548 – He, Jehovah no Mpiandry ahy

1. He, Jehovah no Mpiandry ahy,
Tsy mba misy atahorako;
Raha izy no mitondra ahy
Ahi-maitso no handriako.
Eny, fa ny tany karankaina,
Dia hody saha lonaka,
:,: Ary ao amoron-dranon’aina
Hialan’ny foko sasatra :,:

2. He, Jehovah no Mpitarika ahy
Amin-dalam-pahamarinana,
Koa tsy ho kivy ny fanahy
Amin’ny alo-pahafatesana
Hianao, ry Tokiko irery,
No hiara-dia amiko.
:,: Ka ny tsorakazonao mahery
No hanafaka ny tahotro :,:

3. Amelaranao latabatra aho
Eo imasom-pahavaloko;
Namboaranao kapoaka aho,
Ka mahery sady afa-po;
Eny, indrafo tsy hita lany
No hiaraka amiko izao
:,: Mandra-pahatongako ho any
Hanatrehako ny tavanao :,:

547 – Ry Jeso Masoandronay ô!

1. Ry Jeso Masoandronay ô,
Ny haizin’ny fo lasa tokoa,
Fa tonga aty anatinay izao
Mazava lehibe !

Fiv : Eny, Jeso Zoky be fitia,
Soa lehibe no nentinao taty ;
Avy izahay mba hisaotra Anao
Noho ny fitiavanao !

2. Vangianao ny tokantrano
Ka menatra ery, kaody sy lao ;
Ny fomba ahitana angano
Izay tsy mba sitrakao.
Eny, Jeso sns…

3. Mpanjaka Fiadananay ô,
Ekena tokoa ny herinao ;
Ny sabatry ny firenena
Hatao fangady izao !
Eny, Jeso sns…

4. Ry Jeso Tompo tia anay ô,
Misaotra Anao izahay izao
Fa henika ny hasoavanao
Izao tontolo izao !
Eny, Jeso sns…

546 – Haleloia, Haleloia!

1. Haleloia, haleloia!
Jeso no Mpamonjiko,
Haleloia, haleloia!
Afaka ny heloko.
Sambatra aho tretrika aho
Ahy re ny lanitra,
Haleloia, haleloia!
Jeso no Mpanavotra.

2. Haleloia, haleloia!
Ravoravo re ny fo.
Haleloia, haleloia!
Jeso re no soloko.
Afaka aho, afaka aho,
Levona ny otako;
Haleloia, haleloia!
Lanitra no lovako.

3. Haleloia, haleloia!
Matokia hianao.
Haleloia, haleloia!
Maty mba ho solonao
Jeso Tompo mahatoky,
Ry mpanota very ô.
Haleloia, haleloia!
Raiso ny famindram-po.

545 – Endrey izany hafaliana

1. Endrey izany hafaliana
Fa velona aina izahay !
Tanteraka ny faniriana
Ka dera ho Anao ry Ray !
Atolotray tokoa ny tena
Mba ho fanati-tsitrakao,
Satria manaiky sy ekena
Ho tonga olom-baovao !

2. Ny tanindrazanay malala,
Ry Jeso Tompo, anjakao !
Hiorina eto, tsy hiala
Ny fiadanana entinao !
Ny haizin’ota anie hisava,
Ny fahantrana koa handao
Fa ho tarafin’ny Mazava,
Hanjary tany vaovao !

3. Ny fiangonanao angony
Fanahy ô, ho tena iray
Ka tsy hizarazara intsony
Fa Ianao no mampiray !
Dia ho fanasina, fanilo
Ho an’izao tontolo izao !
Hijoro tsy handraraka ilo,
Hitafy toetra vaovao !

