao.
    Tany mafy no asaina,
    Nefa kely izahay,
    Marobe no tsy misaina,
    Raha itorianay!
    Tanteraho re ny toky,
    lzay nomenao fahizay,
    Ka mombà anay mpitory
    Mandra-podimandrinay!

    4 . Aoka re mba tsy ho rava
    Ny mazava hitanay!
    Mba handraso lalandava
    Ny anjara-asanay.
    Mba ho dera aman-daza
    Ho Anao, ry Tomponay!
    Hatanjaho ny mpiasa,
    Dia tsy mba hety fay;
    Aoka re ny olo-mino
    Mba hamory ho Anao,
    Ka hitombo be ny mpino
    Hiandany Aminao.
  • Mpitarika: Ho aminareo anie ny Tompo
  • Fiangonana: Ary ho amin’ny fanahinao
  • Mpitarika: Vavaka noho ny Teny
  • TESTAMENTA TALOHA :

Act 2:1-13

Act 2:1-13
2 1 Le jour de la Pentecôte, ils étaient tous ensemble dans le même lieu. 2 Tout à coup il vint du ciel un bruit comme celui d`un vent impétueux, et il remplit toute la maison où ils étaient assis. 3 Des langues, semblables à des langues de feu, leur apparurent, séparées les unes des autres, et se posèrent sur chacun d`eux. 4 Et ils furent tous remplis du Saint Esprit, et se mirent à parler en d`autres langues, selon que l`Esprit leur donnait de s`exprimer. 5 Or, il y avait en séjour à Jérusalem des Juifs, hommes pieux, de toutes les nations qui sont sous le ciel. 6 Au bruit qui eut lieu, la multitude accourut, et elle fut confondue parce que chacun les entendait parler dans sa propre langue. 7 Ils étaient tous dans l`étonnement et la surprise, et ils se disaient les uns aux autres: Voici, ces gens qui parlent ne sont-ils pas tous Galiléens? 8 Et comment les entendons-nous dans notre propre langue à chacun, dans notre langue maternelle? 9 Parthes, Mèdes, Élamites, ceux qui habitent la Mésopotamie, la Judée, la Cappadoce, le Pont, l`Asie, 10 la Phrygie, la Pamphylie, l`Égypte, le territoire de la Libye voisine de Cyrène, et ceux qui sont venus de Rome, Juifs et prosélytes, 11 Crétois et Arabes, comment les entendons-nous parler dans nos langues des merveilles de Dieu? 12 Ils étaient tous dans l`étonnement, et, ne sachant que penser, ils se disaient les uns aux autres: Que veut dire ceci? 13 Mais d`autres se moquaient, et disaient: Ils sont pleins de vin doux.  

  • EPISTILY:

Rom 8:8-17

Rom 8:8-17
8 Or ceux qui vivent selon la chair ne sauraient plaire à Dieu. 9 Pour vous, vous ne vivez pas selon la chair, mais selon l`esprit, si du moins l`Esprit de Dieu habite en vous. Si quelqu`un n`a pas l`Esprit de Christ, il ne lui appartient pas. 10 Et si Christ est en vous, le corps, il est vrai, est mort à cause du péché, mais l`esprit est vie à cause de la justice. 11 Et si l`Esprit de celui qui a ressuscité Jésus d`entre les morts habite en vous, celui qui a ressuscité Christ d`entre les morts rendra aussi la vie à vos corps mortels par son Esprit qui habite en vous. 12 Ainsi donc, frères, nous ne sommes point redevables à la chair, pour vivre selon la chair. 13 Si vous vivez selon la chair, vous mourrez; mais si par l`Esprit vous faites mourir les actions du corps, vous vivrez, 14 car tous ceux qui sont conduits par l`Esprit de Dieu sont fils de Dieu. 15 Et vous n`avez point reçu un esprit de servitude, pour être encore dans la crainte; mais vous avez reçu un Esprit d`adoption, par lequel nous crions: Abba! Père! 16 L`Esprit lui-même rend témoignage à notre esprit que nous sommes enfants de Dieu. 17 Or, si nous sommes enfants, nous sommes aussi héritiers: héritiers de Dieu, et cohéritiers de Christ, si toutefois nous souffrons avec lui, afin d`être glorifiés avec lui.  

