554 – Ry Tompo mahavonjy ô

1. Ry Tompo mahavonjy ô!
Henoy ny vavakay.
Ka mamelà ny helokay
Fa tena tsy mba fantatray
Izay tokony hatao.

2. Ry Tompo be fiantra ô!
Malemy izahay,
Kanefa raha ampianao
Dia hanan-kery toa Anao
lzahay mpanomponao.

3. Ry Tompo Izay Mpandresy ô!
Omeo ny herinao,
Fa tianay handresena koa
Ny ota mety hahavoa
Ny olon-tianao.

4. Ry Tompo Ilay mahery ô!
Ampionao izahay,
Hijoro, hampiseho izao
Fa aminay tokoa Hianao,
Ry Tompo tia ô!

555 – Rahoviana no ho lany

1. Rahoviana no ho lany
Ny manjo aty an-tany?
Jeso Vatolampiko
Ampy hiankinako.

2. Mahereza ry fanahy,
Aza manana ahiahy,
Jeso itokiako
Hampionona ny fo.

3. Ny mahory dia mandalo,
Ringana ny fahavalo,
Ny aty hilaozako
Mba handray ny lovako.

4. Mino aho, ry Mparnonjy,
Fa ho tena voavonjy;
Afakao ny heloko,
Hianao isaorako.

5. Dia ho lany ny mahory,
Ka ho samy tafavory
Eo anatrehanao
Izahay mpanomponao.

TS 4 – Mihobia ho an’i Jehovah

Salamo 100
1. Mihobia ho an’i Jehovah,
Ry tany rehetra.
Manompoa an’i Jehovah amin’ny fifaliana,
Mankanesa eo anatrehany amin’ny fihobiana.

2. Aoka ho fantatrareo
Fa Jehovah no Andriamanitra,
Izy no nanan antsika, ary Azy isika,
Dia olony sy ondry fiandriny

3. Midira eo amin’ny vavahadiny amin’ny fisaorana.
Ary eo an-kianjany amin’ny fiderana,
Misaora Azy
Mankalazà ny anarany.

4. Fatsara jehovah;
Mandrakizay’ny famindram
Ary ny mihatra amin’ny taranaka farama- i ndi mby
Ny fahamarina-ny.

Hisaorana anie ny Ray sy ny Zanaka,
Ary ny Fanahy Masina;
Eny, hisaorana sy hankalazaina anie
Andriamanitra mandraki-zay. Amen.

TS 3 – Andriamanitra anie hamindra fo aminay

Salamo 67
1. Andriamanitra anie hamindra fo aminay sy hitahy anay.
Hampamirapiratra ny tavany aminay, anie Izy.

2. Mba ho fantatra ety ambonin’ny tany ny làlanao.
Sy ny famonjenao ny amin’ny jentilisa rehetra.

3. Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô;
Eny, hidera Anao ny firenena rehetra.

4. Hifaly sy hihoby ny firenen-tsamy hafa, satria mitsara marina ny firenenai Hianao;
Ny firenen-tsamy hafa ambonin’ny tany dia entinao.

5. Hidera Anao nyfirenena, Andriamanitra ô;
Eny, hidera Anao ny firenena rehetra.

6. Ny tany efa nahavokatra;
Mitahy antsika Andriamanitra, dia Andriamanitsika

7. Mitahy antsika Andriamanitra;
Ary hatahotra Azy’ny vazan-tany rehetra.

Hisaorana anie ny Ray sy ny Zanaka,
Ary ny Fanahy Masina;
Eny, hisaorana sy hankalazaina anie
Andriamanitra mandraki-zay. Amen.

TS 2 – Jehovah no Mpiandry ahy

Salamo 23
1. Jehovah no Mpiandry ahy?
Tsy hana-java-mahory aho.

2. Mampandry ahy amin’ny ahi-maitso Izy;
Mitondra ahy eo amoron’ny rano fialan-tsasatra Izy

3. Mamelombelona ny fanahiko Izy;
Mitarika ahy amin’ny làlan’ny fahamarinana no ho ny anarany izy.

4. Eny, nadia mandeha mamaky Io hasaha aloky ny fahafatesana aza aho,
Dia tsy hataho-tra ny loza aho.

5. Fa Hianao no amiko,
Ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafatahotra ahy.

6. Mamelatra latabatra eo anoloako, eo i maso n’ny fahavaloko Hianao;
Manosotra diloilo ny lohako Hianao;

7. Ny kapoakako feno dia feno.
Eny, tokoa fahasoavana sy famindrampo
No hanaraka ahy amin’ny andro rehetra hiainako,
Dia hitoetra ao an-tranon’i Jehovah androlava aho.

