110 – Nomeko ho anao

1. Nomeko ho anao,
Ny rako masina,
Hanavotra anao,
Izay tsy marina!
:,: Ka dia mba inona izao
No ahy taminao! :,:

2. Nafoiko ho anao
Ny zava-tsoa be,
Mba hanatonanao
Ny Raiko lehibe.
:,: Ka dia mba inona, sns :,:

3. Izaho Tomponao
Nijaly mafy re,
Hanafaka anao
Mpanota lehibe:
:,: Ka dia mba inona, sns :,:

4. Ny vonjy lehibe
Nataoko ho anao,
Ny rako nitete
Hanadio anao;
:,: Ka dia mba inona, sns :,:

5. Jesosy Tompo ô!
Izao no teniko;
Atolotro ho Anao
Ny aiko sy ny fo;
:,: Izany no isaorako
Anao Mpamonjiko :,:

6. Ny foko raisonao,
Oneno hatrety,
Ataovy lapanao
Na eto na ary;
:,: Dia tano aho, Tompo ô!
Mba ho fanananao :,:

109 – Nahafoy ny aiko Aho

1. Nahafoy ny aiko Aho
Hanavotako anao.
Ka nalatsako ny rako,
Nisoloako anao.
He! ny aiko no nomeko
Ry mpanota very e!
Aiza izay afoinao re
Mba ho Ahy Tomponao?

2. Lapan-dRaiko ao ambony,
Voninahi-dehibe,
No nilaozako hamonjy
Sy hanafa-doza anao,
‘Zay voafitaky satana
Sy nozoin-doza be;
Aiza izay afoinao re
Mba ho Ahy Tomponao?

3. Soa be sy mahagaga
No natolotro anao,
Famonjena tsy vidina,
Famelana ny otanao,
Fitiavan-tsy voafetra,
Lova ao an-danitra ao;
Aiza izay afoinao re
Mba ho Ahy Tomponao?

4. Indro Tompo! Fa omeko
Ho Anao ny tenako,
Ka tsy misy izay tsy foiko
‘zay rehetra tianao;
Eso, latsa, tsy ahoako,
Fa ny ho mpanomponao
No ho zavatra kendreko,
Raiso re ny zanakao.

108 – Ny hazo fijalianao

1. Ny hazo fijalianao,
Ry Jeso Tompo maminay,
Dia an’izao tontolo izao,
Ka famonjena ho anay.

2. Mivelatra eo ka hitanay
Izany fitiavana;
Ka ampianaro izahay
Ho be fitia toa Anao.

3. He! Latsaka eo ho avotray
Ny ranao masina sy soa
Ka mba sasao re izahay
Ho olona madio tokoa.

4. Voatolotra eo mba ho anay
Ny famonjena vitanao;
Ka mba tariho izahay
Handray ny fasoavanao.

5. Mamiratra eo ka tazanay
Ny lanitra fonenanao;
Ka mba tantano izahay
Ho mendrika mponina ao.

6. ‘Ndrey, tena mahafinaritra
Ny miara-monina aminao;
Ka ampio izahay hiaritra
Ny hazo fijalianao.

107 – Maniry mafy aho

1. Maniry mafy aho, ry Jeso Tompo ô,
Hialoka eo ambany hazo fijalianao ;
Tsy misy toeran-kafa re ‘zay tena mamiko,
Ny hazo fijalianao no fiarovako !

2. Ny hazo fijalianao no itazanako
Ny tenanao izay nijaly mba ho avotro,
Ka dia kotsan-dranomasom-pitiavana
Ny tavako, ry Tompo ô, fa afa-keloka !

3. Am-pototry ny hazo izay nijalianao
No itoerako ho hazavain’ny tavanao ;
Ataoko fatiatoka ny zava-mora lo,
Ny hazo-fijalianao no tombon-dahiko !

106 – Indro ny fitiavana nijaly

1. Indro, ny fitiavana nijaly
Teo amin’ny hazo fijaliana;
Ary ny ratsy nivonona hifaly
Handresy ny Zanakalahy Tokana.

2. Indro, Ny Fitiavana mahery
Nitondra ny heloky ny olony;
Izy niady hanafaka ny very,
Ny ainy no avotra ka natolony.

3. Izay nijaly mafy tao Golgota,
Voahombo ny tongotra aman-tanany;
Izy nisolo antsika izay mpanota,
Ka fadiranovana ny fanahiny.

4. Ô, ry Mpamonjy, mba hazony aho
Hijery ny Hazo fijalianao !
Olona meloka aho ka hafao
Hialoka amin’ny fitiavanao.

105 – Tsinjovy ilay havoana

1. Tsinjovy ilay havoana,
Ary Jerosalema,
Fa io no Golgota
Mba tadidio, ange !
Fa tao nivesatra ota
Ny Tompo masina;
Nijaly sy nolavina,
Ka novonoina.

2. Tsy takatra heverina
Ny entan-dehibe,
Izay nentin’ny Mpisolo
Ka diniho, re !
Fa nentiny daholo
Ny heloka natao :
Fa tonga Izy hanavao
Izao tontolo izao.

3. Ny helotsika koa izao
Dia nivesarany,
Ka manaraha Azy,
Mba ho mpianany,
Raha tao Golgota izy,
Ny rany nitete,
Ka vita ho antsika re,
Ny vonjy lehibe.

104 – Raha mijery ny hazo

1. Raha mijery ny hazo
Nijalian’i Jesosy
Tsy misy izay malaza
Na izay mirehareha.

2. Aza miavonavona,
Fa indro ny Mpananvotra;
Ny dian’ny Jesosy Kristy
No arahina isan’andro.

3. Indro ny rany mandeha,
Voahombo ny tanany
Nijaly, ka dia maty
Nisolo olo-meloka.

4. Raha ahy ‘zao tany ‘zao
Sy ny aminy rehetra,
Tsy ho azoko havaly
Ny fitiavan’ny Jeso.

5. ny foko homeko Azy,
Fanahiko atolotro;
Tsy mba mendrika Azy ‘zany,
Fa Jeso no mety mandray.

103 – Ny hazo fijaliana

1. Ny hazo fijaliana
Tsy maintsy hotsarovana !
Henoy re fanahiko,
Ny tenin’ny Mpamonjiko.

2. Ny teny voalohany
Mihevitra ny rafiny :
« Mba mamelà ny helony,
Fa jamba ny fanahiny ! »

3. Izao koa Jesosy ô !
Dia jamba sady ratsy fo;
Ka mba jereo sy iantrao,
fa te-ho tonga olonao.

4. Ilay meloka tanilany
Naniry mba horaisiny,
Nomeny toky tsara io :
« Ho any any Paradisa anio »

5. Raha avy ny anjarako
Ka tapitra ny androko,
Mba raiso aho, Tompo ô,
Ho any paradisanao.

6. Dia hitany ny reniny
Tomany teo akaikiny,
Toy ny tsindron-defona
Ka feno fisentoana.

7. Dia Jaona no natolony
Ho zanany ho solony.
« Mba raisonao, ry Jaona ô
Ho reninao ny reniko ! »

8. Tsarovy aho Tompo ô !
Raha ao am-pahoriako
Iraho ny mpianatrao
Hanampy ny mpanomponao !

9. Ny teniny fahaefatra
No tena mampangovitra;
Niantso izy hoe : « Ry Ray,
Nahoana Aho no afoy ? »

10. Izao no dia nandaozana
Anao tam-pahoriana;
Hahafaka ny tahotro,
Raha tonga ny fotoako.

11. Ny otako izay nentiny
Nahory ny fanahiny,
Ka nitarainany hoe :
« Mangetaheta Aho re ! »

12. Mangidy, ry Jesosy ô,
Ny loza niaretanao,
Ka aoka mba ho mamiko
Ny avotra, izay vitanao !

13. Hoy izy indra : « Tanteraka : »
He ! Teny mahasambatra,
Tanteraka ny asany,
Voavotra ny olony.

14. Ny teny farany indray
Nilaza ny rahatrizay :
« Atolotro ny aiko izao,
Ry Ray, ho eo an-tanananao ! »

15. Izany dia mamiko
Hiorina ao anatiko,
Ka teny hotononiko
Eo amim-pahafatesako !

102 – Reharehako ny hazo

1. Reharehako ny hazo
Nijalian’i Kristy;
Manda fiarovana avo
lalofako aty.

2. Azon-doza maro aho,
Tery koa ny lalana;
Tsy ilaozan’i Jesosy
Mpanome fiadanana.

3. Raha lany re ny andro
Mampiadana indray.
Tsy hadinoko ny hazo
Nentin’ny Mpamonjinay.

4. Ny anjara aty an-tany
Tsy mba mahavesatra
Noho ny hazo fijalianao,
Hazo mahasambatra. Amen.

101 – Ny hazo fijaliana

1. Ny hazo fijaliana,
Ry Jeso Tomponay
Dia tena fahoriana
Fa tianao ‘zahay.

2. Ny hazo fijaliana
Dia manambara izao
Fa be ny fahoriana
Nihatra taminao.

3. Ny hazo fijaliana
No mampiseo koa
Fa tokony hariana
Ny ota mahavoa.

4. Isaoranay dia isaoranay
Hianao ry Tomponay,
Fa be ny fitiavana
Nataonao taminay.