627 – Vimbino tsara izahay

1. Vimbino tsara izahay,
Ry Jeso Kristy Tomponay!
Mba tsy ho diso lalana
Aty ambony rano be,
;,;Ka na manonja aza re
Ny rian-dranomasina,
Tazony mafy izahay
Mba tsy ho rendrika aty.:,:

2. Dia mitsangàna, ka avia,
Ry Jesosy, Mpamonjy tia!
Jereo ny fahorianay;
Anaronao ny rivotra
;,;Izay mampanonja toy izao
Ny alon-dranomasina,
Izay manafotra anay
Aty am-pandehananay.:,:

3. Fa Hianao no aronay,
Ka dia sahy izahay
Hamaky sy hanohitra
Ny onjan-drano betsaka;
;,;Ka aoka tsy ho fefika
Aty an-dranomasina,
Fa mba ho tonga aminao
Ny sambonay, ry Tompo ô;,;

626 – Jeso Tompo, mamindrà fo

1. Jeso Tompo, mamindrà fo
Amin’ny mpanomponao
Fa tsy misy famonjena
Afa-tsy ao aminao.
0! vonjeo, :,:
Ny mifona aminao.

2. Fa kamboty sy mahantra,
Ory, osa, reraka
Izahay atÿ an-tany,
Raha tsy vimbininao;
0! ampio:,:
Ny miankina aminao.

3. Tokinay sy vatolampy,
Aro sy Ampinganay!
Afa-tahotra, afa-doza,
Tsy ho ketraka izahay;
:,: O! arovy:,:
Ny mialoka aminao.

264 – He! mahagaga anay

1. He! mahagaga anay
Ny fitiavana
Nasehonao, ry Jeso ô!
Mba ho anay

2. Ny fijalianao
Ilay tao Golgota
Indrisy! lalina takoa
Ny ngidiny

3. Na mafy aza izay
Tsy nandosiranao
Nataonao tsinontsinona
Ny tenanao

4. Ny fitiavanao
Fa tsy ny fantsika
No anton’ny nihantonanao
Tao Golgota

5. Ny ra nalatsakao
No vidin’ny ainay
Ny fijaliana nentinao
No avotray

6. Tsaroanay izao
Derainay avokoa
Ilay fitiavanao anay
Ry Tompo soa!

625 – Mpamonjy soa malala ô

1. Mpamonjy soa malala ô!
Mba miandrandra Anao,
Ny foko sy fanahiko
Ankehitriny zao;
Fa Hianao, irery
No tena Mpanome
Ny fahafinaretana
Sy fitsaharam-be.

2. Mpiandry ondry mora ô!
Ry Jeso be fitia!
Hazony aho ondrinao
Mba tsy haniasia,
Andraso isan’andro,
Arovinao anie,
Endrey! Fa mahatahotra
Ny biby marobe.

3.Ry Kristy be fitia!
Ry Tompo tsy mandao!
Ny sandrinao iondanako,
Fa mamy Hianao;
Hianao nanolo-tena
Ho faty fahizay,
Hanangana olo-meloka
Ho zanakao indray.

4. Ry Tompo Zanahary
Be faharetam-po!
Izaho te-ho olonao
Mahitsy sy madio;
Ovay ny toe-tsaiko,
Ny foko mba sasao,
Mba ho tempoly mendrika
Ny hitoeranao.

5. Ry Jeso tsy miova!
Ry Vonivatoko!
Ry Zanak’Andriamanitra ô!
Ry Aro lehibe!
Izaho dia matoky
Ny fitiavanao;
Fa sambatra ny olonao
Miankina aminao

623 – Mba omeo ahy

1. Mba omeo ahy
Fo madio kokoa
Afaka ahiahy
Ho Anao tokoa.
Izaho dia malaina,
0! mba hafanao re
Mba hikely aina
Hahefako be.

2. Mbola manangoly
Ny fakampanahy;
Ao koa ny devoly
Ta-hamotraka ahy;
Tompo ô! Ampio
Ny mpanomponao izao,
Ary mba tafio
Herim-po vaovao.

3. Atolory ahy
Zotom-po sy hery,
Fahendrem-panahy,
Fo mahay mietry.
Ampianaro aho
Mba hanolo-tena,
Ka mba hatanjaho
Ny finoako.

4. Dia hamasino
Ny saiko, ry Tompo!
Ka omeo fo mino,
Fo mahay manompo,
Fo mahay mihafy,
Fo miravoravo,
Na dia voa mafy,
Fo toy ny Anao.

