168 – Ry Jeso! Ny Anaranao

1. Ry Jeso! Ny Anaranao
Dia maminay tokoa;
Mihira sy midera Anao
‘Zahay navotanao.

2. Tsy takatry ny hevitra
Ny fitiavanao;
Tsy tambonay tononina
Ny hasoavanao.

3. Ny tsara eran-danitra
Sy eran-tany koa,
Tsy azo anoharana
Ny fitahianao.

4. Ho toy ny loharanao e,
Ny fonay olonao;
Tsy hanam-pitsaharana e,
Ny hiderana Anao!

TS 1 – Jehovah ô, iza no hitoetra ao amin’ny taberna-kelinao

(Salamo 15)
1. Jehovah ô, iza no hitoetra ao amin’ny taberna-kelinao?
Iza no honina an-tendrombohitrao masina?
Izay mandeha tsy misy tsiny ary manao ‘zay mahitsy
Sady misaintsaina ny marina ny fony

2. Tsy manendrikendrika amin’ny lelany,
Sady tsy manisy ratsy ny sakaizany,
Ary tsy manao izay hahafa-baraka ny namany,
Tsy manaja ny ratsy fanahy.

3. Fa manome voninahitra ny matahotra an’i Jehovah,
Tsy mivadika amin’ny fianianany, na dia maningotra ny tenany aza.
Sady tsy mampihana ny volany, na mandray kolikoly hana-meloka ny marina,
Izay mitandrina izany dia tsy mba hangozohozo mandrakizay.

4. Hisaorana anie ny Ray sy ny Zanaka,
Ary ny Fanahy Masina;
Eny, hisaorana sy hankalazaina anie
Andriamanitra mandrakizay. Amen.

449 – ‘Njay reko Tompo ô!

1. ‘Njay reko Tompo ô!
‘Njay re ny feonao
Miantso ahy Hianao
hankany Kalvary;

Fiv : Tompo lehibe!
Raiso aho e;
Mba sasao ny ranao soa
Izay tao Kalvary.

2. Malemy aho e,
Ka mitaraina hoe:
Vonjeo ny aiko Tompo ô!
Vonjeo ny olonao:
Tompo lehibe! Sns

3. Ny fiadanam-po
Mandresy ny manjo;
Esorinao ny tahotro,
Ry Tompo ô vonjeo:
Tompo lehibe! sns…

4. Mpanota tsy mandà,
Ry Tompo! mamelà;
Ny fahotako lehibe
lfonako tokoa:
Tompo lehibe! sns…

5. Ny foko tsy madio
Mba diovinao, anio;
Maloto aho, Tompo ô!
Sasao ho voadio:
Tompo lehibe! sns…

6. Ny foko no sasao,
Ka diovinao izao;
Ny fahotako marobe
Levony avokoa:
Tompo lehibe! sns…

448 – Ry Tompo ô! Tariho

1. Ry Tompo ô! Tariho
Ny ondrikelinao,
Tantano sy vimbino
Hanao ny sitrakao;
Raha misy hafaliana,
Dia taomy mba ho tia;
Raha sendra fahoriana,
Sakano tsy hania.

Fiv : Ry Jeso ô tazano,
Ny lalanay izao,
Tariho sy tantano
Ho ao, am-balanao;
Anio dia mikasa
Hanolo-tena koa
Fa nenina ny lasa Hiezaka tokoa.

2. Anio ho hafaliako,
Ny foko lasanao,
Ny maminao no tiako,
Hatao ny sitrakao.
Ny androko rehetra,
Atolotro Anao;
Anao tsy misy fetra,
Ka raiso, anjakao:
Ry Jeso ô tazano, sns…

578 – Lohasahan-dranomaso

1. Lohasahan-dranomaso
Izao fiainan-tsika izao;
ka misento lalandava
Izay rehetra velona ao;
Koa aiza re no misy
Hampionona ny fo?
Iza no mahay mamonjy
Hampisava ny manjo?