  • FILAZANTSARA: (Mitsangana)

Jn 14:15-26

Jn 14:15-26
15 Si vous m`aimez, gardez mes commandements. 16 Et moi, je prierai le Père, et il vous donnera un autre consolateur, afin qu`il demeure éternellement avec vous, 17 l`Esprit de vérité, que le monde ne peut recevoir, parce qu`il ne le voit point et ne le connaît point; mais vous, vous le connaissez, car il demeure avec vous, et il sera en vous. 18 Je ne vous laisserai pas orphelins, je viendrai à vous. 19 Encore un peu de temps, et le monde ne me verra plus; mais vous, vous me verrez, car je vis, et vous vivrez aussi. 20 En ce jour-là, vous connaîtrez que je suis en mon Père, que vous êtes en moi, et que je suis en vous. 21 Celui qui a mes commandements et qui les garde, c`est celui qui m`aime; et celui qui m`aime sera aimé de mon Père, je l`aimerai, et je me ferai connaître à lui. 22 Jude, non pas l`Iscariot, lui dit: Seigneur, d`où vient que tu te feras connaître à nous, et non au monde? 23 Jésus lui répondit: Si quelqu`un m`aime, il gardera ma parole, et mon Père l`aimera; nous viendrons à lui, et nous ferons notre demeure chez lui. 24 Celui qui ne m`aime pas ne garde point mes paroles. Et la parole que vous entendez n`est pas de moi, mais du Père qui m`a envoyé. 25 Je vous ai dit ces choses pendant que je demeure avec vous. 26 Mais le consolateur, l`Esprit Saint, que le Père enverra en mon nom, vous enseignera toutes choses, et vous rappellera tout ce que je vous ai dit.  

  • Fiangonana : Isaorana anie ny Tompo noho ny filazantsara!

FANEKEM-PINOANA

  • Hira:

    176 - Avia, Fanahy Masino ô, midina eto aminay

    1. Avia, Fanahy Masino ô!
    Midina eto aminay;
    Fenoy ny hasoavanao
    Ny fonay noforoninao.

    2. Tongava, ry Mpananatro ô
    Nomen'Andriamanitra
    Ho loharano velona
    Hiboiboika ao am-po.

    3. Sokafy ny fanahinay
    Hidiram-pitiavana;
    Ny tenanay malemy koa
    Ampaherezonao anie.

    4. Reseo ny fahavalonay
    Onòny koa ny tahotray.
    Tantano ao an-dalana
    Hahatraranay ny lanitra

    5. Tahio mba hitiavanay
    Ny Ray sy Jeso Zanany,
    Sy hitokianay Anao
    Izay Fanahy Masina

TORITENY

  • Feon’orga
  • Antoko Mpihira

      BATISA

    • Hira:

      246 - Zazakely entinay mba hatao batisa

      1. Zazakely entinay
      mba hatao batisa izao,
      Izy no atokanay
      Sy atolotray Anao.

      2. Rano tsy mba mahasoa,
      Rano tsy mba mahadio;
      Ka tahionao izy 'zao,
      Jeso ô, be indrafo!

      3. Ary ny Fanahinao
      Dia ataovy ao am-po
      Mba hitarika azy, sao
      Hisy loza izay hanjo.

      4. Ry Jehovah be fitia!
      Ry Jesosy Tomponay!
      Ry Fanahy koa, avia
      Mba handray ny zanakay!

      Fandraisana katekomena

    • Hira: [Raha mbola atao ny hira dia mitsangana manatrika ny Fiangonana ireo olona ho raisina}]

      446 - Atolotro Anao ny tenako, ry Raiko

      1. Atolotro Anao ny tenako, ry Raiko!
      Fa Hianao no tena loharanon-tsoa;
      Izao tontolo 'zao manintona ny saiko
      Hihataka aminao, ho babony tokoa.

      2. Atolotro Anao ny tenako, ry Raiko!
      Ho eo an-tananao hosakambininao,
      Hohatanjahinao ny tena sy ny saiko,
      Hisikina tokoa hiady ho Anao.

