31 – Misaotra Anao, izahay ry Ray

1. Misaotra Anao, izahay ry Ray,
Fa sitrakao homena ho anay
Ny Zanakao Malalanao,
‘Lay Tokanao, no he natolotrao.
Atolotray ny saotranay,
O! raisonao anie Jehovah Ray.

2. Misaotra Anao, Jesosinay,
Ny fitiavanao tsarovanay:
Nalatsakao ny rànao soa
Hanavotra aina ny mpanota voa;
Atolotray ny saotranay,
Ka raisonao e, ry Jesosinay.

3. Misaotra Anao, Fanahy koa,
Mamelona sy monina ao am-po,
Havaozy ao anaty ao
Ho tonga lapanao madio sy vao.
Atolotray ny saotranay
Ka raiso, ry Fanahy tokinay.

30 – Paradisako, ry Jeso

1. Paradisako, ry Jeso,
Fifaliako Hianao;
Lanitry ny foko eto
Sy Edenako vaovao!

Fiv : Paradisa soan’ny foko
Eto an-tany Hianao;
Fanaperan-tsoako,
Ao an-danitra vaovao!

2. Volafotsy, volamena,
Vatosoako Hianao.
Zava-tsoako sy harena
Miafina ao an-danitra ao
Paradisa sns…

3. Zo sy hajako tokoa
Hianao, Mpanavotro,
Haingo sarobidy koa,
Satro-boninahitro.
Paradisa sns…

4. Zavatra rehetra ho ahy
Hianao, ry Jeso tia;
Fiainan’ny fanahy,
Fiadanako doria.
Paradisa sns…

29 – Ry foko, mitsangàna izao

1. Ry foko, mitsangàna izao
Ka miderà ny Tomponao,
Andriamanitsika !
Nasehony ny heriny
Ny fasana levoniny
Tsy hahatàna antsika
Derao, hobio !
Haleloia sy hosana, fanjakana,
Azy Tompom-pahefana !

2. He, vitanao Mpanavotra
Ny lova mahasambatra,
Ny fasana resenao ;
Mahazo toky fatratra
Ny mitomany sasatra !
Ny lanitra vohanao,
Jeso Kristy,
‘Zay nitsangana maraina
Tompon’aina,
Andro paka, arahabaina !

3. Derao ny voninahiny,
Ankalazao ny heriny
Fa resy re Satana !
Ry tany sy ry lanitra,
Derao Andriamanitra
Akaro ny hosana !
Raiso, Tompo,
Raisonao ny voninahitra
aman-dera,
Ho Anao, ry Zanak’ondry !

28 – Zanahary tsy mba tia

1. Zanahary tsy mba tia
Ny fahaverezanao,
Izy Rainao be fitia,
Tsy mba mahafoy anao ;
Ny famoizam-po ario,
Fa Jesosy itokio !
Mba hatoninao anio
‘lay be fahasoavana !

2. lzy dia nitady ela
Vao nahita anao izao ;
Mifalia, tsy ho ela
Dia hody ianao !
He, ry ondry saiky very,
Ory, osa, feno fery,
Ny Mpamonjy manan-kery
Hahasitrana anao !

3. Ny ao an-danitra mifaly
Raha misy miova fo
Ary any ny anjely
Miramirana avokoa !
Fo marary dia tsaboiny,
Ahiahim-po vonoiny,
Fiadanana lazainy,
Sambatra isika re !

27 – Fitiavana tokoa

1. Fitiavana tokoa
Re, ny Ray an-danitra,
Fa manolo-java-tsoa
Tena mahasambatra,
Ho antsika izay mpanota,
Ory, osa, rera-po.
Izy masina sy tò,
Ta-hanaisotra ny ota
Noho ny fanavotam-be
Vitan’i Jesosy, e!

2. Tsy ho very, ry mahantra
Sy miferin’aina izao,
Fa ny Ray Izay feno antra,
Aoka mba hinoanao.
Sambatra ny voavela
Heloka tokoa re,
Fa jesosy manome
Fanavaozam-po sy lela,
Hira fideram-baovao
No ho re an-dalanao.

3. O, ry Rainay be fitia
Mba ampio izahay
Tsy ho kivy tsy hania
Ao am-pandehananay,
Fa handroso mba hankany
Aminao an-danitra.
Ry Andriamanitra,
Be loza aty an-tany
Fa ny ranomasonay
Faohinao, rahatrizay.

26 – Jehovah tsy mba manadino

1. Jehovah tsy mba manadino
Ny mpanompony manoa,
Fa hotsarovany ireo mino
Nofidiny ho Azy koa.
Manerinerina ambony
Ny fiandrianany;
Kanefa kosa re ny fony
Mitsinjo izay ambany.

2. lzaho dia ravoravo
Ka midera Azy izao;
Fahasoavanao, ry Avo,
No namonjy hatrizao,
Fahavokisan’ny fanahy
Ary fisandratana
No hotantaninao ho ahy:
Ny foko mankalaza.

3. O, mifalia, ry Israely,
Fa vonjen’ny sandriny;
Mba matokia dia hahery,
Antsoy ny Anarany:
Mpanomponao ity mitalaho,
Ka henoy ny hatako,
O, ry Mahery, inty aho!
Ny sitrakao ekeko.

25 – Andriamanitra hendry

1. Andriamanitra hendry
:,: Loharanon-tsaina :,:
:,: manolo-pahendrena
‘Zay manaiky Azy:,:

2. Andriamanitra mahay
:,: Izao rehetra izao :,:
Ka Izy no akana saina
Hahahendry antsika :,:

3. Ary isika mila saina
:,: Hanitsy antsika, :,:
:,: Amin’ny fianarana
Hanarahana Azy :,:

4. lzy no ihavian’
:,: Ny soa rehetra :,:
:,: Hiainana mandrakizay,
Ka Izy no omen-tsaotra :,:

24 – Ny lanitra ao ambony ao

1. Ny lanitra ao ambony ao,
:,: Andriamanitra ô! :,:
Izay rehetra vitanao
Dia mahagaga anay. (in-3)

2. Ny volana aman-kintana,
:,: Ny masoandro koa :,:
Ny tany aman-danitra.
Mitory avokoa. (in-3)

3. Ny andro aman’alina
:,: Milaza aminay :,:
Fa hendry Andriamanitra,
Jehovah Tomponay.

4. Ny tenanay, fanahy koa,
:,: Dia avy taminao, :,:
Ka mampiseho tsara koa
Ny voninahitrao. (in-3)

5. Izay rehetra vitanao
:,: Aty sy any koa :,:
Miara-mankalaza Anao,
Fa Tompony tokoa. (in-3)

23 – Tsy misy zava-mahasoa

1. Tsy misy zava-mahasoa,
Andriamanitra ô!
‘Zay tsy nataonao ho anay
Mba hifalianay.

2. Tsy misy singan’ahitra,
Na ravin-kazo koa
Izay tsy amantaranay
Fa hendry Hianao.

3. Ny kintana mazava ery
Maneho avokoa
Fa sitrakao hanafaka
Ny aizina aminay.

4. Izay rehetra tazanay
Dia voninahitrao;
Izay rehetra takona
Milaza izany koa.

5. Ny tany sy ny lanitra
Nataon’ny herinao
Dia azo ianarana
Ny famindramponao.

22 – Ry Rainay Izay namorona

1. Ry Rainay Izay namorona
Izao rehetra Izao,
Ny hita sy ny takona
Dia asan-tananao.

2. Ny volana aman-kintana,
Ny biby marobe.
Ny ala maitso mavana,
Hitsaoka Anao anie.

3. Ny tany sy ny lanitra,
Ny ranomasina,
Ireo tendrombohitra
Manolo-kasina.

4. Ny ory sy ny mpanana
Dia fototra iray,
Fa samy asan-tanana
Nataonao Tomponay

5. Dia saotra no atolotray
Anao, ka raisonao,
Fa fanomezan-ko anay
Ny asan-tànanao.