825 – Raha manjavona ny andro

1. Raha manjavona ny andro
voasarona avokoa
Ny tendrombohitra avo
sy ny lohasaha koa
Sy ny renirano tsara izay
mangarana madio.
Tsy hita ankehitriny
fa manjavona anio.

Fiv : Na manjavona aza anio
Nefa ao ambony ao
Ny mazava lalandava
Tsy miova na mandao :,:
Matokia, ry sakaiza
Aza kivy hianao.

2. Raha misava indray ny andro,
dia ho hita avo-koa
Ny tendrombohitra avo
sy ny lohasaha koa
Sady ao ny renirano
ka mangarana izao,
Ka afaka ny zavona
nanarona azy tao:
Na manjavona aza anio, sns…

3. Raha mbola aty an-tany
ka vahiny izahay,
Manjavona matetika
tokoa ny andronay.
Na dia ao ny masoandro aza,
takona izy ‘zao
Fa maizina ny andro,
ka tsy fantatra fa ao:
Na manjavona aza anio, sns…

4. Raha tapitra ny dian’ny fanahinao aty,
Fatiny Ka lasan’Andriamanitra
ho aminy ary,
Tsy hanjavona ny andro,
fa tsy misy rahona ao,
Hazava ery an-danitra avokoa
ny andronao.
Na manjavona aza anio, sns…

824 – Ry Andriamanitra nahary

1. Ry Andriamanitra nahary,
Isaoranay ny Anaranao
Nasehonao miharihary
Ny herin’ny fitiavanao:

Fiv : Fa ny Fiangonanao najoro
Ho fiorenam-pahamarinana,
Dia vatolampy tsy hikoro
Sy andry azo ifikirana,

2. Ny teninao, Jeso Mpandresy,
No nifahiran-dRasalama
Tanaty memy nifanesy
Sy fiakarana malama:
Fa ny Fiangonanao sns…

3. Ny tranomaizim-pijaliana,
Nampian’ny lefona mifofo,
Nanjary hiram-pihobiana
Nandresy lahatra ny nofo:
Fa ny Fiangonanao sns…

4.Ilay nantsoina ho maritiora,
Fitarikandro nanazava,
Namerovero toy ny miora,
Nandroaka aizina hisava:
Fa ny Fiangonanao sns…

133 – Efa namangy ny olony

1. Efa namangy ny olony
Jeso ‘zay Tompon’ny aina
Lasa ny alina maizina
:,: Tonga indray ny maraina !:,:

2. Maty ny Tompo ! nalevina,
Nidina nita ny ony
Nefa nitsangana velona
:,: Koa tsy maty intsony ! :,:

3. Ory ny fon’ny sakaizany
Aiza Ilay nantenaina ?
Hitany nefa tsy fantany
:,: Jeso ‘zay Tompon’ny aina :,:

4. Teniny tsy mba mivadika
Amin’ny olony ory
Tonga ny Tompo nitsidika
:,; Ireo mpianany vory :,:

5. Tonga ny taom-pamangiana
Tondraka ny famonjena
Velona ny fihobiana
:,: Aina vaovao no nomena !:,:

6. Teraka ny fifaliana
Tonga ny filazantsara !
Andron’ny fitomaniana
:,: Mody ho Pasaka tsara !:,:

823 – Hoderaina tokoa Hianao, ô ry Ray

1. Hoderaina tokoa
Hianao, ô ry Ray
Noho ny teny soa,
Izay nomenao anay

Fiv : Teninao ny Baiboly
Andriamanitra Ô!
Teny fiainana
Ho an’izao tontolo izao.

2. Fa ny Teny nomenao,
Tompo ô, Ray Tsitoha,
Manadio, manavao,
Mampahery ny fo!
Teninao sns…

3. Mitsangàna hanompo
0! ry mino izao,
Ka ny tenin’ny Tompo
No torio, ambarao.
Teninao sns…

4. Dia tariho lalandava
Mba hiely, ry Ray,
Teny soa hanazava
Ity firenenay!
Teninao sns…

822 – Nohariana mba ho tsara ny tontolo

1. Nohariana mba ho tsara ny tontolo
Ka ho sambatra, ho mendrika ny Ray
Nihasimba, simban’ota dia nisolo
Fanjakan’ny haratsiana mahamay,
Nisy anefa Tompo izay nampanantena
Mba hamerina ny soa ‘zay efa very
Kristy fiainana mizara famonjena,
Tokana no azo antok’Izy irery.

2. Noharina mba ho iray isika mpino
Ka hanompo Tompo tokana Tsitoha
Ndrisy anefa, fa mikipy manadino
Fa matory am-pisarahana tsy mifoha
Nisy anefa, mbola misy Tompo iray
Azo toky fa hamory ny mania
Kristy fiainana, hanangona indray
Ny Fiangonany hiray raha toa minia

3. Tsia, tsy nisy nohariana mba hijaly
Tsia, tsy nisy voatokana ho faly
Tsy hi-fandrafy sy hiady sanatria
No namoronana ny olona, ô, tsia!
Fa ireny vokatry ny kihotana
Ka mamikitra, tapisaka, lovàna
‘Reo rehetr’ireo ho levona sy foana
Raha Kristy Fiainana no ho Tomponao.

821 – Rainay ô, Mpamorona

1. Rainay ô, Mpamorona!
jeso ô, Mpanavotra,
Ary ny Mpananatra;
Mihainoa, ry Tompo!

2. Hianao no foto-tsoa
Sy harem-panahy koa,
Handrosoanay tokoa;
Mihainoa, ry Tompo

3. Be ny heloka natao,
Be ny famindramponao,
Mamelà anay izao;
Mihainoa, ry Tompo

4. Malahelo izahay,
Fa maditra hatrizay,
Aza mba mandao anay;
Mihainoa, ry Tompo

5. Mba diovy ny fonay,
Hatanjaho ny sainay,
Ahitsio ny dianay;
Mihainoa, ry Tompo

6. Be tokoa ny indrafo
Izay naseho ho anay,
Tena latsaka ao am-po;
Mihainoa, ry Tompo!

7. Eny, famonjena re,
Hahitanay aim-be,
No he, vitanao tety;
Mihainoa, ry Tompo

8. Aina, hery, andro koa
No atolotray tokoa,
Mba hahaizanay ny soa;
Mihainoa, ry Tompo

9. Ho Anao tsy tapitra;
Haja, dera, saotra koa,
Ho Anao mandrakizay;
Mihainoa, ry Tompo
Amena.

132 – Indro fa velona

1. Indro fa velona
Jesosy Tompon’aina;
Foana ny fasana,
Resy izao Satana.
Iza indray no hitomany,
Raha mahare izany?
Ry foko sasatra,
Manahy fatratra,
Heveronao izao
Ho afaka ny sentonao.

2. Indro fa velona
Jesosy Tompon’aina;
Izy nitsangana;
Ravo ny fo sy saina.
Jeso Tompo nolatsaina
Tonga loharanon’aina.
Ry havana andrandrao
Ny lanitra izao:
Jesosy velona,
Ka azo ny fiainana.

131 – Tonga ny andro malaza

1. Tonga ny andro malaza izay mahafaly
Indro, nandresy Jesosy, ilay vao nijaly !
Velona indray Izy, natsangan’ny Ray,
Aoka isika hifaly !

2. Efa nahery Jesosy ka resy Satana,
Menatra mafy ireo fahavalo nitana
Ka mba zahao : rava ny fasana izao,
Rava fa tsy nahatàna !

3. Helo sy fahafatesana resy tokoa
Ary ny tambin’ota dia efa naloa !
Jeso Izay maty ka velona indray,
Tompon’aina tokoa !

4. Mba mihobia, ry olona mino rehetra
An’i Jesosy ny hery izay tsy voafetra !
Izy nanao làlana tsara vaovao
Resy ny ratsy rehetra !

5. Faly isika fa manana fanantenana,
Mbola hiantso Jesosy hoe : « Mitsangàna ! »
Amin’izay, velona mandrakizay
Ny nodimandry tra-bonjy !

130 – Hobio, ry olombelona!

1. Hobio, ry olombelona!
Jesosy dia velona,
Ny fasana dia rava;
Misokatra ny lanitra,
Ny aizina sy tahotra,
Dia resin’ny mazava,
Jeso Kristy
No deraina sy hajaina.
Fa Mpamonjy,
Tompon’aina mahavonjy.

2. He! Misy làlana indray
Ho ao an-danitra, izay
Miandry ao, ambony;
Fa vitan’ny Mpanavotra
Ny vonjy mahasambatra,
Ka sitraky ny fony
Handray izay
Mitomany, mba ho any
Amin-dRainy;
Fa izany dia hainy.

129 – Any naraina

1. Any naraina
:,: Ilay Avotr’aina. :,:
Natsangan-dRay.
Resy ny ota,
:,: ka ny mpanota, :,:
Mihoby indray.
Any naraina…

2. Hira hiraina
:,: Ny Tompon’aina :,:
Isaoranay;
Ory ny fony
:,: mba hampitony:,:
Ny sentonay.
Hira hiraina…

3. Faly ny very,
:,: tsy manan-kery :,:
Ny helokay;
Jesosy Tompo
:,: dia mampanompo :,:
Ny rafinay.
Faly ny very…

4. Hisy maraina
:,: ny Tompon’aina :,:
Ho avy indray;
Izy hizara
:,: ny lova tsara :,:
Homena anay.
Hisy maraina…