573 – Mahereza ry sakaiza

1. Mahereza, ry sakaiza
Vontom-pahoriana!
Matokia, aza kivy,
Kristy mialoha anao ;
:,: Matokia,:,:
Mahereza hianao.

2. Aza mba matoky tena,
Foana ny herinao ;
Tano mafy ny apinga
Izay atolony anao ;
:,: Raiso koa:,:
Ny Fanahy ho sabatrao.

3. Maizina izao ny andro,
Sarotra ny làlanao ;
Ao ambony ny mazava
Ampy hanazava anao ;
:,: Mba jereo:,:
Ilay mazava amboninao.

4. Vetivety, afa-doza,
Vita ny alehanao;
Ao an-danitra ambony
Misy hifalianao;
:,:Miravoa,:,:
Tapitra ny adinao.

571 – Raha misy mampahory

1. Raha misy mampahory,
Indro, Jeso Tomponao;
Tsy afoiny tsy akory,
Aza kivy hianao.
Raha rava ny harena,
Ka ho mafy ny manjo,
Mbola misy famonjena,
Aza mety kivy fo.

Fiv : Raha misy mampahory,
Indro Jeso Tomponao;
Tsy afoiny tsy akory
Aza kivy hianao.

2. Raha misy ady mafy,
Indro Kristy herinao ;
Raha avy ny mpandrafy,
Raiso koa ny sabatrao.
Raha tamy hanangoly
Ilay fahavalonao,
Ka mandrobo ny devoly,
Mba aingao ny vavakao.
Raha misy, sns…

3. Na marary mafy aza
Ka mangirifiry ao,
Ary na ho faty aza
Ka handao ny havanao,
Mbola misy antenaina,
Indro, Jeso avotrao ;
Famonjena avotr’aina,
Indro, raiso ho anao.
Raha misy, sns…

570 – Mafy ny alon-drano izao

1. « Mafy ny alon-drano izao,
Sady maria no manindao,
Nefa ny Tompo momba anao ;
Moa ho kivy va? »

Fiv : « Tsia, Jeso ato aminay,
Izy hampifaly ny fonay ;
Tsy mba ho kivy re izahay ;
lzy no tokinay. »

2. « Maro no efa tola sy lao
Noho ny alahelo izao ;
lsan’ireny va hianao?
Moa ho kivy va? »
« Tsia, sns… »

3. « Amin’izao fiainana izao
Tsy mba ilaozan-java-manjo,
Nefa ao Jesosy, tokin’ny fo ;
Moa ho kivy va? »
« Tsia, sns… »

4. « Raha ny Tompo aza tety
Nety ho faty tao Kalvary,
lza no tsy handefitra aty?
Moa ho kivy va? »
« Tsia, sns… »

569 – Indrisy ry sakaiza ory fo

1. Indrisy! Ry sakaiza
Ory fo!
Holazainao aiza
Ny manjo?
Jeso no Mpamonjy
Ho anao ;
Izy mahavonjy,
Ambarao,
:,: Azy, ry trabonjy!
Ny manjo Ao am-po.:,:

2. Indrisy! Ry mahantra!
Lozanao ;
Aiza ny mpiantra?
Indro ao ;
Jeso hanazava
Aizim-po.
Izy hampisava
Ny manjo ;
:,: Soa lalandava
No hatao Aminao.:,:

3. Harena be an-tany
Tsy anao,
Zava-mora lany .
Ka mandao,
Nefa, indro Jeso
Zaranao ;
Hira no venteso,
Ka derao
:,: Izay nataon’i Jeso
Ho anao Hatrizao.:,:

4. Ny lanitra mivoha
Rahateo ;
Andrandrao ny loha
Ka jereo!
Jeso Tompo soa
No ary,
Havanao tokoa
Hatrety ;
:,: Dia mazotoa
Hiditra ao Hianao.:,:

568 – Ry fanahy ory

1. Ry fanahy ory,
Azon’ ny manjo!
Be ny mampahory,
Aza rera-po ;
Feo mamelovelo
Mba henoy izao,
Aza malahelo,
Jeso havanao.

2. Aza mba misento
Na mamoy fo,
Raha mbola eto,
Misy ny manjo ;
Nefa Jeso tia
Tsy mandao anao,
Ka mba matokia,
Jeso havanao.

3. Namanao mahantra,
‘Ndeha, ilazao,
Jeso be fiantra
No Mpamonjy izao ;
Izy Tompo tia
Ka mandray anao,
Dia mifalia,
Jeso havanao.

337 – Ry Jehovah, Tompo ô!

1. Ry Jehovah, Tompo ô!
Tompo masina sy to,
Azonay ny teninao
Mampandre ny antranao
Aoka harahinay
Ka ho masina aminay,
Mba hanao ny sitrakao
Izahay mpanomponao.:,:

2. Hody izahay izao
Amin’ny Anaranao;
Mitoera aminay
Ao an-tokantranonay,
Mba ho velona aminao
Izahay navotanao;
Be ny fahavalonay,
Ka arovy izahay:,: