406 – Manenina aho, Ray masina ô

1. Manenina aho, Ray masina ô!
Fa simba ny tsirin’ny aina;
Izay nambolenao tanatin’ny fo
Dia lanin’ny ota ka maina.

2. Indrisy ny fahadisoako, re!
Fa maro tsy tambo isaina,
Kanefa, ry Tompoko, mba mamonje
Ity ory, izay mitaraina!

3. Havaozy indray ny fanahiko izao
Andrao lasa ho babon’ny helo;
Ka ny fivalozako mba raisonao,
Vonjeo ny fo malahelo!

405 – Jesosy Kristy Tompo ô

1. Jesosy Kristy Tompo ô!
Mba mamindrà fo e!
Fa raha tsy hatoninao,
Mahantra aho re!

2. Mifona sy mangataka
Izaho, Tompo ô,
Noho ny ranao latsaka,
Vonoy ny heloko.

3. Ny famonjena vitanao,
Tsy hain’ny hafa atao;
Ny teny sy ny herinao
Dia ampy hanavao.

4. Ho heriko ny indrafo
Sy ny fitiavanao,
Ka faly ny fanahiko,
Fa velon-ko Anao.

5. Ny hazo-fijaliana
Anjarako aty,
Fa satro-pifaliana
Ho azaoko ary.

404 – Ny fasika amoron’ny rano

1. Ny fasika amoron’ny rano
Tsy tambo isaina, fa maro;
Ny kintana an-danitra koa
Tsy azo isaina avokoa.

2. Ny otako toraka izany,
Ny isany tsy hita lany;
Izaho nanary ny soa,
Ka dia mahantra tokoa.

3. Indrisy, izaho nania,
Ka very ny valim-pitia;
Ny foko tsy mety mangina,
Fa maro ny heloka ahina.

4. Izaho maniry hahazo
Ny lova izay tsy halazo;
Iriko ho tafafindra
Ho amin’ny avo indradra

5. Ry Jeso Mpamonjy mahery,
Variana aho fa very,
Ka noho ny ranao madio,
Ny heloko re mba ario.

401 – Izaho nivily, ka simba ny fo

1. Izaho nivily, ka simba ny fo,
Nafoiko ny lalana tery.
Izaho nanary ny soa sy to,
Ka resin’ilay mahavery.

2. Ka nony adala sy mafy ny fo,
Dia tonga ny filazantsara
Naneho ny teny mazava sy to,
Dia teny izay manambara:

3. Fa tonga ny Tompon’ny lanitra izao
Hamonjy izay olom-bery;
Modia anio, ry havako ô,
Araho ny lalana tery.

4. Jesosy nijaly nisolo anao;
Ny fony, ny ainy nijaly;
Ario ny ratsy, fidio zay
Ny soa izay mahafaly.

5. Izaho fahiny nahery nandà,
Tsy nety nifidy ny soa,
Fa noho ny hrin’ny afo sy rà,
Nanaiky ny foko favoa.

6. Izaho izao dia tretrika am-po,
Fa afaka tsara sy sahy
Hiala amin-dratsy, hitady ny to,
Ka mino fa Jeso no ahy

7. Ry Jeso Mpamonjy, arovy ny fo,
Ahiko ny fandrika maro!
Izaho mikasa ao anatin’ny fo
Hanaraka Anao, ry Mpiaro.

400 – Tompo Tsitoha, izahay mifona

1. Tompo Tsitoha, izahay mifona
Mba mihainoa, ô, mba manatona!
Ka mamindra fo aminay mpanota,
Hoafaka ota

2. Raha averina aminay mpanota
Izay mendrikahoanay ho vali’ota,
Dia ho anajaranay re ny hijaly,
Fa tsy hifaly.

3. Indro izahay fa vovoka sy tany,
Reraka, osa, sady mitomany,
tratry ny mafy mampiferinaina,
Ka mitaraina.

4. Noho Jesosy Zanaka malala,
Izay nijaly solonay adala,
Dia mba vonjeoizahay mahantra,
Ry be fiantra.

5. Ray be fitia, tokin’ny mahantra,
Mba manampia anay, ry be fiantra,
Fa miandrandra izahay mijery
Anao irery!

534 – Misy didy tena tsara

1. Misy didy tena tsara
‘Zay nomen’ny Tompo hoe :
Mba mifankatiava tsara
Hianareo ’zay mino e,
:,:Ka miraisa !:,:
‘Zao no didy lehibe

2. Tonga Jeso mba hanompo
Sy mba hampihavana ;
Tsy mpanaraka ny Tompo
‘Zay tsy tia namana
:,:Ka tadiavo:,:
‘Zay ho fampiraisana !

3. Fa iray tokoa ny Loha
Dia Jesosy Zanaka
Endriky ny Ray Tsitoha,
Izay halaina tahaka.
:,:Tsy ho resy:,:
Raha miray ny tafika !

4. Jeso no Ilay foto-kazo,
Tena voaloboka
Ka ny sampana halazo
Raha tafasaraka.
:,:Ikambano:,:
Ka aza mba mihataka !

480 – Mamin’ny foko, ry Jeso ô

1. Mamin’ny foko, ry Jeso ô,
Ny famonjena izay vitanao ;
Ny hadisoako navelanao
Tena afaka aho mandrakizay !

Fiv : Jeso malala ô,
Mpamonjy soa !
Indro ny aiko raiso ho Anao ;
Velon-kanompo,
Velon-kanoa,
Vonon-kanao izay sitrakao !

2. Tano ny foko, ry Jeso tia,
Zaza tsy mahasaraka Anao ;
Mbola malemy mora mania,
Tano hifikitra ao aminao !
Jeso malala ô ! sns…

3. Aoka ny foko sy ny fonao
Hiara-mitempo tena iray ;
Aoka ny saiko sy ny sainao
Hiray safidy mandrakizay !
Jeso malala ô ! sns…

473 – Mombà anay, ry Jeso Tompo ô

1. Mombà anay, ry Jeso Tompo ô !
Fa maizina ny alina aty;
Tsy misy vonjy raha tsy aminao;
Mpamonjy tia ô ! Mombà anay !

2. Mandalo koa ny andronay ety ,
Ka mihalò ny fifalianay;
Miovaovao izao rehetra izao;
Ry tsy miova ô ! Mombà anay.

3. Aza mba mivahiny aminay,
Aza mihevitra ny helokay;
Aoka ho be ny famindranao fo;
Ry Jeso Tompo ô ! Mombà anay.

4. Tsy mahaleo tena izahay,
Fa mora resy, mora kivy koa;
Ry Jeso Tompo ! Aoka honenanao
Ety an-dasin’ny mpanomponao.

5. Ny teninao no fifalianay;
Ny masonao mitari-dalana;
Ary ny herinao no tanjakay;
Sakaiza tsara ô ! mombà anay.

6. Izay ombanao afa-tahotra,
Tsy mety kivy na mamoy fo ;
Tsy misy fahoriana izay
Haninona ny fo arovanao.

7. Rehefa tonga ny fotoana
Hitànay ilay ony maizina,
Aoka ny tavanao hazava ao,
Amin’izany re mombà anay.