117 – O, ry Zanak’ondry

1. O, ry Zanak’ondry,
He, Ianao nijaly !
Ory, voahombo
Anefa tsy namaly !
Ny helokay nalainao,
Ka maty re ny ainao !
(2) Mba iantrao izahay, ry Jeso !
———————
Agneau de Dieu
Qui as tant souffert
Toi le crucifié
Tu n’as pourtant pas répondu.
Tu as ôté nos péchés,
Tu as donné ta vie
Aie pitié de nous, ô Jésus !

3.O, ry Zanak’ondry,
He, Ianao nijaly !
Ory voahombo
Anefa tsy namaly !
Ny helokay nalainao
Ka maty re ny ainao !
Ampiadanonao izahay re !
———————
Agneau de Dieu
Qui as tant souffert
Toi le crucifié
Tu n’as point répondu.
Tu as ôté nos péchés,
Tu as donné ta vie
Donne-nous la paix !

140 – Haleloia, Haleloia!

1. Haleloia, Haleloia!
Miderà ny Tomponao.
Manandrata feo hidera
an’i Jeso Kristy ‘zao.
Fa nijaly mafy lzy,
Sady voavono koa.
Nefa indro, velona Izy
Ao an-danitra tokoa.

2. Eny, velona ny Tompo
Mba ho santatsika koa,
Ka ho velona ny mino
Sy hitsangana tokoa:
Dia handray ny lova soa,
Satro-bolamena koa.
Ka hidera ny Mparnonjy
Sy ho sambatra avokoa.

3. Haleloia, haleloia,
Haja, hery, saotra anie
No hatolotra ny Tompo,
‘Zay Mpandresy lehibe;
Hoderaina lalandava
Fa mpanjaka manan-jo:
Haleloia, haleloia,
Hoderaina eram-po.

139 – He! Vita re ny ady izao!

1. He! Vita re ny ady izao!
Ny ota efa resy re,
Ny feo mifaly no atao.
Haleloia!

2. Fahafatesana no tao,
Fa Kristy naharesy izao
Ny fandreseny no derao,
Haleloia!

3. Ny andro nijaliana e!
Nisolo fifaliam-be,
Ka mihirà izay mandre:
Haleloia!

4. Ny gadra voatapany,
Ny efitra efa ravany;
Ka miderà ny heriny:
Haleloia!

5. Ry Tompo ô! Ny fiainanao,
Mamelona ny olonao,
Ka hoderaina Hianao,
Haleloia!

138 – ‘Ty no andro maharavo

1. ‘Ty no andro maharavo
Ora fifalianay
Lay Mpanarina ny lavo
No niady ho anay !
:,: Haleloia, haleloia,
Ho Anao Mpanjakanay !:,:

2. Azonao ny fandresena,
Ry Mpamonjy velona,
Vitanao ny famonjena
Tafatsangana Hianao !
:,: Haleloia, haleloia,
Ho Anao Mpanjakanay !:,:

3. Resinao ny fahotana
Voavoha ny fasanao !
Torotoro re Satana
Afaka ny olonao !
:,: Haleloia, haleloia,
Ho Anao Mpanjakanay !:,:

4. Ry Mpandresy fandozana,
Raisonao ny hajanay !
Ry Mpamonjy, mitantàna,
Tano ho Anao ‘zahay !
:,: Haleloia, haleloia,
Ho Anao Mpanjakanay !:,:

137 – Vita izao ny fandresena

1. Vita izao ny fandresena
Haleloia, haleloia
Azo koa ny famonjena,
Haleloia;
Resy re ny fasana
Sy ny fahafatesana
Fahavalo farany,
Fa Jeso nitsangana,
Tonga fanafahana;
Haleloia (in-3)

2. To izao izay nambara:
Haleloia, haleloia
Fa ny fatotra nivaha:
Haleloia.
Foana ny fasana.
Jeso re nitsangana
Tamin-kery lehibe
Ka torio ry mino e!
Eran-tany mba ho re:
Haleloia (in-3)

3. Dia venteso ny hosana:
Haleloia, haleloia
Aoka tsy hihambahamba:
Haleloia.
Fa efa velona tokoa
Lay Mpamonjy tsy mba roa
Zay nisolo voina anao;
Izy no nisantatra
Ny fiainan-tsambatra:
Haleloia (in-3)

136 – Ry Jeso Tompon’aina!

1. Ry Jeso Tompon’aina!
Nalevina Hianao,
Kanefa, he, deraina,
Fa velona ao izao.

2. Ny fasana nivoha
Noho ny herinao,
Fa tsy mba nahatoha
Ny voninahitrao.

3. Ireo miaramila
Nahery sy nahay
Dia tsy mba nahatana
Anao Mpanjakanay.

4. Nitsangana tokoa
Ho tena santatray
Hianao, ry Tompo soa
Sy Kapiteninay!

135 – Foana ny fasanao

1. Foana ny fasanao,
Jeso Tompon’aina!
Tò tokoa ny teninao
Ka notontosaina.

2. Foana ny fasanao,
Tompo manan-kery,
Gaga teo ny rafinao,
Resy’lay mahery.

3. Foana ny fasanao,
Fa efa novohana!.
Maito ny fatoranao,
Tsy mba nahatana.

4. Foana ny fasanao,
Zanaky ny Avo!
Aina no nasehonao.
Zava-maharavo.

134 – Mifaly tokoa ny foko izao

1. Mifaly tokoa ny foko izao,
Fa misy manambara
Ny Filazantsara.
:,: 0, mba raisonao!:,:

2. Nitsangana Jeso, Haleloia re!
Henoy teny soa,
Ka dia minoa
:.: Fa marina e! :,:

3. He! Rava ny fasana, ka mijere,
Fa efa niala
Ny Tompo malala,
:,: Fa velona e! :,:

4. Ny fahafatesana resy tokoa,
Ka tsy mba mijaly
Ny mino fa faly
:,: Sy tretrika am-po :,:

5. Misaotra, midera Anao izahay,
Ry Jeso Mpamonjy,
Fa vita ny vonjy
:,: Ho mandrakizay :,:

6. Haleloia! Tsara ny Pasaka e!
Ny Tompon’ny aina
Izao hoderaina,
:,: Haleloia re! :,:

133 – Efa namangy ny olony

1. Efa namangy ny olony
Jeso ‘zay Tompon’ny aina
Lasa ny alina maizina
:,: Tonga indray ny maraina !:,:

2. Maty ny Tompo ! nalevina,
Nidina nita ny ony
Nefa nitsangana velona
:,: Koa tsy maty intsony ! :,:

3. Ory ny fon’ny sakaizany
Aiza Ilay nantenaina ?
Hitany nefa tsy fantany
:,: Jeso ‘zay Tompon’ny aina :,:

4. Teniny tsy mba mivadika
Amin’ny olony ory
Tonga ny Tompo nitsidika
:,; Ireo mpianany vory :,:

5. Tonga ny taom-pamangiana
Tondraka ny famonjena
Velona ny fihobiana
:,: Aina vaovao no nomena !:,:

6. Teraka ny fifaliana
Tonga ny filazantsara !
Andron’ny fitomaniana
:,: Mody ho Pasaka tsara !:,:

132 – Indro fa velona

1. Indro fa velona
Jesosy Tompon’aina;
Foana ny fasana,
Resy izao Satana.
Iza indray no hitomany,
Raha mahare izany?
Ry foko sasatra,
Manahy fatratra,
Heveronao izao
Ho afaka ny sentonao.

2. Indro fa velona
Jesosy Tompon’aina;
Izy nitsangana;
Ravo ny fo sy saina.
Jeso Tompo nolatsaina
Tonga loharanon’aina.
Ry havana andrandrao
Ny lanitra izao:
Jesosy velona,
Ka azo ny fiainana.