649 – Ry mino miambena re,

1. Ry mino, miambena re,
Fa manam-pahavalo be;
Jesosy no arahonao
Hitarika anao.
Ezahonao ny dianao,
Ny satro-boninahitrao
Miandry ao aloha ao,
Ka mba tratraronao!
Mba mivavaha, ry havako,
Ka miomàna ao am-po;
Andeha izao ilaozinao
Ny zavatra ho lo!

2. Alao ny fiadianana
Omen’Andriamanitra,
Ny fahamarinana alao
Mba hisikinanao;
Hazony ny finoana
Ampinga hanohanana;
Ny tenin’Andriamanitra
No tena sabatra;
Ny famonjena raisonao
Ho fiarovan-dohanao;
Ireny no hanoheranao
Ny ratsy ao am-po.

3. Ry havana malala ô,
Andeha isika hiray am-po
Hikatsaka ny lanitra,
Fa ao tsy misy manjo.
Ho faly ao an-danitra
Ny vita fanompoana,
Ka aoka izao isika handao
Ny zava-poana!
Ho lasa faingana indray
Ny androntsika an-trano lay;
Vonjeonao ilay tany vao,
Izay mandry fahizay.

648 – Miambena izao,

1. Miambèna izao,
Ry fanahiko!
Misy rafinao misaina
Hanangoly ny malaina;
Be ny fandrika
Voavelatra.

2. Miambena izao,
Ry fanahiko!
Mba tsy ho andevon’ota,
Na ho taomin’ny mpanota;
Mivavaha izao,
Ry fanahiko!

3. Miambena izao,
Ry fanahiko!
Ka tohero ny devoly,
Raha avy manangoly;
Kristy raisonao
Mba ho aronao!

4. Miambena izao,
Ry fanahiko!
Tsy ho ela tsy akory
Dia ho lasa ny mahory,
Ka ho afaka
Ny mpiambina.

5. Miambena izao,
Ry fanahiko!
Fa ho avy indray ny Tompo
Mba hampody ny mpanompo
Ho finaritra
Ao an-danitra.

270 – Ry Tompo Izay nanangona

1. Ry Tompo izay nanangona
Anay ho vato velona!
Hazony tsy handao Anao
Ny vato voarafitrao
Fa maro no mandronjina
Handevona

2. Jesosy Fehizoro ô
Mpifehy mora sady to!
Tohano mafy izahay
Mba tsy hirodana indray
Fa indro ny mpisompatra
Mandrirotra

3. Ry Vato fampiraisana!
Tariho mba hikambana
Ny vato voapaika re
Ho tonga trano lehibe
Tsy zakan’ny mpandevona
Harodana

4. Ny Kristiana marobe
Mba ampiraiso tsara re
Hiray am-pitiavana
Ho velona finoana
Ka mba hiaraka hanao
Ny asanao

647 – He! Sarotra ny lalam-pamonjena

1. He! Sarotra ny lalam-pamonjena,
Hitanana ny vonjy izay nomena,
Hamelona hatrao, am-parany
Ny fitiavana voalohany.

2. Ny maro dia mazàna mankamamy
lzao, tontolo izao, ka mora lany
Ny zotom-po sy ny finoana,
Dia tonga tia zava-poana.

3. Malaina izy ka tsy te-hiady
Ny ady masina izay maro fady,
Ny lalan-tery dia halany,
Fa ny malalaka no tiany.

4. Mazàna mety menatra ireny
Rehefa voatsindron-toriteny,
Fa hitany ny ratsy ao am-po,
Kanefa tsy mba te-hiova fo.

5. Ry Jeso, Hianao no tokin’aina,
Izay novonoina sy nankahalaina.
Omeo ahy faharetam-po,
Hiaritra izay anjarako.

6. Raha reraka aho ka misalasala,
Dia asehoinao, ry Ray Malala,
Ny lovako ary an-danitra
Hihazona ahy mba haharitra.

646 – Na aiza no alehako

1. Na aiza no alehako.
Dia misy izay hanina;
Fa be ny fahavaloko
Mahery sy kirina.
Mikendry fatratra
Ireo mpamitaka,
Ka dia hazoniko ny to
Na aiza no alehako.

2. Na aiza no alehako,
Dia misy ady mafy;
Ny ota hotoheriko,
Hataoko tena rafy;
Ny fahoriana,
Izay fikapohana,
Tsy maintsy hiaretako,
Na aiza no alehako.

