ASTUCE: RÉACTUALISER VOTRE PAGE EN CAS DE RAJOUT DE CHANTS PENDANT LE CULTE. BON CULTE

FANOMPOAM-PIVAVAHANAFandraisana ny Fanasan’ny TompoKaremy 2Fanateram-bokatraAlahady 01 martsa 2026 TRADUCTION DU DIRECT: Offrandes, rakim-pisaorana, cotisation |
- Lakolosy & Feon’java maneno fanombohana
- Mpitarika : Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, Amen !
FANATREHANA & FIDERANA NY TOMPO
- Psaumes 119
1 Justes, réjouissez-vous en l’Eternel ! La louange sied aux hommes droits…4 Car la parole de l’Eternel est droite, Et toutes ses œuvres s’accomplissent avec fidélité ; 5 Il aime la justice et la droiture; La bonté de l’Eternel remplit la terre…12 Heureuse la nation dont l’Eternel est le Dieu! Heureux le peuple qu’il choisit pour son héritage ! …20 Notre âme espère en l’Eternel ; Il est notre secours et notre bouclier. 21 Car notre cœur met en lui sa joie, Car nous avons confiance en son saint nom. 22 Eternel ! que ta grâce soit sur nous, Comme nous espérons en toi.
- Hira : 171:1-3
1. Jeso Mpanjaka malaza
No Tompo Mpanjakanay ;
Mahery sy tsara indrindra
Ka Izy no aronay !
Mendrika hankalazaina
Noho ny heriny ;
Eran-tany sy lanitra koa
Ny zo aman-dazany !
Fiv : Ry Tompo Mpanjaka mahery ô,
Mihainoa, mihainoa !
Avy manaiky tokoa izahay
Fa Tompon’ny hery rehetra Ianao,
Tsy misy mihitsy ny toa Anao,
Tsy tratry ny saina ny herinao !
Ny fiderana ‘zay entinay, raiso re ;
Ny haja atolotra Anao ety, raiso izao !
3. Tompo Mpanjaka Tsitoha
Kanefa be indrafo !
Deraina eram-po eran-tsaina,
Deraina mandrakizay !
He, ny mpanompo voavonjy
Samy mihoby hoe :
« Haleloia ho amin’ny avo,
Fa Jeso no Tomponay ! »
Fiv : Ry Tompo Mpanjaka mahery ô,
Mihainoa, mihainoa !
Avy manaiky tokoa izahay
Fa Tompon’ny hery rehetra Ianao,
Tsy misy mihitsy ny toa Anao,
Tsy tratry ny saina ny herinao !
Ny fiderana ‘zay entinay, raiso re ;
Ny haja atolotra Anao ety, raiso izao !
- Vavaka fihaonana
- Feon’java-maneno
SITRAPON’ANDRIAMANITRA
FIAIKEN-KELOKA
- Mpitarika: (Vavaka fifonana)
- Fiangonana :
« Ry Rainay Be Famindram-Po Ô, Mitalaho Aminao izahay; Mamelà ny helokay;
Diovy izahay ho afa-pahotana; Sasao izahay ho afa-keloka; Ary havaozy ny fanahinay mba ho vonon-kanompo Anao. Ny Fitiavan’i Jesosy Kristy Zanakao Mpamonjy anay no angatahanay Aminao. Amena. »
Ry Andriamanitra Tompo Ray any an-danitra ô, mamindrà fo aminay !
Ry Jesosy Tompo Mpamonjy izao tontolo izao, mamindrà fo aminay !
Ry Fanahy Masina Tomponay Mpampionona ô, mamindrà fo aminay !
TENY FAMELAN-KELOKA SY FIHAVANANA
- Mpitarika: (Teny famelan-keloka)
- Fiangonana: Amen
FANKALAZANA
- Mpitarika : Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra
- Fiangonana : Ary fiadanana ho ety ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany.
- Hira:
480 - Mamin’ny foko, ry Jeso ô (1-3)
1. Mamin’ny foko, ry Jeso ô,
Ny famonjena izay vitanao ;
Ny hadisoako navelanao
Tena afaka aho mandrakizay !