544 – Misaora an’i Jehovah

1. Misaora an’i Jehovah,
Miantsoa ny anarany,
Mitoria ny asany,
Amin’ny olombelona.

2. Ambarao ny fiantrany,
Lazao ny famindram-pony,
Fa mahagaga antsika
Ny fitiavany antsika,

3. Mpanota tsy naringana,
Very mana-Mpanavotra,
Maty ka nomeny aina,
Ho velona mandrakizay.

4. Ry Andriamanitray ô!
Ry Jesosy Mpamonjy ô!
Ry Fanahy Masina ô!
Vonjeo ny olona ory,

5. Fa zohy no itoerana,
Lava-bato no ierena
Fa indrafo no ifalian’
Ny mpivahiny mandalo.

543 – Mihoby ny fanahiko

1. Mihoby ny fanahiko
Fa voavonjy izao,
Ny ratran’ny Mpamonjiko
No misy aim-baovao !

Fiv : Ny ran’i Jesosy
No tena avotro,
Ka sambatra aho
Sy tretrika am-po !

2. Ny ratran’ny Mpamonjinao,
Ry foko, mba jereo
Fa hanasitrana anao
Ka ho fiainanao !
Ny ran’i jesosy, sns…

3. Mba mibitaha re, ry fo,
Ny gadra tapaka ;
Ny hajambana izay nanjo
Izao dia afaka !
Ny ran’i jesosy, sns…

532 – Ry Jeso lohan’ny mpandefitra

1. Ry Jeso lohan’ny mpandefîtra,
Nilaozanao ny voninahitrao
Mba hahatonga anay mpiavona
Hanetry tena eo imasonao !

2. Ry tsy miavonavona am-po,
Izaho te-hianatra aminao
Mba hitsaharan’ny fanahiko,
Fa mampiadam-po ny entanao !

3. Ny fietrenao ry Voahombo ô,
No iakaram-boninahitra ;
Ny tany sy ny lanitra vaovao
Hataonao lovan’ny mpandefitra !

4. Mifandefera sy mifanajà,
Ry samy voavela heloka !
Miraisa hazofijaliana,
Hiraisantsika voninahitra.

533 – Iray ny Ray Tsitoha

1. Iray ny Ray Tsitoha,
Mpitia olombelona;
Iray ny Tompo soa,
Iray ny rano velona,
Iray ny vavahady
Izay hidirana;
Ny rafy sy ny ady
Dia iombonana.
Iray ny fahantrana
Ilaozantsika aty,
Iray ny fanjakana
Alehantsika ary.

2. Ry zana-janahary,
Ry voavela heloka,
Miraisa hina ary,
Ka mifandraisa tanana;
Mifamelà isika,
Fa samy meloka;
Mifanajà isika,
Fa samy zanaka.
Ry jeso be fitia,
Ampio ny olonao
Mba ho mpifankatia
Manahaka Anao.

535 – Finaritra ny manome

1. Finaritra ny manome
Ireo mahantra marobe
Ka mahafoy fananana
Hiantra ny tsy manana.
Izao no asa mahasoa
Izay manendrika tokoa;
Ny manome an-tsitrapo
Hitsinjo olona ory fo.

2. Ry olon’ Andriamanitra!
Mba mihetseha fatratra
Hamonjy sy hanafaka,
Hanampy ireo madinika.
Izay mamokin-tanana
Malain-kiantra namana,
Izay mihirim-belona
Tsy hanarn-piadanana.

3. Ny vola izay nafoinao
Dia tsy mba very foana izao
Fa ny mahantra no mandray
Ka lasan’i Jehovah Ray,
Ireo kamboty mba vangio,
Mpitondratena mba jereo;
Izao no fivavahana
Izay madio sy masina.

536 – Mifankatiava tsara

1. Mifankatiava tsara
Jeso no mampihavana,
Fa Izy no alalantsika
Amin’ Andriamanitra.

2. Mifankatiava tsara
Mba hahatsara antsika,
Fa fototry ny didiny
Sady anton’ny lalàny.

3. Hitsahatra finoana,
Mbamin’ny fanantenana,
Nefa ny fitiavana
Haharitra mandrakizay.

4. Mifankatiava tsara,
Tsy maharatsy namana,
Ary tsy mahatezitra
An’Andriamanitra koa.