429 – Inty ny olonao, Jeso Tompo ô

1. Inty ny olonao, Jeso Tompo ô,
Fa nandre ny antsoano
He, maniry mba hotarihinao
Ho akaikinao kokoa.
Mba tariho aho, Jeso Tompo ô!
Eo akaikinao kokoa,

Fiv : Mba tariho aho, Jeso Tompo ô!
Mba ho olonao tokoa.

2. Tsy ny sitrako, fa ny sitrakao
No iriko mba hatao,
Fa navotanao ny mpanomponao
Ka manaiky ho Anao.
Mba tariho aho, sns…

3. Raha mitokana mba hivavaka,
Ka miresaka Aminao,
Velombelona ny fanahiko,
Tafakambana Aminao.
Mba tariho aho, sns…

4. Raha avy re izay hodiako,
Hody Aminao indray,
Ao ny saiko vao tena afa-po
Tonga ao an-tranon-dRay.
Mba tariho aho, sns…

428 – Reko izao ry Tompo

1. Reko izao ry Tompo izany antsonao,
Miantso izany mpanompo mba ho irakao !
Inty! Inty! sns…

Fiv : Inty, inty, inty aho Jeso
Inty, inty, iraho ho aho Jeso
Ekeko re ny ho miaramilanao
Ho vonona hanao ny sitrakao, ka iraho !

2. O diovy Tompo izany molotro
Ka ny fo madio hanompo no atolotro !
Inty, inty, sns…

3. Tsy andeha irery fa hiaraka Aminao
Ka dia mba omeo ny hery sy Fanahinao !
Inty, inty, sns…

4. Reko izao ny toky hoe : « Momba ahy Ianao »
Ry Jesosy Tompo sy Zoky, vonona aho izao !
Inty, inty, sns…

11 – Endrey ny voninahitrao

1. Endrey ny voninahitrao,
Ry Ray Tsitoha ô !
Endrey ny fiandriananao,
Hajainay eram-po !

2. Ny herinao, ny andronao,
Dia mandrakizay,
Ny lanitra mitsaoka Anao
Ry Andriamanitray !

3. Ny tavanao mamiratra
Ny fahamasinanao
Sy hery tapitr’ohatra,
Ny fahendrenao soa !

4. Endrey, matahotra aho izao
Ry Tompo masina ô,
Mangovitra eo imasonao
Sao dia lavinao !

5. Na dia ambony Ianao,
Dia nidina amiko !
Nitondra fihavanana,
Ka dia mba tiako

6. Koa aiza re no misy ray,
Mitovy Aminao,
Mikarakara tsara anay
Izay natsanganao ?

7. O, mahagaga Ianao,
Ry Tompo tia anay,
Ny fonay dia hatoky Anao
Ambara-podinay !

427 – Ho vavolombelonao

1. Ho vavolombelonao
N’aiza n’aiza no aleha
Izay no faniriana vao
Sy hataoko rehareha.
Ka raha asa no atao
Inty tokoa fa vonona
(ho vonona aho)
Tsy hiala na handao,
Tompo ô, iraho aho!

2. Ho vavolombelonao
Eran-tany raha ilaina
Toy ny loharano vao
Izay mamelombelona aina.
Hanasoa ny tany hay
Efa mihamaina taho
(mihamaina)
Tompo ô, inty indray
Alefaso, vonona aho.

3. Ho vavolombelonao
Ao anaty fitsapana,
Ka hijoro ho Anao,
Na fefena, na raràna,
Tsy hiahotra ny dia :
Fa Hianao naniraka ahy
(naniraka ahy)
Tsy hiahotra aho satria
Amiko Hianao Mpitahy.

426 – Nanatona Anao, Mpanavotra ô,

1. Nanatona Anao, Mpanavotra ô,
Ny olo-mahantra fahiny
Ny rofiny be, ny senton’ny fo
Naneho fa soa no niriany !
Tsy nety ho sasatra Ianao,
Tsy nisy nolavina akory !
Fa samy nandray ny indrafonao,
Ka ravo ny olona ory !

2. Manatona Anao, ry be indrafo,
Ny olo-mahantra anio,
Fa be siasia sy reraka am-po
Ka raisonao ankehitrio !
Ny maty omeo aina vaovao,
Ny sasatra ampiadano,
Ny masonay jamba mba hazavao
Ny rofin’ny fonay sitrano !

3. Ka rahatrizay hanatona Anao
Ny tsy ho farofy intsony,
Fa hisy ny Alahady vaovao
Ka sitrana tsara ny fony !
Izay tany soa misy Anao
No hisy ny olonao koa,
Hahita ny voninahitrao ao,
Ry Zoky malala Tsitoha !

425 – Ny ratsy efa tiako

1. Ny ratsy efa tiako,
Tsy tahotro, tsy henatro;
Fa zava-bao no hitako,
Te hijery izany aho.

2. Ao ny hazo fijaliana
Ao ny Tompo efa maty;
Izy no nijery ahy
Tsy tezitra, fa niantra.

3. Hoy ny fijeriny ahy,
« Hianao mamono ahy »
Dia hitako mahantra aho
Ny heloko namono Azy.

4. Aiza no handosirako
Ndrao hidiran-doza aho?
Iza no hamonjy ahy,
Feno ota, feno loto?

5. Nijery ahy indray Izy;
« Avelako ny helokao »
Fa ny ràko no manadio
Hahazoanao fiainanana.

6. Maty Kristy, be ny ota
Maty i Jeso! be fitia,
Faly malahelo aho,
Sambatra, manana ody aina.

424 – Tsaroako dia tsaroako

1. Tsaroako dia tsaroako,
Raiko ô! Raiko be fitia,
Fa ny fahadisoako
Nodiovinao satria
Noho Jeso Mpamonjy soa
Inty izaho fa afaka
He azoko tokoa, tokoa,
Ny famelana heloka.

2. Ny aizim-pahotàna
Raiko ô! Raiko be fitia,
Misolo hazavana
Mamiratra ery.
Ny làlako mahitsy izao
Mitory olona afaka
Noho ny hery vaovao:
Ny famelanao heloka.

3. Endrey, ny hafaliako
Raiko ô, Raiko be fitia,
Fa maivana ny diako
Avy any Kalvary.
Ny tahotaho-poko tao
Tsy reko intsony, afaka;
An-tanako tokoa izao
Ny famelàna heloka.

4. Deraiko lalandava
Raiko ô, Raiko be fitia
Ny vavako hilaza
Ny vitanao tety.
Fa mbola misy marobe
Maniry te-ho afaka,
Ho azy ireny koa anie
Ny famelàna heloka.

423 – He! Maharavoravo

1. He! Maharavoravo
Jeso ny fitiavanao
Izaho dia mpanota lavo.
Nefa Jeso, nareninao

Fiv : Mamin’ny foko, loatra
Ny fanavotana
He! Ny foko tsy afa-manoatra
Jeso hihira ho Anao

2. Izaho mpanota adala
No nanehoam-pitiavan-tsoa
Ny heloko, Jeso malala,
Navelanao tokoa tokoa.
Mamin’ny foko, sns…

3. Endey ny hafaliako;
Ny heloko navelanao,
He: Maivana ny fahoriako
Noho ny fanavotanao.
Mamin’ny foko, sns…

422 – Ry Andriananaharinay

1. Ry Andriananaharinay!
Ny hamasinanao.
Dia tena lehibe tokoa.
Raha te hahita Anao izahay,
Tsy maintsy tsara fo.

2. Ny mason’ny anjelinao
Mahita Anao tokoa,
Ka tsy mba manjambena ireo
Na dia mamirapiratra
Ny hamasinanao.

3. Fa tsy nanota taminao
Akory izy irezo,
Tsy meloka, tsy menatra,
Ka misy hahazoany
Hijery tsara anao.

4. Fa izahay, maloto fo,
Raha te-hahita Anao,
Tsy mana-mahamendrika,
Fa zanak’olombelona;
Ahoana no hatao?

5. Ry Andriananaharinay!
Ny ran’ny zanakao;
Ny asan’ny Fanahy koa,
No zava-mahamendrika
Anay hahita Anao.

421 – Andriamanitra ô, Ray Mpamindra fo

1. Andriamanitra ô, Ray Mpamindra fo
Avy mankalaza Anao tokoa izahay,
N’inon’inona midona, zavatra manko,
Eo ambany elatrao matoky izahay.

Fiv : Mamindrà fo amiko,
Andriamanitra ô!
Avelao ny heloko Jeso
Mpamonjy ô!
Hazavao ny lalako Fanahy Masina ô!
Fa izay no fahasambaran’ny fanahiko.

2. Jeso Kristy Tompo sy Zokinay,
Miaraka Aminao afa-tahotra tokoa,
Hetraketraky ny tany tsy hanimba anay,
Izay mialoka Aminao ho ampoky ny soa.
Mamindrà fo amiko, sns…

3. Ry Fanahy Masina Mpanavao,
Hazavao re, ny ao am-poko miafina ao,
Ka ny làlana ombako mba tarihonao
Ny ota mahazatra mba levony koa ho lao.
Mamindrà fo amiko, sns…