138 – ‘Ty no andro maharavo

1. ‘Ty no andro maharavo
Ora fifalianay
Lay Mpanarina ny lavo
No niady ho anay !
:,: Haleloia, haleloia,
Ho Anao Mpanjakanay !:,:

2. Azonao ny fandresena,
Ry Mpamonjy velona,
Vitanao ny famonjena
Tafatsangana Hianao !
:,: Haleloia, haleloia,
Ho Anao Mpanjakanay !:,:

3. Resinao ny fahotana
Voavoha ny fasanao !
Torotoro re Satana
Afaka ny olonao !
:,: Haleloia, haleloia,
Ho Anao Mpanjakanay !:,:

4. Ry Mpandresy fandozana,
Raisonao ny hajanay !
Ry Mpamonjy, mitantàna,
Tano ho Anao ‘zahay !
:,: Haleloia, haleloia,
Ho Anao Mpanjakanay !:,:

137 – Vita izao ny fandresena

1. Vita izao ny fandresena
Haleloia, haleloia
Azo koa ny famonjena,
Haleloia;
Resy re ny fasana
Sy ny fahafatesana
Fahavalo farany,
Fa Jeso nitsangana,
Tonga fanafahana;
Haleloia (in-3)

2. To izao izay nambara:
Haleloia, haleloia
Fa ny fatotra nivaha:
Haleloia.
Foana ny fasana.
Jeso re nitsangana
Tamin-kery lehibe
Ka torio ry mino e!
Eran-tany mba ho re:
Haleloia (in-3)

3. Dia venteso ny hosana:
Haleloia, haleloia
Aoka tsy hihambahamba:
Haleloia.
Fa efa velona tokoa
Lay Mpamonjy tsy mba roa
Zay nisolo voina anao;
Izy no nisantatra
Ny fiainan-tsambatra:
Haleloia (in-3)

136 – Ry Jeso Tompon’aina!

1. Ry Jeso Tompon’aina!
Nalevina Hianao,
Kanefa, he, deraina,
Fa velona ao izao.

2. Ny fasana nivoha
Noho ny herinao,
Fa tsy mba nahatoha
Ny voninahitrao.

3. Ireo miaramila
Nahery sy nahay
Dia tsy mba nahatana
Anao Mpanjakanay.

4. Nitsangana tokoa
Ho tena santatray
Hianao, ry Tompo soa
Sy Kapiteninay!

135 – Foana ny fasanao

1. Foana ny fasanao,
Jeso Tompon’aina!
Tò tokoa ny teninao
Ka notontosaina.

2. Foana ny fasanao,
Tompo manan-kery,
Gaga teo ny rafinao,
Resy’lay mahery.

3. Foana ny fasanao,
Fa efa novohana!.
Maito ny fatoranao,
Tsy mba nahatana.

4. Foana ny fasanao,
Zanaky ny Avo!
Aina no nasehonao.
Zava-maharavo.

827 – Na mamely ny tafiotra lehibe

1. Na mamely ny tafiotra lehibe
Sy mandrivotra fatratra
Ka efa mila hahavery saina re!
Hozakaiko fa lahatra
Jeso Tompo no amiko izao
Ka ny loza resiny avokoa
Izy no mitondra ahy mba ho ao
Amin-dRainy handova ny soa.

Fiv : Mandrosoa hoy ny Tompo
Fa Izaho hitondra anao
Ka hitandrina anao
Sy hanatitra anao
Any Ziona fonenan’ny Ray

2. Na dia maizina ny lalako ety,
Sady be fahavalo koa
Kelikely foana dia ho tonga ary
Ka ho tretrika ao tokoa.
Jeso Tompo no misakambina
Sy mihazona ny tanako roa,
Sady be fitia ka te-hiambina
Ny fanahy sy ny aiko koa.
Mandrosoa hoy ny Tompo, sns…

3. Reko re ny alon-drano lehibe
‘Zay mamely ankehitrio;
Ka toa kivy ny fanahiko mandre,
Kanjo tsara ho ahy io.
Fa tsy tiako ny hanalavitra
‘Lay Mpanafaka ny zava-manjo,
Raha toa ny saiko tsy finaritra,
Ka mangovitra mafy ny fo.
Mandrosoa hoy ny Tompo, sns…

817 – Ry Andriamanitra Rainay, mihainoa

1. Ry Andriamanitra
Rainay, Mihainoa
:,: Mihainoa,:,:
Miondrika eto anatrehanao ‘zahay,
Fa Hianao no Andriamanitray
Ka henoy izahay!

2. Ry Jeso Kristy,
Zanak’ Andriamanitray, mamonje!.
:,:Mamonje!:,:
Fa Hianao no Mpamonjy izao
tontolo izao,
Ary ny Ranao no nanavotanao
Ka vonjeo izahay

3. Ry Fanahy Masina,
Mpanavotra anay diovinao.
:,: Diovinao! :,:
Fa Hianao no mahay
manadio ny fonay
Mba ho tempoly mendrika ny hitoeranao,
Diovinao izahay!

818 – Ry Zanakondry ô, Mpisolo ny mpanota

Ry Zanakondry ô, Mpisolo ny mpanota!
Mamindra fo aminayl
Ry Zanakondry ô, Mpisolo ny mpanota!
Mamindra fo aminay.
Ry Zanakondry ô, Mpisolo ny mpanota!
Omeo anay ny fiadananao!
Tompo ô, mba miantrà!
Mamelà re, ny helokay!
Niara-nanota izahay tamin-drazanay,
Ka tsy mba madio, fa ratsy ny toetray!
Ry Tompo ô, aza ataonao aminay araka ny fahotanay,
Ka aza averina aminay ny helokay!
Henoy ny hatakay.
Ka raisonao ny fifonanay
Amen!

134 – Mifaly tokoa ny foko izao

1. Mifaly tokoa ny foko izao,
Fa misy manambara
Ny Filazantsara.
:,: 0, mba raisonao!:,:

2. Nitsangana Jeso, Haleloia re!
Henoy teny soa,
Ka dia minoa
:.: Fa marina e! :,:

3. He! Rava ny fasana, ka mijere,
Fa efa niala
Ny Tompo malala,
:,: Fa velona e! :,:

4. Ny fahafatesana resy tokoa,
Ka tsy mba mijaly
Ny mino fa faly
:,: Sy tretrika am-po :,:

5. Misaotra, midera Anao izahay,
Ry Jeso Mpamonjy,
Fa vita ny vonjy
:,: Ho mandrakizay :,:

6. Haleloia! Tsara ny Pasaka e!
Ny Tompon’ny aina
Izao hoderaina,
:,: Haleloia re! :,:

820 – Jeso Kristy Tomponay

1. Jeso Kristy Tomponay,
Zanaka malalan-dRay,
No naetry ho anay;
Mamonje anay anie.

2. He! ny fahatsoranao
Sy ny hadiovanao
Tsy mpanota Hianao;
Mamonje anay anie.

3. Hianao no marina,
Mora fo sy masina,
Ary tsy mialona;
Mamonje anay anie.

4. Tsy niala sasatra,
Tsy nandà ny sarotra,
Fa nitondra henatra.
Mamonje anay anie.

5. Heloka, tsy rariny;
Hianao najaliny
Tao an-tampon’i Kalvary;
Mamonje anay anie.

6. Lasanao ny helokay
Raha mibebaka izahay
Tsy manao ny sitrakay
Mamonje anay anie.

7. He! ny fitsangananao,
Resy ny fahavalonao
Tamim-boninahitrao,
Mamonje anay anie.

8. Hianao, ry jeso ô!
Anateranay izao
Saotra izay anjaranao;
Mamonje anay anie.

9. Fo, fanahy, tena koa,
Ho anao mba hahasoa
Izay rehetra tia tokoa;
Mamonje anay anie.

826 – Taona tokana sarobidy

1. Taona tokana sarobidy
Ka isaorana Ilay Tsitoha
Tena taona mba fitadidy
Fa tsingerina mampifoha
Ny hafalian’ny lohantaona
No manenika izato lasy
:,:Fa naharitra ka tsy foana
Ny Baibolin’ny Malagasy:,:

2. Ny vahoakan’ny firenena
‘Njao mianoka fifaliana
Fa ny Tenin’ny Famonjena
No rnivimbina fitahiana
Ka manenika ny eran-tany
Sy manerana ny tontolo
:,:Ary isany tamin’izany
Ny taninay ka niova volo.:,:

3. Be ny sarotra nosetraina
Be ny sakana izay nandrara
Nisy aza famoizana aina
‘Zay voarakitry ny tantara.
Nefa, tao Andriamanitra
Ka ny Teniny tsy mba resy
:,:No sabatra iray maranitra
Nampahatoky sy nampandresy:,:

4. Irina indrindra ho tafatoetra
Hitondrana ny firenena,
Ho filamatra, tarigetra
Izany tenin’ny Famonjena:
Ny fitiavana hahazo laka,
Filaminana no hiseho,
:,:Fiadanana no hanjaka,
Ny fahantrana ho foana hatreo:,: