158 – Raha afaka entana aho aty

1. Raha afaka entana aho aty
Ka tody any an-danitra ary
Ny hanakaiky Ilay Tompo tia
No hifaliako mandrakizay

Fiv : Satriko re ny hanome
Saotra tokoa eran’ny fo
An’Ilay maty fa velona indray
Hatrehiko ao anilan’ny Ray

2. ‘Ndrey ny haren’izao antrany izao
Izay handovako ilay tany vaovao !
Fa ny hahita ny tavany ao
No hiadanako mandrakizay
Satriko re, sns…

3. Hava-malala hihaonako ao,
Hobin-tra-bonjy hiaraha-manao
Mamy indrindra anefa izao ;
Kristy hatrehiko  mandrakizay
Satriko re, sns…

157 – Hobio, ry tra-bonjy

1. Hobio, ry tra-bonjy
Fa indro ny Mpamonjy
Miakatra indray
Tsinjovy Izy any
Mandray ny fanjakany
Ao an-kavanan-dRay

2. Ny hiran’ny anjely
Manako sy miely
Ary an-danitra ;
Injay, ny Ray Tsitoha
Miarahaba koa
Mandray ny Zanaka

3. O, miangà, ry foko
Fa aza mitoloko
Aty an-tany izao ;
Miandrandrà, jereo
Ilay voahombo teo !
Tsitoha Izy ao

4. Naharitra ny mafy
Niady sy nihafy
Ny Tomponao taty
Tahafonao izany,
Fa he ! ny fanjakany
Miandry anao ery

156 – Jeso Mpanjaka tokana

1. Jeso Mpanjaka tokana
Na aiza misy olona
Ny fanjakany hanerana
Ny tany sy ny lanitra

2. Vavaka sy fisaorana
Hakarin’ny navotana
Haharitra tsy tapitra
Hanolo-boninahitra

3. Ny firenen-drehetra anie
Hidera ny fitiavam-be
Ny zaza aza hanatitra
Ny hajam-boninahitra

4. Ny tany izay alehany
Dia feno fitahiany
Ny voagadra afaka
Miadana ny reraka

5. Izao rehetra izao anie
Hanatitra fisaoram-be
Ho an’ny Tompo tokana
Izay Mpanjakan-danitra

461 – Aoka ho an’Andriamanitra

1. Aoka ho an’Andriamanitra
Ny fanendrena ny lalanao.
Fa hovimbininy hianao
Amin’ny lalan-tsarotra ;
Fa toky tsy mamitaka
Ny tenin’Andriamanitra.

2. Fa inona no azonao
Amin’ny fiahiana ?
Tsy afaka ory hianao
Noho ny fisentoana ;
Na be herehina hianao,
Ho be ny alahelonao.

3. Lefero kely, maneke
Izay sitrak’Andriamanitra,
Ny zavatra tinendriny
Tsy maintsy mahasoa anao ;
Isika nofinidiny,
Ka tsy ho foiny indray.

4. Fa fantatr’Andriamanitra
Izay andro hifaliana
Isika no hodioviny
Amin’ny fahoriana:
Tsy maintsy hofantenana
Vao afa-pahoriana.

5.Dia aza atao fa hianao 
Afoin’Andriamanitra ;
Fa Izy dia mananatra
Ny zaza izay tiany,
Na dia mba manomana azy
Handova ny an-danitra.

6. Misaora ny Anarany,
Ka aza ketraka hianao
Fa ho tanteraka aminao
Ny soa lazain’ny Teniny ;
Fa toky tsy mamitaka
Ny Tenin’Andriamanitra.

391 – Mpanota ô, mba mihevera tsara

1. Mpanota ô, mba mihevera tsara
Fa mora tapitra ny andronao
Hevero fa ho avy ny Mpitsara
Handinika ny raharahanao !

2. Akaiky izao ny fararanon’aina
Izay hijinjana izao tontolo izao ;
Ka dia tsarovy fa ny Tompon’aina
Hanolotra izay ho anjaranao

