Fpma Paris

ASTUCE: RÉACTUALISER VOTRE PAGE EN CAS DE RAJOUT DE CHANTS PENDANT LE CULTE. BON CULTE

FANOMPOAM-PIVAVAHANA

Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo

Alahady 06 jolay 2025

TRADUCTION DU DIRECT:
+33 (0)1 70 37 22 46 – Code 98810659739#- Mot de passe : 2020#

Offrandes, rakim-pisaorana, cotisation
http://www.fpma-paris.org/offrandes-cotisation

 
  • Lakolosy & Feon’java maneno fanombohana
  • Mpitarika : Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, Amen !
  • Antoko Mpihira

FANATREHANA & FIDERANA NY TOMPO

  • Salamo 66
  • Hira :

    14 - O ry tany rehetra, avia izao (1-3)

    1. O ry tany rehetra, avia izao
    Hidera ny Tompo Mpanavotra anao
    Ny Tompo miantso antsika hankao
    Anatrehany mba hohasoaviny ao !

    3. Asandrato ny feo hihoby hoe :
    Isaorana mandrakizay Ianao,
    Ry Tompo mahery Izay manome
    Ho anay olom-bery ny aina vaovao !
    Dera, laza, sns...

    Fiv : Dera, laza anie, voninahi-dehibe
    Ho Anao, ry Tomponay Tsitoha o ! Amen
  • Vavaka fihaonana
  • Feon’java-maneno

SITRAPON’ANDRIAMANITRA

FIAIKEN-KELOKA

  • Mpitarika: (Vavaka fifonana)
  • Fiangonana :
    « Ry Rainay Be Famindram-Po Ô, Mitalaho Aminao izahay; Mamelà ny helokay;
    Diovy izahay ho afa-pahotana; Sasao izahay ho afa-keloka; Ary havaozy ny fanahinay mba ho vonon-kanompo Anao. Ny Fitiavan’i Jesosy Kristy Zanakao Mpamonjy anay no angatahanay Aminao. Amena. »
    • Hira:

Ry Andriamanitra Tompo Ray any an-danitra ô, mamindrà fo aminay !
Ry Jesosy Tompo Mpamonjy izao tontolo izao, mamindrà fo aminay !
Ry Fanahy Masina Tomponay Mpampionona ô, mamindrà fo aminay !

TENY FAMELAN-KELOKA SY FIHAVANANA

  • Mpitarika: (Teny famelan-keloka)
  • Fiangonana: Amen

FANKALAZANA

  • Mpitarika : Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra
  • Fiangonana : Ary fiadanana ho ety ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany.
  • Hira:

    480 - Mamin’ny foko, ry Jeso ô (1-3)

    1. Mamin’ny foko, ry Jeso ô,
    Ny famonjena izay vitanao ;
    Ny hadisoako navelanao
    Tena afaka aho mandrakizay !

    3. Aoka ny foko sy ny fonao
    Hiara-mitempo tena iray ;
    Aoka ny saiko sy ny sainao
    Hiray safidy mandrakizay !
    Jeso malala ô ! sns...

    Fiv : Jeso malala ô,
    Mpamonjy soa !
    Indro ny aiko raiso ho Anao ;
    Velon-kanompo,
    Velon-kanoa,
    Vonon-kanao izay sitrakao !
  • Feon’java-maneno

FAMAKIANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
FOTOANAN’NY ANKIZY SY TANORA

(Mitsangana ny ankizy sy ny tanora)

    • Hira :

      177 - Ry Fanahy Mpanazava mitariha anay izao (1-4)

      1. Ry Fanahy mpanazava,
      Mitariha anay izao
      Hianaranay ny Teny
      Zay nampanoratinao !
      :.: Dia hifaly
      Izahay tarihinao:.:
      ---------------------
      Esprit Saint, notre lumière,
      Conduis-nous maintenant
      Pour que nous puissions apprendre les Écritures
      que Tu as inspirées
      Alors nous serons dans la joie,
      de nous laisser conduire.


