488 – Na inona na inona hitranga, Jeso !

1. Na inona na inona hitranga, Jeso !
Na ny lanitra ho manga, Jeso !
Na ho maloka mangina, Jeso !
Dia ho feno fifaliana, Jeso !

Fiv : Ny fotoana dia handalo, Jeso !
Fa tsy hisy hampimalo, Jeso !
Raha miorina ao am-poko, Jeso !
Ilay fitiavanao inoako, Jeso !

2. Raha jereko ny andro lasa, Jeso !
Tao ny tsiky, tao ny ratra, Jeso !
Nefa Ianao, Ilay Mpampahery, Jeso !
No nambomba sy nijery, Jeso !
Ny fotoana, sns…

3. Ny ho avy antenaiko, Jeso !
Mbola ho fifalian’ny saiko, Jeso !
Ny hasasarako hisava, Jeso !
Ny harivako hazava, Jeso !
Ny fotoana, sns…

FF 37 – Fa tsy misy fahoriana

1. Fa tsy misy fahoriana
‘Zay natolotrao anay
Ka nitarika hakiviana
Satria efa zakanay
Noho’lay vesatra indrindra Mafy,
sy manonja koa
lzay nentinao namindra
Raha novonoina lanao Jesoa !

Fiv : Ny faniriam-panahy
Hiaraka Aminao
Hamelona ahy ho sahy
Hiasa ho Anao
Ny Famonjena soa
‘Zay nomenao ry Ray
No anton’ny fiainanay

2. Fa tsy misy hafaliana
Tena mampifaly anay
Raha tsy ilay fitahiana
Avy Aminao ry Ray
Fa tsy misy koa fitia
Hahasambatra anay
Raha tsy lanao ry Tompo tia
No mitoetra anatinay

3. Ny fisainanay ‘zay kely
Tsy mahatakatr’indraindray
Fa lanao, lanao irery
No toky iankinanay
Ny finoana mila hivaha
Tsy mahasedra sarotra
Ampijoroy tsy hanahy
Ho finoana matotra

FF 36 – Mifalia

1. Vahoaka sesehena
No miara-paly izao
Miventy ny Antema
Dia hira vaovao
Injao ny fiderana
Manakoako ery
Maneho fanajana
Ho an’ilay Mesia

Fiv : lza àry no tsy hifaly (Mifalia, mihobia)
Hisaotra ao am-po
(Misaora ao am-po)
Fa afa-doza, afa-jaly
(Afaka ianao)
He! famonjena tokoa
(0!) Mihirà, mihobia
Afaka ianao
Teraka ny Tompo Tia
Resy ny rafinao

2. Tsy ireo Anjely ihany
No faly ao am-po
Ny mpino eto an-tany
Miravo avokoa
Fa indro ny Mpamonjy
Mpanjaka be fitia
Nietry an-tranon’omby
Hamonjy ny mania

487 – Fanavaozana izay mahagaga tokoa

1. Fanavaozana izay mahagaga tokoa
Nomen’i Jeso ahy re !
Fahazavan’ny fanahy izay mahafa-po
Nomen’i Jeso ahy re !

Fiv : :,:Hatramin’izao dia endrey :,:
Ny fitempon’ny foko izay ravo tokoa
Onenan’ny Tompo Jeso !

2. Ny fiainako be siasia taloha
Voaova mihitsy izao !
Eny, ny fahotako izay nahavoa
Voasasany koa izao !
Hatramin’izao, sns…

3. Ny finoako, ny fanantenako dia be,
Ny tokiko fatratra koa ;
Ny fisalasalana dia levona re,
Ny saiko mandroso ho soa !
Hatramin’izao, sns…

4. Tonga mamirapiratra fatratra ery
Ny aloky ny faty re !
Ka dia tsinjoko ilay vavahady ary,
Mankao an-tanàn-dehibe !
Hatramin’izao, sns…

5. Tsy miato, mizotra mankany tokoa
Ny diako hatramin’izao ;
Hovantaniko any Ilay Tompo soa,
Jesosy malala no ao !
Hatramin’izao, sns…

814 – Tsara re, ny lanitra

1. Tsara re, ny lanitra
Sady mahafinaritra!
Ao ny Rainay be fitia,
Ao ny zaza tsy mania,
:,: Ao ny fifaliam-be.:,:

2. Ondry kely izahay,
Ary tsy mba fantatray
Ny hanio aty an-tany,
Ka maniry mba ho any
:,: Aminao, ry Tomponay:,:

3. Ry Mpiandry Tsara Ô!
Aoka mba hamindra fo
Aminay izay mbola kely
Mba iraho ny anjely
:,: Ho mpiambina anay:,:

291 – Efa tonga zana-dRay Tsitoha hianao

1. Efa tonga zana-dRay Tsitoha hianao,
Ry tanora, tamin’ny batisa masina;
Izany no tenin’ny Tompo

2. Koa aza manadino ny batisanao,
Zava-tsoa sarobidy efa azona;
Tamin’ny ranon’aina.

3. Famelana heloka sy fahasoavana
Fanavaozana ny fo sy fiadanana;
Samy nomen’ny Mpamonjy.

4. Dia arahonao Jesosy, fa Mpamonjinao;
Aoka hahafaly Azy ny fiainanao;
Tovy izay Sitrapony!

5. Mivavaha, miambena ao an-dalana!
Misy fahavalo fetsy ta-hamitaka
Ny ondrikelin’ny Tompo

6. Mahatoky ny Mpamonjy, aza kivy fo,
Izy hampionona, raha avy ny manjo;
Azy ny hery rehetra.

7. Ary raha tapitra ny andronao aty
Endrey ny fifalianao rehefa mby ary;
Amin’ny Tompo Jesosy!

813 – Tia zaza

1. Tia zaza,
Tia zaza,
Ny Jesosinay!
Lanitra nafoiny,
Zaza notrotroiny
Tia zaza,
Tia zaza
Ny Jesosinay.

2.Trano tsara,
Tany tsara
Namboariny,
Trano be anjely,
Ho anay izay kely,
Trano tsara,
Tany tsara
Namboariny.

3. Voankazo,
Voninkazo,
Tsara fofona,
Tsy halazo intsony
Ao Edena ambony
Voankazo,
Voninkazo,
Tsara fofona.

4. Zazakely
Sy anjely,
Samy sambatra;
Hira no hirainy
Ao an-tranon-dRainy.
Zazakely,
Sy anjely,
Samy sambatra.

5. Seza tsara,
Lamba tsara,
Ho antsika ao;
Hiakanjo lava
Fotsy lalandava.
Seza tsara,
Lamba tsara,
Ho antsika ao.

6. Ento mora,
Ento mody,
Jeso, izahay,
Ho an-tranon-dRainao,
Fa ao no tranonay
Ento mora,
Ento mody,
Jeso, izahay.

812 – Ry Jeso Zokinay ô

1. Ry Jeso Zokinay ô!
Jeso malalanay,
Henoy ny vavakay izao;
Fa zandrinao izahay.

2. Batisa no nandio
Anay ho zandrinao,
Ka dia mba tahio
Hanaraka Anao,

3. Ry zokinay malala,
Arovy izahay
Fa be ny manadala,
Manimba ny fonay.

4. Ry Zokinay malala,
Trotroy ny zandrinao,
Rehefa mba hiala
Ho any aminao.

811 – O, rankizy izay mivory

1. O, rankizy izay mivory,
Mba derao ny Tompo soa,
Ka ny fonao atolory,
Ny fanahy tena koa.
:,:Mba venteso re ny hira,
Ka derao ny Tomponao.:,:

2. O, Ry Tompo be fitia,
Mba henoy ny zanakao;
Fa miantso hoe, Avia!
Mànatreha anay izao !
:,:Izay hataonay re tahio
Ho madio sy masina:,:

3. Mba tolory fahendrena
lzahay madinikao,
Ka omeo ny famonjena
Hifikirana aminao,
:,: O, tarihonao ny dia
Hahitana Anao, ry ray! :,:

4. He ny fonay manontolo,
Izay mangetaheta re,
Dia atolotray daholo,
Aza dia lavina e!
:,:Mba onenonao ny fonay
Ho Anao mandrakizay! :,:

FF 35 – Ry Tomponay ô avia

1. Ry Mpamonjiko Ray Malalako ou ou ou
Mifona Aminao ty zanakao mitalaho Tompo ô
Fa diso taminao izahay ka mangataka ou ou ou
Famelana sy famindrampo avy Aminao Ray ô !

Fiv : Ry Tomponay ô avia omeo Anay izao anio izao
Ny fo madio sy Masina Anananao
Dia tsy ho very na hoe mbola ho diso ihany indray
Ny tena sy Fanahy izay anananay

2. Ry Mpamonjiko Ray Malala ou ou ou
Be tokoa ireo ota efa vita sy nambabo anay
Ka angatahinay Aminao sy irinay koa ou ou ou
Famelana sy famindrampo avy Aminao Ray ô !