679 – Moa te-hiara-dia?

1. Moa te-hiara-dia?
Moa te-hiara-dia?
O! ry hava-malala,
Ho ao Kanana izao?
Eny, te-hiaradia,
Fa antsoin’ilay Mpamonjy,
Ho ao Kanana izao:

Fiv : Dera, dera, haleloia!
Dera, dera, haleloia’
An’Andriamanitsika,
Izay ao ambony ao.

2. Kristy re no làlantsika,
Vatolampy, arontsika,
Izy no mitondra antsika
Ho ao Kanana izao.
Tano izahay, ry Tompo;
Hatanjaho ny mpanompo.
Ka tsilovy ny haleha
Ho ao Kanana izao!
Dera, dera, haleloia! sns…

3. Tazana ery sahady
Perla re ny vavahady,
Volamena ny tanàna
Ery Kanana ery.
E! hahita ny Mpamonjy,
Ka hifaly fa tra-bonjy,
Sy hidera re ny vonjy
Ery Kanana ery.
Dera, dera, haleloia! sns…

678 – Hajao ny olo-masina

1. Hajao ny olo-masina
Mpanaraka ny Tomponao,
Miely sy manerana
lzao tontolo izao,
Ireo dia tonga ohatra,
Ka tokony harahinao,
Na efa olon-dehibe,
Na zaza hianao;
Tanteraka ny sasany,
Ka efa nody amin-dRay;
Ny sasany dia mbola aty
Milasy amin-day.

2. Ka betsaka ny isany,
Na aty, na ao an-danitra;
Ny Rainy kosa dia iray, Andriamanitra;
Ireo maro namanao
Miantso koa maka anao
Hiaraka hiezaka
Hankao an-danitra;
Ka dia miezaha re,
Ka aza kivy hianao;
Jereo ao aloha ao
Ny loka ho anao.

677 – He! Tazana ao an-danitra

1. He! Tazana ao an-danitra
Vahoaka finaritra
Mitafy fotsy ravo fo,
Ka mirana avokoa.
Ny vazan-tany efatra
No nielezan-kafatra,
Dia tonga izao
Ny ory tao
Ka afaka entana.
Ny ran’Ilay Mpamonjiny
Nahafotsy ny akanjony;
Koa dia ireo
Manandra-peo
Ampifaliana.

2. Ho an’Andriamanitra
An-tsezam-boninahitra
Ny famonjena anie!
Hobin’ny marobe,
Ilay Zanak’ondry avotra
No nanafahan-tahotra
Izay voaray
Ho zana-dRay
Hobio mandrakizay!
Ka saotra, voninahitra
Ho an’Andriamanitra,
O, mba derao,
Ankalazao,
Haleloia! Amena!

676 – Ny voarain’Andriamanitra ary

1. Ny voarain’Andriamanitra ary,
Ka afaka taty
An-tany be mahory
Dia lasa nody
Fa tsy maty tsy akory.

2. Ny tafafindra monina ao an-danitra ao,
Nankao an-tany vao
Fonenan’ny mazava,
Dia tsy mba maty,
Fa nandao ny mety rava.

3. Ny voasatro-boninahitra tsy lò,
Ka manaram-po
Misotro ranon’aina,
Dia tsy mba maty,
fa nandray ny natenaina.

4. Ny ondrinao izay manaraka Anao,
Ho ao an-balanao,
Ry Ilay Mpiandry Tsara,
Dia tsy mba maty,
re, fa tsara fiafara,

5. Ny fo mivantana aminao lzay nanome
Ny hasambaram-be
Nandramany sahady,
Dia tsy mba maty, fa mpandresy afaka ady.