      4. Ry Fanahy mpanazava,
      Ny Baiboly taminao
      Dia fanilo sady toky
      Hanatonanay Anao ;
      :,: Mba tsilovy
      'Zay miankina aminao ! :,:
      ---------------------
      Esprit Saint, notre lumière,
      La Bible qui nous vient de Toi
      Est à la fois une lampe et une assurance
      pour nous approcher de Toi.
      Éclaire ceux qui s’appuient sur Toi.

  • Mpitarika: Ho aminareo anie ny Tompo
  • Fiangonana: Ary ho amin’ny fanahinao
  • Mpitarika: (Vavaka fitsilovana ho an’ny ankizy sy noho ny Teny)

    VAKITENY

Isaïa 66.10-14

Esaïe 66.10-14

10 Réjouissez-vous avec Jérusalem, Faites d’elle le sujet de votre allégresse, Vous tous qui l’aimez; Tressaillez avec elle de joie, Vous tous qui menez deuil sur elle; 11 Afin que vous soyez nourris et rassasiés Du lait de ses consolations, Afin que vous savouriez avec bonheur La plénitude de sa gloire. 12 Car ainsi parle l’Eternel: Voici, je dirigerai vers elle la paix comme un fleuve, Et la gloire des nations comme un torrent débordé, Et vous serez allaités; Vous serez portés sur les bras, Et caressés sur les genoux. 13 Comme un homme que sa mère console, Ainsi je vous consolerai; Vous serez consolés dans Jérusalem. 14 Vous le verrez, et votre cœur sera dans la joie, Et vos os reprendront de la vigueur comme l’herbe; L’Eternel manifestera sa puissance envers ses serviteurs, Mais il fera sentir sa colère à ses ennemis.

Galatiana 6.14-18

Galates 6.14-18

14 Pour ce qui me concerne, loin de moi la pensée de me glorifier d’autre chose que de la croix de notre Seigneur Jésus-Christ, par qui le monde est crucifié pour moi, comme je le suis pour le monde! 15 Car ce n’est rien d’être circoncis ou incirconcis; ce qui est quelque chose, c’est d’être une nouvelle création. 16 Paix et miséricorde sur tous ceux qui suivront cette règle, et sur l’Israël de Dieu! 17 Que personne désormais ne me fasse de la peine, car je porte sur mon corps les marques de Jésus. 18 Frères, que la grâce de notre Seigneur Jésus-Christ soit avec votre esprit! Amen!

Lioka 10.1-12; 17-20

Luc 10.1-12; 17-20

 
1 Après cela, le Seigneur désigna encore soixante-dix autres disciples, et il les envoya deux à deux devant lui dans toutes les villes et dans tous les lieux où lui-même devait aller.
2 Il leur dit: La moisson est grande, mais il y a peu d’ouvriers. Priez donc le maître de la moisson d’envoyer des ouvriers dans sa moisson. 3 Partez; voici, je vous envoie comme des agneaux au milieu des loups. 4 Ne portez ni bourse, ni sac, ni souliers, et ne saluez personne en chemin. 5 Dans quelque maison que vous entriez, dites d’abord: Que la paix soit sur cette maison!
6 Et s’il se trouve là un enfant de paix, votre paix reposera sur lui; sinon, elle reviendra à vous. 7 Demeurez dans cette maison-là, mangeant et buvant ce qu’on vous donnera; car l’ouvrier mérite son salaire. N’allez pas de maison en maison. 8 Dans quelque ville que vous entriez, et où l’on vous recevra, mangez ce qui vous sera présenté, 9 guérissez les malades qui s’y trouveront, et dites-leur: Le royaume de Dieu s’est approché de vous. 10 Mais dans quelque ville que vous entriez, et où l’on ne vous recevra pas, allez dans ses rues, et dites: 11 Nous secouons contre vous la poussière même de votre ville qui s’est attachée à nos pieds; sachez cependant que le royaume de Dieu s’est approché. 12 Je vous dis qu’en ce jour Sodome sera traitée moins rigoureusement que cette ville-là.
17 Les soixante-dix revinrent avec joie, disant: Seigneur, les démons mêmes nous sont soumis en ton nom.
18 Jésus leur dit: Je voyais Satan tomber du ciel comme un éclair.
19 Voici, je vous ai donné le pouvoir de marcher sur les serpents et les scorpions, et sur toute la puissance de l’ennemi; et rien ne pourra vous nuire.
20 Cependant, ne vous réjouissez pas de ce que les esprits vous sont soumis; mais réjouissez-vous de ce que vos noms sont écrits dans les cieux.
 
