809 – Jeso Sakaizan’ny zaza, Tompo tokoa

1. Jeso Sakaizan’ny zaza, Tompo tokoa,
Jeso Sakaiza malaza, Mihainoa!.

2. Zaza izahay mitaraina Aminao;
Mbola marefo ny aina, Tanonao.

3. Jeso, Sakaiza malala, Tokinay,
Aoka mba tsy ho adala izahay.

4. Jeso ô, ampianaro izahay.
Jeso ! avia hiaro ny dianay

5. Zaza izahay, ka sakano tsy hania,
Kely izahay, ka tantano, jeso tia.

6. Ary ny ray aman-dreny raisonao,
Aoka ny fony homeny Anao.

7. Jeso, Sakaizan’ny zaza, Tompo koa !
Jeso, Sakaiza malala! Mihainoa

FF 34 – Tompo Malala ô !

1. Tompo Malala ô ! Mpanjakako Ianao
Tamy aho fa resy lahatra
Noho ny famonjena vitanao
Eny, ry Tompo, tsy ho haiko adinoina intsony re
Ny fitiavana nasehonao

Fiv : Ka anio no hanavaozako ny fanompoko Anao
Fa tsy ho voavaliko, izay natolotrao
Ny fitiavana natolotrao,
Ka raiso, Tompo, ekeo re sy anjakao
Ny fiainako ho voninahitrao.

2. Tompo Malala ô ‘lay hazo fijaliana
Niaretanao tao Kalvary,
Niaretanao Mpamonjiko
No nanehoanao fa tianao ity mpanota izay
Tsy mendrika Anao akory ity
Ka anio no anavaozako, sns…

3. Tompo Malala ô ! tsy ho adinoiko intsony
Ny fitiavana natolotrao
Ny fitiavana natolotrao
Eny, ry Tompo, ity izaho izay voababonao
Fa vonona hanao ny sitrakao
Ka anio no anavaozako, sns…

808 – Eo an-tratranao Jesosy

1. Eo an-tratranao Jesosy
Dia mahafinaritra;
Fa ny hafa mampahory
Ka tsy mahasambatra.
Raha Hianao no aro
Afaka ny tahotro,
Raiso ho Anao ny foko
Ry Jesosy tia ô.

2. Mampifaly ahy koa.
Jeso, ny fitianao;
Zara mamiko tokoa
Izany ampofoinao;
Na matory na mifoha
Dia eo an-tratranao;
Ry Mparnonjy Tompo soa,
Hoderaiko Hianao.

3. Izaho tena tsy tamàna,
Raha lavitra Anao
Fa mitebiteby lava
lzay tsy eo ankaikinao;
Eo an-tratranao, Jesosy,
Tsara hitoerako,
Eo ihany e! no misy
Zava-tsoa mahafa-po.

FF 33 – Inty aho Jesoa !

1. Inty aho Jesoa !
Miantso ahy Hianao
Na dia tsy mendrika e
Manolo-tena izao
Hianao no nifidy
Tsy haiko ny handà
‘Ty antso sarobidy
Ry Tompo, mamelà
Ny heloko rehetra
Diovy aho, havaozy
Ho olom-baovao
Hanao ny sitrakao
Ho mendrika tokoa
Ny antsonao Jesoa.

2. Inty aho Jeso miantso ahy Hianao
Ny fahalemeko anie
Ry Tompo fantatrao
Hianao no nifidy
Sy maniraka ahy
Avy Aminao Jesoa
Ny herin’ny fanahy
Ho entiko manao
Ny asa atolotrao
Fa sarotra e ny dia
Ry Tompo manampia
Ho mendrika tokoa
Ny antsonao Jesoa

3. Inty aho Jesoa
Miantso ahy Hianao
Mba ho fahazavan’
Izao tontolo izao
Hianao no nifidy ahy
Ho fanasina
Hanefa ny adidy
Lehibe sy masina
Koa hamasino, Tompo
Fa vonona aho hanompo
Hombay ny herinao
Hitondra aim-baovao
Ho mendrika tokoa
Ny antsonao Jesoa

FF 32 – Aza avela hahalala

1. Aza avela hahalala
Ny antony nanaovanao
Ny hariva mamanala
Na ireo maraina vao

Fiv : Tsy ho takatry ny saiko
‘Zay rehetra lahatrao
Ny angatahako, ry Raiko
Aoka aho hatoky Anao

2. Aza avela hanontany
Ny hafaliana atolotrao
Na ny anton’ny tomany
Efa hitako hatrizao
Tsy ho takatry ny saiko, sns…

3. Aza avelanao hanefy
Ny ampitso ‘zay anao
Aza avelanao handrefy
‘Zay ho fitantananao
Tsy ho takatry ny saiko, sns…

807 – Manatona re, rankizy

1. Manatona re, rankizy,
Ny Mpamonjy avotrao,
Fa henoy miantso Izy,
Izao fotoana anio izao.
« Zaza be faniasia,
Miverena hianao;
Ondry kely, malakia,
Manaraha Ahy izaol »

2. Ny devoly andosiro,
Ka ny ota ialao,
Fa ny tsara no fikiro,
Tiavo re Jesosinao;
Miovà ka manenena
Noho ny ota izay natao,
Raisonao ny famonjena
Ka hazony hatrizao.

3. Miaingà ka manompoa
An’i jeso Tomponao,
Tanteraho avokoa
Ny anjara asanao;
Halaviro re ny laina,
Miasà ka mazotoa,
Hatanjaho re ny saina,
Mahareta, mandrosoa.

FF 31 – Mihirà ry manampofonaina

1. Mihirà ry manampofonaina
Mikaloa sy mitsikia
Tapaka ny gadra nolonjena
Afak’i Jesosy be fitia
‘Lay Edena nihidy tany aloha (nihidy aloha)
Noho ny ota ratsin-drazantsika
He midanadana sy mivoha
Ka idiro itondray mozika

2. ‘Lay satana tena fahavalo
Resy teo ka voakodia
Koa herezo aza mimalo
Tokinao anio Ilay Mesia
Ry voahosotra hitondrana famonjena
(Ry voahosotra famonjena)
‘Ndreto ento ho anao ‘zahay
Dia izahay izay miferin’aina
Noho ny ota izay mpahazo anay

3. Afaka izahay ankehitriny
Tonga ny Mpanavotra anay
Ka ilay gehenanay fahiny
Voasolo paradisa indray
Koa isaoranay tokoa tokoa (Koa isaoranay tokoa)
Ianao ry Rainay be fitia
Dia Hianao Jehovah Ray tsitoha
Nanome anay ilay Mesia

806 – Avia ry zaza, avia izao

1. Avia ry zaza, avia izao
Fa indro ny Tompo miandry anao,
Lazao an’i Jeso ny zava-manjo
Fa Izy onena ny ory am-po.

2. Jesosy Mpamonjy nanavotra anao,
Ka zaza malalany koa hianao.
Ka dia matokia tokoa eram-po,
Fa Izy Mpanjaka mahery sy to.

3. Jesosy no tsy manadino anao,
Tsarovy izany ka mba andrandrao
Ny Tompo malala izay be indrafo,
Anao re ny lova tsy mety ho lo.

4. Sasaonao ny foko, Mpanavotra ô.
Ho tonga madio sy mendrika Anao,
Ho sambatra aho hahita Anao,
Mpamonjiko tsara ao an-danitra ao

805 – Izao rehetra izao dia mankalaza Anao

1. Izao rehetra izao dia mankalaza Anao,
Ry Ray Mahery Tomponay tokoa
Ny zava-boahary no asan-tànanao
Ka tsara indrindra sady soa.

2. Miondrika aminao izahay madinikao,
Midera Anao, ry Rainay be fitia
Ampio izahay, ary mba arovinao
Ny fonay mba tsy haniasia.

3. Ry Rainay be fiantra, tariho izahay
Ho tonga zaza tia ny mazava,
Hifaly ao an-danitra ao rahatrizay,
Ho sambatra any lalandava.