624 – Jeso ô, Mpiandry tsara!

1. Jeso ô, Mpiandry tsara !
Sambatra ny ondrinao;
Hianao no mialoha
Hanarahanay Anao ;
Mitariha, mitariha
Ny fanahinay izao:,:

2. Jeso ô, Mpiandry tsara !
Fohy ny fisainanay ;
Hianao mahay manoro
Lalana halehanay ;
Mitariha, mitariha
Ny fanahinay izao:,:

3. Jeso ô, Mpiandry tsara !
Tsinjonao ny dianay ;
Ondry very ka ho faty,
Raha tsy hatoninao ;
Mitariha, mitariha,
Ny fanahinay izao:,:

4. Jeso ô, Mpiandry tsara !
Izao, alehanay izao,
Ala be sy làla-mafy,
Maty re ny ondrinao !
Miarova, miarova
Ny fanahinay izao:,;.

5. Jeso ô, Mpiandry tsara !
Mafy re ny tahotray ;
Bibidia mamiravira
Mampivadi-po anay ;
Miarova, miarova
Ny fanahinay izao:,:

6. Jeso ô, Mpiandry tsara !
Ento mody izahay ;
Aminao ny valan’ondry
Tsy mba misy tahotra ;
Mitariha, mitariha
Ny fanahinay ho ao:,:

622 – Mba tantano Raiko ô!

1. Mba tantano Raiko ô!
Ny fanahin-janakao,
Aoka re ny sandrinao,
No hiaro ahy izao;

Fiv : Indro! Raiso,
Tano aho Tompo ô!
Mba hanao ny sitrakao
Sy hitoetra ao aminao.

2. Ray malala Hianao,
Sady tia ny zanakao:
Aoka re ny tavanao
Hanazava ahy izao!
Indro! Raiso, sns…

3. Na dia maizina aza aty,
Dia matoky aho izao
Fa hianao, dia tsy mandao,
Izay miaraka aminao:
Indro! Raiso, sns…

263 – Mandrenesa ry sofina

1. Mandrenesa ry sofina
Mifalia, ry fo
Ny feon’ny Filazantsara
Manatona anao

2. Ry olon’ota rehetra
Ry ory sy noana
Izay mameno ny kibony
Amin-java-poana

3. Jehovah no mamboatra
Izay mofon’aina
Ho an’izay rehetra
Mety hihinana

4. Kristy sy ny fitahiany
Izany mofo izany
Fa izy no mamelona
Ny maty mosary

5. Avia, ry mosarena
Ka manaràna fo
Ny mofon’aina tsy lany
Fa ampy ho anao!

621 – Ry Jeso be fitia!

1. Ry Jeso be fitia!
Tariho izahay
Mba tsy haniasia
Fa hiaraka aminao.
Indrisy! Ela loatra
No nijanonanay,
Nanaram-po nihoatra
Ny sitrapon’ny Ray.

2. Ry Tompo! Miarova
Ny fiananay ety,
Izay fohy, mora miova,
Fa tsy toy ny ary.
Izay ianteharana eto
Mandalo avokoa :
Ny fo re no mba ento
Hikambana aminao.

3. Tariho hahalala
Ny tianao hatao,
Ka tsy hisalasala
Handà izay halanao;
Mandatsaka ao an-tsaina
Ny soa vitanao,
Ka dia hikely aina
Hanao ny sitrakao.

620 – Zanahary, Ray mahery

1. Zanahary, Ray mahery,
lzahay tsy manan-kery,
Nefa he, ny fahavalo
Fa masiaka sady maro;
O! ampio re izahay,
Fa ny zavatra mihatra
Tsy mba misy maharatra
Ny arovanao, ry Ray,
Zanahary Ray mahery,
Mba arovy izahay!

2. Zanahary, Ray miantra!
Olon-diso sy mahantra
Izahay izay mitaraina,
Hianao no antenaina:
lantrao, re izahay!
Be tokoa ny fahotana
Mahatonga fanimbana
Efa vitanay tatÿ:
Zanahary, Ray miantra,
Mamelà ny helokay!

3. Zanahary, Ray malala!
Enga anie ka hahalala
Mba ho tia sy hanaiky,
Ary koa mba hanakaiky
Ny Mpamonjy izahay;
Tsy ny tahotray ny loza
No nanaitra anay hiova,
Fa ny ran’ny Zanakao;
Zanahary, Ray malala,
Mba hazony izahay!