  • Fiangonana : Isaorana anie ny Tompo noho ny  Filazantsara ! Amen!

FANEKEM-PINOANA KRISTIANA

Mino an’ Andriamanitra Ray Tsitoha, Mpanao ny lanitra sy ny tany aho.

Ary mino an’ i Jesoa Kristy Zananilahy Tokana Tompontsika, izay notorontoronina tamin’ ny Fanahy Masina, naterak’ i Maria Virjiny, nijaly raha nanapaka i Pontio Pilato, nohomboana tamin’ ny hazo fijaliana, maty ka nalevina, nidina tany amin ‘ny fiainan- tsy hita, nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo, niakatra ho any an- danitra, mipetraka eo an- kavanan’ Andriamanitra Ray Tsitoha, avy any no hiaviany hitsara ny velona sy ny maty.

Mino ny Fanahy Masina aho, ny Fiangonana Masina manerana izao tontolo izao, ny fiombonan’ny olona masina, ny famelan- keloka , ny fitsanganan ‘ny tena amin’ny maty ary ny fiainana mandrakizay .
Amena.

  • Hira :

    470 - Ny foko, ry Mpamonjy (1-5)

    1. Ny foko, ry Mpamonjy,
    Mangetaheta Anao ;
    Maniry lalandava
    Hikambana aminao !

    5. Finaritra ny saiko
    Raha ipetrahanao,
    Fa reraka ny aiko
    Raha alavirinao !
    Fiv : Tsy afaka ao am-poko, sns...

    Fiv : Tsy afaka ao am-poko
    Ny faniriana Anao ;
    Oneno re ny foko
    Ho lapanao !

TORITENY

FILAZAN-DRAHARAHA

RAKITRA

Offrandes, dons, rakim-pisaorana, adidy : http://www.fpma-paris.org/offrandes-cotisation (Lien Paypal)

ASTUCE: REACTUALISER VOTRE PAGE EN CAS DE RAJOUT DE CHANTS PENDANT LE CULTE.

  • Hira:

    313 - Miantrà ny firenena, ry Jesosy Tomponay !

    1. Miantrà ny firenena,
    Ry Jesosy Tomponay!
    Ambarao ny famonjena
    lzay nataonao fahizay;
    Asehoinao ny hery
    Namonjenao marobe;
    :,: Ry Mpamonjy olom-bery!
    Mamonje indray anie.:,:

    2. Mba heveronao ny Nosy
    Itoeranay izao;
    Iantraonao, ry Jesosy,
    Ny tsy mahalala Anao;
    Iantrao 'reo faritany
    Anjakan'ny aizim-be,
    :,: Mba ho tonga faingana any
    Ny mazava lehibe.:,:

    3. Be ny tany tsy voasa,
    Vitsy ny mpanomponao;
    Koa izahay mpiasa
    Ao an-tanimbolinao
    Mba omeo fo minia
    Hankatò ny teninao,
    :,: Ka aoka mba hikely aina
    lzahay hiasa ao.:,:

    4. Mankanesa, ry mpitory!
    Ao an-tany lavitra ao,
    Be tsy mahalala akory
    An'i Jeso Tomponao,
    He, ny fahantrany, indrisy!
    He, ny hadalan'ny ao!
    :,: Fa ny olona tsy misy
    Hampianatra azy izao.:,:

    5. Ny harena anomezo
    Sy ny fahendrena koa.
    Eny, Kristiana! Aelezo
    lzay rehetra mahasoa;
    Mankanesa re 'zay tia
    Ny Mpamonjy lehibe;
    :,: Miantrà ka manampia
    Ny mahantra marobe.:,:

    314 - Injany, misy feo!

    1. Injany, misy feo!
    Ka iza no tsy mandre?
    Ry Kristiana, raiso
    Adidy lehibe.
    Manerana ny tany
    Ny antso avo izao,
    Ho an'i Jeso Tompo
    Izao tontolo izao.
    Mihobia
    Sy mitoria.
    Ny teny mahafaly
    Izay voarainareo
    Izao no tena fetra;
    Ho an'i Jeso soa.
    Ny olona rehetra ho Azy
    Avokoa.

    2. Tsy ho antsika irery
    Ny fahasoavam-be,
    Fa ho an'ny olom-bery
    Tsy an-kanavaka e!
    Ny fiantran'ny Tompo
    Tsy misy fetra, koa
    Lazaonareo mpanompo
    Lay fitiavan-tsoa.
    Miasà.
    Ka milazà
    Ny teny mampionona
    Mahafa-po;
    Voarainareo ny baiko:
    Ho an'i Jeso soa
    Ny olona rehetra ho Azy
    Avokoa.

    3. Ny Tompo no milaza:
    "Andeha mitoria,"
    Ka na dia sarotra aza
    Ny asa, matokia;
    Fa tsy mandeha irery
    Izay mitondra soa,
    Fa omban'Ilay Mahery
    Ny irany tokoa,
    Ka sahia
    Dia mitoria
    Ny famonjena lehibe
    Voarainareo;
    Voatsangana ny saina:
    Ho an'I Jeso soa
    Ny olona rehetra ho Azy
    Avokoa.

    4. Ry Tompo sy Mpanjaka!
    Ampio ny olonao
    Hanoa sy hanahaka
    Ka hankalaza Anao,
    Dia aoka hokendreny
    lzay katsahinao.
    Ka hahita famonjena
    lzao rehetra izao,
    Ry Tsitoha!
    Mba manehoa
    Ny hery mahagaga izay
    Anananao:
    Tongava mba hanjaka,
    Ka angony avokoa
    Ny olona navotanao,
    Ry Tompo soa!

Hira fanolorana:

Ry Tompon’ny harena ô,
Fanatitra an-tsitrapo
Atolotray Anao izao ;
Mba raiso ka tahionao. Amena.

FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO

  • Hira:

    259 - Ny latabatrao, ry Jeso, (1-2)

    1. Ny latabatrao, ry Jeso,
    Dia atrehinay izao ;
    Ny fanahinay vokiso
    Amin'ny fitianao !

    2. Tsy nitady zo sy laza
    Ianao, ry Tomponay,
    Foinao ny ainao aza
    Nanavotanao anay !
  • Mpitarika: Ho aminareo anie ny Tompo! Aoka hizara ny fiadanana isika
  • Fiangonana:
      – Ho aminao anie ny Tompo!
      – Ary ho aminao koa
  • Sursum Corda (Mitsangana)
    • Mpitarika: Asandrato ny fonareo ho eo amin’ny Tompo
    • Fiangonana: Asandratray ny fonay ho eo amin’ny Tompo
    • Mpitarika: Aoka ho deraintsika ny Tompo Andriamanitra
    • Fiangonana: Mendrika ho deraina Izy
  • Préface
    • Mpitarika: Eny tokoa Tompo ô, Ray Masina, Andriamanitra mandrakizay, mahefa ny zavatra rehetra, mety sy mahavonjy ny isaoranay Anao amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tomponay, izay tia anay sy nanolo-tena hamonjy anay ; Amin’ny alalany koa no ideran’ny anjely ny fiandriananao sy itsaohan’ny fanapahana sy ny fahefana rehetra anao amin’ny tahotra ary iarahan’ny fiangonana any an-danitra sy ety an-tany midera ny anaranao amin’ny fihobiana ary izahay koa ankehitriny miara-manandratra ny feonay aminy, ka amin’ny fanajana lehibe no ideranay hoe :
    • Hira: (Sanctus)

      AN 1 - Masina, masina

      Masina, masina Jehovah Tompo !
      Feno ny voninahitrao izao rehetra izao ry Tompo ô !

