19 – Misaotra Anao zahay izao

1. Misaotra Anao zahay izao
Jehovah Ray!
Fa efa notohizanao
Ny andronay,
Ka tonga aty an-tranonao,
Indray zahay.

2. Misaotra Anao ‘zahay izao,
Ry Mpanome!
Ny soa avy aminao
Tsy lany re,
Fa isan-andro misy vao,
Ka maro be.

3. Misaotra Anao’zahay izao,
Ry Rainay soa!
Ny helokay navelanao,
Nefa iza moa
No mahalaza izay natao?
Fa be tokoa.

4. Misaotra Anao’zahay izao,
Ry mora fo!
Ny mafy tsy sakananao
Tsy mba hanjo,
Fa be ny fanirianao
Anay hadio.

5. Misaotra Anao’zahay izao,
Ry Tomponay!
Ao aminao an-danitra ao
Honenanay,
Fa misy fitsaharana ao
Mandrakizay.

18 – Ny feonay rehetra izao

1. Ny feonay rehetra izao
Dia entinay midera Anao,
Ry Andriananaharinay !
Na ambany aza izahay,.
:,: Dia tianao,:,:
Ry Andriananaharinay !

2. Ny andronay rehetra izao
Dia entinay manoa Anao,
Ry Tompo sy Mpanjakanay !
Satria izao dia fantatray
:,: Fa tianao :,:
Ry Tompo sy Mpanjakanay !

3. Ny hevitray rehetra izao
Dia enti-mankalaza Anao
Ry Tompo mpanasoa anay !
Mpitahy ny fanahinay,
:,: Fa tianao.:,:
Ry Tompo mpanasoa anay !

4. Ny herinay rehetra izao
No iasanay ho Anao,
Ry aronay sy tanjakay !
Miezaka tokoa izahay
:,: Fa tianao :,:
Ry Aronay sy Tanjakay !

5. Rehefa halainao izahay
Ka tapitra ny andronay,
Hamantana any aminao
Izahay ary an-danitrao !
:,: Fa tianao :,:
Hamantana any Aminao !

483 – Zanahariko Tsitoha

1. Zanahariko Tsitoha,
Tompo, Hery sy Fitia,
Ray hatramin’ ny taloha,
Ahy anio, ka ho doria.
Manjaka mandrakizay
Ao am-poko, Tompo soa;
Dera, laza, Anao ry Ray !
Zanaka, Fanahy koa.

2. Ny finoako Anao,
Hatanjaho, mba hamoa
Hiasako ny asanao,
Hamafazako ny voa.
Aoka ny Fanahinao
Jiro mba hitarika ahy
Ka apetrako aminao
Na ny tena na fanahy.

3. Antenaiko, Hianao, Jeso
Izay Mpitsara lehibe
Hanamarina ahy ao,
Na mpanota aza re.
Dia hiezaka aho ety
Mba hanao izay mendrika
Hamindranao fo ary
Fa voavela heloka.

4. Ray ô, ny fitiavanao
Afindrao ho toetrako,
Mba hitiavako Anao,
Ary koa ny namako.
Ho mpanompo aho re!
Ho mpitory koa Anao!
Mba hanjaka an-tany e,
Tompo, ny fitiavanao.

17 – Haja sy voninahitra

1. Haja sy voninahitra
Omena an’Andriamanitra,
Fa Izy ihany no mahefa
:,:Izay s it raky ny font’:,:

2. Masina, tsy azo haratsiana;
Mahery, tsy azo resena;
Marina, tsy azo laingaina;
Hendry tsy azo fitahina

3. Ny am-po toy ny am-bava;
Ny maizina toy ny mazava;
Ny takona toy ny miseho;
:,: Tsy misy àry tsy hitany.:,:

4.Tsy miova ny fombany;
Lehibe ka tsy oharina;
Tia, tsy azo arovana;
:,: Miantra tsy azo ferana :,:

5.Saotra amam-bavaka atao
Dera sy laza ho azy;
Izy no ivavahana,
:,: Fa anton’izao tontolo izao :,:

482 – Jehovah ô! Hianao

1. Jehovah ô! Hianao nandinika ahy,
Ka fantatrao ny toe-piainako;
Ny fo sy saina mbamin’ny fanahy
Tsy miafina aminao, ry Tompoko!

2. Ka na mipetraka aho, na mandeha,
Izay rehetra ataoko hitanao,
He, fantatrao ny lalana haleha,
Ny androko dia eo an-tananao.

3. Na velona aho, eny, maty aza,
Ny tenako dia eo imasonao,
Ka toerana aiza, lalana mankaiza
No hialako tsy ho hitanao?

4. Ry Tompo! tena mahagaga loatra
Ny asanao sy ny fisainanao ;
Tsy misy saina mety mahatratra
Ny fahendrenao sy ny herinao.

5. Izao no hany zavatra iriko :
Velaro indrindra ny fitiavanao,
Hahaizako hametraka ny foko
Hionona eo am-pela-tananao

16 – Avia, ry vazantany ô!

