486 – Inona no hahasaraka ahy

1. Inona no hahasaraka ahy
Amin’ ny fitiavanao, Jeso?
Fahoriana ve, sa ahiahy?
Fahantrana, sa famoizampo ?

Fiv : Tsia, ry Jeso Tompo be fitia,
Izaho tsy mivadika Aminao
Fa mandrakizay doria doria
Izaho dia hanaraka Anao.

2. Inona no hahasaraka ahy
Amin’ ny fitiavanao, Jeso ?
Zo sy laza sy fakampanahy?
Sa harena, zava-mora lo?
Tsia, ry Jeso, sns…

3. Inona no hahasaraka ahy
Amin’ ny fitiavanao, Jeso?
Sabatra, sa fanenjeha-mafy?
Sa mosary, ady be manjo?
Tsia, ry Jeso, sns…

4. Inona no hahasaraka ahy
Amin’ ny fitiavanao, Jeso?
Faty ve no hampivadika ahy,
Loza, hery, fahefana koa?
Tsia, ry Jeso, sns…

5. Eny, izao rehetra izao, ry Tompo,
Tsy mba hahasaraka Aminao!
Na inona hanjo ity mpanompo,
Dia hijoro, tsy handao Anao!
Velona aho, Tompo, eny maty,
Dia tsy mivadika Aminao!
Hianao no velona ao anaty,
Ka doria, ny foko ho Anao!

804 – O, ry Fanahy Masina

1. O, ry Fanahy Masina,
lzahay ampionao
Fa izahay madinika
Maniry ho Anao.

2. Ny fonay dia maizina,
Ka tsy mba fantatray
Ny tena làla-marina;
Tariho izahay.

3. Mba amorony fo vaovao
lzahay mpanomponao,
Ny ratsy mba esorinao
Hitiavanay Anao.

4. O, ry Fanahy Masina!
Mangataka izahay:
Mombà anay madinika,
Henoy ny hatakay,

803 – Avia ry Fanahy ô, ho eto aminay

1. Avia, ry Fanahy ô!
Ho eto aminay
Ny fanahinay mba fenoinao
Ny hasoavanao.

2. Maloto ny fanahinay,
Ka mba diovinao;
Tsy mahomby re ny fihevitray,
Mba amboarinao.

3. He, zaza osa izahay,
Ka mba tantanonao,
Be ny ratsy izay te-hitaona anay
Ampio ny olonao.

4. O, ry Fanahy hendry ô,
Miandry izahay,
Manantena Anao hanadio ny fo
Henoy ny hatakay.

802 – Misy ny fonenana

1. Misy ny fonenana
Vita re, ho ahy,
Tany ifaliana
Mamin’ny fanahy;
Ao tsy misy tahotra,
Ao ny Tompon’avotra,
Hira mahafinaritra
No ataon’ny any.

2. Saotra no hataoko ao,
Faly fa nandresy;
Hiakanjo fotsy vao,
Haingon’ny mpandresy.
Ny anjely masina
Hiaraha-monina,
Jeso Tompo marina
Hiampofo ahy.

3. Izaho voavidinao,
Ry Mpamonjy tsara,
Sady namboaranao
Lova tsara fara.
Koa mba arovinao
Toy ny ondrikelinao
Izaho izay fanananao,
Ry Mpiandry Tsara!

801 – Izaho dia zaza, malemy osa fo

1. Izaho dia zaza
Malemy, osa fo,
Fa na izany aza,
Mba ondrin’i Jeso.

2. Ary an-danitra Izy
Mitsinjo ahy koa,
Satria ny ankizy
Dia tiany tokoa.

3. Anefa koa akaiky
Jesosy mamiko,
Fa Izy dia manaiky
Ho eto amiko.

4. Manafa-tahotra ahy
Ny tsorakazony,
Manaisotra ahiahy
Ny fitiavany.

5. lzao tsy mbola hita
Ny endrik’Izy izay,
Fa raha ary am-pita
Ho tafahaona indray.

485 – Moa Jesosy ve tsy ahy?

1. Moa Jesosy ve tsy ahy?
Andriamanitra mahery
Koa nahoana no hanahy
Izy miambina, mijery.
Fahavalo na dia maro
Tsy mba mahakasika ahy
Izy no ampinga miaro,
Koa izaho tsy hanahy.

2. Moa Jesosy ve tsy ahy?
Ilay Mpanolotsaina hendry
Koa tsy kivy fa ho sahy
Amin-java-tsoa kinendry.
Tsy manaonao foana
Fa tarihin-Kapiteny.
Tsy manahy satria nahoana?
Ao ny saina izay nomeny.

3. Moa Jesosy ve tsy ahy?
Ilay Jesosy mahagaga.
Mpanasitrana, Mpitahy
Ka ahoako izay hitranga?
Ranomasina aza tao,
Nampangininy ka tony;
Hainy mihitsy ny manao
Hahato ny sitrapony.

4. Moa Jesosy ve tsy ahy?
Rain’ ny mandrakizay, eny!
Velon-toky ny fanahy
Izay nekeny, novonjeny,
Koa na ory sy mijaly
Aza aho ety an-tany,
Vetivety dia hifaly :
Mampaninona izany?

5. Moa Jesosy ve tsy ahy?
Ilay Andriampiadanantsika.
Andriamanitra Mpiahy,
Fitahiana feno hika.
Famonjena efa vita
Hofikiriko hatrany,
Fahasoavana hampita,
Any am-paradisa any.

FF 30 – Fo mitambatra ho iray

1. Fo mitambatra ho iray
No entina eto izao
Mitrotro ny fitia
Hohamasinin’ Andriamanitra
Hitombo hery sy
Hamerovero koa
Ka hifanaiky ireo olon-droa
Fa hiombom-piainana
Na inona miseho eto an-tany
Dia vonona hifampitantana

Fiv : Fitiavana toy ny an’llay Jesoa
Fitiavana manolotra ny aina
Fitiavana mandresy fahotana
Fitiavana ho mandrakizay doria

2. Toy ‘zao androany izao
‘Lay nofinofy izay
Niainanay taloha
Ka indro fa miara-belona,
Miara-tsambatra
Anivon’ ny fitia
‘Lay dina izay
Niarahana nikolo
No hamafisina ho doria
Hotehirizina ho vaovao
Handrobona, hitombo hasina
Fitiavana toy ny an’llay Jesoa, sns…

FF 29 – Tsy mba hisy reharehako

1. Tsy mba hisy reharehako
Toy ny hazo nijalianao Jeso (Jesosy ô !)
Eo amin’izay rehetra halehako
Izany no voadiko Aminao
He! izao rehetra izao ekeko (ry Jeso)
Mora lo sy tsy maharitra tokoa (kanefa Jeso)
Fa ny fitiavanao jereko
Ry Jeso tsy niala tamiko

2. Tsy mba hisy fanorenako
Raha ny eto an-tany eto Raiko ô
Fa ny lanitra no ho fonenako
Izany no mba faniriako
He! izao tontolo izao tazaniko (tazaniko)
Rendrarendr’izay mamitaka avokoa (kanefa Ray ô !)
Fa ny eo anilanao no mamiko ry Raiko
Raiso aho ho Anao .

484 – Ireo didinao, Jehovah Ray

1. Ireo didinao, Jehovah Ray;
Izay tianao hankatoavinay
Dia rehareha sy voninahitra,
Satria filamatry ny ao an-danitra.
Ilaina mba hiseho, fa tsy hiery,
Ho fisintonana ireo izay very;
Fa antoky ny fiainanay,
Hatramin’ izao, mandrakizay.

2. Ny fitsipikao, Tomponay
Izay nomenao mba harahinay,
Dia mampifantina izay anjara soa
Ka manamboatra sy manatsara,
Mampisy endrika itony tena
Sy manazava ny firenena,
Ka antoky ny fiainanay,
Hatramin’ izao, mandrakizay.

3. Ireo teninao, Jesosinay
No hany zavatra ivelomanay,
Fa tanjaka tokoa, tena hery be
Hahafahanay ny lalana mideza re,
Sakafo mahavelona ny aina,
Sy mampiravo tokoa ny saina,
Tena antoky ny fiainanay,
Hatramin’ izao, mandrakizay.

20 – Tsaroanay tokoa izao

1. Tsaroanay tokoa izao
Ny soa be noraisinay
Tsy tapaka avy taminao,
Ry Andriananaharinay !

2. Ny lasa itodihana
Dia mampiseho avokoa
Ny tanam-pitiavana
Miahy sady manasoa !

3. He koa ‘ty andronay ity
Izay diavinay izao,
Dia voahodidina ery
Ny fitahiana aminao !

4. Dia tokinay tokoa izay
Fa mbola ho arovanao
Anio, ampitso, rahatrizay,
Izay miankina Aminao !

5. Ka dia mba velomy re
Aty anatinay ny fo
Hahay misaotra Anao anie,
Ry Rainay be famindram-po !