      Amen
  • Vavaka (Fisaorana, Anamnèse, Epiclèse) (Mipetraka)
    • Mpitarika: Ry kristiana malala, aoka isika hahatsiaro an’i Jesoa Kristy izay maty nisolo antsika sy nitsangana ho fanamarinana antsika, dia fanati-pihavanana natolotr’Andriamanitra antsika, ary aoka isika hiara-misaotra sy hivavaka:
      Misaotra Anao izahay Andriamanitra Rainay, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa noho ny famindram-ponao aminay mpanota mahantra, dia nomenao ny Zanakao Lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay.
    • Fiangonana: Efa maty Kristy, efa nitsangana Kristy ary ho avy amim-boninahitra.
    • Mpitarika: Noho izany ry Tompo, Rainay any an-danitra ô, indreto izahay manao eto anatrehanao ny fahatsiarovana ny fahatongavan’ny Zanakao ho olona, ny fijaliany sy ny fahafatesany, ny fitsanganany tamin’ny maty ary ny fiakarany tamim-boninahitra sy ny fifonany mandrakizay ho anay, ka miandry sy mitalaho ny fiverenany izahay.
    • Fiangonana: Amena, avia Jesoa Tompo!
    • Mpitarika: Ankehitriny, Ray ô, aidino ny Fanahy Masina mba hameno ny fonay ka handraisanay tokoa ny Tomponay amin’ny finoana velona amin’izao izy manatona anay amin’izao fanasana izao. Fa ny Fanahy Masina no aharianao, amelomanao, anamasinanao ary anomezanao anay ny zava-tsoa rehetra.
    • Fiangonana: Amena, avia Fanahy Masina!
    • Mpitarika: Misaotra Anao izahay ry Jeso Kristy Tompo ô ! Midera ny Anaranao izahay ry Zanak’Andriamanitra Lahy Tokana Mpamonjy anay!
      Ankalazaina anie Hianao noho ny fitiavanao izay mahery noho ny fahafatesana.
      Ary izahay izay tonga eto anatrehanao hiombona amin’ny latabatrao dia mangataka mba hampiraisonao Aminao, ohatrin’ny sampana amin’ny voaloboka.
      Ampianaro hifankatia tahaka ny nitiavanao anay izahay, ary aoka izahay hiara-manana amin’ny fiangonana masina manontolo ny fiononana sy ny fifaliana Aminao, dia Hianao izay miara-manjaka amin’ny Ray sy ny Fanahy Masina hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay.
    • Fiangonana: Amena!
  • Teny Fanorenana sy Fanamasinana (Mitsangana)
    • Mpitarika: Jeso Kristy Tompo tamin’ny alina izay namadihana Azy dia nandray ny mofo, ary rehefa Nisaotra Izy dia novakiany ka hoy Izy:
      « Raiso, hano, ity ny tenako izay omena ho anareo, izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy.»
      Ary toy izany koa ny kapoaka rehefa nihinana, dia hoy Izy:
      « Misotroa amin’ity hianareo rehetra, fa ity no rako dia ny amin’ny fanekena vaovao izay alatsaka ho an’ny rehetra ho famelan-keloka. Koa na oviana na oviana no misotro hianareo, dia izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy. »
      Misaotra ny Ray, izay nampahamendrika antsika hanana anjara amin’ny lovan’ny olona masina eo amin’ny mazava. Amena.
    • Hira: (Agnus Dei)

      117 - O, ry Zanak'ondry (1-3)

      1. O, ry Zanak'ondry,
      He, Ianao nijaly !
      Ory, voahombo
      Anefa tsy namaly !
      Ny helokay nalainao,
      Ka maty re ny ainao !
      (2) Mba iantrao izahay, ry Jeso !
      ---------------------
      Agneau de Dieu
      Qui as tant souffert
      Toi le crucifié
      Tu n’as pourtant pas répondu.
      Tu as ôté nos péchés,
      Tu as donné ta vie
      Aie pitié de nous, ô Jésus !


      3.O, ry Zanak'ondry,
      He, Ianao nijaly !
      Ory voahombo
      Anefa tsy namaly !
      Ny helokay nalainao
      Ka maty re ny ainao !
      Ampiadanonao izahay re !
      ---------------------
      Agneau de Dieu
      Qui as tant souffert
      Toi le crucifié
      Tu n’as point répondu.
      Tu as ôté nos péchés,
      Tu as donné ta vie
      Donne-nous la paix !