Hisaorana anie ny Ray sy ny Zanaka,
Ary ny Fanahy Masina;
Eny, hisaorana sy hankalazaina anie
Andriamanitra mandraki-zay. Amen.

549 – Jesosy no asandratro

1. Jesosy no asandratro
Fa Izy no Mpanavotro !
Ny tànany nanafaka
Ny aiko tao an-davaka ;
Ny rafiko ho ketraka,
Izaho afa-kenatra
Fa manana ny Tompoko
lzay mandako sy aroko !

Fiv : Ry foko ô, ankalazao
Jesosy, lzay Mpamonjinao !

2. Ny tsiron’ny fiainana
Ananako sahady re,
Fa efa mby an-tànana
Ny famonjena lehibe !
Ny ranon’aina azoko,
Ny mofon’aina haniko,
Sakafo mahatanjaka
Mamelona ny reraka !
Ry foko ô, sns…

3. Ny rany no anjarako,
Ny ainy no fananako ;
Ny lanitra ho lovako,
Ny tany dia hilaozako ;
Ny ota tsy hanaraka
Ny ady dia ho tapaka,
Ny aloka ho tapitra
Fa ao ny tena zavatra !
Ry foko ô, sns…

4. Ny hanitry ny lanitra
Mamerovero fatratra,
Ny kalon’ny voavotra
Manatsika ahy hiakatra !
Ny tavan’ny Mpamonjiko
No tsinjon’ny fanahiko,
Ny tavany manafaka
Ny haizina ao anatiko !
Ry foko ô, sns…

5. Ny masoko mibanjina
Tahaka ny mpiambina
Maniry ny Mpamonjiko
Ho tafahaona amiko !
Izaho hovimbininy
Hipetraka eo anilany,
Hanao ny hiran-danitra
Sy honina finaritra !
Ry foko ô, sns…

548 – He, Jehovah no Mpiandry ahy

1. He, Jehovah no Mpiandry ahy,
Tsy mba misy atahorako;
Raha izy no mitondra ahy
Ahi-maitso no handriako.
Eny, fa ny tany karankaina,
Dia hody saha lonaka,
:,: Ary ao amoron-dranon’aina
Hialan’ny foko sasatra :,:

2. He, Jehovah no Mpitarika ahy
Amin-dalam-pahamarinana,
Koa tsy ho kivy ny fanahy
Amin’ny alo-pahafatesana
Hianao, ry Tokiko irery,
No hiara-dia amiko.
:,: Ka ny tsorakazonao mahery
No hanafaka ny tahotro :,:

3. Amelaranao latabatra aho
Eo imasom-pahavaloko;
Namboaranao kapoaka aho,
Ka mahery sady afa-po;
Eny, indrafo tsy hita lany
No hiaraka amiko izao
:,: Mandra-pahatongako ho any
Hanatrehako ny tavanao :,:

547 – Ry Jeso Masoandronay ô!

1. Ry Jeso Masoandronay ô,
Ny haizin’ny fo lasa tokoa,
Fa tonga aty anatinay izao
Mazava lehibe !

Fiv : Eny, Jeso Zoky be fitia,
Soa lehibe no nentinao taty ;
Avy izahay mba hisaotra Anao
Noho ny fitiavanao !

2. Vangianao ny tokantrano
Ka menatra ery, kaody sy lao ;
Ny fomba ahitana angano
Izay tsy mba sitrakao.
Eny, Jeso sns…

3. Mpanjaka Fiadananay ô,
Ekena tokoa ny herinao ;
Ny sabatry ny firenena
Hatao fangady izao !
Eny, Jeso sns…

4. Ry Jeso Tompo tia anay ô,
Misaotra Anao izahay izao
Fa henika ny hasoavanao
Izao tontolo izao !
Eny, Jeso sns…

546 – Haleloia, Haleloia!

1. Haleloia, haleloia!
Jeso no Mpamonjiko,
Haleloia, haleloia!
Afaka ny heloko.
Sambatra aho tretrika aho
Ahy re ny lanitra,
Haleloia, haleloia!
Jeso no Mpanavotra.

2. Haleloia, haleloia!
Ravoravo re ny fo.
Haleloia, haleloia!
Jeso re no soloko.
Afaka aho, afaka aho,
Levona ny otako;
Haleloia, haleloia!
Lanitra no lovako.

3. Haleloia, haleloia!
Matokia hianao.
Haleloia, haleloia!
Maty mba ho solonao
Jeso Tompo mahatoky,
Ry mpanota very ô.
Haleloia, haleloia!
Raiso ny famindram-po.