2. Manatona Ilay Mpamonjy,
Ry sakaiza ory Ô!
Ka aza mba misalasala,
Mandrosoa hianao;
Famonjena mahatoky
Tsy miova no anao,
Raha manana an’i Kristy
Ho fanala-tahotrao.

3. Vola sy harena an-tany
Mety tsy hanananao;
Havana, sakaiza koa
Dia hisaraka aminao;
Nefa Jeso no anjara
Tsy alaina aminao;
Izy no Sakaiza tsara
Izay nanavotra aina anao.

579 – Aza mba mandao ahy ry Mpamonjy ô

1. Aza mba mandao ahy,
Ry Mparnonjy ô!
Aza mba manary ahy,
Jeso Tompo ô!

Fiv : Ry Mpanjaka,
Mihainoa re!
Mamonje fa mitaraina
Ny vahoakao.

2. Fantatrao fa malahelo
Ny mpanomponao;
Raha mbola eto aho,
Mba tsinjovinao:
Ry Mpanjaka, sns…

3. lndro! fa miandry eto
Ny navotanao;
Aoka tsy mba halahelo,
Mba falio izao:
Ry Mpanjaka, sns…

4. Eny, manomeza hery
Mba ho ahy re,
Ka hahery sy handresy
Ny mpanomponao:
Ry Mpanjaka, sns…

580 – Ry be fiantra sy be indrafo

1. Ry be fiantra sy be indrafo!
Ao Aminao misy soa;
Ory izahay noho ny zava-manjo;
Ao Aminao misy soa;
Be siasia an-dalana aty,
Sao tsy ho tratra ny tsara ary;
Tompo miantrà, vonjeo izahay,
Ao Aminao misy soa.

2. Rahona mainty manarona anay,
Ao Aminao misy soa
Mba hazavaonao izay dianay,
Ao Aminao misy soa;
Ampaherezo hanaraka Anao,
Ampaherezo hatoky Anao,
Tompo mahery, hazony izahay,
Ao Aminao misy soa.

3. Any an-danitra izay lapanao,
Ao Aminao, misy soa;
Ka dia matoky izahay zanakao,
Ao Aminao, misy soa;
Aza ilaozana akory izahay,
Sao dia very an-dàlana indray:
Tompo malala, tariho izahay,
Ao Aminao, misy soa

140 – Haleloia, Haleloia!

1. Haleloia, Haleloia!
Miderà ny Tomponao.
Manandrata feo hidera
an’i Jeso Kristy ‘zao.
Fa nijaly mafy lzy,
Sady voavono koa.
Nefa indro, velona Izy
Ao an-danitra tokoa.

2. Eny, velona ny Tompo
Mba ho santatsika koa,
Ka ho velona ny mino
Sy hitsangana tokoa:
Dia handray ny lova soa,
Satro-bolamena koa.
Ka hidera ny Mparnonjy
Sy ho sambatra avokoa.

3. Haleloia, haleloia,
Haja, hery, saotra anie
No hatolotra ny Tompo,
‘Zay Mpandresy lehibe;
Hoderaina lalandava
Fa mpanjaka manan-jo:
Haleloia, haleloia,
Hoderaina eram-po.

139 – He! Vita re ny ady izao!

1. He! Vita re ny ady izao!
Ny ota efa resy re,
Ny feo mifaly no atao.
Haleloia!

2. Fahafatesana no tao,
Fa Kristy naharesy izao
Ny fandreseny no derao,
Haleloia!

3. Ny andro nijaliana e!
Nisolo fifaliam-be,
Ka mihirà izay mandre:
Haleloia!

4. Ny gadra voatapany,
Ny efitra efa ravany;
Ka miderà ny heriny:
Haleloia!

5. Ry Tompo ô! Ny fiainanao,
Mamelona ny olonao,
Ka hoderaina Hianao,
Haleloia!