53 – Miposaka ny vonjy

Miposaka ny vonjy,
Endrey ny hafaliana !
Jesosy no Mpamonjy,
Andriam-piadanana,
Ilay Zanaky ny Avo
Dia nidina taty
Hahatonga antsika lavo
Ho zanaka ary !
Manangana olom-bery
Handova lanitra,
Ka dera, laza hery
Ho an’Andriamanitra !