188 – Ry Fanahin’aina

1. Ry Fanahin’aina,
mpanazava saina,
Mpampionompo,
O, mba akekezo
Ireto miambezo
Hamindranao fo!
Hazavao
Ny olonao,
Mba handraisanao tokoa
Fanomezantsoa.

2. Mba ampivavaho,
Hafanao re aho
Hankalaza Anao!
Hataka sy sento
Asandratro, ento,
Ka valionao!
Anehoy
Sy ampinoy
Ny famindrampo mamonjy
Izay te-ho tra-bonjy!

3. Ô mba amosahy
Fahazavam-panahy
Ny fisainanay,
Ka ny fo tarafo,
Andreheto afo
Ny fanahinay,
Ka ombay
Re izahay,
Raha antsoinao hanambara
Ny Filazantsara!

4. Ô ry Andon’aina!
Tany karankaina
Mba vontosinao!
Dia ho vanom-boa,
Hahavoka-tsoa
Re ny volinao!
Indrafo
Sy teny to
No harena antenaina
Hanavao ny aina.

5. Ô mba areheto
Sy ampahareto
Ny finoanay!
Izahay afaho,
Ampahatanjaho
Ny fanahinay!
Tompo ô!
Miraiki-po
Aminao ny olom-bery,
Tonga manan-kery.

6. Raha mitoloko,
Tano re ny foko
Tsy handao Anao,
ka tsilovy dia,
Tsy haniasia,
Hahatody ao
Aminao
Ny zanakao,
Ao ny lova andrandraina
Fahasambaran’aina.

187 – Ny lanitra sokafinao

1. Ny lanitra sokafinao,
Midina ry Mahery
Ampisehoy ny sandrinao,
Ry Tompo manan-kery !
He manakora izao
Ny fahavalonao
Ka maro no mandà
Ny afo masina
Narehitrao, ry Jeso !

2. O, ry Mpitia olona,
Mpanjaka voahombo,
Ny Teninao dia velona
Mahery sy mitombo !
Ampahafantaronao
Izao tontolo izao
Fa tsy mba foana
Ny ranao masina
Nalatsakao fahiny !

3. Mba ampiraiso hina re
Ny olom-boafidy
Ka akambano mafy e,
Fa lova sarobidy !
Ny fitiavana
Madio sy marina
No aoka hanavao
Ny fiangonanao
Handraisanao ny dera !

4. Ny Nosinay, ny tranonay,
Ny vava aman-tsainay
Dia mba samy havaozinao !
Ry fototry ny ainay,
Ampiononinao
Ny manina Anao !
Avia ka mamonje
Avia mampandrese
Ny olonao mahantra !

186 – Fanahy, Mpanavao anay

1. Fanahy, Mpanavao anay,
Simban’ny ota izahay,
Ka amboarinao indray,
Havaozy ny fanahinay.

2. Avia, ry Afo masina,
Ny ratsy aoka ho levona;
Ry loharano velona,
Tondrahonao ny efitra.

3. Ny lohataonanao anie
Mba hampaniry soa be
Sy hampamony ho Anao
Izao tany karankaina izao.

4. Ny efitra sy tany lao,
Hi ho by sy hidera Anao,
Fa olom-potsy no ho ao;
Mpanompo teo fa afakao.

5. Ry lohataona maminay!
Midina faingana aminay,
Fanahy, Mpanavao anay,
Niandry ela izahay!

539 – Faly dia faly

1. Faly dia faly
Izahay mpanomponao,
Izay mihira eto anatrehanao.
Fa be fiantra Hianao,
Ry Jeso Tompo tianay!
Ka feno haravoana
Tokoa izahay;

Fiv : Faly dia faly
Izahay mpanomponao,
Izay mihira eto anatrehanao.

2. Ela dia ela
No nandavanay Anao;
Be ny zava-dratsy efa vitanay.
Na diso aza izahay,
Anefa faly aminao;
Fa afakao ny helokay,
Ry Tompo tianay!
Faly dia faly, sns…

3. Sarotra tokoa,
Ny alehanay izao ;
Be ny alahelo, iaretanay.
Na ory aza izahay,
dia mbola faly aminao
Fa levonao ny tahotray,
Ry Tompo tianay
Faly dia faly, sns…

4. Manantena tsara,
lzahay mpanomponao
Mba handray ny zara,
Tehirizinao ;
Rehefa maty izahay,
Ka entinao an-danitra ;
Ho azonay ny lova soa,
Hatolotrao anay;
Faly dia faly, sns…

540 – Hitako ny làlan-tsara

1. Hitako ny làlan-tsara,
Ka hizorako izao,
:,: Azoko ny famonjena,:,:
Ka hotanako tokoa
:,: Manampia,:,:
Ry Fanahy Masina.

