1. Ao ny andro lehibe
Misy fifaliam-be
Dia ny andro hahatongavana
Amin’ny fonenana
Feno fiadanana,
Tsy mba misy ota na heloka,
Any, tena andro malaza tokoa izay.
Jeso Ilay nandresy ny fasana,
Izy no hitantana
Ao am-pahafatesana,
Ka ho mora ny handehanana.
2. Ao ny andro lehibe
Misy fifaliam-be
Izay hihaonana any an-danitra
Afa-pahoriana,
Afa-pijaliana,
Sambatra tokoa sy tretrika.
Enga ka ho ao avokoa isika izao
Ka tsy hisy very na dia iray!
Tava miramirana,
Endrika mamiratra
No hananantsika mandrakizay.
3.Ao ny andro lehibe
Misy fifaliam-be
Hahitana an’Andriamanitra
Sy Jesosy Zanany
Mbamin’ny Fanahiny.
Hoby no hameno ny lanitra.
Serafima sy arkanjely no namana
Mankalaza Ilay feno indrafo.
Ny fitomaniana
Sy ny fisentoana
Tapitra, fa afaka ny manjo.