262 – Indreto izahay

1. Indreto izahay,
Ry Jeso ô,
Manaraka izao
Ny hafatrao ;
Ny fahorianao
Tsaroanay izao
Fa fatratra tokoa
Ny nentinao !

2. Ny mofo haninay,
Ry Jeso ô,
Milaza aminay
Ny tenanao ;
Ny fanavotanao
Mahafaka anay
Ka saotra re izao
Atolotray !

3. Misotro ny divay
Izahay izao
Hahatsiarovanay
Ny antranao !
Ny ra nilatsaka
No manadio anay
Manafaka tokoa
Ny olonao

4. Tarihonao ny fo,
Ry Jeso ô,
Ho tia sy hankatò
Ny didinao
Ka tsy ny sitrakay
Fa ny Anao, Jeso,
No aoka ho maminay,
Ry Tompo ô !

258 – Manaraka ny hafatrao

1. Manaraka ny hafatrao,
Tafangona izahay,
Mba hahatsiarovanay
Anao, ry Tomponay!

2. Tsy azo adinoina
Ny fahorianao,
Ny dinitrao izay toy ny ra
Tsaroanay izao.

3.  Ny hazo-fijalianao
Dia tazanay izao:
Ry Zanakondry masina ô!
Tsaroanay Hianao.

4. Nijaly mafy Hianao
Nisolo voina anay:
Raha mbola velona izahay
Tsaroanay izao.

5. Raha tapitra ny andronay,
Ka tonga Hianao
Mba haka ny fanahinay,
Tsarovinao izahay.

619 – Ry Raiko ô! Tariho ny zanakao,

1. Ry Raiko ô! Tariho ny zanakao,
Tariho re!
Fa maizina ny lalako izao,
Tariho re!
Tsilovy ka omeo finoana,
Tantano ao am-pandehanana.

2. Izay ela izay ny lalan-tsitrapo
No tiako;
Izay ela izay izao, tontolo izao
No mamiko;
Kanefa izao, tariho ny zanakao,
Ry Raiko ô! Handia ny làlanao.

3. Tsy mba ahoako ny loza aty
An-dalana;
Tsy te-hitsinjo koa ny ary
An-koatra;
Fa isan’andro alaharonao,
Ry Raiko ô! Ny dian’ny zanakao.

4. Na mbola lavitra aza re izay
Alehako,
Tarihonao ambara-pahafaka
Ny alina,
Dia vao hitsahatra ny zanakao,
Ry Raiko ô! Ary an-danitrao.

618 – Eny, Raiko! Mba tariho

1. Eny, Raiko! Mba tariho
Ny fanahin-janakao.
Ka ny saiko atodiho
Hankato ny teninao.
Zaza be fisiasia,
Tano re ny zanakao,
Dia taomy mba ho tia
Sy hanao ny sitrakao.

2. Eny, Raiko! Mba tsilovy
Ny alehan-janakao,
Ka tantano sy arovy
Mba hankany aminao;
Mora reraka ny aina
Raha tsy fahananao,
Ka tohano tsy halaina
Mba hanao ny sitrakao.

3. Eny, Raiko! Raha mafy
Izany tsorakazonao,
Ka ny aiko tsy mahahafy
Mba vonjeo ny zanakao;
Ka ny foko ‘zay adala
Mba ovay sy hazavao,
Dia taomy hahalala
Mba hanao ny sitrakao.

4. Eny Raiko! Mba tohano
Raha mihatra ny manjo,
Ka vimbino sy tantano
Tsy ho kivy re ny fo;
Raha tapitra ny aiko,
Raiko hody aminao;
Eny, ento aho, Raiko!
Fa izay no sitrakao.

261 – Ankehitrio no isehoanao

1. Ankehitrio no isehoanao
Ry Jeso Tompo, izay malalanay,
Ankehitrio no anandramanay
Ny hafaliam-ben’ny lanitrao !

2. Ampiomany ao am-po izahay
Hampahadio ny eritreritray,
Hahatakaranay ny avotrao
Izay nambaranao tao Kalvary !

3. Eto no anoloranao anay
Ny mofon’aina,  rano velona
Eto no ialanay sasatra
Amin’ny adinay sy rafinay

4. Ry Jeso ô, miandry izahay
Ny fiavian’ny voninahitrao
Ho toy ny andro vao miposaka
Ho toy ny rano mahavelona !

5. « Raiso ny Tenako » no teninao
« Ary ny Rako ho fiainana »
Am-pitiavana no andraisanay
Na dia tsy mendrika aza izahay !

6. Mombà anay, ry Tompo tia ô,
Aza miala amin’ny fonay
Aoka ny tavanao hazava re
Amin’ny lalana alehanay !

616 – Rainay be fitia!

I. Rainay be fitia!
Avy izahay
Hila zavatsoa
Ato aminao;
Mihainoa anay.

2. Rainay tsy miova!
Mijere anay,
Zanaka nikomy,
Fa naverinao;
Maneke anay!

3. Rainay be fiantra!
Menatra izahay,
Dia mba mifona
Eo imasonao;
Miantrà anay!

4. Rainay be harena,
Mpanome ny soa!
Izahay mahantra,
Mitaraina hoe:
Manomeza anay!

5. Rainay be fitia!
Indreto izahay
Avy mba hitondra
Saotra ho Anao:
Aza lavinao!

617 – Aza manadino ahy

1. Aza manadino ahy,
Ry Mpihaino vavaka!
Aza mba manary ahy
Hanalavitra Anao;
Mitodiha ry Mpanjaka!
Ka Jereo ny olonao;
Aza manadino ahy,
Ry Mpihaino vavaka!

2. Hianao no fiereko,
Vatolampy, heriko!
Na kamboty aza aho,
Faly manana Anao;
Afa-tahotra ny foko,
Raha miandrandra Anao;
Aza manadino ahy,
Ry Mpihaino vavaka!

3. Eny Hianao no Raiko,
Ka hatoniko izao;
Nefa ny fahadalako
Aza mba heverinao;
0! ampifalio aho,
Ka ombay ny elatrao;
Aza manadino ahy,
Ry Mpihaino vavaka!

4. Tabataba lalandava
No mba hitako izao,
Ka izaho te-ho tonga
Ao am-pitsaharanao-,
Mitenena, ry Jehovah!
Mamalia ahy izao;
Aza manadino ahy,
Ry Mpihaino vavaka!

615 – Ry Jehovah Ray mahery!

1. Ry Jehovah Ray Mahery!
Indreto ny mpanomponao;
Fa mpanota saiky very
Nefa tsy mba foinao;
Fa ny masonao mijery
Ny fanahinay mania;
Ny fitaomanao mahery
No miantso hoe: « Avia ».

2. Ry Jehovah, Ray Mpitahy
Izay rehetra ory fo!
Ny tsy manana mpiahy
Mora resin’ny manjo;
Zovy ary no hanahy
Raha miankina Aminao?
Eny, faly ny fanahy
Izay mitoky aminao.

3. Ry Jehovah, Ray Mpiaro!
He ny fahavalonay
Izay masiaka sy maro;
Hodidinanao, izahay,
Fa ety dia mifangaro
Amin-dratsy izahay,
Ka tsy misy izay maharo
Raha ilaozanao, ry Ray!

4 .Ry Jehovah ô! Vimbino
Itony zanakao ety,
Aza avela hanadino
Ny fonenan-tsoa ary ,
Ka omeo fanahy mino
Tsy mivadika aminao;
Ary koa, mba sakambino
Tsy hisaraka aminao.

259 – Ny latabatrao, ry Jeso,

1. Ny latabatrao, ry Jeso,
Dia atrehinay izao ;
Ny fanahinay vokiso
Amin’ny fitianao !

2. Tsy nitady zo sy laza
Ianao, ry Tomponay,
Foinao ny ainao aza
Nanavotanao anay !

3. Jeso ô, ny ranao soa
No nataonao avotray
Mba hanafaka avokoa
Izay tsy mahadio anay !

4. Manomeza mofon’aina,
Tompo ô, ho tanjakay ;
Mihainoa ny mitaraina
Mamalia ny hatakay !

5. Ny fanahinay ry Tompo,
Raiso fa atolotray ;
Faly izahay hanompo
Sy hanao ny sitrakao !