2. Ravoravo aho, Jeso!
Hianao no Tompoko;
:,:Faly aho, ry Mpamonjy!:,:
Afakao ny heloko;
:,: Gaga aho :,:
Noho ny fanavotanao.

3. Fitiavana ihany
No natolotrao anay;
:,:Nefa kosa fahotana:,:
No navalinay Anao:
:,: Aza isaina :,:
Re ny hadisoanay.

4. Ny mpanota hilazako
Ny Mpamonjy tànako;
:,:Hilazako fa ny rany:,:
No nataony avotra;
:,: Matokia,:,:
He, ny fitiavany!

542 – Jehovah no anjarako

Jehovah no anjarako,
lzaho tsy halahelo,
Fa jeso no Mpanavotro.
lzaho ho ravoravo.
Maro no tia harena,
Betsaka no mila vola,
F’izaho efa manana,
Jehovah no anjarako,
Ny didiny no mamiko,
Ny asany no tiako,
Ny teniny mahahendry,
Ny ran’ny Zanany
No mahadio.
Tsy mba mamiko ny tany,
Tsy sitrako ny filàny,
Omeko veloma izany;
Jehovah no anjarako,
:,: Anao tokoa, ry Jesosy,
Ny fanahiko, rehetra;
Ataovy ho Anao aho,
Hianao no anjarako.:,:

193 – Tahio, re, ny teninao

1. Tahio, re, ny teninao,
Ankalazao ny Zanakao,
Izay nasandratrao, ry Ray,
Ho kiady sy ho aronay.

2. Ry Jeso ô! Mpanjakanay,
Ampandreseo izahay;
Ho menatra ny rafinao,
Raha hitany ny herinao.

3. Ry Mpampionona anay,
Ampikambano ho iray
Ny sampam-piangonana,
Hiray am-pitiavana.

194 – Andriananahary ô

1. Andriananahary ô,
Endrey ny voninahitrao ;
Ny tany sy ny lanitra
Mamelatra ny lazanao !
Ny asanao rehetra
He, ny famonjena lehibe
Mitari-dalana anay
Hidera ny Anaranao !

2. Ry Zanak’ondry Masina,
Jesosy izay isaoranay !
He, Ianao niantra anay
Ka nentinao ny otanay ;
Ny menarana resinao,
Ny fasana vinakinao
Ka Ianao nanokatra
Ny lanitra hidiranay !

3. Ô, ry Fanahy Masina
Izay mitarika anay
Hanetry tena sy hanaiky
Fa mpanota izahay ;
Mitaona sy mananatra anay
Handray ny avotra
Ka manamasina anay,
Mba raiso ny fisaoranay !

4. Ny voavonjy mbamin’ny
Anjely mankasitraka ;
Ny tany sy ny lanitra
Mikambana hanandratra
Anao, ry Ray sy Zanaka,
Anao Fanahy Masina
Izay maneho famonjena
Feno fitiavana !

195 – Andriamanitra Ray

1. Andriamanitra Ray
loharanon’ny aina,
Masina, masina, re,
Hianao ka deraina,
Fa manome fahasoavana be,
Soa tsy tratry ny saina.

2. Ô, ry Jesosy Mpamonjy,
Mpanjaka mahery,
Tonga taty mba hampody
ny zanaka very,
Raiso izao ny fiderana Anao,
Saotra aman-daza sy hery.

3. Ry Mpampionona ô,
Mpanazava ny sainay,
Mba ampinoy izahay,
ka havaozy ny ainay.
Mba hazavao ny manantena
Anao;
Raiso ny hira hirainay!

196 – Ry Rainay ao an-danitra ô

1. Ry Rainay ao an-danitra ô
Izay mendrika ho deraina,
Mahery sy be indrafo,
Tsy takatry ny saina,
Izahay dia tonga zanakao,
Ka faly manana Anao:
Mihoby sy miravo!

2. Izahay miondrika aminao,
Midera Anao tokoa,
Fa be ny fitiavanao,
Ry Ray mpanisy soa;
Anao izao rehetra izao,
Ho vitanao izay tianao,
Andriananahary.

3. Ry Jeso Kristy Tomponay
Mpanjaka manan-kery,
Izay any an-kavanan-dRay,
Mpanavotra ny very,
He, any no ifonanao
Ho an’izay navotanao,
Fa resinao ny ota.

4. Ny ranao no nalatsakao,
Fanati-tsaro-bidy!
Ny ainao no atohanao
Ny olonao mpiady.
Na aty na ao an-danitra
Jesosy Kristy tokana
Ho avotra sy vonjy.

5. Ry Mpampianatra mahay,
Fanahy Mpanazava,
Ampianaro izahay
Handroso lalandava,
Tariho ny fanahinay,
Honenanay rahatrizay
Ary an-danitra Amen!