      3. Atolotro Anao ny tenako, ry Raiko!
      Fa izany indrindra re no hetahetako;
      Ny ran'ny Zanakao mitory ao an-tsaiko
      Mba hanolorako Anao ny tenako
    • Hiran’ny horaisina ho Mpandray
    • Hiran’ny ho raisina [Mitodika manatrika ny Alitara masina ireo izay ho raisina]

      294 - Ampio aho, Zanahary ô

      1. Ampio aho, Zanahary ô,
      Hanaraka ny "eny" masina,
      Izay nataoko taminao, ry To,
      Ka tsy mba hisy fivadihana.

      2. Ry Tompoko, Izay nanomboka
      Ny asa tsara ao anatiko,
      Arovy aho ho tanteraka,
      Mba tsy ho faty ny finoako.
    • Fanambaram-panekena
    • Hiran’ny noraisina ho Mpandray
  • Filazan-draharaha

RAKITRA

Merci de réactualiser la page en cas de rajout de chants pendant le culte.
  • Hira

428 - Reko izao ry Tompo

1. Reko izao ry Tompo izany antsonao,
Miantso izany mpanompo mba ho irakao!
Inty! Inty! sns...

Fiv : Inty! Inty! Inty aho Jeso!
Inty! Inty! Iraho ho aho Jeso!
Ekeko re ny ho miaramilanao
Ho vonona hanao ny sitrakao, ka iraho!

2. O! Diovy Tompo izany molotro!
Ka ny fo madio hanompo no atolotro.
Inty! Inty! sns...

3. Tsy andeha irery, fa hiaraka Aminao!
Ka dia mba omeo ny hery sy Fanahinao.
Inty! Inty! sns...

4. Reko izao ny toky hoe : "Momba ahy Hianao"
Ry Jesosy Tompo sy Zoky, vonona aho izao
Inty! Inty! sns...

FF 34 - Tompo Malala ô !

1. Tompo Malala ô ! Mpanjakako Ianao
Tamy aho fa resy lahatra
Noho ny famonjena vitanao
Eny, ry Tompo, tsy ho haiko adinoina intsony re
Ny fitiavana nasehonao

Fiv : Ka anio no hanavaozako ny fanompoko Anao
Fa tsy ho voavaliko, izay natolotrao
Ny fitiavana natolotrao,
Ka raiso, Tompo, ekeo re sy anjakao
Ny fiainako ho voninahitrao.

2. Tompo Malala ô 'lay hazo fijaliana
Niaretanao tao Kalvary,
Niaretanao Mpamonjiko
No nanehoanao fa tianao ity mpanota izay
Tsy mendrika Anao akory ity
Ka anio no anavaozako, sns...

3. Tompo Malala ô ! tsy ho adinoiko intsony
Ny fitiavana natolotrao
Ny fitiavana natolotrao
Eny, ry Tompo, ity izaho izay voababonao
Fa vonona hanao ny sitrakao
Ka anio no anavaozako, sns...

269 - He! tianay ny monina eto

1. He! tianay ny monina eto
Fa maminay ny valanao
Tsy tianay fa mampisento
Ny lavitra ny tranonao

Fiv : He! tianay ny monina eto
Fa maminay ny valanao
Tsy tianay, fa mampisento
Ny lavitra ny tranonao

2. He! tianay, fa misy aina
Ry Tomponay, ny valanao!
Tsy tianay, fa tany maina
Ny lavitra ny tranonao
He! tianay, sns...

3. Fehezinao, Mpiandry tia!
Milamina ny valanao
Tsy misy tsy mifankatia
Ny ondry izay tarihinao.
He tianay, sns...

4. Ny fanimban'ny fahavalo
Dia lavitra ny valanao
Mitazan-davitra mandalo
Ny rafinao tsy tia Anao
He! tianay, sns...

5. Ny fototra izay mahatsara
Ny valanao ry Tomponay!
Dia Hianao Mpiandry tsara
No miara-monina aminay
He! tianay, sns...

443 - Raiso ho Anao ny foko

1. Raiso ho Anao ny foko,
Ry Jehovah Raiko ô!
Mitoera aty am-poko
Mba ho tompon-trano ao,
:,: O, ry Raiko! O, ry Raiko!
Mitoera ao izao :,:

2. Raiso ho Anao ny foko,
Ry Jesosy Tompo ô!
Tsy mba vola, fa ny foko,
No atolotro Anao:
:,: Raiso, Tompo! Raiso, Tompo!
Fa fanati-tsitrapo. :,:

3. Raiso ho Anao ny foko,
Ry Fanahy Masina ô!
Hazavao ny ao am-poko,
Diovy ho tempolinao:
:,: Indro, raiso ! Indro, raiso !
Itokany ho Anao. :,:

4. Tsy arindriko ny foko,
Fa vohako ho Anao;
Ka midira aty am-poko,
Manjakà irery ao;
:,: Eny, Tompo! Eny, Tompo!
Raiso aho ho Anao. :,:

753 - Tiako ny hiaraka Aminao

Fiv : Tiako ny hiaraka Aminao Jesoa
N’aiza n’aiza hitondranao ahy
Tiako ny hiaraka Aminao Jesoa
Fa Hianao no miantso ahy.

1. Hiaraka Aminao aho, Ô ry Jeso Tompoko
Tsy manana olon-kafa aho,
Fa Hianao no fiainako
Hanara dia Anao, ‘zay no faniriako
Hifikitra Aminao aho, Jesoa !
Tiako ny hiaraka, sns...

2. Hiaraka Amina aho,
ô ry Jesoa Tompoko
Hitory teny soa amin’ireo havako
Hanara dia Anao : ‘zay no faniriako
Hanohy ny asanao aho, Jesoa !
Tiako ny hiaraka, sns...

3. Hiaraka Aminao aho, ry Jeso Tompoko,
Ho zary famonjena anie ny fahoriako
Hanara dia Anao, ‘zay no faniriako
Hifantsika Aminao aho, Jesoa !
Tiako ny hiaraka, sns...

4.Hiaraka Aminao aho, ry Jeso Tompoko,
Hibanjina ny Ray, Tompo Andriamanitro.
Hanara-dia Anao, ‘zay no faniriako.
‘Zay misy Anao, no hisy ahy Jesoa.
Tiako ny hiaraka, sns...

  • Hira fanolorana:

Ry Tompon’ny harena ô,
Fanatitra an-tsitrapo
Atolotray Anao izao ;
Mba raiso ka tahionao. Amena.

FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO

  • Hira:

    FF 4 - Ry Fanahy ô (3)

    3. Ry Fanahy ô , meteza
    Mba handray anay ho mpianatrao
    Avia Ianao,
    Avia mampahereza
    Hahatonga anay mba ho irakao
    Eso sy fitsapana
    Samy manakivy anay
    Ka taomy , taomy hanam-po mafana
    Herim-po vaovao hiasa ho Anao.
  • Mpitarika: Ho aminareo anie ny Tompo! Aoka hizara ny fiadanana isika
  • Fiangonana:
    • Ho aminao anie ny Tompo!
    • Ary ho aminao koa
Sursum Corda (Mitsangana)
  • Mpitarika: Asandrato ny fonareo ho eo amin’ny Tompo
  • Fiangonana: Asandratray ny fonay ho eo amin’ny Tompo
  • Mpitarika: Aoka ho deraintsika ny Tompo Andriamanitra
  • Fiangonana: Mendrika ho deraina Izy
Préface
  • Mpitarika: Eny tokoa Tompo ô, Ray Masina, Andriamanitra mandrakizay, mahefa ny zavatra rehetra, mety sy mahavonjy ny isaoranay Anao amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tomponay, izay tia anay sy nanolo-tena hamonjy anay ; Amin’ny alalany koa no ideran’ny anjely ny fiandriananao sy itsaohan’ny fanapahana sy ny fahefana rehetra anao amin’ny tahotra ary iarahan’ny fiangonana any an-danitra sy ety an-tany midera ny anaranao amin’ny fihobiana ary izahay koa ankehitriny miara-manandratra ny feonay aminy, ka amin’ny fanajana lehibe no ideranay hoe :
  • Hira: (Sanctus)

    AN 1 - Masina, Masina

    Masina, Masina
    Jehovah Tompo!
    Feno ny voninahitrao
    Izao rehetra izao,
    ry Tompo ô! Amena.
Vavaka (Fisaorana, Anamnèse, Epiclèse) (Mipetraka)
  • Mpitarika: Ry kristiana malala, aoka isika hahatsiaro an’i Jesoa Kristy izay maty nisolo antsika sy nitsangana ho fanamarinana antsika, dia fanati-pihavanana natolotr’Andriamanitra antsika, ary aoka isika hiara-misaotra sy hivavaka:
    Misaotra Anao izahay Andriamanitra Rainay, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa noho ny famindram-ponao aminay mpanota mahantra, dia nomenao ny Zanakao Lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay.
  • Fiangonana: Efa maty Kristy, efa nitsangana Kristy ary ho avy amim-boninahitra.
  • Mpitarika: Noho izany ry Tompo, Rainay any an-danitra ô, indreto izahay manao eto anatrehanao ny fahatsiarovana ny fahatongavan’ny Zanakao ho olona, ny fijaliany sy ny fahafatesany, ny fitsanganany tamin’ny maty ary ny fiakarany tamim-boninahitra sy ny fifonany mandrakizay ho anay, ka miandry sy mitalaho ny fiverenany izahay.
  • Fiangonana: Amena, avia Jesoa Tompo!
  • Mpitarika: Ankehitriny, Ray ô, aidino ny Fanahy Masina mba hameno ny fonay ka handraisanay tokoa ny Tomponay amin’ny finoana velona amin’izao izy manatona anay amin’izao fanasana izao. Fa ny Fanahy Masina no aharianao, amelomanao, anamasinanao ary anomezanao anay ny zava-tsoa rehetra.
  • Fiangonana: Amena, avia Fanahy Masina!
  • Mpitarika: Misaotra Anao izahay ry Jeso Kristy Tompo ô ! Midera ny Anaranao izahay ry Zanak’Andriamanitra Lahy Tokana Mpamonjy anay!
    Ankalazaina anie Hianao noho ny fitiavanao izay mahery noho ny fahafatesana.
    Ary izahay izay tonga eto anatrehanao hiombona amin’ny latabatrao dia mangataka mba hampiraisonao Aminao, ohatrin’ny sampana amin’ny voaloboka.
    Ampianaro hifankatia tahaka ny nitiavanao anay izahay, ary aoka izahay hiara-manana amin’ny fiangonana masina manontolo ny fiononana sy ny fifaliana Aminao, dia Hianao izay miara-manjaka amin’ny Ray sy ny Fanahy Masina hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay.
  • Fiangonana: Amena!

TENY FANORENANA SY FANAMASINANA

  • Mpitarika: Jeso Kristy Tompo tamin’ny alina izay namadihana Azy dia nandray ny mofo, ary rehefa Nisaotra Izy dia novakiany ka hoy Izy:
    « Raiso, hano, ity ny tenako izay omena ho anareo, izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy.»
    Ary toy izany koa ny kapoaka rehefa nihinana, dia hoy Izy:
    « Misotroa amin’ity hianareo rehetra, fa ity no rako dia ny amin’ny fanekena vaovao izay alatsaka ho an’ny rehetra ho famelan-keloka. Koa na oviana na oviana no misotro hianareo, dia izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy. »
    Misaotra ny Ray, izay nampahamendrika antsika hanana anjara amin’ny lovan’ny olona masina eo amin’ny mazava. Amena.
  • Hira: (Agnus Dei)

    117 - O, ry Zanak'ondry! (1-3)

    1. O, ry Zanak'ondry!
    He Hianao nijaly,
    Ory voahombo,
    Anefa tsy namaly;
    Ny helokay nalainao,
    Ka maty re ny ainao.
    Mba iantrao izahay, ry Jeso!

    3. O, ry Zanak'ondry!
    He Hianao nijaly,
    Ory voahombo,
    Anefa tsy namaly;
    Ny helokay nalainao,
    Ka maty re ny ainao.
    Mba iantrao izahay, ry Jeso!
    Ampiadanonao izahay, re!
  • Mpitarika: Efa nandray ny Fanahy maha-zanak’Andriamanitra antsika isika, koa izany no hahafahantsika manatona ny Ray, hoe
  • Fiangonana: (Vavaka nampianarin’ny Tompo)

FANASANA

  • Mpitarika: Ny mofo izay vakiantsika dia firaisana amin’ny Tenan’i Jeso Kristy Tompontsika.
    Ny kapoaky ny fisaorana izay isaorantsika dia firaisana amin’ny ran’i Jeso Kristy Tompontsika.
    Hoy ny Tompo : Andeha, efa voavotra avokoa ny zavatra rehetra !
Merci de réactualiser à la page en cas de rajouts de chants pendant le culte.
  • Hira Fandraisana:

    174 - Fanahy Masina ô ny hevitray izao

    1. Fanahy Masina ô!
    Ny hevitray izao
    Ovay ho vao;
    Vonoy ny otanay,
    Diovinao 'zahay
    Ka ny fanahinay
    Onenonao.

    2. Fanahy Masino ô!
    Tsinjovinao izao
    Ny olonao;
    Mpananatro ô! Ovay
    Ny eritreritray;
    Ny hadisoanay
    Esorinao.

    3. Fanahy hendry ô!
    Jereo 'zahay izao!
    Ka hazavao;
    Adala izahay,
    Mania ny hevitray;
    Dia atoroy anay
    Ny lalanao.

    4. Fanahy Masino ô!
    Mba asehoy izao
    Ny antranao;
    Be tahotra izahay,
    Henoy ny hatakay,
    Ka ny fanahinay
    Ononinao.

    FF 28 - Efa voadinikao Andriamanitra ô

    1. Efa voadinikao Andriamanitra ô!
    Ny fiainanay zanak’olombelona
    Tsy misy ‘zay miafina amiko tsy hitanao
    Ianao no manendry izany Andriamanitra ô!

    2. Indro ny fikasako voalahatrao
    Ny fiainako rehetra dia Aminao
    Ny fahotana vitako taminao
    Mangataka famelana Andriamanitra ô!

    3. Aza avela aho hangaihay
    Fa ampioreno mafy ny finoako
    Ka na mamely ahy ny fakam-panahy
    Dia mahatoky Anao ny fanahiko.

    4. Ny nofoko anie malemy no sady kely
    Torovana tsy ampy hery ka manahy
    Meteza Ianao anio Andriamanitra o!
    Ho hery sy toky ho ahy mandrakizay.

    5. Ianao no vatolampy sy fiarovako
    Ny herinao no indro hizorako
    Ny foko ao anatiko ao efa fantatrao
    Dia raiso aho ho zanakao Andriamanitra ô!

    599 - O, Ry Jesosy mifaly ny foko

    1. O, Ry Jesosy mifaly ny foko,
    Raha tsy lavitra Anao,
    Ka mba mangataka indrindra re aho.
    Ary mifona aminao;
    Tano ny zanakao mba tsy ho very,
    Tano akaiky Anao !
    Zaza adala ka mety miery,
    Raha dia lavitra Anao.

    2. Aza manary izay mitalaho,
    Fa mba vonjeo anie;
    Tena mahantra sy ory re aho.
    Diso sy meloka be;
    Nefa maniry hiova ho tsara,
    Ka ta-hanoa Anao,
    Ary ny zavatra izay voarara,
    Tsy mba hataoko izao.

    3. Raiso, ry Tompoko, ny fikasako,
    Raiso ny foko anio !
    Raha ny marina no ialako,
    Dia ahitsio sy ampio;
    Fa Hianao, ry Mpamonjy mahery,
    No tsy mba mety mandao,
    Ary izaho dia tsy mba irery,
    Fa tsy ho lavitra Anao.

    267 - He, ny andon'ny maraina

    1. He, ny andon'ny maraina
    Latsaka ao an-tsaha re
    Ka mamelona ny maina
    Izay maniry rano be!
    Ravoravo e, ny tany,
    Fa he, ny andro maina efa lany;
    Ka mitsahatra ny fahantrany,
    Manaroka ny hazo be!

    2. Ny fanahy karankaina
    Misy rano velona,
    Fa Jesosy andon'aina
    Manome fiainana
    Velona ny jentilisa,
    Ny tany hay dia tonga Paradisa
    Marobe no efa voaisa
    Handray ny lova masina!

    3.Misy lalana mizotra,
    Izay mankao Ziona re;
    Any no mitanjozotra
    Ny vahiny marobe;
    Ka Ziona dia mivoha
    Hidiran'ny navotan'ny Tsitoha;
    Ao no ivorian'ny mifoha,
    Fa an'ny Tompo lehibe.

    4. He, mikambana ny mino
    Amim-pifaliam-be,
    Ka ny hobiny maneno
    Tahaka ny rano be!
    Ao mitovy avokoa
    Tsy misy tompo sy mpanompo koa.
    Eny, razana iray tokoa
    Ny mponina ao Ziona re!

    254 - Avia, ry mangetaheta ô

    1. Avia, ry mangetaheta ô!
    Ka aza dia mba mamoy fo
    Fa indro misy rano velona
    Izay omena mba hamelona
    Anao mahantra sy variana
    Ry zanakondry very làlana

    2. Ny mofon'aina no atolony
    Anao manaiky mba ho olony
    Ny tenany no ho fihinana
    Mba hahazoana fiainana
    Kanefa tsy mba hovidina anie
    Fa tena fanomezan-dehibe

    3. Jesosy Tompo no nanolotra
    Ny rany masina ho avotra
    Izany raiso mba ho tanjaka
    Sy toky ho anao, ry reraka
    Ry mpivahiny sasatra ao am-po
    Avia re, ka manaràna fo!

TENY FAMPAHEREZANA (Mitsangana)

  • Mpitarika: Jeso Kristy Tompontsika izay voahombo tamin’ny hazo fijaliana ka nitsangana tamin’ny maty no efa nanome anareo ny Tenany sy ny Rany izay nanavotany anareo tamin’ny fahotana rehetra, Izy anie hampahery sy hiaro anareo amin’izany amin’ny finoana marina ho fahasambarana mandrakizay. Ho aminareo anie ny fiadanana !
  • Fiangonana: Amena
  • Hira:

    266 - Ry Jeso Tompo, Hianao

    1. Ry Jeso Tompo, Hianao
    Isaorako tokoa izao,
    Ny ranao sy ny tenanao
    No nihinanako izao.

    2. Ry foko faly, ambarao
    Ny soa azonao izao;
    Jesosy monina ao am-po,
    Endrey ny hafaliako!

VAVAKA FISAORANA SY FANGATAHANA

HAFATRA SY TSO-DRANO

  • Hira:

    731 - Enga anie ka homba anao Jeso! (1-2)

    1. Enga anie ka homba anao Jeso!
    Hanadio sy hanazava,
    Hampahery lalandava
    Enga anie ka homba anao Jeso!

    2. Raha mitambatra ny rahona,
    Ka mikimpy ny masoandro,
    Raha Jeso momba isan'andro
    Ho tantely koa ny vahona.
    Homba anao, sns...

    Fiv : Homba anao, Homba anao Jeso
    Homba anao anie Jeso,
    Homba anao, Homba anao Jeso
    Enga anie ka homba anao Jeso
  • Mpitarika: Ho aminareo anie ny Tompo.
  • Fiangonana: Ary ho amin’ny fanahinao.
  • Mpitarika: (Tsodrano)
  • Fiangonana: Amena! Amena! Amena! Haleloia!
  • Hira:

    731 - Enga anie ka homba anao Jeso! (4-6)

    4. Raha mitolona ady sarotra,
    Matokia fa tsy ho irery,
    Homba anao Jeso mahery,
    Homba anao tsy miady varotra
    Homba anao, sns...

    6. Raha Jesosy no mitantana,
    Paradisa koa ny tany,
    Hasambarana hatrany,
    Ao Kanana no hamantana.
    Homba anao, sns...

    Fiv : Homba anao, Homba anao Jeso
    Homba anao anie Jeso,
    Homba anao, Homba anao Jeso
    Enga anie ka homba anao Jeso
  • Mpitarika: : Voninahitra ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina izay hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Amena. Mandehana amin’ny fiadanana, ka manompoa ny Tompo!
  • Fiangonana: Isaorana anie Andriamanitra!
  • Feon’orga firavana
Prochain culte: Vendredi Avril à 20h

________________________________________

Fiangonana Protestanta Malagasy aty an-dafy tafo Paris
Mpitandrina : Pasteur Seth RASOLONDRAIBE

Fanompoam-pivavahana : 16 rue Chauchat, 75009 Paris
Fandraharana : 47 rue de Clichy, 75009 Paris
Tel. : 01 45 26 35 93 – http ://www.fpma-paris.org
Fandraisan’ny Mpitandrina : Ora ifanarahana