3. Izay mamafy araka ny nofo
Hijinja fanimbana lehibe ;
Izay mamafy tsara amin-joto
Homen’ny Tompo fitsaharam-be !

4. Izany fitsaharana izany
Dia vokatry ny ran’ny Tomponao
Izay nalatsany taty an-tany
Hamonjy sy hanavotra anao !

5. Henoy ny Mpamonjy be fitia
Izay voahombo noho ny helokao !
Miantso mafy Izy hoe : « Avia
Handray ny lanitra ho lovanao ! »

155 – An-tsezam-panjakany

1. An-tsezam-panjakany
Ambony kintana
No lapan’i Jesosy
Ilay nasandratra

2. Aty an-tany iva
Anilam-pasana
No ipetrahantsika
Zoim-pahoriana

3. Kanefa mety ihany
Ny monina aty
Hiomana ho any
An-danitra ary

4. Isika tsy kamboty
Na dia nilaozany ;
Nomeny ny Fanahy
Ho solon-tenany

5. Ny fahoriantsika
Dia efa maivana
Ny fahafantesantsiky
Dia afa-tsindrona

6. Ny ain’ny Jeso Tompo
Iainantsika aty
Tsy ela dia hiseho
Indray ny tenany

7. Ka hira no venteso
Ry havany izao
Ny senton’alahelo
Mba atsaharonao !

154 – Izao Jesosy Tompontsika

1. Izao Jesosy Tompontsika
Dia nasandratry ny Ray
Ao an-tsezam-panjakany :
Izay rehetra nialany
:,: Voarainy indray :,:

2. Tsy hadinony anefa
Izay nilaozany taty
Fa omeny ny Fanahy
Mba hitondra sy hitahy
:,: Ny mpianany :,:

3. Ao anilan-dRainy Izy
Manam-boninahitra,
Ka midera Azy any
Izay rehetra anjakany
:,: Eran-danitra :,:

4. Tompom-pitsarana Izy
Samy mba hatsangany
Na ny ratsy na ny tsara
Ka homeny izay anjara
:,: Valin’asany :,:

5. He ! hohitantsika Izy
Dia ny tena endriny
Ka ny lova soa homena
Izay nandray ny famonjena
:,: Voatendriny :,:

153 – Ao an-dapany, Jesosy

1. Ao an-dapany, Jesosy
Dia derain’ny tapitrisa
Fa ny lanitra sy tany
Dia samy mankamamy
:,: Ilay Mpandresy mora fo ! :,:

2. Jeso Tompo dia ho avy
Ho Mpitsara aty an-tany
Na ny ratsy na ny tsara
Samy hanana anjara
:,: Valin’ny natao taty ! :,:

3. Ry Mpiantra be fitia
Iantrao izahay mania
Raiso ho Anao, tahio,
Hafanao, ampifalio,
:,: Ento any aminao ! :,:

151 – Miakara, miakara

1. Miakara, miakara
Ry Mpanjaka lehibe !
Vitanao ny famonjena
‘Zay nalehanao taty
Mihobia, ry anjely !
Ka derao ny Tomponao
Voninahitra sy haja
Atolory Azy izao !

2. Miakara, miakara
Ry Mpandresy lehibe !
Eso, latsa, fahoriana
No anjaranao taty
‘Zao ny lanitra miandry
Miandry hiverenanao
Renao ao ny feo manako
Feno fanajana Anao

3. Miakara, ry Mpamonjy !
Ravo ny navotanao ;
Izahay aty an-tany,
Faly te-hidera Anao
Raisonao ny fiderana
‘Zay atolotray izao
Haleloia ! Haleloia !
Ho Anao Mpanavotray !

152 – Niakatra ao an-danitra

1. Niakatra ao :,: an-danitra :,:
Ny Zanak’Andriamanitra
:,: Haleloia ! :,:

2. Ka monina ao :,: an-danitra:,:
Jesosy Tompon-danitra
:,: Haleloia ! :,:

3. Izao zavatra :,: rehetra izao:,:
Ry Jeso ô, hazoninao
:,: Haleloia ! :,:

4. Isaoranay, :,: ry Tompo ô, :,:
Ny herinao sy indrafo
:,: Haleloia ! :,:

5. Fa ny devoly resinao :,: he resinao:,:
Ny ratsy nofogoranao
:,: Haleloia ! :,:

6. Ry tany sy :,: ry lanitra :,:
Derao Andriamanitra !
:,: Haleloia ! :,: