9 – Ry Tompo Zanaharinay!

1. Ry Tompo Zanaharinay!
Manati-tsaotra izahay,
Fa efa novelominao,
Ka tratr’izao maraina izao.

2. Ny aizina efa lasa izao,
Mazava no naposakao;
Levony koa ny otanay,
Ka hazavao ny hevitray.

3. Ny asanay hatao anio
Atrehonao ka mba tahio,
Hatao ho voninahitrao,
Handraisanay ny antranao

4. Derainay Hianao, ry Ray!
Derainay Jeso Tomponay,
Derainay ny Fanahy koa,
Derainay fa Mpanisy soa.

8 – Dera, laza, hery, haja

1. Dera, laza, hery, haja,
Ho an’Andriamanitra
Tompon’aina, Zanahary,
Rain’ny voninahitra !
Izy no mpanao antsika
Sady ivelomana ;
Fototr’aina, foto-tsoa,
Izy ivavahana
Hihira isika hoe : Haleloia,
Dera ho an’Andriamanitra !
:,:Dia Haleloia, Haleloia :,:

2. Ray Tsitoha, tsy miova,
Tia sy mamindra fo,
Mahasoa isan’andro,
Izy no isaorana !
Vatolampy tsy mifindra,
Tokin’olombelona ;
Fiarova-mahavonjy,
Izy itokiana
Hihira isika hoe : Haleloia,
Dera ho an’Andriamanitra !
:,:Dia Haleloia, Haleloia! :,:

7 – Misaora an’Andriamanitra

1. Misaora an’Andriamanitra
Izay nanao ny lanitra,
Namorona ny tany koa
Sy ‘zay rehetra mahasoa !

2. Derao ny voninahiny,
Ankalazao ny heriny,
Jereo ny fitiavany
Tsy tambonao tononina !

3. Dia avy izahay izao,
Ry Tompo be fitia ô,
Miondrika eo imasonao
Midera ny Anaranao

4. Isaorana mandrakizay
Ianao Andriamanitray,
Ny haja be indrindra izao
Atolotray mpanomponao !

6 – Avia, miondreha

1. Avia, miondreha,
Ry vazan-tany ô!
Fa lehibe Jehovah,
Sy masina tokoa;
Miankohofa tsara,
Manatona Azy ‘zao
Haneho fanajana
ILay Mpanao anao.
———————
Viens, incline-toi
Peuple du monde entier
Car Dieu est grand
Et véritablement saint
Prosterne-toi
En t’approchant de Lui
Pour vénérer
Celui qui t’a créé.

2. Andriananahary,
Manaiky izahay
Fa Aminao ny hery
Tsy hay toherina.
Tsy misy maharara
Ny tianao hatao,
Fa Hianao Mpitondra
Izao rehetra izao.
———————
Ô Créateur
Nous reconnaissons
Que nul ne peut résister
A ta puissance
Nul ne peut interdire
Ce que Tu projettes
Car Tu diriges
Toute chose

3. Re any lavitra any
Izao ny herinao,
Ka isam-bazan-tany
Hiondrika Aminao;
Mpanjaka sy Mpitsara
Mahery Hianao;
Miadana ny tany
Miankina aminao.
———————
Ta puissance
Est tellement répandu
Que toutes les nations
S’inclineront devant Toi
Roi et juge
Puissant Tu es
La nation qui s’appuie en Toi
Demeure dans la Paix

Translation by Uthando

5 – Jehovah, Ray an-danitra

1. Jehovah, Ray an-danitra,
Mpamelona anay,
Tsinjovy ny mpanomponao
Tsarovy izahay !

2. Jehovah Ray, mamindrà fo,
Henoy ny hatakay !
Ekeo sy raiso ho Anao
Ny dera entinay !

3. Jehovah, Ray mahari-po,
Vonoy ny helokay,
Diovy ny fanahinay,
Velomy izahay !

4. Jehovah Ray, ny antranao
No itokianay
Ambara-pahafatinay
Hisaoranay Ianao !

4 – Mamy ny fitianao

1. Mamy ny fitianao,
Ry Jehovah Tomponay
Foinao ny Zanakao
Ho Mpanavotra anay !
Tsy mba misy tokinay
Afa-tsy ny Zanakao,
Ka misaotra Anao izahay
Noho ny fitianao !

2. Mamy ny fitianao,
Mahafaly fo tokoa
Izahay avelanao
Mba hibebaka avokoa !
Lasa lavitra izahay
Nefa notadiavinao ;
Efa ratsy izahay
Nefa tsy nafoinao !

3. Mamy ny fitianao,
Izay andraisanao anay
Honina ao an-dapanao !
Raha ho faty izahay
Noho ny ratsy izay natao,
Loza no anjaranay
Nefa namboaranao
Paradisa izahay !

4. Mamy re, ry Tomponay
Izao fitianao izao,
Ka indreto izahay
Avy mba hisaotra Anao ;
Raiso re izao saotra izao
Fa fanati-tsitrapo,
Tsy mba mendrika ho Anao
Nefa vokatry ny fo !

3 – Isaorana anie Andriamanitsika

Isaorana anie Andriamanitsika,
Fa fitahiam-be omeny ho antsika
Hatreo ambohoka
Ka mandraka antitra
Isika henika
Ny soan’ny lanitra !
———————
Bénissons notre Dieu
Car Il nous accorde de nombreuses bénédictions
Dès le sein maternel
Jusqu’à notre vieillesse,
Nous sommes comblés
des biens célestes !

2. Tsy mety tapitra na lany ny hareny,
Tsy hita faritra ny sisa izay homeny ;
Fanahy sambatra
Sy fo miadana
No efa santatra
Izay ananana !
———————
Toutes ses richesses sont intarissables.
Ce qu’il nous donne en plus est sans limite :
Un esprit heureux
Et un cœur en paix
sont déjà les prémices
de nos biens !

3. Ny Ray sy Zanaka sy ny Fanahy koa,
Derain’ny masina ho Tompo iray tokoa ;
Andriamanitray
Be fahasoavana
No anateranay
Izay fisaorana !
———————
Le Père, le Fils et le Saint Esprit,
Tous les saints célèbrent le seul Seigneur;
À notre Dieu plein de bonté
nous apportons notre reconnaissance !

1 – Andriananahary masina indrindra!

1. Andriananahary masina indrindra!
Ny anjelinao izay mitoetra Aminao
Mifamaly hoe : Masina indrindra
Andriananahary, Telo Izay Iray.

2. Andriananahary masina indrindra!
Na tsy hita aza izao ny voninahitrao!
Masina indrindra Hianao irery.
Andriananahary, Telo Izay Iray.

3. Zava-manana aina samy mankalaza
Sady manambara Anao Izay Tompony izao;
Hianao irery no mitahy azy,
Andriananahary, Telo Izay Iray.

4. Andriananahary feno hatsarana!
He ny fitahianao izay mpanomponao.
Tsara dia tsara ny omenao azy
Andriananahary, Telo Izay Iray.

5. Andriananahary masina indrindra!
Izahay mpanomponao ta-hankalaza Anao;
Feno fahendrena, feno fiantrana,
Andriananahary, Telo Izay Iray.