545 – Endrey izany hafaliana

1. Endrey izany hafaliana
Fa velona aina izahay !
Tanteraka ny faniriana
Ka dera ho Anao ry Ray !
Atolotray tokoa ny tena
Mba ho fanati-tsitrakao,
Satria manaiky sy ekena
Ho tonga olom-baovao !

2. Ny tanindrazanay malala,
Ry Jeso Tompo, anjakao !
Hiorina eto, tsy hiala
Ny fiadanana entinao !
Ny haizin’ota anie hisava,
Ny fahantrana koa handao
Fa ho tarafin’ny Mazava,
Hanjary tany vaovao !

3. Ny fiangonanao angony
Fanahy ô, ho tena iray
Ka tsy hizarazara intsony
Fa Ianao no mampiray !
Dia ho fanasina, fanilo
Ho an’izao tontolo izao !
Hijoro tsy handraraka ilo,
Hitafy toetra vaovao !

544 – Misaora an’i Jehovah

1. Misaora an’i Jehovah,
Miantsoa ny anarany,
Mitoria ny asany,
Amin’ny olombelona.

2. Ambarao ny fiantrany,
Lazao ny famindram-pony,
Fa mahagaga antsika
Ny fitiavany antsika,

3. Mpanota tsy naringana,
Very mana-Mpanavotra,
Maty ka nomeny aina,
Ho velona mandrakizay.

4. Ry Andriamanitray ô!
Ry Jesosy Mpamonjy ô!
Ry Fanahy Masina ô!
Vonjeo ny olona ory,

5. Fa zohy no itoerana,
Lava-bato no ierena
Fa indrafo no ifalian’
Ny mpivahiny mandalo.

543 – Mihoby ny fanahiko

1. Mihoby ny fanahiko
Fa voavonjy izao,
Ny ratran’ny Mpamonjiko
No misy aim-baovao !

Fiv : Ny ran’i Jesosy
No tena avotro,
Ka sambatra aho
Sy tretrika am-po !

2. Ny ratran’ny Mpamonjinao,
Ry foko, mba jereo
Fa hanasitrana anao
Ka ho fiainanao !
Ny ran’i jesosy, sns…

3. Mba mibitaha re, ry fo,
Ny gadra tapaka ;
Ny hajambana izay nanjo
Izao dia afaka !
Ny ran’i jesosy, sns…

81 – Tao an-tsahan’i Betlehema

1. Tao an-tsahan’i Betlehema
Reo mpiandry ondry re,
Novangian’ny serafima
Sy anjely marobe !

Fiv : :,: Voninahitra ho an’Andriamanitra:,:
Amin’ny avo !

2. Njay ny hiran’ny anjely
‘Zay niredona tokoa :
« Indro tonga Imanoely,
Zaza masina sy soa » !
Voninahitra, sns…

3. Nofo notafian’ny Teny,
Lanitra nilaozany !
‘Ndao isika izao hankany,
Be tokoa ny lazany !
Voninahitra, sns…

4. Voninahitra ao ambony
Ho an’Andriamanitra !
Ka ny hira no redony
Solon-java-manitra !
Voninahitra, sns…

189 – Ô, ry Fanahy Masina ô

1. Ô, ry Fanahy Masina ô
Mba midira ao anaty fo!
Taomy ny mania
Hody avokoa;
Eny, mitahia,
Manomeza soa
Miantrà ry Tompo ô!

2. Ô, ry Mazava lehibe,
Hazavao ny teny izay ho re!
Asehoy Jesosy,
Ambarao ny vonjy;
lasao ny Nosy
Mba ho voavonjy,
Miantrà ry Tompo ô!

3. Ry Afom-pitiavana ô,
Mba levoninao ny lolom-po!
Ampiraiso dia
Ireto ondry vitsy
Mba hifankatia
Ho iray mihitsy Miantrà, ry Tompo ô!

4. Ry Mpampifaly tsara ô,
Mba omeo toky re ny fo!
Mba hanantenanay
Fa ho voavonjy,
Ary handrenesanay
Noho ny Mpamonjy,
Miantrà, ry Tompo ô!

190 – Ry Fanahy mpanazava

1. Ry Fanahy mpanazava
Miandrandra Anao ‘zahay,
Aza ela fa tongava,
Taomy ny fanahinay !
Mba ho fantatray mazava
‘Zay lazain’ny Teninao,
Areheto lalandava
Ao am-po ny afonao !

2. Ry Jesosy, mitenena
Araka ny fombanao
Aminay izay manantena
Mba handre ny feonao !
Fo marary sy manahy
Mba tsaboy sy iantrao ;
Ny te hino fa tsy sahy,
Anehoy ny holatrao !

3. Rainay mpanome ny soa,
Mba henoy ny hatakay !
Ka ny tananao tsitoha
larovinao anay ;
Ny tanora mba tahio,
Ny vaventy hafanao,
Mba ho hitanay anio
Fa aty ny Tenanao !

191 – Ny Teny sy Fanahinao

1. Ny Teny sy Fanahinao,
Ry Ray, mba avelao
Handroso tsara, hanavao
Izao tontolo izao,
Mitombo, mihabe
Ny ratsy izao, odre!
Fa vitsy ny mpanomponao
Izay ifalianao.

2. Vonjeo, ry Jesosy ô!
Ny fiangonanao,
Fa misy marobe izao
Izay mody olonao.
Anefa tsy manao
Izay tena sitrakao.
O, ry Mpanjaka lehibe!
Mba mamonje anie.

3. Fanahy ô! Mba raisonao
Izao vavakay izao;
Ny fonay mba havaozinao,
Ny maso hazavao,
Hahafantaranay
Izay alehanay,
Mba hamoazanay
Izao voa tianao.

192 – Andriananahary, aba Ray

1. Andriananahary, aba Ray
Izay, ianteheranay,
Mba raiso re ny vavakay.
Esory sy vonoy ny helokay,
Vonjeo, re, izahay!

2. Ry Jeso Zanak’Andriamanitra,
Mpitarika ho an-danitra
Mpanolo-tsaina marina,
Mpamonjy tia ka nolavina,
Vonjeo, re, izahay!

3. Ry Mpampionona mandrakizay,
Ampiomano izahay
Handray ny famindramponao,
‘Ndrao very amin’ny otanay izahay.
Vonjeo, re, izahay!

532 – Ry Jeso lohan’ny mpandefitra

1. Ry Jeso lohan’ny mpandefîtra,
Nilaozanao ny voninahitrao
Mba hahatonga anay mpiavona
Hanetry tena eo imasonao !

2. Ry tsy miavonavona am-po,
Izaho te-hianatra aminao
Mba hitsaharan’ny fanahiko,
Fa mampiadam-po ny entanao !

3. Ny fietrenao ry Voahombo ô,
No iakaram-boninahitra ;
Ny tany sy ny lanitra vaovao
Hataonao lovan’ny mpandefitra !

4. Mifandefera sy mifanajà,
Ry samy voavela heloka !
Miraisa hazofijaliana,
Hiraisantsika voninahitra.

533 – Iray ny Ray Tsitoha

1. Iray ny Ray Tsitoha,
Mpitia olombelona;
Iray ny Tompo soa,
Iray ny rano velona,
Iray ny vavahady
Izay hidirana;
Ny rafy sy ny ady
Dia iombonana.
Iray ny fahantrana
Ilaozantsika aty,
Iray ny fanjakana
Alehantsika ary.

2. Ry zana-janahary,
Ry voavela heloka,
Miraisa hina ary,
Ka mifandraisa tanana;
Mifamelà isika,
Fa samy meloka;
Mifanajà isika,
Fa samy zanaka.
Ry jeso be fitia,
Ampio ny olonao
Mba ho mpifankatia
Manahaka Anao.