    • Mpitarika : Efa nandray ny Fanahy maha-zanak’Andriamanitra antsika isika koa izany no ahafahantsika manatona ny Ray hoe :
    • Fiangonana : (Vavaka nampianarin’ny Tompo)

Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao. Ny ety an-tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay. Ary mamelà ny helokay. Tahaka ny namelany izay meloka taminay. Ary aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin’ny ratsy. Fa Anao ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra mandrakizay. Amena.

  • Fanasana
    • Mpitarika: Ny mofo izay vakiantsika dia firaisana amin’ny Tenan’i Jeso Kristy Tompontsika.
      Ny kapoaky ny fisaorana izay isaorantsika dia firaisana amin’ny ran’i Jeso Kristy Tompontsika.
      Hoy ny Tompo : Andeha, efa voavotra avokoa ny zavatra rehetra!
  • Fandraisana
ASTUCE: REACTUALISER VOTRE PAGE EN CAS DE RAJOUT DE CHANTS PENDANT LE CULTE
    • Hira Fandraisana:

      254 - Avia, ry mangetaheta ô

      1. Avia, ry mangetaheta ô,
      Ka aza dia mba mamoy fo
      Fa indro misy rano velona
      Izay omena mba hamelona
      Anao mahantra sy variana,
      Ry zanak'ondry very làlana !

      2. Ny mofon'aina no atolony
      Anao manaiky mba ho olony,
      Ny tenany no ho fihinana
      Mba hahazoana fiainana,
      Kanefa tsy mba hovidiana anie
      Fa tena fanomezan-dehibe !

      3. Jesosy Tompo no nanolotra
      Ny rany masina ho avotra !
      Izany raiso mba ho tanjaka
      Sy toky ho anao, ry reraka !
      Ry mpivahiny sasatra ao am-po,
      Avia re, ka manaràna fo !

      256 - Mivoaka ao Golgota

      1. Mivoaka ao Golgota
      Ilay renirano soa,
      Iantsoana ny mpanota
      Ho any avokoa ;
      Ny ratran'ny Mpamonjy
      No loharanon'io,
      Ka ony mahavonjy
      Sy tena mahadio !

      2. Mamelona ny tany
      Ity ony soa ity,
      Izay rehetra ombany
      Miadana ery !
      Vahoaka an-tapitr'isa
      Izay misotro ao
      Mahita Paradisa
      Sy fiainana vaovao !

      3. Ny fo izay maratra
      Ka entina mankeo,
      Ny ory sy mahantra
      Izay manatona eo :
      Mahita fanafody
      Ka sitrana avokoa !
      Ny ota sy ny rofy
      Dia afaka tokoa !

      4. Fanahy be ahiana,
      Avia misotro ao,
      Fa  io no mampangina
      Ny alahelonao !
      Fanahy ô, hatòny
      Ity ony soa ity
      Fa io no mahatòny
      Ny faniriana aty.

      5. Hianao, ry Tompon'aina,
      Isaoranay tokoa,
      Nanaiky horatraina
      Handefa ony soa !
      Ny ranao tao Golgota
      No iankinanay
      Fa mahadio ny ota,
      Mamelona aina anay !

      472 - Iriko e, ry Jeso, hitovy Aminao

      1. Iriko e, ry Jeso,
      Hitovy Aminao
      lzay tsy manan-keloka
      Fa masina tokoa !
      Iriko e, ry Jeso,
      Ho tonga toa Anao,
      Namonjy sy nanafaka
      Fanahy, aina koa !

      2. lriko, ry Mpamonjy,
      Mba ho sakaizanao !
      Hiaraka ory Aminao
      Ka tsy handao Anao ;
      Iriko, ry Mpamonjy,
      Hanara-dia Anao :
      Ny hazo fijaliana
      Ho entiko izao !

      3. lriko, ry Mpandresy,
      Hiaraka Aminao
      Ho eo an-toby lehibe,
      Ho miaramilanao !
      Iriko, ry Mpandresy,
      Hanaraka Anao,
      Mitondra ny fanevanao,
      Handray ny herinao !

      4. lriko, ry Mpanjaka,
      Ho ao an-dapanao ;
      Hiara-paly Aminao
      Fa tonga zanakao !
      lriko, ry Mpanjaka,
      Ho eo anilanao
      Handray ny lova atolotrao
      Mpanjaka be fitia !

      167 - Midera ny Anaranao

      1. Midera ny Anaranao
      'Zahay, ry Tompo ô,
      Ka hira no ventesinay
      Hoe : haja, saotra, hery
      Mba raiso ho Anao !

      2. He, voahombo Ianao
      Nisolo heloka
      Ka mendrika hanaovanay
      Hoe : haja, saotra, hery
      Mba raiso ho Anao !

      3. Endrey ny fitiavanao
      Endrey ny herinao !
      Tra-pamonjena izahay
      Ka haja, saotra, hery
      Mba raiso ho Anao !

      4. Raha tonga ao an-danitra
      'Zahay mpanomponao,
      Hitohy re ny hiranay
      Hoe : haja, saotra, hery
      Mba raiso ho Anao !
      -----
      (Tiona 1 - J. Ellor)

      (Tiona 2 - W. Shrubsole)
  • Teny Fampaherezana (Mitsangana)
    • Mpitarika: Jeso Kristy Tompontsika izay voahombo tamin’ny hazo fijaliana ka nitsangana tamin’ny maty no efa nanome anareo ny Tenany sy ny Rany izay nanavotany anareo tamin’ny fahotana rehetra, Izy anie hampahery sy hiaro anareo amin’izany amin’ny finoana marina ho fahasambarana mandrakizay. Ho aminareo anie ny fiadanana!
    • Fiangonana: Amena
    • Hira:

      266 - Ry Jeso Tompo, Ianao

      1. Ry Jeso Tompo, Ianao
      Isaorako tokoa izao ;
      Ny ranao sy ny tenanao
      No nihinanako izao !

      2. Ry foko faly ambarao
      Ny soa azonao izao !
      Jesosy monina ao am-po,
      Endrey ny hafaliako !

VAVAKA FISAORANA SY FANGATAHANA

TSO-DRANO

  • Hira:

    753 - Tiako ny hiaraka Aminao (1-2)

    1. Hiaraka Aminao aho, Ô ry Jeso Tompoko
    Tsy manana olon-kafa aho
    Fa Ianao no fiainako ;
    Hanara-dia Anao, ‘zay no faniriako
    Hifikitra Aminao aho, Jesoa !
    Tiako ny hiaraka, sns...

    2. Hiaraka Aminao aho, Ô ry Jesoa Tompoko
    Hitory Teny soa amin’ireo havako ;
    Hanara-dia Anao, zay no faniriako
    Hanohy ny asanao aho, Jesoa !
    Tiako ny hiaraka, sns...

    Fiv : Tiako ny hiaraka Aminao Jesoa
    N’aiza n’aiza hitondranao ahy,
    Tiako ny hiaraka Aminao Jesoa
    Fa Ianao no miantso ahy !
  • Mpitarika: Ho aminareo anie ny Tompo
  • Fiangonanan: Ary ho amin’ny fanahinao
  • Mpitarika: (Tsodrano – Nomery 6.24-26)
  • Fiangonana: AMENA ! AMENA ! AMENA ! HALELOIA ! (Hiraina)
  • (Mipetraka ny fiangonana)
  • Vavaka mangina
  • Mpitarika :Voninahitra ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina izay hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Amena.
    Mandehana amin’ny fiadanana, ka manompoa ny Tompo!
  • Fiangonana: Isaorana anie Andriamanitra!
  • Feon-java-maneno firavana

Fiangonana Protestanta Malagasy Aty an-dafy tafo Paris

Cultes et réunions au 16 rue Chauchat – Paris 9eme:

Pasteur: Solohery RAOBINARISON

Fanompoam-pivavahana : 16 rue Chauchat, 75009 Paris
Fandraharana : 47 rue de Clichy, 75009 Paris
Tel. : 01 45 26 35 93 – http ://www.fpma-paris.org
Fandraisan’ny Mpitandrina : Ora ifanarahana