677 – He! Tazana ao an-danitra

1. He! Tazana ao an-danitra
Vahoaka finaritra
Mitafy fotsy ravo fo,
Ka mirana avokoa.
Ny vazan-tany efatra
No nielezan-kafatra,
Dia tonga izao
Ny ory tao
Ka afaka entana.
Ny ran’Ilay Mpamonjiny
Nahafotsy ny akanjony;
Koa dia ireo
Manandra-peo
Ampifaliana.

2. Ho an’Andriamanitra
An-tsezam-boninahitra
Ny famonjena anie!
Hobin’ny marobe,
Ilay Zanak’ondry avotra
No nanafahan-tahotra
Izay voaray
Ho zana-dRay
Hobio mandrakizay!
Ka saotra, voninahitra
Ho an’Andriamanitra,
O, mba derao,
Ankalazao,
Haleloia! Amena!