FF 41 – Jesoa no Mpanavotra

O! iza, iza?
Iza no hamonjy ahy
Iza, iza no hamonjy ahy re ?
Fa rerak’aho e
Fa dia reraka
Milonjy entam-pahotana
Fahotana be

O! manatona
Manatona an’i Jesoa
Fa Izy ihany
Izy no hamonjy anao
Fa noreseny
Efa noreseny na
Ny fasan’aza dia
Ny fahafatesana ! Ny fasan’aza !
Efa noreseny izao
Ny fahafatesana ‘lay fahavalonao
Ka mba mifalia !
Mifalia ianao
Fa Jesoa Tompo no
Mpanavotra anao

Ry Jesoa Tompo ô !
Ry Jesosy Tompo ô !
Mba raiso re ny foko
Ho anao izao !
Fa famonjena fanavotan-dehibe
Sy avotr’aina koa
No he atolotrao Fa novonoina !
Novonoina Ianao
Hisolo voina
Mba hisolo voina anay

Fa noresenao
Efa noresenao na
Ny fasan’aza dia
Ny fahafatesana
Ny fasan’aza !
Efa noreseny izao
Ny fahafatesana ‘lay fahavalonao
Ka mifaly re !
Ka mifaly izahay
Fa Jesoa Tompo no
Mpanavotra anay !

492 – Izaho mino ny Mpamorona

1. Izaho mino ny Mpamorona,
Mpanao ny tany sy ny lanitra;
Izaho manam-panorenana,
Fa manan-dRay ary an-danitra.

2. Izaho mino ny Mpanavotra,
Ny rany masina no mamiko,
Ny momba Azy dia sambatra,
Ny diany no mba harahiko.

3. Inoako ny Mpanamasina
Mpananatro sy Masoandroko
Izaho omeny afo masina,
Mba ho madio ny fiainako

FF 40 – La Nuit du Salut

1. C’était La Nuit du Salut
On s’en souvient à présent
Car le Seigneur très riche
Naquit en ce moment-là
C’est un Amour fort étonnant
Que Dieu a bel et bien montré

Fiv : Le coeur est rempli d’immense gaité
De joie, de bonheur éternels
On clame tout haut
La Chanson du Ciel : Haleluia !

2. C’était La Nuit du Salut
On s’en souvient à présent
J’ai conclu avec Le Seigneur
Le pacte de rédemption
A lui j’ai donné tout mon corps
Pour moi, son sang est mon rachat

3. C’était la Nuit du Salut
On s’en souvient à présent
Des pécheurs innombrables
Héritent la belle vie
Cette nuit réconciliante
Etait porteuse de la Paix

4. C’était La Nuit du Salut
On s’en souvient à présent
Mon Jésus s’est rabaissé
Par sa suprême pitié
O ! bel Amour rendant égaux
Les riches et les malheureux

491 – Inoantsika marina

1. Inoantsika marina
Ny Mpamorona Tsitoha,
Isika dia natsangana
Mba ho zanany tokoa,
Hanina sahaza omeny,
Ary be ny famonjeny,
Amin’ireo loza maro
Dia Izy no Mpiaro,
Inoantsika ao am-po
Fa izy marina sy to.

2. Jesosy Kristy Zanany
No inoantsika koa;
Isika dia fananany,
Fa navotany tokoa.
Izy Zanak’i Maria,
Dia rahalahy tia;
Maty ka natao, ho very,
Fa nitsangana amin-kery,
Niakatra ao an-dapany
Hitsara ao am-parany.

3. Ka ny Fanahy Masina
No inoantsika koa,
Ny fiangona-masina
No naoriny tokoa;
Ao isika dia mahita
Famonjena efa vita;
Afaka ny helotsika,
Fo vaovao no raisintsika;
Isika dia hatsangana
Ho velona ao an-danitra.

490 – Ry Kristiana, andrandrao

1. Ry Kristiana, andrandrao
Ny Tompo sy Mpanjakanao,
Fa Izy no Mpiaro;
Ka aza taitra hianao,
Na dia manakora izao
Ny fahavalo maro;
Omban’ny Tompo hianao,
Ka aza atahoranao
Ny rahon’ny mpamely.

2. Fa indro tsy rendrehana
Ilay Mpiambi-masina,
Izay Tokin’Israely,
Fantaro, marina izao:
Izay ataon’ny rafinao
Aoka ho azy izany;
Fa andrandrao ny lanitra,
Anao Andriamanitra,
Anao ny fanjakany.

FF 38 – Mba todihonao ny lasa

1. Mba todihonao ny lasa
Dia ho hitanao ny asa
Nandaniana ny fotoana
Fa dia vita mora foana

Fiv : Mitsangàna, sahia ! (sahia !)
Mijoroa, mitoria (mitoria !)
Aza kivy, sanatria
Fa aminao Kristy.

2. Eny, tsara ho tsaroana
‘Reo adidy nokoloina
Maro koa no tsy tontosa
Nampitsoaka ny kanosa
Mitsangàna, sahia ! sns…

3. Aoka hiezaka hatrany
Mba hanarina izany
Fa hipetraka ho tantara
Ho an’ny zanak’amam-para
Mitsangàna, sahia ! sns…

489 – Tena sambatra sy maha-te ho tia

1. Tena sambatra sy maha-te ho tia
Izay masina, madio fisainana
Fa miara-dalana, mifankatia
Amin’Andriamanitra Fiainana.

Fiv : Masina tokoa re ny Tompo.
Tianay mba ho masina
Saina tena sy fanahy
Ka fiainan-danitra tokoa
No santarin’izay
Mino sy manoa.

2. lndro, mampahery, mahatoky koa
Raha mahitsy ny fijery, soa ny fo;
Fa ny fo madio sy masina tokoa:
Paradisa an-tany, feno zava-tsoa.
Masina tokoa, sns…

3. Koa halaviro ny fitaoman-dratsy,
Ny fisaikazana tsy mba masina;
Fa ny tia ny Tompo, dia olon-tsoa mitafy
Fahadiovan’ny Fanahy Masina.
Masina tokoa, sns…

4. Miaraha lalana amin’i jesosy
Fa ny fahavalo ta-hamotraka;
Mijoroa, reseo ny toetra mampihosina
Ao anaty loto sy ny fotaka.
Masina tokoa, sns..

292 – Izahay natao batisa

1. Izahay natao batisa,
Voarain’ny Tomponay,
Ary efa voaisa
Mba ho zanaky ny Ray;
Voavelany tokoa
ny fahadisoanay
Nefa mbola mora resy
Mora simba izahay.

2. Na ny asa, na ny teny,
Na ny hevitra ao am-po,
Mbola tsy madio ireny,
Ka diovy, Tompo ô!
Mora aminay ny ratsy,
Sarotra aminay ny to;
Mba ampio tsy ho resy
Izahay, ry Tompo ô!

3. Raha mbola aty an-tany
Izahay izay zanakao,
Mba ampio tsy ho lany
Ny finoanay Anao.
Ry Jesosy Tompo soa,
Tano mafy izahay,
Mba ho azonay tokoa
Izay anjara lovanay.