1. Avia, ry vazantany ô!
Sy mponina ao an-danitra
Miraisa feo ka mihirà
Ny fanavotan-dehibe,
:,:Zay amonjena marobe
Dia vita re ka miderà.:,:

2. Avia, ry fiangonana ô!
Mba asandrato re ny feo
Hidera ny Mpanavotra;
Na aty an’efitra aza izao,
:,: Hirao am-pandehanana
Ny hira soan’i Ziona :,:

3. Avia, ry voavonjy ô!
Ka mifalia avokoa,
Fa afa-doza hianareo;
Miraisa feo ka mihirà
:,: Derao, derao fa mendrika
Ilay nanavotra anareo :,:

4. Avia, ry olom-bery ô!
Izay mandre ny teny soa
Hoe: « Manatòna Ahy ‘zao »;
Anio ny Tompo mba fidio
:,: Ny fitiavany valio;
Ny fiderany koa hirao :,:

399 – Ny sento ajanony, ry malahelo ô!

1. Ny sento ajanony,
Ry malahelo ô!
Ka aza misy intsony
Izay hamoy fo!
Fa indro ny Mpamonjy
Dia ao anilanao,
Ka tonga mba hamonjy
Sy hitondra anao.

2. Jesosy no nitory
Ny teny soa re,
Ny rera-po sy ory
Antsoiny mba handre;
Minoa fa ny ota
Dia voavelany,
Sakaizan’ny mpanota
No anarany.

3. Miposaka ny taona
Ankasitrahana,
Ka be ny voataona
Am-pitiavana.
Hevero, ry mahantra,
Izay anjaranao!
Jesosy be fiantra
No Mpamonjinao

481 – Ry Tompo be fitia !

1. Ry Tompo be fitia!
Izaho zanakao
Tantano tsy hania
Hiaraka aminao;
Fa mamiko tokoa
Ny eo akaikinao;
Tsy orin-java-tsoa,
Izay sakaizanao.

2. Harena be an-tany
Mamilivily fo,
Fa tiana mora lany
Ka tsy mampionom-po;
Izany aniriako
Hifikitra aminao;
Atolotro ny foko
Ho eo an-tananao.

3. Fa raha izaho irery
Voasakan-tsitrapo,
Mandeha manirery,
Ka maro no manjo ;
Izany no ilàko
Hiaraka aminao,
Vimbino aho, Raiko!
Ho eo an-tananao.

4. Tsy hitako mihitsy
Izay mahafa-po,
Tsy misy ety akory
Izay tsy mety lo;
Fa ao am-paradisa
No feno zava-tsoa,
Tsy mahadisadisa,
Fa sambatra tokoa.

15 – Avia hankalaza

1. Avia hankalaza
Ny Tompo lehibe;
Fa feno hery, haja
Jehovah Masina e
Andeha mitambara,
Ry vazan-tany o!
Miankohofa tsara
Hanaja Azy izao!

2. Ry Tomponay Tsitoha,
Indreto izahay,
Manondrika ny loha,
Midera Anao, ry Ray,
Ny fonay sy ny hery,
Fanahy, saina koa,
Omena Anao irery,
Ka anjakao tokoa.

3. Mpanjaka tena hendry
Hianao, ry Tomponay
Ka tena mahakendry
Izay hahasoa anay;
Na misy toa mangidy
Ny fitondranao, soa,
Ny saina sy safidy
Manaiky anao tokoa.

4. Manerana ny tany
lzao ny lazanao,
Ka be tsy hita lany
Ny voninahitrao;
Koa hira fiderana
Ventesinay izao:
Haleloia, Hosana!
Mba raiso ho Anao.

398 – Iza no hiara-dia

1. Iza no hiara-dia
Ho ary an-danitra,
Ka hanaiky sy ho tia
An’Andriamanitra?
Ry mikatsaka ny To,
Atolorinao, ny fo;
Izao tontolo izao, ario,
Ka ny lanitra fidio.

2. Sao ho lany amin’ota
Ny anjara andronao,
Ka ny helo valin’ota
No hanjary lovanao;
Miovà re hatrizao,
Miverena hianao:
Tadiavonao tokoa
Ny Mpamonjy Tompo soa.

3. Mba avia, mianara
Izay fitondrantena vao
Mikeleza aina tsara,
Ka reseo ny nofonao,
Aza mba mamindra fo
Amin-dratsy ao am-po,
Fa ongoty avokoa
Izay misakana ny soa.

4. Tsy mba misy lalan-kafa
Hiakaranao, ho ao,
Koa andeha manahafa
Ny nataon’ny Tomponao.
Tsy mba mahavonjy anie
Ny fahaizan-dehibe;
Raha ny nofo no hajaina,
Dia ho very re ny aina.

5. Dia ny lanitra katsaho
Ho anjara lovanao;
Ny Mpamonjy angataho
Ho mpitarika anao,
Fa izay mpianany
Dia hotantanany,
Iza no hiara-dia?
Mitsangàna ka avia!