181 – Fanahy Mpanazava

1. Fanahy Mpanazava,
Ny foko hazavao,
Maniry lalandava
Ny Pentekositrao.
Ny aizina ao am-poko,
Fongàny re ho lao;
Ny foko mitoloko,
Maniry indrindra Anao.

2. Fanahy Mpanadio,
Ny foko mba sasao,
Diovy re anio
Ho ena lapanao;
Ny hevitra misoko
‘Zay te-handroaka Anao,
Dia ota te-hijoko,
Esory sy fafao.

3. Fanahy, Mampahery
‘Zay reraka sy voa,
Ny foko re dia tery
Hiantoraka Aminao,
Izay mandrebireby,
Roahy re izao,
Ny fo mitebiteby,
Hiondana Aminao. Amena.

280 – Ry Tompom-boninahitra

1. Ry Tompom-boninahitra
Jereonao izao
Ireto izay milahatra
Ho tena irakao
Ny fanasana fatratra
Omaninao izao
Ilà-mpitondra hafatra
Hamory izay hankao

2. Hitety sampan-dalana
Sy vohitra izahay
Hanetra fisakanana
Sy ady mahamay
Ka aoka hotafiana
Ny fiadianao
Fa tena fanafihana
Izay hatao izao

3. O, re Fanahy Masina
Monena aminay!
Ka aoka ho tanasina
Tokoa izahay
Fihino tsy hihemotra
Ataovy irakao
Manefa zava-tsarotra
Ho voninahitrao

4. Ry Tompom-boninahitra
Ny voninahitrao
No aoka mba hitaratra
An-tavanay izao
Ka raha ao an-danitra
Fomena-masinao
Dia mainka vao hamiratra
Ho voninahitrao

71 – Mihainoa, mihainoa

1. Mihainoa, mihainoa
Ny feon’anjely sambatra
Milaza fa vao teraka
Ny Zanak’Andriamanitra !
Mihainoa izao !

2. Mifalia, mifalia
Ry zanak’olombelona
Fa tonga Ilay Mpanavotra
Antsika izay nifatotra !
Mifalia izao !

3. Mba omeo, mba omeo
Ny fonao fa angatahiny !
Ny tenany natolony
Anao izay malalany !
Mba omeo izao !

4. Matokia, matokia
Ka manaraha Azy izao,
Ilay Mpamonjy be fitia
Nanetry tena ho anao !
Matokia izao !

279 – Raisonao, ry Tompo soa

1. Raisonao, ry Tompo soa
Izato asan-tananay
Fa nomenao avokoa
Izay rehetra anananay
Simba izahay rehetra
Sady very hatrizay
Nefa soa tsy misy fetra
No navalinao anay

2. Hianao nanetry tena
Tsy nitandro henatra
Be fiantra ka onena
Ny tra-pahoriana
Mba tsarovanay izany
Koa dia tahafinay
Nefa fiasana ihany
Ao an-tananao izahay

3. Arosoy sy ampitaro
Aminay ny teninao
Hazavao ny olo-maro
Izay tsy mahalala Anao!
Ny misaona mba vangio
Ny kamboty inatrao
Izahay izay taonga anio
Mba ataovy irakao

4. Eny, ry Mpamonjy tsara
Amboary izahay
Mba ho tonga mpanambara
Ny fitianao anay
Ary dia mba tahio
Izato fikambananay
Hafanao, ampirisiho
Hamasino izahay

70 – Iza moa io Zazakely

1. Iza moa io Zazakely
:,: Ao Betlehema :,:
Ankalazain’ny anjely
Misasaka alim-be ?
Injao mihira avokoa
Ny mponina ao an-danitra,
Ka iza re io Zaza soa ?
Moa Zanak’Andriamanitra ?

Fiv : Io no Mpanjaka voatendry
Sady mahery no hendry,
:,: Zanak’Andriamanitsika
Koa hobio sy ifalio ! :,:

2. Izy no Jeso Mpanjaka
:,: Ka mihobia! :,:
Izy mamory sy maka,
Avia, mihobia !
Omeo voninahitra
Ka mitehafa tanana ;
Hobio ry tendrombohitra
Sy lohasaha mavana !
Io no Mpanjaka voatendry sns…

3. Izy no Tompo nahary
:,: Ka maneke :,:
Zanaky ny Zanahary
Ka dia maneke !
Ry hazo ao an’ala ô,
Samia re manandra-peo !
Ry voninkazo tsara ô,
Atero fofo-manitra !
Io no Mpanjaka voatendry sns…

4. Efitra sy tany foana,
:,: O mihirà !; :,:
Lemaka ary havoana
Falia, mihirà !
Ry ranomasin-dehibe,
Ry voron-kely tsara feo
Izao rehetra marobe
Avia mankalaza re !
Io no Mpanjaka voatendry sns…

69 – Zaza Masina sy soa

1. Zaza Masina sy soa,
Nefa ory Hianao,
Ka nanetry tena koa,
Sy nandao ny lapanao.

2. Teraka ory sy nahantra,
Trano tsy nandrianao,
Fa tsy nisy ‘zay niantra,
Be ny fahorianao.

3. Fihinanam-bilon’omby
No natao fandrianao,
Fa ny trano be tsy omby,
Nisy olo-maro tao.

4. Nofonosin-damban-jaza,
Tonga zazabodo re,
Nefa Tompo manan-daza
Sy Mpanjaka lehibe.

5. Efa halan’olo-maro,
Nefa kosa tiako;
Dia avia, ry Mpamonjy!
Honina ato amiko.

278 – Mba ampio, ry Tompo soa

1. Mba ampio, ry Tompo soa
Izahay navotanao
Fa mikasa mba hanoa
Sy hanaraka Anao

Fiv : Hitanao, fa kely hery
Izahay mpanomponao
Tsy hefa raha irery
Koa mba tarihonao

2. Izahay manolo-tena
Mba hiasa ho Anao
Ka maniry, manantena
Fa hanampy Hianao
Hitanao fa kely hery, sns…

3. Tianay hiara-dia
Aminao rahatrizay
Ka tantano tsy hania
Amin’ny alehanay
Hitanao fa kely hery, sns…

68 – Re tokoa ny feon’anjely

1. Re tokoa ny feon’anjely,
Irak’ Andriamanitra ;
He, ny teny mahafaly
Avy ao an-danitra !
Entiny ny teny tsara
Ho ety an-tany izao
Voninahitra aman-dera,
Tompo no omena Anao ! (in-3)
Voninahitra aman-dera,
Tompo no omena Anao !

2. Teraka any Betlehema
‘Lay Mpanjaka manan-jo,
Ka misatro-diadema,
Voninahi-tsy ho lo !
Misy ‘zao ety an-tany
Fihavanana tokoa,
Hafalian-tsy ho lany,
Fitahia-mahasoa ! (in-3)
Hafalian-tsy ho lany,
Fitahia-mahasoa !

3. Be ny lazanao, ry Tompo
Tsara ny Anaranao !
Zovy re no tsy hanompo ?
Iza no handà Anao ?
Hasina sy arahaba
No aterina aminao ;
Fanjakana tsy ho rava
Ry Mpanjaka no Anao ! (in-3)
Fanjakana tsy ho rava
Ry Mpanjaka no Anao !

277 – Indro, Tompo, vory eto

1. Indro, Tompo, vory eto
Anatrehanao izahay
Mba hanatitra ireto
Vokatry ny asanay

Fiv : :,: Raiso re, raiso re!
Ho fanati-tsitrakao :,:

2. Hianao no mampaniry
Sy mampisy vokatra
Izahay dia mpitahiry
Fa Anao ny zavatra
Raiso re, raiso re, sns…

3. Ary na tsy mendrika aza
Aoka tsy holavinao
Fa ho enti-mankalaza
Ny Anaran-tsoanao
Raiso re, raiso re, sns…

4. Raiso koa re, ry Tompo
Ho Anao ny tenanay
Amboary ho mpanompo
Mahafatra-po izahay
Raiso re, raiso re, sns…

276 – Ry Jehovah, Ray Mpahary

1. Ry Jehovah, RAy Mpahary
Sy Mpamelona anay
Tsapanay fa tsy manary
Hianao Mpitondra anay
He, mandratsa-pitahiana
Sesehena Hianao
Ka dia feno fifaliana
Izahay mpamonponao

2. Noteneninao ny tany
Notarihinao izahay
Ka nitobaka aoka izany
Izao ny vokatra azonay
Feno hika isan-taona
Ny fitiavanao anay
Ka aoreno tsy ho foana
Tompo ô! ny asanay

3. O! mba raiso re, ry Tompo
Izao fanatitray izao
Enga anie ka mba hitombo
Handrosoan’ny hanitrao
Raiso koa sy hmasino
Ny fonay hiasanao
Ny fanahy ampidino
Hampahery, hanavao