55 – Ny andron’ny fahasoavana

1. Ny andron’ny fahasoavana
Miposaka ho antsika,
Manerana izao tontolo izao,
Ny tarany efa hita,
Ka ravo ny olombelona,
Fa lasa ny alintsika.

2. Niova tery ny alina,
Fa teraka ny Mpamonjy,
Mamiratra re ny lanitra,
Miseho izao ny vonjy,
Ka lasa tokoa ny aizina,
Mihoby ny voavonjy.

3. Na dia ho nahay nihira re
Ny hazo an-ala rehetra,
Ka afa-mikalo ny ravina
Hidera ny Avo Indrindra
Tsy ampy ho fanandratana
Ny Tompon’ny ain-drehetra.

4. Ny feon’ny olonao izao
Misandratra, ry Jehovah,
Hidera ny fitiavanao
Sy ny indrafonao soa
Niaro ny fiangonanao
Hatramin’ny fahagola.

5. Ho any an-tenindrazanay
Izahay re, ry Ray Tsitoha,
Ka hiditra ao an-tranon-dRay
Nomanin’ Ilay Mpialoha;
Ny olonao dia ho tafaray
Hidera Anao tokoa!

54 – Jeso Mpamonjy, Ilay Tompon’ny aina

1. Jeso Mpamonjy, Ilay Tompon’ny aina, no hita
Nidina teto an-tany hamonjy antsika :
O, mba derao
Izy Mpanavotra anao
Ka mifalia ry mino !

2. Indro ny tenin’anjely milaza ny soa :
Teraka Jeso Mpamonjy antsika tokoa !
O, mba derao
Tonga ny andro vaovao,
Andron’ny Filazantsara !

3. Dia iventesonao hira vaovao re izany ;
Tonga Jesosy hamonjy izay mitomany !
O, mba derao
Afaka isika izao ;
Izy Mpisolo antsika !

4. Tonga ny Tompon’ny tompo hisolo ny ory,
Ka mifohaza ry olona mbola matory !
O, mba derao
Amin’ny feo vaovao
Jeso, Ilay Tompo mahery !

56 – Manatona Anao izao

1. Manatona Anao izao,
Ry Jeso, ny madinikao,
Ampandrosy ny dianay
Fa ta hahita Anao izahay !

2. Hidera ny Anaranao
No zava-tianay hatao ;
Miravoravo izahay
Fa teraka ny Tomponay.

3. Ny lanitra nilaozanao
Hanavotra ny olonao,
Ho zanak’Andriamanitra
Hifaly ao an-danitra.

4. Tsy takatray heverina
Ny fitiavan-dalina,
Izay nitiavanao anay
Ka dia misaotra Anao izahay !

5. Tariho, Tompo, izahay,
Ambinonao ny dianay ;
Fa samy ta handray Anao
Izahay mivory eto izao !

6. O, ry Sakaiza maminay,
Mba te ho olonao izahay
Hipetraka eo anilanao
Fa mamy ny fitianao !

7. Raha manana Anao izahay
Tsy hisy hatahoranay,
Fa zaza voamarikao
Ho isan’ny arovanao.

8. Raha ao an-danitra vaovao
Izahay sy ny anjelinao,
Hisaotra sy hidera Anao
Manatrika ny tavanao !

463 – Jehovah no Ampinga

1. Jehovah no Ampinga
Sy Masoandro koa,
Hiaro amin-doza
Sy hanazava koa.

2. Ka tsy handresy ahy
Izay fahavaloko;
Na ota na devoly
Ho resy avokoa.

3. Fa raha alaim-panahy,
Na misy izay manjo,
Hanatona Azy aho
Hakako hery koa.

4. Rehefa tapitra andro,
Ka tonga amiko
Izay hialako aina,
Dia tsy ho tahotro.

5. Ny lanitra haleha
Sy hitoerako;
Hidera an’i Jeso
Mandrakizay doria.

462 – Eo an-tananao, ry Raiko!

1. Eo an-tananao, ry Raiko,
No apetrako izao
Ny fiainako rehetra,
Mba tahio ny zanakao !
Marobe ny fahavalo
Ta hamely ahy e,
Ry Jehovah, Ray mpiaro,
Mba arovinao anie !

2. Raha mbola eto aho
Zaza be fisiasia,
Tia ratsy noho ny soa
Ka mandà ny Tompo tia ;
Aza mba manary ahy
Ry Mpamonjy tsy mandao,
Aza manalavitra ahy
‘ndrao dia takona Aminao !

3. Na ho lava na ho fohy
No hiainako ety,
Tsy mba sitrako akory
Ny handà ‘zay tendrinao ;
Raha tonga anio ny andro
Izay handaozako ity,
Eo an-tànanao no tiako,
Raiso aho ho ary !

4. Eo an-tànanao, ry Raiko,
No apetrako izao
Aina, tena sy fanahy
Mba vonjeo ny zanakao !
Ampianaro hahazaka
Fitondrana tianao ;
Ilazao mba hahalala
Fa izao no sitrakao !

5. Eny, Raiko, mba valio
Izao fivavako izao,
E, jereo ka mba tahio
Izaho miandrandra Anao !
Mba sasao ny ranao soa
Dia hadio aho izao ;
Ry Mpamonjy, mihainoa
Ny mpanomponao izao !

52 – Efa akaiky Jeso Tompo

1. Efa akaiky Jeso Tompo
Haka Anao izao,
Indro, tamy Kristy Tompo
Avy ho anao !

Fiv : Dia tano mafy tsara
Izay anananao ;
Lova soa tsara fara
Indro ho anao !

2. Efa akaiky ny Mpitsara
Izay hitsara anao ;
Jeso Kristy raiso tsara
Mba ho havanao !
Dia tano mafy tsara, sns…

3. Efa akaiky ny Mpamonjy
Ta-handray anao ;
Jeso Kristy mahavonjy
No sakaizanao !
Dia tano mafy tsara, sns…

4. Aza mba mangataka andro
Hibebahanao !
He, mazava anio ny andro
Mba hidiranao,
Dia tano mafy tsara, sns…

51 – Raha tonga anio ny Tompo

1. Raha tonga anio ny Tompo
Amin-kery lehibe,
Ka arahin’ny mpanompo
Sy anjely maro be !

Fiv : Moa ho faly hianao
Ka hidera ny Mpamonjy
Izay nanavotra aina anao ?

2. He, ho simba sy ho rava
Izao rehetra àry izao !
Ka hifankahita tava
Ny natao sy ny Mpanao
Fiv : Moa ho faly hianao sns…

3. Maso maro no hijery
Ilay nijaly fahizay,
Fa ny mino Azy ihany
No ho faly rahatrizay !
Fiv : Moa ho faly hianao sns…

4. Rehefa tonga re ny Tompo
Mba hitsara izay natao,
Hitomany ny tsy mino
Fa hanatrika Azy ao !
Fiv : Moa ho faly hianao sns…

5. O, avia re ry Tompo
Mba hanjaka aminay !
Hahatonga anay mpanompo
Hiara-paly aminao !
O Avia, ô avia,
Fa ny olonao rehetra
Dia maniry indrindra Anao !

57 – Izao Noely mamy izao

1. Izao Noely mamy izao
No ihobiantsika
Fa noresen’ny aim-baovao
Ny fahafatesantsika:
Ny Zanak’Andriamanitra,
Izay Tompom-boninahitra,
Nandao ny lapan-dRainy
Nateraka ho olona
Antsika sombin’ny ainy.

2. Velomy ny fisaorana,
Na kely monja aza,
Ka aoka izay navotana
Hiara-hankalaza
Ny Zanak’Andriamanitra
Niala tao an-danitra
Hanafaka alahelo;
Ry voavonjy ô! derao
Jesosy Ilay Mpanjakanao
He, gaina izao ny helo!

3. Izao Andriamanitra
Dia faly, amintsika:
Jesosy, Tompon-danitra.
No tonga namantsika;
Ho re hatrany lavitra
Fa foin’Andriamanitra
Ilay sitraky ny finy
Hitondra fahoriana,
Hiara-pijaliana
Ho solon’ny mpikomy

4. Na dia tratry ny manjo,
Izay mampiferin’aina,
Izaho tsy hamoy fo,
Fa manan-kantenaina;
Jesosy dia Zokiko,
Ka tsy hohadinoiko,
Fa Izy tia ahy;
Ny tenim-piadanany
No hery anohanany
Ny foko, izay manahy.

5. Haleloia, fa tapitra
Ny fahoriantsika!
Derao Andriamanitra,
Izay efa tia antsika
O, ry fanahiko, derao
Jesosy, Izay Mpamonjinao,
Harena tsy ho lany.
Haleloia, haleloia!
Fa azo ny Mpanavotra,
Anao ny fanjakany!

460 – Ario ny tahotrao

1. Ario ny tahotrao,
Ry olona osa fo!
Izay lazain’ny Tomponao
Tsy hisy tsy ho to;
Ny fisentoanao
Dia reny avokoa;
Ny feon’ny fitarainanao
Valiany tokoa.

2. Mpanjaka lehibe
No itokianao;
Ny tanany mahery re
No hamonjena anao;
Tsy misy mahalà
‘Zay tiany hatao:
Handositra amin-tahotra
Ny fahavalonao.

3. Ny fitondrany soa
No iankinonao;
Koa aoka hofidiny koa
Izay halehanao;
Na dia tsy takatrao
Ny sainy lalina.
Izay tendreny ho anao
Ekeo ho marina.

4. Ry Tompo tsara ô!
Mba mijere anay,
Na reraka aza re ny fo
Tohanonao ‘zahay:
Ovay ny hevitray,
Ny fonay hazavao,
Izay atoronao anay
Hizoranay izao.