435 – Iza no hanoa ny Tompo lehibe ?

1. Iza no hanoa ny Tompo lehibe ?
Iza no hanaja Azy tsara re ?
Iza no hitady olon-kafa koa,
Mba hanaiky sy handray ny Tompo soa ?
Indreto, Jeso Tompo! izahay izao
Avy mba hanompo, avy ho Anao

2. Tsy an-tery re no ilatsahana
Toy ny olom-bery nadevozina;
Ta-hanompo tsara izahay izao
Ta-hamelkoa izay toherinao :
Eny, Jeso Tompo! ta-hanao tokoa
Izahay mpanompo izay nasian-tsoa.

3. Na dia ta-hanompo aza izahay,
Be ny fahavalo iadianay;
Izahay malemy feno tahotra,
Mba tsy horeseny, manampianay,
Kapiteny sahy! entonao izao
Mba hitomban-dahy ny mpiadinao.

4. Mafy re ny ady, maro be no voa,
Misy tsy mahandry, be ny maty koa;
Izahay mpanompo miandrandra Anao;
Tompo izay tsy toha! mba herezonao :
Tompo manan-kery! hatanjahonao
Izahay, sao very ka afaka aminao.

FF 21 – Mahatoky ka tokony hekena

Mahatoky, ka tokony hekena
Amin’ny fankasitrahana rehetra
Izao teny izao (²) :
Tonga tety ambonin’ny tany
Kristy Jesoa
Hamonjy ny mpanota
Ary amin’ireny,izaho (izaho)
Amin’ireny, izaho no lohany (²).
Kanefa izao no namindrana fo tamiko (²)
Dia ny mba hisehoan’i Jesoa Kristy
eo amiko izay Lohany (²)
Ny faharipo rehetra Ho fianarana
Ho an’izay hino Azy
Hahazoana fiainana mandrakizay.

FF 19 – Raha Jehovah no Mpiandry

1. Raha Jehovah no Mpiandry
Tsy mba hisy mampahory
Ahi-maitso no handriana
Ny fanahy velombelona
Eny, tsy hanahy akory
Lala-marina itondrany
Lalan-tsambatra
(Sambatra ifaliana)

Fiv : Raha Jehovah no Mpiandry
(Tsy mba hisy)
Tsy mba misy ‘zay mampahory
Ahi-maitso no handriako
(Ranon’aina hosotroiko)
Ranon’aina hosotroiko
Ny fanahiko hovelominy
(Miasa izy)
Miasa lzy tsy mba matory
Lala-marina itondrany
Tsy ho foiko

2. Ny aloky ny fasana aza
Tsy ho tazantsika intsony
Tsy hatahotra ny loza aho
(Izy no mihazona ahy)
Tsorakazo nitondrany
Sy ny tehiny any ambony
No manolotra ny toky
Ny fanahiko
(Toky ny fanahiko)
Raha Jehovah no Mpiandry, sns…

3. Eo imasom-pahavalo
Ny latabatro velariny
Diloilo feno hanitra
(Efa namontosany ahy)
Safononoka tantely
Ny kapoakako namboariny
Fahasoavana no sisa
Afaka ahiahy
(Afaka ahiahy)
Raha Jehovah no Mpiandry, sns…

4. Ao an-tranonao ry Tompo
No iriko hialofana
Ka tsy afa-miditra any
(Ny hetraketraky ny tany)
Raha ny fonao feno antra
No ho lamba hirakofana
Ary ny androm-pifaliana
Tsy ho lany
(Tsy ho lany)
Raha Jehovah no Mpiandry, sns…

434 – Ny foko, ry Mpamonjy

1. Ny foko, ry Mpamonjy,
Atolotro Anao ;
Maloto ka diovy,
Mba ho fonenanao.
Ny ranao, izay nalatsaka,
No aoka mba hanafaka
Izao fahotako be izao.

2. Ny fahoriam-poko
Atolotro Anao,
Fa he, mampitoloko,
Manindry mafy ao ;
O, ry nijaly an-tsitrapo,
Tohany ny fanahiko
Mba tsy hamoy fo izao.

3. Ny fifaliam-poko
Atolotro Anao,
Arovy tsy aloto,
Diovy ho Anao,
Ampio ho tanteraka,
Ho tonga ao an-danitra
Hanatrika ny tavanao !

4. Ny tenako rehetra
Atolotro Anao,
Anao tsy misy fetra,
Anao, re, hatrizao,
Ka raiso ho fanananao
Hanompo sy hanaja Anao,
Ry Tompo sy Mpanjaka ô !

FF 18 – Afafazo

1. Raha tonga ny andro izay
Itsarana anao
Amin’izay fotoana izay
Adinina ianao
Ka hiatrika
Ilay Mpanjakanao
Efa vonona ve ianao ?(Ary koa)
Efa ampy ve
‘Zay anananao
Hiatrehanao ny Tomponao

Fiv : Fihatsarambelatsihy
Aok’izay dieny ety
Fahafaham-baraka ho anao
Ka ialao
Raha toa tianao
Ho voavonjy ianao
Afafazo ‘zay voa mendrika (Mendrika)

2. Raha tonga ny andro izay
Itsarana anao
Amin’izay fotoana izay
Adinina ianao
Efa ampy ve
‘Zay nafafinao
Mba ho voa mendrika tokoa ?(Ary koa)
Efa tontosa ve
Ny anjaranao
Tsy hahameloka anao rahatrizay
Fihatsarambelatsihy, sns…

3. Raha ho avy ny fotoana
Hodianao
Amim-boninahitra
Ho ao an-tranon-dRay
Tsy hatahotra
Na hangovitra
lanao, raha madio fo (Ary koa)
Satroboninahitra
Tsy mba Io
No an’ny mpanompo mahasoa
Fihatsarambelatsihy, sns…

433 – Mba taominao ny fo izao

1. Mba taominao ny fo izao,
Ry Jeso be fitia
Hanarahako Anao,
Ka mba tsy hania.

2. Mba taominao ny fo izao,
Hamoizako ny tany,
Fa izao rehetra izao
Dia mora lany.

3. Mba taominao ny fo izao
Hanaraka ny dia,
Izay nomban’ny olonao
Tsy naniasia.

4. Mba taominao ny fo izao,
Hahaizako hifaly,
Fa aty ny olonao
Ory sy mijaly.

5. Mba taominao ny fo izao,
Ho any amin-dRainao,
Mba ho reko hatrizao
Ny hafin’ny aino.

FF 17 – Ho avy ny maraina

1. 0 ry Tompo be fitia
He isaoranay lanao
Fa manaiky hiara-dia
Aminay mpanomponao
‘Zay miasa hanasoa
Olo-maro mpiara-miaina
Manantena vokatsoa
Amin’ny asa izay efaina

Fiv : He! talenta samihafa
No nomenao hampiasaina
Raha ireo no miara-miasa
Dia ho avy ny maraina
Ka ho maro sesehena
No hahazo tombontsoa
Hampandroso firenena
‘Zay kinasanay ho to.

2. Taona maro izay ry Ray
No nodiavina hatrizao
Niara-nilofosanay
Mba hanao ny asanao
Nefs tsapanay tokoa
Vitsy no mba vita tsars
Ka tafio ny herim-po
Hahavita izay anjara
He! talenta samihafa, sns…

FF 16 – Tsy vitam-po onena

1. Tsy vitam-po onena
Tsy vitan-dranomaso
Ny Asam-pamonjena
Tsy azo atao mifampiandry andraso
Tsy azo ifanerena
Mila fandavan-tena
Sy hery tsy mba maty
Herim-po, herin-tsaina koa

Fiv : Na onena ny fonao
Na tomany ny maso
Tsy izany no ilaina
Fa fifankatiavana

2. Ny mpianatry ny Tompo
Asainy mifanompo
Na mamy na mangidy
Miara-dia , f’izany no Didy
Mamonjy ny mahantra
Manarina ny lavo
Mitsabo ny maratra
Ary koa tsy mba miavom-po
Na onena ny fonao, sns…

431 – Na be no mahareraka

(Maintimolaly)
1. Na be no mahareraka,
Tsy mety kivy ny mino;
Ny Tsitoha no heriny
Ny lehibe no tohany.

2. Ny hani-mandrakariva
Mofo avy an-danitra
Ny sotroin’ isan’andro
Dia rano mahavelona.

3.Manda afo no arony
Finoana no ampingany,
Vavako no fofon’ainy,
Odiaina no tànany.

4. Ho lavorary ny diany,
Ho resy ny fahavalony.
Dia sitraka no itany,
Voninahitra no azony.

5. Mahereza ilay malala
Aza ketraka hanompo,
Lasa ny Mpitari-dàlana,
Hanamboatra ho anao.

FF 15 – Raiko ô !

1. Tompo Malala Tsitoha, inty aho
Izao vao nandre ilay feo niantso ahy
Tsapako anatiko ao ny herinao
Mitaona ahy mba hiverina Aminao.
Raiko ô ! Raiko ô ! Inty aho
Raiso mba ho isan’ireo zanakao
Fa izaho ‘zay nania dia hiova
Hanaraka ny didinao Ray ô!

2. Jesosy Zokiko ô ! Raiso aho
Ho isan’ireo zandrinao tianao
Neniko ireny taloha fa hiova aho
Raiso aho ! Raiso aho Jeso ho Anao.
Tompo ô! Tompo ô! Inty aho
Raiso mba ho isan’ireo zandrinao
Fa izaho ‘zay nania dia hiova
Hanaraka ny didinao Jeso!