3. Aoka ny foko sy ny fonao
Hiara-mitempo tena iray ;
Aoka ny saiko sy ny sainao
Hiray safidy mandrakizay !
Jeso malala ô ! sns...
Fiv : Jeso malala ô,
Mpamonjy soa !
Indro ny aiko raiso ho Anao ;
Velon-kanompo,
Velon-kanoa,
Vonon-kanao izay sitrakao ! - Feon’java-maneno
FAMAKIANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
FOTOANAN’NY ANKIZY SY TANORA
(Mitsangana ny ankizy sy ny tanora)
-
- Hira :
207 - Mamy ny Teninao (2-3-4)
2. Madio ny Teninao
Ka tsara indrindra,
Dia fahendrena
Ho an'ny adala,
Mahafaka ny maizina
Ka mitondra ny mazava !
3. Soa ny Teninao
Mahatsara ny fo
Fa ao no hitanay
Misy Mpanavotra,
Jeso, Loharanon'aina
Mahasasa ny meloka !
4. Irin'ny foko koa
Ny Teny masina
Noho ny harena
Na fananana be ;
Ny Teninao no tanako
Ho lovako mandrakizay !
- Hira :
- Mpitarika: Ho aminareo anie ny Tompo
- Fiangonana: Ary ho amin’ny fanahinao
- Mpitarika: (Vavaka fitsilovana ho an’ny ankizy sy noho ny Teny)
VAKITENY
Genesisy 12. 1-8
Genèse 12. 1-8
1 L’Eternel dit à Abram: Va-t’en de ton pays, de ta patrie, et de la maison de ton père, dans le pays que je te montrerai. 2 Je ferai de toi une grande nation, et je te bénirai; je rendrai ton nom grand, et tu seras une source de bénédiction. 3 Je bénirai ceux qui te béniront, et je maudirai ceux qui te maudiront; et toutes les familles de la terre seront bénies en toi.
4 Abram partit, comme l’Eternel le lui avait dit, et Lot partit avec lui. Abram était âgé de soixante-quinze ans, lorsqu’il sortit de Charan. 5 Abram prit Saraï, sa femme, et Lot, fils de son frère, avec tous les biens qu’ils possédaient et les serviteurs qu’ils avaient acquis à Charan. Ils partirent pour aller dans le pays de Canaan, et ils arrivèrent au pays de Canaan.
6 Abram parcourut le pays jusqu’au lieu nommé Sichem, jusqu’aux chênes de Moré. Les Cananéens étaient alors dans le pays. 7 L’Eternel apparut à Abram, et dit: Je donnerai ce pays à ta postérité. Et Abram bâtit là un autel à l’Eternel, qui lui était apparu. 8 Il se transporta de là vers la montagne, à l’orient de Béthel, et il dressa ses tentes, ayant Béthel à l’occident et Aï à l’orient. Il bâtit encore là un autel à l’Eternel, et il invoqua le nom de l’Eternel.
2 Timoty 1. 8-10
2 Timothée 1. 8-10
8 N’aie donc point honte du témoignage à rendre à notre Seigneur, ni de moi son prisonnier. Mais souffre avec moi pour l’Evangile, par la puissance de Dieu; 9 il nous a sauvés, et nous a adressé une sainte vocation, non à cause de nos œuvres, mais selon son propre dessein, et selon la grâce qui nous a été donnée en Jésus-Christ avant les temps éternels, 10 et qui a été manifestée maintenant par la venue de notre Sauveur Jésus-Christ, qui a réduit la mort à l’impuissance et a mis en évidence la vie et l’immortalité par l’Evangile.
Matio 17. 1-9
Matthieu 17. 1-9
1 Six jours après, Jésus prit avec lui Pierre, Jacques, et Jean, son frère, et il les conduisit à l’écart sur une haute montagne. 2 Il fut transfiguré devant eux; son visage resplendit comme le soleil, et ses vêtements devinrent blancs comme la lumière. 3 Et voici, Moïse et Elie leur apparurent, s’entretenant avec lui. 4 Pierre, prenant la parole, dit à Jésus: Seigneur, il est bon que nous soyons ici; si tu le veux, je dresserai ici trois tentes, une pour toi, une pour Moïse, et une pour Elie. 5 Comme il parlait encore, une nuée lumineuse les couvrit. Et voici, une voix fit entendre de la nuée ces paroles: Celui-ci est mon Fils bien-aimé, en qui j’ai mis toute mon affection: écoutez-le! 6 Lorsqu’ils entendirent cette voix, les disciples tombèrent sur leur face, et furent saisis d’une grande frayeur. 7 Mais Jésus, s’approchant, les toucha, et dit: Levez-vous, n’ayez pas peur! 8 Ils levèrent les yeux, et ne virent que Jésus seul.
9 Comme ils descendaient de la montagne, Jésus leur donna cet ordre: Ne parlez à personne de cette vision, jusqu’à ce que le Fils de l’homme soit ressuscité des morts.
- Fiangonana : Isaorana anie ny Tompo noho ny Filazantsara ! Amen!
FANEKEM-PINOANA KRISTIANA
Mino an’ Andriamanitra Ray Tsitoha, Mpanao ny lanitra sy ny tany aho.
Ary mino an’ i Jesoa Kristy Zananilahy Tokana Tompontsika, izay notorontoronina tamin’ ny Fanahy Masina, naterak’ i Maria Virjiny, nijaly raha nanapaka i Pontio Pilato, nohomboana tamin’ ny hazo fijaliana, maty ka nalevina, nidina tany amin ‘ny fiainan- tsy hita, nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo, niakatra ho any an- danitra, mipetraka eo an- kavanan’ Andriamanitra Ray Tsitoha, avy any no hiaviany hitsara ny velona sy ny maty.
Mino ny Fanahy Masina aho, ny Fiangonana Masina manerana izao tontolo izao, ny fiombonan’ny olona masina, ny famelan- keloka , ny fitsanganan ‘ny tena amin’ny maty ary ny fiainana mandrakizay .
Amena.
- Hira :
470 - Ny foko, ry Mpamonjy (1-5)
1. Ny foko, ry Mpamonjy,
Mangetaheta Anao ;
Maniry lalandava
Hikambana aminao !
5. Finaritra ny saiko
Raha ipetrahanao,
Fa reraka ny aiko
Raha alavirinao !
Fiv : Tsy afaka ao am-poko, sns...
Fiv : Tsy afaka ao am-poko
Ny faniriana Anao ;
Oneno re ny foko
Ho lapanao !
TORITENY
- TRADUCTION DU DIRECT: +33 (0)1 70 37 22 46 – Code 98810659739#- Mot de passe : 2020#
- Predication également disponible sur le Podcast FPMA Paris (Semaine après le culte)
- Feon’java-maneno
- Antoko Mpihira
FILAZAN-DRAHARAHA
RAKITRA
Offrandes, dons, rakim-pisaorana, adidy : http://www.fpma-paris.org/offrandes-cotisation (Lien Paypal)
ASTUCE: REACTUALISER VOTRE PAGE EN CAS DE RAJOUT DE CHANTS PENDANT LE CULTE.
- Hira:
489 - Tena sambatra sy maha-te ho tia
1. Tena sambatra sy maha-te ho tia
Izay masina, madio fisainana
Fa miara-dalana, mifankatia
Amin'Andriamanitra Fiainana.
Fiv : Masina tokoa re ny Tompo.
Tianay mba ho masina
Saina tena sy fanahy
Ka fiainan-danitra tokoa
No santarin'izay
Mino sy manoa.
2. lndro, mampahery, mahatoky koa
Raha mahitsy ny fijery, soa ny fo;
Fa ny fo madio sy masina tokoa:
Paradisa an-tany, feno zava-tsoa.
Masina tokoa, sns...
3. Koa halaviro ny fitaoman-dratsy,
Ny fisaikazana tsy mba masina;
Fa ny tia ny Tompo, dia olon-tsoa mitafy
Fahadiovan'ny Fanahy Masina.
Masina tokoa, sns...
4. Miaraha lalana amin'i jesosy
Fa ny fahavalo ta-hamotraka;
Mijoroa, reseo ny toetra mampihosina
Ao anaty loto sy ny fotaka.
Masina tokoa, sns..277 - Indro, Tompo, vory eto
1. Indro, Tompo, vory eto
Anatrehanao izahay
Mba hanatitra ireto
Vokatry ny asanay
Fiv : :,: Raiso re, raiso re!
Ho fanati-tsitrakao :,:
2. Hianao no mampaniry
Sy mampisy vokatra
Izahay dia mpitahiry
Fa Anao ny zavatra
Raiso re, raiso re, sns...
3. Ary na tsy mendrika aza
Aoka tsy holavinao
Fa ho enti-mankalaza
Ny Anaran-tsoanao
Raiso re, raiso re, sns...
4. Raiso koa re, ry Tompo
Ho Anao ny tenanay
Amboary ho mpanompo
Mahafatra-po izahay
Raiso re, raiso re, sns...AN 16 - Isaoranay Jehovah Tomponay
Isaoranay Jehovah Tomponay, isaoranay Andriamanitray; fa be fitia ny Tomponay, ny Tompo tia anay, Mpanjaka tia, Mpamindra fo. Deraina Hianao. Isaoranay izao, fa be fiantra Hianao, Mpanjaka be fitia. Isaoranay ny Tomponay. Ny tany aty mandray fitahiana; ny lanitra ary mamoaka ny soa, ka misy tokoa ny vokatra tsara, Jehovah Tsitoha manambina anay. Deraina ny Anaranao Andriamanitray. He! faly izahay izao manao ny hiranay! Isaoranay Andriananaharinay Mpanjaka be fitia.
432 - Mandra-piavin'ny Tompo
1. Mandra-pihavin'ny Tompo, mivavaha !
Ny teny tsara nomeny tadidio,
Ny adidinao tontosay sy efao !
Mijery ny ataonao ny Ray.
Fiv : Raha mpanompo tsara hianao,
He, ny Tompo faly aminao !
Koa tanteraho ireo adidinao
Mba ho mpanompo mahasoa !
2. Mandra-piavin'ny Tompo, miasà !
Ampitomboy ireo talenta azonao !
Vola, fahaizana, aina, hery koa
No anompoy ny Tompo Tsitoha !
Fiv : Raha mpanompo tsara hianao, sns...
3. Moa tianao va Ilay Mpamonjy Tompo soa ?
Ny rany anie nanavotany anao !
Ny hafany tanteraho sy hajao
Valio ny fanavotany anao !
Fiv : Raha mpanompo tsara hianao, sns...427 - Ho vavolombelonao
1. Ho vavolombelonao
N'aiza n'aiza no aleha
Izay no faniriana vao
Sy hataoko rehareha.
Ka raha asa no atao
Inty tokoa fa vonona
(ho vonona aho)
Tsy hiala na handao,
Tompo ô, iraho aho!
2. Ho vavolombelonao
Eran-tany raha ilaina
Toy ny loharano vao
Izay mamelombelona aina.
Hanasoa ny tany hay
Efa mihamaina taho
(mihamaina)
Tompo ô, inty indray
Alefaso, vonona aho.
3. Ho vavolombelonao
Ao anaty fitsapana,
Ka hijoro ho Anao,
Na fefena, na raràna,
Tsy hiahotra ny dia :
Fa Hianao naniraka ahy
(naniraka ahy)
Tsy hiahotra aho satria
Amiko Hianao Mpitahy.
Hira fanolorana:
Ry Tompon’ny harena ô,
Fanatitra an-tsitrapo
Atolotray Anao izao ;
Mba raiso ka tahionao. Amena.
FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO
- Hira:
447 - Ianao ry Kristy Tompo (2-3)
2. 'Zao no tena faniriako :
Ny ho velona aminao
Ka hitoeranao ny foko
Fa tsy holalovanao !
Eny, Tompo ô, monena,
Mba monena ao tokoa,
'Zay no tena famonjena,
'Zay no mahafatra-po !
3. Tsy ho orin-java-tsoa
'Zay rehetra itoeranao,
Tena sambatra tokoa
Raha ny fo no lapanao !
Mandrosoa, fa vohako
Ho Anao ny foko 'zao,
Eny Tompo fa vohako
Koa midira Ianao ! - Mpitarika: Ho aminareo anie ny Tompo! Aoka hizara ny fiadanana isika
- Fiangonana:
– Ho aminao anie ny Tompo!
– Ary ho aminao koa
-
Sursum Corda (Mitsangana)
- Mpitarika: Asandrato ny fonareo ho eo amin’ny Tompo
- Fiangonana: Asandratray ny fonay ho eo amin’ny Tompo
- Mpitarika: Aoka ho deraintsika ny Tompo Andriamanitra
- Fiangonana: Mendrika ho deraina Izy
-
Préface
- Mpitarika: Eny tokoa Tompo ô, Ray Masina, Andriamanitra mandrakizay, mahefa ny zavatra rehetra, mety sy mahavonjy ny isaoranay Anao amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tomponay, izay tia anay sy nanolo-tena hamonjy anay ; Amin’ny alalany koa no ideran’ny anjely ny fiandriananao sy itsaohan’ny fanapahana sy ny fahefana rehetra anao amin’ny tahotra ary iarahan’ny fiangonana any an-danitra sy ety an-tany midera ny anaranao amin’ny fihobiana ary izahay koa ankehitriny miara-manandratra ny feonay aminy, ka amin’ny fanajana lehibe no ideranay hoe :
- Hira: (Sanctus)

AN 1 - Masina, masina
Masina, masina Jehovah Tompo !
Feno ny voninahitrao izao rehetra izao ry Tompo ô !
Amen
-
Vavaka (Fisaorana, Anamnèse, Epiclèse) (Mipetraka)
- Mpitarika: Ry kristiana malala, aoka isika hahatsiaro an’i Jesoa Kristy izay maty nisolo antsika sy nitsangana ho fanamarinana antsika, dia fanati-pihavanana natolotr’Andriamanitra antsika, ary aoka isika hiara-misaotra sy hivavaka:
Misaotra Anao izahay Andriamanitra Rainay, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa noho ny famindram-ponao aminay mpanota mahantra, dia nomenao ny Zanakao Lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay. - Fiangonana: Efa maty Kristy, efa nitsangana Kristy ary ho avy amim-boninahitra.
- Mpitarika: Ry kristiana malala, aoka isika hahatsiaro an’i Jesoa Kristy izay maty nisolo antsika sy nitsangana ho fanamarinana antsika, dia fanati-pihavanana natolotr’Andriamanitra antsika, ary aoka isika hiara-misaotra sy hivavaka:
-
- Mpitarika: Noho izany ry Tompo, Rainay any an-danitra ô, indreto izahay manao eto anatrehanao ny fahatsiarovana ny fahatongavan’ny Zanakao ho olona, ny fijaliany sy ny fahafatesany, ny fitsanganany tamin’ny maty ary ny fiakarany tamim-boninahitra sy ny fifonany mandrakizay ho anay, ka miandry sy mitalaho ny fiverenany izahay.
- Fiangonana: Amena, avia Jesoa Tompo!
-
- Mpitarika: Ankehitriny, Ray ô, aidino ny Fanahy Masina mba hameno ny fonay ka handraisanay tokoa ny Tomponay amin’ny finoana velona amin’izao izy manatona anay amin’izao fanasana izao. Fa ny Fanahy Masina no aharianao, amelomanao, anamasinanao ary anomezanao anay ny zava-tsoa rehetra.
- Fiangonana: Amena, avia Fanahy Masina!
-
- Mpitarika: Misaotra Anao izahay ry Jeso Kristy Tompo ô ! Midera ny Anaranao izahay ry Zanak’Andriamanitra Lahy Tokana Mpamonjy anay!
Ankalazaina anie Hianao noho ny fitiavanao izay mahery noho ny fahafatesana.
Ary izahay izay tonga eto anatrehanao hiombona amin’ny latabatrao dia mangataka mba hampiraisonao Aminao, ohatrin’ny sampana amin’ny voaloboka.
Ampianaro hifankatia tahaka ny nitiavanao anay izahay, ary aoka izahay hiara-manana amin’ny fiangonana masina manontolo ny fiononana sy ny fifaliana Aminao, dia Hianao izay miara-manjaka amin’ny Ray sy ny Fanahy Masina hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. - Fiangonana: Amena!
- Mpitarika: Misaotra Anao izahay ry Jeso Kristy Tompo ô ! Midera ny Anaranao izahay ry Zanak’Andriamanitra Lahy Tokana Mpamonjy anay!
-
Teny Fanorenana sy Fanamasinana (Mitsangana)
- Mpitarika: Jeso Kristy Tompo tamin’ny alina izay namadihana Azy dia nandray ny mofo, ary rehefa Nisaotra Izy dia novakiany ka hoy Izy:
« Raiso, hano, ity ny tenako izay omena ho anareo, izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy.»
Ary toy izany koa ny kapoaka rehefa nihinana, dia hoy Izy:
« Misotroa amin’ity hianareo rehetra, fa ity no rako dia ny amin’ny fanekena vaovao izay alatsaka ho an’ny rehetra ho famelan-keloka. Koa na oviana na oviana no misotro hianareo, dia izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy. »
Misaotra ny Ray, izay nampahamendrika antsika hanana anjara amin’ny lovan’ny olona masina eo amin’ny mazava. Amena. - Hira: (Agnus Dei)

117 - O, ry Zanak'ondry (1-3)
1. O, ry Zanak'ondry,
He, Ianao nijaly !
Ory, voahombo
Anefa tsy namaly !
Ny helokay nalainao,
Ka maty re ny ainao !
(2) Mba iantrao izahay, ry Jeso !
---------------------
Agneau de Dieu
Qui as tant souffert
Toi le crucifié
Tu n’as pourtant pas répondu.
Tu as ôté nos péchés,
Tu as donné ta vie
Aie pitié de nous, ô Jésus !
3.O, ry Zanak'ondry,
He, Ianao nijaly !
Ory voahombo
Anefa tsy namaly !
Ny helokay nalainao
Ka maty re ny ainao !
Ampiadanonao izahay re !
---------------------
Agneau de Dieu
Qui as tant souffert
Toi le crucifié
Tu n’as point répondu.
Tu as ôté nos péchés,
Tu as donné ta vie
Donne-nous la paix !
- Mpitarika: Jeso Kristy Tompo tamin’ny alina izay namadihana Azy dia nandray ny mofo, ary rehefa Nisaotra Izy dia novakiany ka hoy Izy:
-
- Mpitarika : Efa nandray ny Fanahy maha-zanak’Andriamanitra antsika isika koa izany no ahafahantsika manatona ny Ray hoe :
- Fiangonana : (Vavaka nampianarin’ny Tompo)
Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao. Ny ety an-tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay. Ary mamelà ny helokay. Tahaka ny namelany izay meloka taminay. Ary aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin’ny ratsy. Fa Anao ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra mandrakizay. Amena.
-
Fanasana
- Mpitarika: Ny mofo izay vakiantsika dia firaisana amin’ny Tenan’i Jeso Kristy Tompontsika.
Ny kapoaky ny fisaorana izay isaorantsika dia firaisana amin’ny ran’i Jeso Kristy Tompontsika.
Hoy ny Tompo : Andeha, efa voavotra avokoa ny zavatra rehetra!
- Mpitarika: Ny mofo izay vakiantsika dia firaisana amin’ny Tenan’i Jeso Kristy Tompontsika.
-
Fandraisana
ASTUCE: REACTUALISER VOTRE PAGE EN CAS DE RAJOUT DE CHANTS PENDANT LE CULTE
-
- Hira Fandraisana:
254 - Avia, ry mangetaheta ô
1. Avia, ry mangetaheta ô,
Ka aza dia mba mamoy fo
Fa indro misy rano velona
Izay omena mba hamelona
Anao mahantra sy variana,
Ry zanak'ondry very làlana !
2. Ny mofon'aina no atolony
Anao manaiky mba ho olony,
Ny tenany no ho fihinana
Mba hahazoana fiainana,
Kanefa tsy mba hovidiana anie
Fa tena fanomezan-dehibe !
3. Jesosy Tompo no nanolotra
Ny rany masina ho avotra !
Izany raiso mba ho tanjaka
Sy toky ho anao, ry reraka !
Ry mpivahiny sasatra ao am-po,
Avia re, ka manaràna fo !262 - Indreto izahay
1. Indreto izahay,
Ry Jeso ô,
Manaraka izao
Ny hafatrao ;
Ny fahorianao
Tsaroanay izao
Fa fatratra tokoa
Ny nentinao !
2. Ny mofo haninay,
Ry Jeso ô,
Milaza aminay
Ny tenanao ;
Ny fanavotanao
Mahafaka anay
Ka saotra re izao
Atolotray !
3. Misotro ny divay
Izahay izao
Hahatsiarovanay
Ny antranao !
Ny ra nilatsaka
No manadio anay
Manafaka tokoa
Ny olonao
4. Tarihonao ny fo,
Ry Jeso ô,
Ho tia sy hankatò
Ny didinao
Ka tsy ny sitrakay
Fa ny Anao, Jeso,
No aoka ho maminay,
Ry Tompo ô !107 - Maniry mafy aho
1. Maniry mafy aho, ry Jeso Tompo ô,
Hialoka eo ambany hazo fijalianao ;
Tsy misy toeran-kafa re 'zay tena mamiko,
Ny hazo fijalianao no fiarovako !
2. Ny hazo fijalianao no itazanako
Ny tenanao izay nijaly mba ho avotro,
Ka dia kotsan-dranomasom-pitiavana
Ny tavako, ry Tompo ô, fa afa-keloka !
3. Am-pototry ny hazo izay nijalianao
No itoerako ho hazavain'ny tavanao ;
Ataoko fatiatoka ny zava-mora lo,
Ny hazo-fijalianao no tombon-dahiko !623 - Mba omeo ahy
1. Mba omeo ahy
Fo madio kokoa
Afaka ahiahy
Ho Anao tokoa.
Izaho dia malaina,
0! mba hafanao re
Mba hikely aina
Hahefako be.
2. Mbola manangoly
Ny fakampanahy;
Ao koa ny devoly
Ta-hamotraka ahy;
Tompo ô! Ampio
Ny mpanomponao izao,
Ary mba tafio
Herim-po vaovao.
3. Atolory ahy
Zotom-po sy hery,
Fahendrem-panahy,
Fo mahay mietry.
Ampianaro aho
Mba hanolo-tena,
Ka mba hatanjaho
Ny finoako.
4. Dia hamasino
Ny saiko, ry Tompo!
Ka omeo fo mino,
Fo mahay manompo,
Fo mahay mihafy,
Fo miravoravo,
Na dia voa mafy,
Fo toy ny Anao.472 - Iriko e, ry Jeso, hitovy Aminao
1. Iriko e, ry Jeso,
Hitovy Aminao
lzay tsy manan-keloka
Fa masina tokoa !
Iriko e, ry Jeso,
Ho tonga toa Anao,
Namonjy sy nanafaka
Fanahy, aina koa !
2. lriko, ry Mpamonjy,
Mba ho sakaizanao !
Hiaraka ory Aminao
Ka tsy handao Anao ;
Iriko, ry Mpamonjy,
Hanara-dia Anao :
Ny hazo fijaliana
Ho entiko izao !
3. lriko, ry Mpandresy,
Hiaraka Aminao
Ho eo an-toby lehibe,
Ho miaramilanao !
Iriko, ry Mpandresy,
Hanaraka Anao,
Mitondra ny fanevanao,
Handray ny herinao !
4. lriko, ry Mpanjaka,
Ho ao an-dapanao ;
Hiara-paly Aminao
Fa tonga zanakao !
lriko, ry Mpanjaka,
Ho eo anilanao
Handray ny lova atolotrao
Mpanjaka be fitia !FF 34 - Tompo Malala ô !
1. Tompo Malala ô ! Mpanjakako Ianao
Tamy aho fa resy lahatra
Noho ny famonjena vitanao
Eny, ry Tompo, tsy ho haiko adinoina intsony re
Ny fitiavana nasehonao
Fiv : Ka anio no hanavaozako ny fanompoko Anao
Fa tsy ho voavaliko, izay natolotrao
Ny fitiavana natolotrao,
Ka raiso, Tompo, ekeo re sy anjakao
Ny fiainako ho voninahitrao.
2. Tompo Malala ô 'lay hazo fijaliana
Niaretanao tao Kalvary,
Niaretanao Mpamonjiko
No nanehoanao fa tianao ity mpanota izay
Tsy mendrika Anao akory ity
Ka anio no anavaozako, sns...
3. Tompo Malala ô ! tsy ho adinoiko intsony
Ny fitiavana natolotrao
Ny fitiavana natolotrao
Eny, ry Tompo, ity izaho izay voababonao
Fa vonona hanao ny sitrakao
Ka anio no anavaozako, sns...
- Hira Fandraisana:
-
Teny Fampaherezana (Mitsangana)
- Mpitarika: Jeso Kristy Tompontsika izay voahombo tamin’ny hazo fijaliana ka nitsangana tamin’ny maty no efa nanome anareo ny Tenany sy ny Rany izay nanavotany anareo tamin’ny fahotana rehetra, Izy anie hampahery sy hiaro anareo amin’izany amin’ny finoana marina ho fahasambarana mandrakizay. Ho aminareo anie ny fiadanana!
- Fiangonana: Amena
- Hira:
266 - Ry Jeso Tompo, Ianao
1. Ry Jeso Tompo, Ianao
Isaorako tokoa izao ;
Ny ranao sy ny tenanao
No nihinanako izao !
2. Ry foko faly ambarao
Ny soa azonao izao !
Jesosy monina ao am-po,
Endrey ny hafaliako !
VAVAKA FISAORANA SY FANGATAHANA
TSO-DRANO
- Hira:
36 - Moa ho haiko tantaraina ny hasoavanao ?
1. Moa ho haiko tantaraina ny hasoavanao ?
Mifamatra tamin'aina ny fitiavanao !
Ny vahoaka sesehena
'Zay nahazo famonjena
No hidera llay Mpamonjy soa !
Fiv : :,: Jeso no derao :,:
'Zay nataony ambarao !
Jeso no derao !
2. Fiadanana nafoin'i jeso Tomponay,
F'efa tonga ny fotoana
Sitraky ny Ray :
Olom-bery nozahany,
Ny fatorany vahany,
Hajambana koa nalany tsy ho ao !
Jeso no derao, sns...
3. Hoderaina lalandava ny Anaranao,
Fa ny haizina nisava
Eo imasonao !
Na tsy tian'ny sasany aza
Ny Anaranao malaza,
'Zaho koa hankalaza azy re !
Jeso no derao, sns... - Mpitarika: Ho aminareo anie ny Tompo
- Fiangonanan: Ary ho amin’ny fanahinao
- Mpitarika: (Tsodrano – Nomery 6.24-26)
- Fiangonana: AMENA ! AMENA ! AMENA ! HALELOIA ! (Hiraina)
- (Mipetraka ny fiangonana)
- Vavaka mangina
- Mpitarika :Voninahitra ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina izay hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Amena.
Mandehana amin’ny fiadanana, ka manompoa ny Tompo! - Fiangonana: Isaorana anie Andriamanitra!
- Feon-java-maneno firavana
Fiangonana Protestanta Malagasy Aty an-dafy tafo Paris
Cultes et réunions au 16 rue Chauchat – Paris 9eme:
- Tous les vendredis 20h: Foi et prière – Tel : +33186995831 – Code: 96992413931# – Mot de passe: 75009#
- Tous les dimanches:
– 10H30 : Culte en Direct sur https://www.youtube.com/c/FPMAParis1
– Un Youtube en malgache + un autre en Français, en simultané
Pasteur: Solohery RAOBINARISON
Fanompoam-pivavahana : 16 rue Chauchat, 75009 Paris
Fandraharana : 47 rue de Clichy, 75009 Paris
Tel. : 01 45 26 35 93 – http ://www.fpma-paris.org
Fandraisan’ny Mpitandrina : Ora ifanarahana