102 – Reharehako ny hazo

1. Reharehako ny hazo
Nijalian’i Kristy;
Manda fiarovana avo
lalofako aty.

2. Azon-doza maro aho,
Tery koa ny lalana;
Tsy ilaozan’i Jesosy
Mpanome fiadanana.

3. Raha lany re ny andro
Mampiadana indray.
Tsy hadinoko ny hazo
Nentin’ny Mpamonjinay.

4. Ny anjara aty an-tany
Tsy mba mahavesatra
Noho ny hazo fijalianao,
Hazo mahasambatra. Amen.

101 – Ny hazo fijaliana

1. Ny hazo fijaliana,
Ry Jeso Tomponay
Dia tena fahoriana
Fa tianao ‘zahay.

2. Ny hazo fijaliana
Dia manambara izao
Fa be ny fahoriana
Nihatra taminao.

3. Ny hazo fijaliana
No mampiseo koa
Fa tokony hariana
Ny ota mahavoa.

4. Isaoranay dia isaoranay
Hianao ry Tomponay,
Fa be ny fitiavana
Nataonao taminay.

359 – Tsy renao va ny feon’ny Ray ?

1. Tsy renao ve ny feon’ny Ray,
Ry malahelo fo ?
Miantso hoe : « Avia, Avia,
Modia ianao ! »

2. Ny Rainao be fitiavana
Hifaly aminao ;
Ka hanome malalaka
Raha hody ianao !

3. Na diso aza ianao,
Mitebiteby koa ;
Ny Rainao ta-handray anao
Ho sambatra tokoa !

4. Modia an-tranonao ary,
Mahantra ianao ;
Tsy misy zava-tsoa aty
Hahafa-po anao !

5. Ny voro-damba izay anao
Hesorina aminao,
Ka lamba tsara sy madio
No hitafianao !

6. Mba maneke ny Teniny
Ankehitriny izao,
Fandrao dia hisy loza re
Hihatra aminao !

358 – He, ry namako mahantra

1. He, ry namako mahantra,
Indro Jeso Tompo tia,
Ilay Mpamonjy feno antra,
No mitady ny mania !
Olom-bery tsy mba foiny
Ka na diso aza re
:,: Mbola tiany sy antsoiny
Hanam-pifaliam-be :,:

2. He, fa tsy mba misy fetra
Ny homena lova soa
Fa ny olona rehetra
Samy tiany avokoa !
Nefa izay be hataka andro
Dia hanenina tokoa
:,: Misy fetra ny fotoana
Azo amindrana fo :,:

3. Manatòna ankehitriny,
Ry mpanota ory fo
Mba hesoriny ny tsiny
Ka hadio indray ny fo !
Fa ny ota hosasany
Dia ho afaka avokoa,
:,: Izany re no fikasany
ka tsy maintsy to tokoa :,:

4. Fa izay mandà ny Teny
Sy maditra, mafy fo
Hampangain’ny Teny reny
Fa tsy nety nankatò ;
Jeso Tompo no hitsara
Sy hamaly ny natao,
:,: Nefa kosa ny anjara
Dia miankina aminao :,:

356 – Ry mpanota, mihevera

1. Ry mpanota, mihevera
Fa miantso Kristy izao
Izy ta handray mpanota,
Manatona ianao !
:,: Mihainoa, mihainoa
Ka ario ny ditranao !:,:

2. Ry mpanota, miverena
Ao am-balan’i Jeso,
Aza dia mirenireny
Sao iharan-doza izao !
:,: O, modia O, modia
Ialao ny ditranao !:,:

3. Ry mpanota, manatona
Dieny misy antso izao,
Fa ho avy ny fotoana
Mbola hanenenanao !
:,: O, avia O, avia
‘Zao ankehitriny izao !:,:

4. Ry mpanota, matokia
Tompo mora fo Jeso,
Izy dia tena tia
Izay mibebaka tokoa !
:,: Matokia, matokia,
Mibebaha re izao !:,:

5. Ry Sakaizan’ny mpanota,
Ento aho ho Anao
He, ny tenako rehetra
No atolotro izao !
:,: Raisonao re, raisonao re
Ho fanati-tsitrakao !:,:

346 – Ny teninao, Jehovah ô!

1. Ny teninao, Jehovah ô!
Voatory aminay
Tahio tsy ho levona,
Velominao anie!

2. Izay voatory tsy anay,
Fa avy aminao,
Ka dia ny fanambinanao
No mba ilainay koa.

3. Fa tsy mba ampy ho anay
Ny toriteninay
Ka tsy ho tokinay ireo
Raha tsy ambininao

4. Dia ampitoeronao izao
Ho eto aminay
Ny herin’ny Fanahinao
Mba hahasoa anay

12 – Jehovah ô, derainay Hianao!

1. Jehovah ô, derainay Hianao!
Ankalazainay ny Anaranao!
:,:Izao rehetra izao manaja Anao,
Fa Rainay ho mandrakizay :,:

2. Mpanjakanay sy Tompo masina
Omenay eram-po ny hasina
:,:Izao rehetra izao mihoby Anao,
Fa Rainay ho mandrakizay :,:

3. Ry Masina manerinerina,
Jehovah be fitia sy marina!
:,:Izao rehetra izao misaotra Anao,
Fa Rainay ho mandrakizay :,:

4. Manerana izao tontolo izao
Ny laza sy ny voninahitrao
:,:Izao rehetra izao hanoa Anao,
Fa Rainay ho mandrakizay :,:

5. Andriananahary masina ô
Tanteraka ny fiandriananao
:,:Izao rehetra izao mitsaoka Anao,
Fa Rainay ho mandrakizay :,:

344 – Fiadanana be

Fiadanana be,
Hasambarana re,
No miandry antsika ao
an-danitra e !
Ka andeha handao
Izao tontonlo izao
Ka hitady tokoa ilay
Tany vaovao.
Miangà hody ao
Miangà hatrizao!
Mba modia hianao(izao) -beso-
Ao amin’ i Jesosy -tenor-