368 – Manatòna, ry mpanota

1. Manatòna, ry mpanota
Ory, jamba, very koa!
Hianao simbàn’ny ota,
Indro, ao ny Tompo soa;
Ry tsy mendrika hovonjena,
Misy ‘zay miantra anao;
Fifaliam-be homena,
Famelana helokao.

2. Mba henoy ny teny tsara
‘Zay lazaina aminao,
Sao very ny anjara
Soa tadiavinao;
Feno antra, manan-kery
Jeso no mitaona anao;
Ka ny mino tsy ho very
Manatòna re izao.

3. Ny miato tsy mba tsara,
Ny halainanao ario;
Sao helohin’ny Mpitsara,
Manatòna re anio;
He! Miandry ny Mpamonjy,
Mba faingàna hianao.
Raha te-ho voavonjy,
Aza ela hianao.

369 – Faingàna, ry hava-malala

1. Faingàna, ry hava-malala,
Hatòny ny Tompo izao,
Ny fo sy ny feo asandrato,
Derao ‘Lay nanvotra anao.
Ny avotra sy ny famonjena,
‘Zay vitany tao Kalvary,
No fanantenan’ny mpanota
Hahazo fiainana ary.

2. He Izy mitondra irery
Ny mafy, nisolo anao,
Ka maty hamonjy ny very;
Ny rany nandriaka tao.
Niaritra latsa sy eso,
Ny hombo sy ny lefona koa;
Nivesatra ota Izy teto
Hanananao fiainana soa.

3. Endrey! Ny fitiavan’i Jeso,
Ry olo-mahantra, jereo!
Nijaly hamonjy, hevero,
Ny ota mahazo ekeo;
Ekeo, fa ny fo mihamafy,
Dia loza manenjika anao;
Faingàna hamonjy ny ainao.
Haharaoty ny andro ‘zao.

4. Ny masom-panahy atopazo,
Ny lanitra no andrandrao;
Ny Tompo maniry hamonjy,
Henoy, fa miantso anao,
Fiangàna, ry hava-malala!
Modia an-tranon’ny Ray;
Miandry anao re ny lova,
Fiainana mandrakizay.

503 – Ry Jeso Tompo tsara ô!

1. Ry Jeso Tompo tsara ô!
Tsy azoko valiana
Izato fitiavanao
Manafa-pahoriana.
He, sambatra aho, Tompo ô!
Fa manana Anao izao,
Izay tsy mba mety sosotra,
Na faly hampitahotra,
Ka Hianao no tokiko
Sy foto-pifaliako.

2. He, isam-pahoriana
Izay niantsoako Anao,
Dia efa novaliana
Ny hataka izay natao.
Ny heloko navelanao,
Ny foko nohavaozinao,
Ny loza nosakananao,
Ny ngidiny nesorinao;
Ny aim-baovao iainako,
Ka velona ny heriko.

3. Ka amin’izao sisa izao,
Mikasa aho, Tompo ô!
Hanao izay nohafaranao,
Hanaraka Anao am-po.
Satana dia holaviko;
Hafoiko izao tontolo izao,
Rafesiko ny nofoko,
Fa Hianao, Mpamonjy ô!
Mpanavotra tsy foiko,
No sisa hotompoiko.

504 – Ambarao, ry mpivahiny!

1. « Ambarao, ry mpivahiny!
Ny alehanao izao! »
« Fiakarana mideza
Ihoaranay anio:
Jesosy Tompo no miantso
Mba ho ao an-tany soa;
:,:Mba ho ao an-tany soa;
Jeso no alehanay:,: ».

2. « Lozanao, ry mpivahiny,
Lalàna tsy fantatrao! »
« Tsia, fa anjely maro
No miaraka aminay;
Jeso Tompo no mitondra,
Tsy hanjo anay ny loza,
Tsy hanjo anay ny loza,
:,:Tsy hanjo anay ny loza;
Izay no ampinganay:,: ».

3. « Inona, ry mpivahiny,
No ho azonao ary? »
« Jeso Kristy be fitia
Vonon-kanome anay
Lamba fotsy, zava-tsoa,
Ranon’aina tsy ho lany,
:,:Ranon’aina tsy ho lany!
Jeso no hatoninay:,: »

4. « Tianay, ry mpivahiny,
Mba hiaraka aminao! »
« Mandrosoa, ry sakaiza!
Miaraha aminay:
Fa izay mitady tsara
Tsy mba lavin’i Jesosy,
:,:Tsy mba lavin’i Jesosy,
Izy no hidiranay:,: »

501 – Namely mafy loatra

1. Namely mafy loatra
Ny henatra aman-tahotra,
Tsy afaka ny haizim-po
Fa mbola tao ny heloko

2. Nandroso aho nivavaka
Ry Jeso ô, Mpanavotra,
Izao no angatahiko :
Mba mamelà ny heloko !

3. Izaho tsy hiahotra,
Ny tenako atolotro,
Izay rehetra ananako
Anao, Mpamela heloka !

4. Ny tahotra dia levona,
Ariako ny henatra,
Satria mandre ny feonao hoe :
« Voavelako ny helokao ! »

5. Endrey ny hafaliako
Izay velona ao anatiko !
Ka sahiko ny hanao hoe :
« Voavelanao ny heloko ! »

505 – Mpivahiny! mba lazao

1. Mpivahiny! mba lazao:
Zovy moa hianao? »
« Izaho namanao ity,
Fa miandry Ilay ary. »
« Mpivahiny! mba lazao:
Iza no andrasanao? »
« Jeso, Havako ary,
No andrasako aty. »

2. Mpivahiny! mba lazao:
Aiza no halehanao? »
« Lalana ety avokoa
Sady sarotra tokoa. »
Mpivahiny!mba lazao:
Iza no arahinao? »
« Jeso,Zoky be fitia,
Tsy mamela mba hania. »

3. « Mpivahiny! mba lazao:
Aiza no hodianao? »
« Ao an-danitra madio
No aleha ankehitrio. »
« Mpivahiny! mba lazao:
Iza no handray anao? »
« Jeso, Ilay Mpanjaka soa,
Tompo, Havako tokoa. »

106 – Indro ny fitiavana nijaly

1. Indro, ny fitiavana nijaly
Teo amin’ny hazo fijaliana;
Ary ny ratsy nivonona hifaly
Handresy ny Zanakalahy Tokana.

2. Indro, Ny Fitiavana mahery
Nitondra ny heloky ny olony;
Izy niady hanafaka ny very,
Ny ainy no avotra ka natolony.

3. Izay nijaly mafy tao Golgota,
Voahombo ny tongotra aman-tanany;
Izy nisolo antsika izay mpanota,
Ka fadiranovana ny fanahiny.

4. Ô, ry Mpamonjy, mba hazony aho
Hijery ny Hazo fijalianao !
Olona meloka aho ka hafao
Hialoka amin’ny fitiavanao.

105 – Tsinjovy ilay havoana

1. Tsinjovy ilay havoana,
Ary Jerosalema,
Fa io no Golgota
Mba tadidio, ange !
Fa tao nivesatra ota
Ny Tompo masina;
Nijaly sy nolavina,
Ka novonoina.

2. Tsy takatra heverina
Ny entan-dehibe,
Izay nentin’ny Mpisolo
Ka diniho, re !
Fa nentiny daholo
Ny heloka natao :
Fa tonga Izy hanavao
Izao tontolo izao.

3. Ny helotsika koa izao
Dia nivesarany,
Ka manaraha Azy,
Mba ho mpianany,
Raha tao Golgota izy,
Ny rany nitete,
Ka vita ho antsika re,
Ny vonjy lehibe.

104 – Raha mijery ny hazo

1. Raha mijery ny hazo
Nijalian’i Jesosy
Tsy misy izay malaza
Na izay mirehareha.

2. Aza miavonavona,
Fa indro ny Mpananvotra;
Ny dian’ny Jesosy Kristy
No arahina isan’andro.

3. Indro ny rany mandeha,
Voahombo ny tanany
Nijaly, ka dia maty
Nisolo olo-meloka.

4. Raha ahy ‘zao tany ‘zao
Sy ny aminy rehetra,
Tsy ho azoko havaly
Ny fitiavan’ny Jeso.

5. ny foko homeko Azy,
Fanahiko atolotro;
Tsy mba mendrika Azy ‘zany,
Fa Jeso no mety mandray.

103 – Ny hazo fijaliana

1. Ny hazo fijaliana
Tsy maintsy hotsarovana !
Henoy re fanahiko,
Ny tenin’ny Mpamonjiko.

2. Ny teny voalohany
Mihevitra ny rafiny :
« Mba mamelà ny helony,
Fa jamba ny fanahiny ! »

3. Izao koa Jesosy ô !
Dia jamba sady ratsy fo;
Ka mba jereo sy iantrao,
fa te-ho tonga olonao.

4. Ilay meloka tanilany
Naniry mba horaisiny,
Nomeny toky tsara io :
« Ho any any Paradisa anio »

5. Raha avy ny anjarako
Ka tapitra ny androko,
Mba raiso aho, Tompo ô,
Ho any paradisanao.

6. Dia hitany ny reniny
Tomany teo akaikiny,
Toy ny tsindron-defona
Ka feno fisentoana.

7. Dia Jaona no natolony
Ho zanany ho solony.
« Mba raisonao, ry Jaona ô
Ho reninao ny reniko ! »

8. Tsarovy aho Tompo ô !
Raha ao am-pahoriako
Iraho ny mpianatrao
Hanampy ny mpanomponao !

9. Ny teniny fahaefatra
No tena mampangovitra;
Niantso izy hoe : « Ry Ray,
Nahoana Aho no afoy ? »

10. Izao no dia nandaozana
Anao tam-pahoriana;
Hahafaka ny tahotro,
Raha tonga ny fotoako.

11. Ny otako izay nentiny
Nahory ny fanahiny,
Ka nitarainany hoe :
« Mangetaheta Aho re ! »

12. Mangidy, ry Jesosy ô,
Ny loza niaretanao,
Ka aoka mba ho mamiko
Ny avotra, izay vitanao !

13. Hoy izy indra : « Tanteraka : »
He ! Teny mahasambatra,
Tanteraka ny asany,
Voavotra ny olony.

14. Ny teny farany indray
Nilaza ny rahatrizay :
« Atolotro ny aiko izao,
Ry Ray, ho eo an-tanananao ! »

15. Izany dia mamiko
Hiorina ao anatiko,
Ka teny hotononiko
Eo amim-pahafatesako !