FF 51 – Ry Mpamonjy olom-bery

1. Ry Mpamonjy olom-bery
Sarobidy sy mahery
Ny fitiavanao ahy
‘Zay mambabo ny fanahy
Noho ilay fitiavanao
Babonao ny foko izao
Ka izao rehetra izao
Tsy hamoizako Anao

2. Ny fitiavanao, ry Tompo,
No mambabo ahy hanompo
Tia ahy hianao
Ka mba tiako tsotra izao
Eny, fantatrao fa tiako
Izao fiainana eto izao
Tiako izao rehetra izao
Nefa mbola tiako Hianao

3. Na dia sarotra sy mafy
Ny hanaraka Anao
Izaho vonona hihafy
F’efa tiako Hianao
‘Zao fiainana izao
Tsy atakaloko Anao
Na dia mamiko aza eto
Mbola tiako Hianao

FF 50 – lanao izay miasa fatratra

1. lanao izay miasa fatratra
Fa mikendry mba hanefa zava-tsarotra
Moa tsy tsapanao ho mahasambatra
Ny asa izay atao am-pitiavana
Mihamaivana, mora entina
Ny fahasahiranana toa mitambesatra
Raha ao ny fo manaiky marina
Ho tia sy handala ny asa rehetra

2. Hoy ny hafatry ny Tompo aminao
Manatona Ahy raha toa sahirana
Fa Izaho tsy manary na mandao
Izay miezaka ka hita reraka
Nefa moa ve, vonon’ianao
Handà ny tenanao, hamoy izao tontolo izao
Dia hanaiky koa mba ho tarihina
Fa sarotra ny làlana sy asa atao

3. Mitsangàna, mandrosoa hiasa e !
Fa malalaka ny Saha izay omena anao
Dia meteza koa hanaiky hanome
Harena, herim-po ilaina aminao
Aza ketraka, matokia izao
‘Lay hery ‘zay manohana ny fiezahanao
ka mitondra soa, manova mba ho vao
ny vokatry ny asa izay nanasatr’anao

500 – He! Manda fiarovana

1. He! Manda fiarovana
Andriamanitsika,
Ampinga mahatohana
Izay manjo antsika.
Mamely fatratra,
Satana sompatra,
Mpandoza hatrizay,
Mpamitaka mahay
Tsy manampaharoa.

2. Malemy, tsinontsinona,
Fa mora resy isika;
Fa misy voahasina
Miady ho antsika;
Jesosy re izay,
Ilay iraky ny Ray,
Mpitarika mahay,
Mpamonjy hatrizay
Sy Tompom-pandresena.

3. Na dia ta-handevona
Ireo devoly maro,
Tsy misy atahorana,
Jesosy no Mpiaro.
Ilay rain’ny maizina
Dia nohelohina,
Ka tsy ahoana,
Fa teny tokana
Dia mahalavo azy.

4. Kendreny hofongorana
Ny teny tanantsika,
Kanefa tsy ho foana,
Ny Tompo momba antsika
Na dia ho fongana
Ny laza ananana,
Harena, havana
Tsy mampaninona,
Ny lanitra antsika.

FF 49 – Mifona re ry Ray

1. Mifona re ry Ray
Ireto zanakao
Fa diso izahay
Tsy mety ny natao

2. Ny ota sesilany,
Nandramana avokoa
Kanefa re izany
Ifonana tokoa

3. Izay rehetra hita
Natao fa tsy ho to
Izao ny ratsy vita
Nandrotika ny fo

4. Ry Jeso ô anio
Indreto izahay
Manaiky, ka fidio
Ho zanakao, ry Ray

5. Tsy tsapanay tokoa
Ny antranao ry Ray
Fa hay, ny zava-tsoa
Dia takona aminay !

6. Maniry fahafahana
Izao ‘ty fo madio
Ekeo ny fibebahana
Atolotray anio !

Isan’andininy:

Tompo ô! Vonjeo ‘zahay

FF 48 – Andriamanitra fitiavana Ianao !

1. Andriamanitra fitiavana Ianao !
Ka mihevitra ny momba anay ety,
Raha mifoha maraina izahay
Dia tsy afaka am-bavanay ny hoe :
Ampy ho anay ny Fahasoavanao !

Fiv : Raha maraina mibaliaka ny andronay ety
Ianao no masoandro niaviany ;
Raha ny alin’ny ririnina no handalo ety
Ianao no kintana hitantana ny dia
Ka ny vavaka atao
Izay mipololotra am-ponay ao hoe :
lzahay anie hatoky Anao !

2. Andriamanitra fitiavana lanao !
Ka mitantana ny dianay ety ;
Raha mandimby ny andro ny alina
Mbola tokana ny deranay hoe :
Ampy ho anay ny fahasoavanao !
Raha maraina mibaliaka ny andronay ety, sns…

499 – Inona, re, no atakaloko

1. Inona, re, no atakaloko,
An’i Jesosy Izay mpisoloko?
Ny zavatra izay ho simba va sy mora levona.
Raha mbola hazoniko ny To,
Ka tsy maty ny jiro ao am-po,
Jesosy tsy soloako, na inona na inona.

2. Indro, Jesosy no fiainako,
Izy no manda fiarovako;
Izaho efa maty, nefa novelominy indray,
Ka na dia mahantra aza aty,
Ka tsy mbola nafindra ho ary,
Jesosy no anjarako, ka ampy ahy re, izay.

3. O, ry Jesosy Tompo tsara ô!
Aza mamela ny fanahiko
Hisaraka aminao, fa tano aho ho mpanomponao.
Mba velomy ny fitiavako
Ka tohano ny fandehanako,
Mba hanarahako ny lalana izay nalehanao.

FF 47 – Fiadanana

1. Ianao ‘zay mitady ny fiadanan-tsoa
Amin’izao fiainana izao
Ka mandeha mankatsy, ary sy aroa
Mikorana ary koa milalao
Kanefa tsy mahita izay mahasoa
Fa vizana foana ny nofo
Inty misy Fiainana atoroko anao
Andramo dia hohitanao

Fiv : Jesosy, Jesosy,
(Jesosy Tompo sy Mpamonjy tia)
No Fiainana atoroko Anao (Jeso)
Jesosy, Jesosy,
(Jesosy Tompo sy Mpamonjy tia)
No hany hampiadana anao
Koa raiso Jesosy ho Tompo Mpamonjy
Hanapaka ny fiainanao
Dia hohitanao’Lay Fiadanana
Haharitra ho mandrakizay

2. Ianao ianjadiam-pahoria-marobe
Amin’izao fiainana izao
Tsy misy hazavana fo toa haizim-be
No mandrakotra ny fiainanao
Ka mila ho kivy sy hamoy fo
Noho ‘reo adim-piainana maro
Inty misy fiainana atoroko anao
Andramo dia hohitanao
Jesosy, Jesosy, sns…

296 – Ankehitriny, Jereo, ry Ray!

1. Ankehitriny,
Jereo, ry Ray!
Ny mpivahiny,
Miampy indray;
Ka manomeza hery
Ny fiangonanao,
Mba tsy hiasa irery
Ny olonao.

2. Avia hitahy
Ny olonao;
Ka ny Fanahy
Omeonao;
Ho hery izay handrava
Ny toetra ratsinay,
Ho jiro hanazava
Ny làlana.

3. Ry Tompo tia!
Tarihonao
Hifankatia
Ny olonao,
Mba tsy ho rava intsony
Ny fikambananay,
Hamantana ao ambony
Ny dianay.

498 – Ahy va Jesosy Tompon’aina?

1. Ahy va Jesosy Tompon’aina?
Moa ahy va ny lanitra?
Eny, matokia ry fo sy saina,
Fa eken’Andriamanitra.

2. Eny, zokiko Jesosy Tompo,
Fahagagana lehibe ery,
Tsy antsoiny hoe mpanompo,
Fa ataony tena havany.

3. Toa mila hampisalasala
Io tena fahagagana io
Ary lavin’ny tsy mahalala
Nefa azon’ny finoako

4. O, mba mifalia, ry fanahy,
Fa anao Ilay Mpanavotra!
Ka misaora, aza mba manahy,
Fa ho azonao, ny lanitra.

5. Iombonana ny lova any,
Fa Iray ny Ray an-danitra!
Ka harena be dia be izany,
Hasambarana maharitra.

FF 46 – Mba tantanonao, ry Raiko!

1. Mba tantanonao, ry Raiko
Izato làlan-janakao
Ny mifidy toa tsy haiko
Fa maniry indrindra Anao
Hitanao ny adi-tsaina
Mitambesatra ao an-doha
‘Zany tsikin’ny maraina
Toa ela vao hifoha

2. Moa diso ny safidiko
Raha mandroso ka mankao
Sa ‘ty làla-nofinidiko
Dia tsy ilay voasoritrao
Tanteraho ny faniriako
O ! ry Tompo tena tia
Fa ity zavatra iriko
Masina amiko doria

3. Nefa, raha tsy izay no didy
Namboarinao ho ahy
Amboary ny safidy
Sy ny ratrako am-panahy
Atolorinao ny hery
Hampijoro izay nikoa
Ka sitranonao ny fery
Sy ny ratrako ao am-po