612 – Ry Ray mpiaro lehibe

1. Ry Ray Mpiaro lehibe,
Mba mihainoa ahy e,
Ka ampio aho hanao hoe:
Hatao anie ny sitrakao!

2. lzay rehetra sitrakao
No aoka mba hatao izao,
Fa mahasoa ny tianao :
Hatao anie ny sitrakao!

3. Na sarotra aza ny hatao,
Mba manampia ny zanakao
Hanaraka ny teninao :
Hatao anie ny sitrakao!

4. Na tonga aza ny manjo,
Ka ory sy mivadi-po,
Ho toy izao no teniko :
Hatao anie ny sitrakao!

5. Mba tanterahonao tokoa
Izay kasainao hahasoa;
Ny tena sy fanahy koa;
Hatao anie ny sitrakao!

6. He, Hianao dia tsy mandao
Izay voaray ho olonao
Ka mankato ny didinao;
Hatao anie e ny sitrakao!

447 – Ianao ry Kristy Tompo

1. Ianao ry Kristy Tompo
No hasiniko izao,
Avy aho fa mpanompo,
Hiankohoka Aminao ;
Raiso re ny dera, saotra
Tena mendrika ho Anao
He, ny foko faly loatra,
Faly mba hanaja Anao !

2. ‘Zao no tena faniriako :
Ny ho velona aminao
Ka hitoeranao ny foko
Fa tsy holalovanao !
Eny, Tompo ô, monena,
Mba monena ao tokoa,
‘Zay no tena famonjena,
‘Zay no mahafatra-po !

3. Tsy ho orin-java-tsoa
‘Zay rehetra itoeranao,
Tena sambatra tokoa
Raha ny fo no lapanao !
Mandrosoa, fa vohako
Ho Anao ny foko ‘zao,
Eny Tompo fa vohako
Koa midira Ianao !

275 – Raisonao, ry Tompo soa

1. Raisonao ry Tompo soa,
Ny fanatitray izao;
Hamasino avokoa
Izay atolotray Anao;

Fiv : :,: Raiso re, ho Anao,
Ho fanati-tsitrakao! :,:

2. He, Anao, ry Tompo soa
Izay rehetra anananay
Ny harena, vola koa,
Taminao, Jehovah Ray.
Raiso re, sns…

3. Na dia kely aza, Tompo,
Ka tsy mendrika Anao,
Raiso ho entina hanompo
Sy hanao ny sitrakao.
Raiso re, sns…

4. Indro, Tompo, raiso koa
Tena, fo, fanahinay,
Mba ho fiasana koa
Eo an-tànanao izahay.
Raiso re, sns…

611 – Jehovah Ray Malala ô

1. Jehovah Ray Malala ô!
Izay ao an-danitrao,
Henoy ny fivavahako
Ataoko aminao,
Fa Jeso Kristy Zanakao
No tena sorona
lzay entiko ho aminao
Mpamela heloka.

2. Ny lalako mba hazavao,
Hianao no jiroko,
Fa maizim-pito e izao
Sy be ny kotroka;
Na misy loza aza re
Izay mampamoy fo,
Tsy misy hatahorako,
Hianao no amiko.

3. Ny fikapohana, izay
Ataonao amiko,
Dia misy fananarana
Mba hibebahako;
Ny fahafatesana, izay
Ho tonga koa izao,
Dia lalana halehako
Ho any aminao.

4. Mba raisonao ny tanako,
Tantano aho izao,
Fa zazabodo, Raiko ô!
Ampio ny zanakao;
Na tondraka ny rano re
Ka safononoka ao,
Ny faty tsy ho tahotro,
Hodiako aminao.

610 – Ny foko, ry Jehovah ô!

1. Ny foko, ry Jehovah ô!
Fidio ho lapanao;
Ekeo ho fonenanao,
Ka ao no anjakao.

2. Ny foko, ry Jesosy ô!
Sasao ho voadio;
Izay eritreri-dratsy ao
Levoninao anio.

3. Ny foko, ry Fanahy ô!
Mba hamasinonao;
Avia, Fanahy Masina ê
Ovay ho fo vaovao.

4. Ray, Zanaka, Fanahy ô!
Mpamonjy mahasoa,
Mpanafaka ahy Hianao,
Isaorako tokoa.

609 – Hianao Jehovah Tompo!

1. Hianao Jehovah Tompo!
No hatoninay izao;
Avy izahay hanompo
Sy hanao ny sitrakao,
:,:Indro raiso,
Raiso ho Anao izahay.:,:

2. Mba tantano sy arovy,
Fa malemy izahay,
He! Marary sy farofy,
Hianao no herinay,
:,:Ody aina
Hitsaboanao anay.:,:

3. Mpivahiny ka mahantra,
Entonao, Fanahy ô!
Ana sy mangetaheta,
Asehoy ny antranao;
:,:Ranon’aina
Hosotroinay izao.:,:

4. Tranonao madio no any,
Vorodamba no anay,
Fa hilaozanay ny tany,
Ka soloy ny lambanay,
:,:Lamba fotsy
Hitafianay anie.:,:

274 – Tao an-tany karankaina

1. Tao an-tany karankaina
Nisy olo-maro be
Tsy mba nampodina maina
Tao Jesosy nanome

2. Na dia mofo kely aza
Tonga nahavoky ireo
Fa nitombo mahagaga
Samy faly izy ireo

3. Fa ny herinao, ry Jeso
Izay namonjy fahizay
No miasa lalandava
Hahavoky soa anay

4. Dia tahio ny fambolena
Hahavokatra tokoa
Miantrà ny firenena
Tsy ho diso zava-tsoa

5. Na dia voky fatratra aza
Mora reraka izahay
Ao ambony ny mateza
Iankinan’ny ainay

608 – He, miandrandra Anao,

1. He, miandrandra Anao,
Jehovah Tompo ô!
Ny olonao;
Henoy ny vavakay
Vonoy ny helokay
Hahafantaranay
Fa zanakao.

2. Raha hodiavinay
ny tany maizina,
Tarihonao;
Fafao, Ry jesosy
Ny ranomasinay,
Ka mba esorinao,
Ny tahotray.

3. Mba manomeza anay
Ny hasoavanao,
Ry Tompo ô
Mba hahazoanay
Ny hasambarana
Tsy mety levona,
an-danitra.

4. Tohanonao izahay,
Rahefa tapitra
Ny andronay.
Ray ô! Mba hamoray
Ny hanalana anay
Ho any aminao,
mandrakizay.

606 – O, ry Raiko Izay mpandahatra

1. O, ry Raiko Izay Mpandahatra!
Vato fantsika mafonja!
Aminao no mifahatra
Itony foko safotra onja.

Fiv : Ry Tsitoha ô! Mijere!
Ry Mpamonjy ô, mamonje!

2. He, manonja mafy loatra
Itony fiainako voafofo
Toa dia diso tafahoatra
Ireo ankaso izay milofo,
Ry Tsitoha, sns…

3. Nefa kosa tsy mamoy!
Izany foko manantena!
Fa ny masonao manjohy,
Iandrandrako famonjena.
Ry Tsitoha, sns…

446 – Atolotro Anao ny tenako, ry Raiko

1. Atolotro Anao ny tenako, ry Raiko,
Fa Hianao no tena loharanon-tsoa !
Izao tontolo izao manintona ny saiko
Hihataka Aminao, ho babony tokoa

2. Atolotro Anao ny tenako, ry Raiko,
Ho eo an-tananao hosakambininao,
Hohatanjahinao ny tena sy ny saiko,
Hisikina tokoa hiady ho Anao !

3. Atolotro Anao ny tenako, ry Raiko,
F’izany indrindra re no hetahetako,

Ny ran’ny Zanakao mitory ao an-tsaiko
Mba hanolorako Anao ny tenako !