3. Na aiza no alehako,
Ny fasana mangina
Miandry eo alohako,
Fa aloka ny aina
Sy toy ny zavona
Malaky levona;
Izany no tsaroako
Na aiza no alehako.

4. Na aiza no alehako,
Momba ahy ny anjely,
Ka tsy mba hatahorako
Satana izay mpamely.
Ry izao tontolo izao,
Ho resy hianao,
Anjely no ho mandako
Na aiza no alehako.

5. Na aiza no alehako,
Jesosy no kiady;
Ny ratrany no aroko
Sy herin’ny mpiady.
Ny dian-tongony
Arahiko aty,
Ka fandresena azoko
Na aiza no alehako.

6. Na aiza no alehako,
Ny lanitra andrandraiko,
Ka ravo ny fanahiko,
Fa ao ny Tompon’aiko,
Ry izao Tontolo izao,
Ny voninahitrao,
Dia vovoka hitsahiko:
Ny lanitra ao alohako.

645 – Jesosy Kapiteninay,

1. Jesosy Kapiteninay,
Izao miantso izao,
Hiady no ilàna anay
Ka zovy no hanao ?
Izay mahafy hatraty
Mahery fo tokoa
Ka tsy miraika hatrary,
Ireny no hanao !

2. Ny tany hotafihinay
Izao tontolo izao,
Ny tafika hikatrohanay
Tsy ady mora atao ;
Ny ota no hasianay
Ho ringana avokoa,
Ny tany no hasondrotray
Ho Paradisa soa !

3. Indreo ny maritiora soa
No loha-làlanay,
Nalatsaka aina avokoa
Ka marika aminay.
Fandavan-tena lehibe
No vitan’izy ireo !
Hodian-tsy hita foana ve
lreo maritiora ireo ?

4. Ry Jeso Kapiteninay,
lzao anio izao
No hanavaozanay indray
Ny fanompoana Anao :
Atolotray Anao tokoa
Izao tenanay izao
Ka hamasino avokoa
Hanao ny sitrakao !

644 – Matahora mangovita

1. Matahora mangovita,
Fa indro ny devoly
No mihendry hisambotra
Ny saintsika rehetra;
:,:Miambena,:,:
Ka mivavaha, tsara.

2. Mifalia, mivavaha,
Jeso no arontsika,
Manaraha ny teniny,
Fa hovonjeny isika;
:,: Tano Izy :,:
Hahazoana aina.

3. Manandrata feo hihira
Hidera an’i Kristy,
Hanome voninahitra
an’Andriamanitra
:,: Tompontsika,:,:
Fa marina izany.

269 – He ! tianay ny monina eto

1. He ! tianay ny monina eto
Fa maminay ny valanao
Tsy tianay fa mampisento
Ny lavitra ny tranonao !

Fiv : He ! tianay ny monina eto
Fa maminay ny valanao !
Tsy tianay fa mampisento
Ny lavitra ny tranonao !

2. He ! tianay fa misy aina
Ry Tomponay, ny valanao !
Tsy tianay fa tany maina
Ny lavitra ny tranonao !
He! tianay, sns…

3. Fehezinao Mpiandry tia
Milamina ny valanao !
Tsy misy tsy mifankatia
Ny ondry izay tarihinao !
He tianay, sns…

4. Ny fanimban’ny fahavalo
Dia lavitra ny valanao,
Mitazan-davitra mandalo
Ny rafinao tsy tia Anao !
He! tianay, sns…

5. Ny fototra izay mahatsara
Ny valanao ry Tomponay,
Dia Hianao Mpiandry tsara
No miara-monina aminay !
He! tianay, sns…

643 – O! mandrosoa mba ho tena mpandresy

1. O mandrosoa mba ho tena mpandresy
Dia mazotoa, miasà mitomboa,
:,:Raiso ny tsara, ka roahy ny ratsy,
Ka matokia an’i jeso tokoa.:,:

2. O mandrese, ny finoana tano,
Na dia mafana ny ady hatao,
:,:Ny fandresena homena ny mino,
Azy ny herin’ny Tompo izao.:,:

3. Mba matokia ny hery tsy hita
Izay voatahirin’ny Ray ho anao,
:,:Ka voatolotra tao Gologota
Mba ho antsika rehetra izao.:,: