1. Misaora ny Mpahary,
Tsarovinao ny asany !
Misaora ny Mpahary,
Derao ny soa vitany !
Ny helokao rehetra
Dia voavelany,
Fa tsy mba misy fetra Ny fitiavany,
Ny Zanany nafoiny
Mba ho Mpamonjinao,
Ka hianao nantsoiny
Handray ny aim-baovao.
———————
2. Ny toky izay nomeny
Sy ny fahasoavana,
Maharitra ireny,
Tsy manam-pahataperana;
Avelany tokoa
Ny hatezerany,
Ka tsy mba hahavoa
Antsika olony,
Fa Izy mahalala
Ny toetsika aty,
Ka tena Ray mandala
Antsika zanany.
———————
3. He, toy ny voninkazo
Ny ain’ny olombelona,
Tsy ela dia malazo
Ka tena mora levona,
Fa Jeso manan-kery
Hamoha fasana,
Tsy hisy izay ho very
Ny olo-masina;
Isika vovotany
No namboariny
Hiombom-panjakana
Sy laza aminy.
———————
4. Misaora ny Mpahary,
Ry tany sy ry lanitra !
Ry zava-boahary,
Derao, Andriamanitra !
Ry irany mahery
Manao ny sitrany,
Ry zanany izay very,
Kanefa hitany,
Misaora Azy ary,
Fa heniky ny soa,
Misaora ny Mpahary,
O, ry fanahiko !
———————