FF 14 – Jesoa, apetraka Aminao

1. Jesoa, apetrako Aminao
Ny fanahiako rehetra
Ny asa vita hatrizao
Anao tokoa tsy misy fetra
Jesoa, apetraka Aminao

2. Jesoa, apetrako Aminao
Ny asa fikelezan’aina
Tsy misy miafina Aminao
Ny hetaheta tsy hay lazaina
Jesoa, apetraka Aminao

3. Jesoa, apetrako Aminao
Ny toky sy fanantenana
Ny sitrakao no aoka hatao
Na aiza lalana ombana
Jesoa, apetraka aminao

FF 13 – Mihirà fihiram-baovao

Mihirà fihiram-baovao
Ho an’i Jehovah, ry tany
Mihirà fihirana
Ho an’i Jehovah
Dia ambarao amin’ny jentilisa
Ny Voninahiny.

Mihirà fihirana
Fihiram-baovao
Mihirà fihirana
Ho an’ i Jehovah, ry Tany
Dia ambarao amin’ny Jentilisa
Ny Voninahiny
Ambarao amin’ny Jentilisa
Fa Jehovah no mendrika.
Izy no mendrika ny Fiderana

FF 9 – Isaorana anie Jehovah

Isaorana anie Jehovah
Andriamanitra anie
Andriamanitry ny Israely
Isaorana anie Jehovah
Andriamanitra
Izy irery ihany no nanao fahagagana
Isaorana, mandrakizay
ny anarany Malaza
Ary aoka ny tany rehetra,
Ho henika ny famirapiratry
Ny voninahitr’i Jehovah Ray Tsitoha
Amen!

FF 6 – Ny teninao

1. Ny teninao, Jehovah Ray mahery,
Izay nomenao anay,
Dia teny tsara sady mampahery
Ka mampifaly ny fonay !

Fiv : Ny teninao,
Mofon’aina sakafo tokoa !
Ny teninao,
Ranon’aina satria foto-tsoa
Ny teninao no teny tsy mba maty
Maharitra mandrakizay !

2. Soraty re ho velona ao anaty
Hitondra aina vaovao,
Hitana ny finoana tsy ho faty,
Ka hankatò ny didinao !

FF 5 – Izaho no fananganana ny maty

1. Hoy Jesosy Tompo ‘zaho no fananganana
Fananganana ny maty sy fiainana
‘Zay rehetra mino Ahy na dia maty aza
Dia ho velon’indray, ho velon’indray, ho velon’indray
Satria velona Aho, Ho velona hianareo
Aza matahotra fa (ho velon’indray)3

2. Maharavo fo ny teniny henoy indray koa
‘Zay rehetra velona ka mino Ahy tokoa
Dia tsy ho faty mandrakizay hatsangako
Ka ho velon’indray, ho velon’indray, ho velon’indray
Satria velona Aho, ho velona hianareo
Aza matahotra fa (ho velon’indray)3

3. 0 ! Jesosy Tompoko indro re ampitomboy
Ny finoako Anao, ny herinao asehoy
Tompo iantrao ny foko tsy finoako vonoy
Mba ho velon’indray, ho velon’indray, ho velon’indray
Mino Anao tokoa ny foko Jesosiko
Feno toky aho, fa (ho velon’indray)3

126 – Endrey izato fahasambarana

1. Endrey izato fahasambarana:
Jesosy dia velona indray
Ny foko mandre fitsaharana,
Noho izay natsangan’ny Ray
Tsy any am-pasana intsony,
Fa hitako velona koa;
:,: Ilay Tompon’ny hery ambony,
Mamiratra sy mananjo. :,:

2. He, velona Izy! Hafarany
Izaho izao hampandre
Ireo izay tia ny Anarany
Ny fampiononana be.
Anjely no mendri-kilaza;
Izaho, mpanompo tsy soa,
:,: Nirahin’ny Tompo malaza,
Ka ravo sy tretrika koa! :,:

3. Endrey izato fahasambarana!
Fa velona mandrakizay
Ny Tompo izay nifankazarana,
Ka faly ny foko indray!
Ny fasana izay nampisaona
No fampiononana koa,
:,: Fa tao izahay tafahaona
Ka ravo dia ravo ny fo! :,:

125 – Indro, Jeso velona

1. Indro, Jeso velona,
Afaka ny olom-bery,
Rava re ny fasana,
Dia nivoaka ilay Mahery;
Ka ny horohoron-tany
Dia nahatò izany.

2. Resinao ny rafinay,
Ry Jesosy manan-kery,
Ka mpandresy izahay,
Voavonjinao ny very,
Matinao ny helok’ota,
Velona izahay mpanota.

123 – Velona Jesosy

1. Velona Jesosy,
Nitsangana tokoa;
Ny kristiana marobe
mihoby sy mihira hoe:
Dera ho Anao, ry Mpandresy!

2. Velona Jesosy,
Ny helo dia resy,
Tanteraka ny avotra,
Ka afaka ny heloka:
Dera ho Anao, ry Mpandresy!

3. Velona Jesosy,
Ka velona isika,
Hiara-monina aminy,
Hohazavain’ny tavany:
Dera ho Anao, ry Mpandresy!

122 – Hitako izao, sakaiza

1. Hitako izao, sakaiza
Ny fahasambarana
Ka ny foko faly, ravo,
Manam-piadanana
Teo am-pototry ny hazo
Nijalian’ny Tompoko,
Teo aho no nahazo
Famelana heloka !

2. He, ny indrafo niriko
Efa azoko tokoa
Ka jesosy no fidiko
Fa Izy fototry ny soa !
He, ny rany sarobidy
Nanadio ny otako
Izaho efa voavidy
Lanitra no lovako !

3. Tena soa mahagaga
Izao nomenao ahy izao,
Fa izaho izay mpanota
Dia nohavaninao !
Ka izaho dia hidera
Izato fitiavanao
Ary koa hanambara,
Jeso ô, ny herinao !

4. Ry Mpamonjy ô, mba raiso
Izao fisaorako izao
Ka izay rehetra ahy
Dia atolotro Anao,
Raha tonga re ny fetra
Hialako sasatra,
Ento aho hitoetra
Eo anilanao ary !